Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miandrasa Hatrany!

Miandrasa Hatrany!

“Ary na dia ela fiavy aza izany, dia andraso ihany.”—HAB. 2:3.

HIRA: 128, 45

1, 2. Inona foana no nampiavaka ny mpanompon’i Jehovah?

EFA ela ny mpanompon’i Jehovah no niandry foana ny fotoana hahatanterahan’ny faminaniana nolazain’i Jehovah. Naminany, ohatra, i Jeremia fa horavan’ny Babylonianina i Joda, ary nitranga tokoa izany tamin’ny 607 T.K. (Jer. 25:8-11) Nasaina naminany koa i Isaia fa mbola hampodian’i Jehovah ny Jiosy, ka hoy izy: “Sambatra izay rehetra miandry azy.” (Isaia 30:18) Naminany momba ny vahoakan’i Jehovah fahiny koa i Mika. Natoky an’izay nasaina nolazainy izy, ka niteny hoe: “I Jehovah no handrandraiko.” (Mika 7:7) Efa taonjato maro koa ny mpanompon’i Jehovah no niandry ny fotoana hahatanterahan’ny faminaniana momba ny Mesia na Kristy.—Lioka 3:15; 1 Pet. 1:10-12. *

2 Mbola miandry koa ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Mbola misy tsy tanteraka mantsy ny faminaniana momba ny Mesia. Tsy ho ela i Jehovah dia hampiasa ny Fanjakan’ny Mesia mba hanafoana ny fijaliana. Handringana ny mpanao ratsy izy ary hanafaka ny vahoakany amin’ity tontolo fehezin’i Satana ity. (1 Jaona 5:19) Tokony ho mailo foana àry isika ka hanao an-tsaina hoe efa tena akaiky ny faran’ity tontolo ity.

3. Inona no mety hoeritreretintsika raha efa ela isika no niandry ny faran’ity tontolo ity?

3 Tsy andrintsika ilay fotoana hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ‘etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.’ (Mat. 6:10) Efa elaela ihany angamba isika no niandry ny faran’ity tontolo ity. Mety ho lasa saina àry isika hoe: ‘Tena mbola tokony hiandry ihany ve aho?’ Hodinihintsika ato ny momba izany.

NAHOANA ISIKA NO MBOLA TOKONY HIANDRY?

4. Inona no tena mahatonga antsika hiambina hatrany?

4 Lazain’ny Baiboly mazava tsara hoe inona no tokony hataontsika mandra-pandringana an’ity tontolo ratsy ity. Nandidy ny mpianany i Jesosy hoe: “Miambena hatrany.” (Mat. 24:42; Lioka 21:34-36) Tena tokony mbola hiandry àry isika satria i Jesosy mihitsy no nandidy antsika hanao izany. Mankatò an’izany ny fandaminana ka modely ho antsika. Averimberiny ao amin’ny boky sy gazetintsika fa tokony ‘hiandry sy hanao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah’ isika, ary hatoky foana fa ho avy ny tontolo vaovao.—Vakio ny 2 Petera 3:11-13.

5. Nahoana isika no tena mila miambina?

5 Raha ny Kristianina voalohany aza nasaina niandry foana, mainka moa fa isika! Efa miaina mandritra ny fanatrehan’i Kristy mantsy isika. Maro ny porofo ahitana fa efa tanteraka nanomboka tamin’ny 1914 ny famantarana ny fanatrehany sy ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Miharatsy, ohatra, ny fiainana eran-tany. Efa torina eran-tany koa ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Mat. 24:3, 7-14) Tsy nilaza i Jesosy hoe haharitra hafiriana vao ho tonga ny farany, ka tena mila mailo sy miambina isika.

6. Nahoana isika no manampo hoe hiharatsy foana ny fiainana arakaraka ny hanatonan’ny farany?

6 Milaza ny Baiboly fa hiharatsy hatrany ny toetran’ny olona “amin’ny andro farany.” (2 Tim. 3:1, 13; Mat. 24:21; Apok. 12:12) Midika izany fa vao mainka hiharatsy ny fiainana amin’ny hoavy, na dia efa ratsy aza izany izao. Mety hihevitra àry isika hoe: ‘Sao dia mbola any aoriana any ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” satria amin’izay vao tena ho ratsy be ny fiainana?’

