Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fidio Tsara ny Namanao Amin’izao Andro Farany Izao

Fidio Tsara ny Namanao Amin’izao Andro Farany Izao

“Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” —1 KOR. 15:33.

HIRA: 73, 119

1. Manao ahoana ny fotoana iainantsika ankehitriny?

MIAINA amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika izao. Nanomboka tamin’ny 1914 io fotoana io ary antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany.” Miavaka izy io satria ratsy lavitra noho ny tany aloha ny fiainan’ny olona nanomboka teo. (2 Tim. 3:1-5) Mbola hiharatsy anefa ny fiainana satria hoy ny Baiboly: “Vao mainka hiharatsy kokoa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka.”—2 Tim. 3:13.

2. Inona no mampiavaka ny fialam-boly eto amin’ity tontolo ity? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

2 Misy herisetra, fijangajangana, fifandraisana amin’ny herin’ny maizina, na zavatra hafa tsy tian’Andriamanitra ny fialam-bolin’ny olona maro. Aseho amin’ny Internet, tele, filma, boky, ary gazety, ohatra, fa tsy ratsy ny herisetra sy ny fijangajangana. Any amin’ny tany sasany aza lasa ekena ho ara-dalàna ny fanao noheverina fa ratsy. Tsy midika anefa izany hoe ankasitrahan’Andriamanitra ilay izy.—Vakio ny Romanina 1:28-32.

3. Ahoana matetika no fiheveran’ny olona an’ireo manaraka ny fitsipiky ny Baiboly?

3 Tsy nanao na nijery fialam-boly ratsy ny Kristianina voalohany sady tsara fitondran-tena. Noharatsin’ny olona sy nenjehiny àry izy ireo. Hoy ny apostoly Petera tamin’izy ireo: “Koa satria tsy miara-mihazakazaka aminy intsony ho amin’izany honahonan’ny filibana izany ianareo, dia very hevitra izy ka manevateva anareo tsy misy farany.” (1 Pet. 4:4) Heverin’ny olona ho hafahafa koa ankehitriny ny olona manaraka ny fitsipik’Andriamanitra. Milaza ny Baiboly fa “izay rehetra te hiaina ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy dia henjehina.”—2 Tim. 3:12.

“NY NAMAN-DRATSY DIA MANIMBA NY FAHAZARANA MAHASOA”

4. Inona no lazain’ny Baiboly fa tsy tokony hataontsika?

4 Tsy tokony ho tia an’ity tontolo ity sy ny fanaony isika raha te hanao ny sitrapon’Andriamanitra. (Vakio ny 1 Jaona 2:15, 16.) I Satana Devoly no “andriamanitr’ity tontolo ity.” Izy no mifehy ny fivavahana sy ny fitondrana ary ny tontolon’ny varotra. Izy koa no mifehy ny haino aman-jery. (2 Kor. 4:4; 1 Jaona 5:19) Mila mifidy tsara an’izay ifaneraserantsika àry isika. Tena marina ity tenin’ny Baiboly ity: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.”—1 Kor. 15:33.

5, 6. Iza no tsy tokony hataontsika namana, ary nahoana?

5 Tsy tokony hinamana amin’ny mpanao ratsy isika raha tsy tiantsika ho simba ny fahazarana tsara ananantsika. Tsy minamana amin’ny olona tsy manompo an’i Jehovah isika. Tsy ataontsika namana koa izay milaza fa manompo azy nefa manao fanahy iniana mandika ny fitsipiny. Tsy ifandraisantsika intsony ny olona toy izany, raha nanao fahotana lehibe nefa tsy mibebaka.—Rom. 16:17, 18.

6 Inona no ho vokany raha minamana amin’ireo tsy mankatò ny lalàn’Andriamanitra isika? Mety ho voatarika hanao ny fanaony isika mba ho tiany. Mety hijangajanga, ohatra, isika raha minamana amin’ny mpijangajanga. Efa nisy Kristianina vita batisa tratran’izany ka voaroaka ny sasany taminy satria tsy nibebaka. (1 Kor. 5:11-13) Mila mibebaka izy ireo raha tsy te hitovy amin’ilay voalazan’ny 2 Petera 2:20-22.Vakio.

7. Iza no tokony hataontsika namana?

7 Tokony ho tsara fanahy amin’ny olona rehetra isika, anisan’izany ireo tsy manaraka ny lalàn’i Jehovah. Tsy tokony hifandray be na hinamana amin’izy ireny anefa isika. Tsy mety amin’ny Vavolombelon’i Jehovah mpitovo àry ny mampiaraka amin’ny olona mbola tsy nanokan-tena ho an’i Jehovah sy mbola tsy nampiseho hoe tsy mivadika aminy. Tsy mety koa ny mampiaraka amin’ny olona tsy manaja ny fitsipik’i Jehovah. Aleo lavitra tsy mivadika amin’i Jehovah toy izay tian’ny olona tsy mankatò ny lalàny. Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra ihany no tokony ho namantsika. Hoy i Jesosy: “Na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”—Mar. 3:35.

8. Inona no vokany rehefa nifanerasera tamin’ny naman-dratsy ny Israelita fahiny?

8 Nifanerasera tamin’ny naman-dratsy ny Israelita ka nizaka vokany mangidy. Nanafaka azy ireo tany Ejipta i Jehovah ary nitondra azy ireo nankany amin’ny Tany Nampanantenaina. Nampitandrina azy ireo izy mba tsy hifandray be tamin’ny mponina tao. Hoy izy: “Aza miankohoka eo anatrehan’ny andriamaniny na manaiky ho voatarika hanompo an’ireny. Ary aza manao na inona na inona mitovy amin’ireo andriamanitra nataony, fa tsy maintsy azeranao ireny ary tsy maintsy torotoroinao ny tsangambatony masina. Manompoa an’i Jehovah Andriamanitrao.” (Eks. 23:24, 25) Tsy nankatò an’izany anefa ny ankamaroan’ny Israelita. (Sal. 106:35-39) Nivadika tamin’i Jehovah izy ireo ka hoy i Jesosy tatỳ aoriana: “Hilaozana ny tranonareo ka havela ho anareo.” (Mat. 23:38) Tsy neken’i Jehovah ho vahoakany intsony ny firenen’Israely. Ilay fiangonana kristianina vao niorina indray no nankasitrahany.—Asa. 2:1-4.

FIDIO TSARA IZAY VAKINAO SY JERENAO

9. Nahoana no mety hahatonga antsika tsy hankatò an’i Jehovah ny haino aman-jery?

9 Mety hahatonga antsika tsy hankatò an’i Jehovah ny ankamaroan’ny zavatra ao amin’ny haino aman-jery. Tsy natao hanampiana ny olona hino azy sy ny fampanantenany izy ireny, fa mampirisika azy ireo hanana ny toe-tsain’ny olona eto amin’ny tontolon’i Satana. Mila mitandrina tsara àry isika mba tsy hijery na hamaky na hihaino zavatra mety hahatonga antsika hanana “fanirian’izao tontolo izao.”—Tit. 2:12.

10. Inona no hiafaran’ireo zavatra ratsy ao amin’ny haino aman-jery?

10 Kely sisa dia horavana ny tontolon’i Satana ka tsy hisy intsony ireny zavatra ratsy ao amin’ny haino aman-jery ireny. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:17) Hoy koa ny mpanao salamo: “Ny mpanao ratsy horinganina, fa izay manantena an’i Jehovah no handova ny tany. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.” Haharitra hafiriana izany? “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”—Sal. 37:9, 11, 29.

11. Ahoana no anomezan’Andriamanitra sakafo ara-panahy ny vahoakany?

11 Tsy mitovy amin’ny zavatra vokarin’ity tontolo ity ny zavatra vokarin’ny fandaminan’i Jehovah. Mampirisika ny olona ho tsara fitondran-tena mantsy izy ireny ary manampy azy hiaina mandrakizay. Nivavaka i Jesosy hoe: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Mampiasa ny fandaminany ilay Raintsika any an-danitra mba hanomezana antsika sakafo ara-panahy be dia be sy mampahery. Tena faly isika fa manana gazety, bokikely, boky, video, ary lahatsoratra ao amin’ny Internet. Mandrisika antsika hanaraka ny fivavahana marina izy ireny. Mandamina fivoriana tsy tapaka any amin’ny fiangonana 110 000 mahery koa ny fandaminana. Manampy antsika hino kokoa an’i Jehovah sy ny fampanantenany ny zavatra ianarantsika any amin’ny fivoriana sy fivoriambe.—Heb. 10:24, 25.

MANAMBADIA AO “AMIN’NY TOMPO IHANY”

12. Inona no dikan’ny hoe manambady ao “amin’ny Tompo ihany”?

12 Ny Kristianina te hanambady no tena mila mifidy tsara an’izay ifaneraserany. Milaza mazava ny Baiboly hoe: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino. Fa inona no ifandraisan’ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina?” (2 Kor. 6:14) Mampirisika an’ireo Kristianina mitady vady ny Baiboly mba hanambady ao “amin’ny Tompo ihany”, izany hoe olona efa nanokan-tena sy vita batisa ary manaraka tsara an’izay lazain’ny Baiboly. (1 Kor. 7:39) Hanana vady mpanompon’i Jehovah ny Kristianina iray raha manambady Vavolombelona, ary hanampy azy tsy hivadika amin’i Jehovah izany.

13. Inona no didy nomen’i Jehovah ny Israelita?

13 I Jehovah no mahalala izay tena hahasoa ny mpanompony ary tsy niova mihitsy ny heviny momba ny fanambadiana. Tsy nanompo an’i Jehovah, ohatra, ny firenena nanodidina ny Israelita. Nasain’i Jehovah nilaza mazava tamin’ny Israelita àry i Mosesy hoe: “Aza manao fifanarahana ara-panambadiana aminy: Aza omenao ho vadin’ny zanany lahy ny zanakao vavy, ary aza alainao ho vadin’ny zanakao lahy ny zanany vavy. Fa hampiala ny zanakao lahy tsy hanaraka ahy izy, ka azo antoka fa hanompo andriamani-kafa ireo. Koa hirehitra aminareo tokoa ny fahatezeran’i Jehovah, ka tsy hiandry ela izy, fa handringana anareo.”—Deot. 7:3, 4.

14, 15. Inona no vokany rehefa tsy niraharaha ny fitsipik’i Jehovah i Solomona?

14 Nangataka fahendrena tamin’i Jehovah i Solomona zanak’i Davida tamin’izy vao nanjaka, ka lasa tena nanam-pahendrena. Lasa nalaza ho Mpanjaka hendry i Solomona, ary nanan-karena ny fireneny. Nilaza toy izao mihitsy aza ny mpanjakavavin’i Sheba rehefa nitsidika azy: “Tsy nino ny tenin’ny olona aho raha tsy tonga tatỳ, ka ny masoko mihitsy no nahita. Fa hay na ny antsasany aza tsy nolazaina tamiko! Fa mihoatra lavitra noho ny zavatra reko tamin’ny olona ny fahendrenao sy ny harenanao.” (1 Mpanj. 10:7) Nampalahelo anefa fa ratsy fiafara i Solomona, satria tsy nanaraka an’ilay didin’Andriamanitra hoe tsy tokony hanambady olona tsy manompo an’i Jehovah.—Mpito. 4:13.

15 Maro ny soa nataon’Andriamanitra tamin’i Solomona. Tsy noraharahainy anefa ilay didy hoe tsy tokony hanambady vehivavy tsy manompo an’i Jehovah izy. “Tia vady maro hafa firenena” i Solomona ary lasa nanana vady 700 sy vadikely 300. Inona no vokatr’izany? “Voatarik’ireny vadiny ireny hanaraka andriamani-kafa ny fony” rehefa antitra izy, “ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah” izy. (1 Mpanj. 11:1-6) Nihena tsikelikely ny fahendren’i Solomona noho izy nifanerasera tamin’ny naman-dratsy, ka tsy nanompo an’i Jehovah intsony izy. Fampitandremana ho an’ireo Kristianina mieritreritra ny hanambady olona tsy tia an’i Jehovah izany.

16. Inona no torohevitry ny Baiboly ho an’ireo efa nanambady vao lasa mpanompon’i Jehovah?

16 Ary ahoana raha efa nanambady tsy Vavolombelona ny olona iray vao lasa mpanompon’i Jehovah? Hoy ny Baiboly: “Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo mba ho voataonanareo tsy amin’ny teny izy, raha misy tsy mankatò ny teny masina, fa amin’ny fitondran-tena kosa.” (1 Pet. 3:1) Ny vehivavy kristianina manambady no nanoratana an’io. Afaka mampihatra azy io koa anefa ny lehilahy raha efa nanambady izy vao lasa mpanompon’i Jehovah. Miezaha àry mba ho vady tsara ary ankatoavy ny fitsipik’i Jehovah momba ny fanambadiana. Maro ny vady tsy Vavolombelona lasa manompo an’i Jehovah, satria nahita hoe niova ny vadiny rehefa nankatò ny fitsipik’Andriamanitra.

IREO TIA AN’I JEHOVAH NO ATAOVY NAMANA

17, 18. Nahoana i Noa sy ny Kristianina voalohany no tafavoaka velona?

17 Manimba ny fahazarana mahasoa ny naman-dratsy fa mahasoa kosa ny namana tsara. Ratsy fanahy, ohatra, ny olona niara-niaina tamin’i Noa ka tsy te hinamana tamin’izy ireo mihitsy izy. “Hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona teto an-tany” tamin’izany, “ary zava-dratsy foana koa no nalehan’ny sainy.” (Gen. 6:5) Nanapa-kevitra àry Andriamanitra fa handefa Safodrano mba handringanana an’io tontolo ratsy io. I Noa kosa ‘olo-marina, ary tsy nisy tsiny izy teo amin’ny mpiara-belona taminy. Eny, niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy.’—Gen. 6:7-9.

18 Azo antoka fa tsy nitady hinamana tamin’ny olona tsy tia an’i Jehovah i Noa. Nifofotra nanao an’ilay asa nampanaovin’Andriamanitra azy kosa izy valo mianaka. Nanamboatra sambofiara, ohatra, izy ireo. “Mpitory ny fahamarinana” koa i Noa. (2 Pet. 2:5) Variana nitory sy nanamboatra sambofiara ary niaraka tamin’ny fianakaviany izy ka nampifaly an’Andriamanitra foana. Tafavoaka velona tamin’ilay Safodrano àry izy mianakavy. Soa ihany fa tsy nivadika i Noa sy ny vadiny ary ny zanany sy ny vinantony, raha tsy izany dia tsy ho nisy isika. Tsy ninamana tamin’ny olona tsy tia an’i Jehovah koa ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Tsy nivadika sy nankatò an’i Jehovah izy ireo ka tafavoaka velona rehefa noravana i Jerosalema tamin’ny taona 70.—Lioka 21:20-22.

Toy ny efa any amin’ny tontolo vaovao isika rehefa miaraka amin’ny Kristianina namantsika (Fehintsoratra 19)

19. Inona no tokony hataontsika raha tiantsika ny hankasitrahan’Andriamanitra?

19 Mpanompon’i Jehovah isika ka mila manahaka an’i Noa sy ny fianakaviany ary ireo Kristianina voalohany. Tsy tokony hinamana amin’ny olona eto amin’ity tontolo ratsy ity isika, fa hitady namana eo anivon’ireo rahalahy sy anabavy an-tapitrisany manompo an’i Jehovah. “Ho mafy orina ao amin’ny finoana” isika amin’izao fotoan-tsarotra izao, raha miaraka foana amin’ireo manana ny fahendren’Andriamanitra. (1 Kor. 16:13; Ohab. 13:20) Saintsaino koa ny zavatra miandry antsika raha mifidy tsara ny namantsika isika amin’izao andro farany izao. Mety ho tafavoaka velona isika rehefa horavana ity tontolo ratsy ity ary hiditra ao amin’ilay tontolo vaovao efa tena akaiky.