7. Inona no lazain’ny Matio 24:37-39 fa hitranga amin’ny andro farany?

7 Araka ny hevitrao anefa, hanao ahoana ny fiainana alohan’ny “fahoriana lehibe”? (Apok. 7:14) Mihevitra ve, ohatra, ianao fa hisy ady isaky ny firenena, ary ho mosarena sy harary daholo ny olona? Raha izany no izy, dia hiaiky daholo na dia ireo tsy mino ny Baiboly aza hoe tanteraka ny faminaniana voalaza ao. Nilaza anefa i Jesosy fa ho variana amin’ny fanaony andavanandro ny ankamaroan’ny olona ka tsy hiraharaha ny fanatrehany. Efa tara loatra izy ireo vao ho tonga saina. (Vakio ny Matio 24:37-39.) Asehon’ny Baiboly àry fa tsy voatery ho lasa ratsy loatra ny fiainana mandritra ny andro farany. Na ny olona sasany aza mantsy tsy hahatsikaritra an’ilay izy akory ka tsy hiaiky hoe efa ho rava ity tontolo ity.—Lioka 17:20; 2 Pet. 3:3, 4.

8. Inona no miharihary amin’ireo mankatò an’ilay didy hoe: “Miambena hatrany”?

8 Tsy maintsy hiharihary ihany anefa hoe tanteraka ilay famantarana. Amin’izay mantsy ho mailo ny mpanara-dia an’i Jesosy ka vao mainka hankatò an’ilay teniny hoe: “Miambena hatrany.” (Mat. 24:27, 42) Tanteraka tokoa ilay famantarana, nanomboka tamin’ny 1914. Nitranga ireo lafiny samihafa mampiavaka ny andro farany. Efa ao anatin’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” àry isika izao. Tsy haharitra ela io fotoana io, ary ho rava ity tontolo ity amin’ny faran’izy io.

9. Nahoana isika no tokony hiandry hatrany ny faran’ity tontolo ity?

9 Nahoana àry ny Kristianina no tokony hiandry hatrany ny faran’ity tontolo ity? Satria i Jesosy mihitsy no nandidy antsika hanao izany. Hitantsika koa fa tanteraka ny famantarana ny fanatrehany. Tsy hoe minomino fahatany isika, fa hitantsika hoe tena tanteraka ny Soratra Masina. Izany no mahatonga antsika hiandry sy ho mailo ary hiambina hatrany, mandra-pifaran’ity tontolo ratsy ity.

MANDRA-PAHOVIANA ISIKA NO HIANDRY?

10, 11. a) Inona no nampiomanan’i Jesosy ny mpianany? b) Inona no nasain’i Jesosy nataon’ny mpanara-dia azy raha hitan’izy ireo hoe elaela izy vao ho tonga? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

10 Efa ela ny maro amintsika no niandry ny andron’i Jehovah. Efa tapa-kevitra ny hiandry isika, ka tsy tokony hiova hevitra mihitsy, na efa an-taonany maro aza no nanao izany. Tokony ho vonona foana isika mandra-pahatongan’i Jesosy mba handringana an’ity tontolo ratsy ity. Tadidio ilay teniny hoe: “Koa mitandrema hatrany sy miambena hatrany, fa tsy fantatrareo hoe rahoviana ny fotoana voatondro. Izany dia toy ny lehilahy iray nandeha any an-tany hafa. Niala tao an-tranony izy ary nanome fahefana ny mpanompony ka nanome asa ho an’ny tsirairay, dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina hatrany. Koa miambena hatrany àry, fa tsy fantatrareo hoe rahoviana no ho avy ny tompon-trano, na amin’ny takariva, na amin’ny misasakalina, na amin’ny maneno akoho, na vao maraina, mba tsy hahita anareo matory izy, rehefa tonga tampoka. Fa izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny rehetra hoe: Miambena hatrany.”—Mar. 13:33-37.

11 Inona no nataon’ny Kristianina raha vao fantany fa nanomboka tamin’ny 1914 ny fanatrehan’i Kristy? Niomana avy hatrany izy ireo satria fantany fa kely sisa dia ho rava ity tontolo ity. Vao mainka izy ireo nitory momba ilay Fanjakana. Nilaza i Jesosy hoe mety ho tara izy vao ho tonga, ohatra hoe “amin’ny maneno akoho, na vao maraina.” Inona no tokony hataon’ny mpanara-dia azy raha izany no mitranga? Hoy i Jesosy: “Miambena hatrany.” Raha efa ela àry isika no niandry ny andron’i Jehovah, dia tsy midika izany hoe mbola ho ela be ilay izy vao ho tonga na tsy ho tonga mihitsy.

12. Inona no nanontanian’i Habakoka an’i Jehovah, ary inona no valiny azony?

12 Diniho, ohatra, izay nitranga tamin’i Habakoka mpaminany. Nasaina nilaza izy hoe horavana i Jerosalema. Efa an-taonany maro talohan’izay no nisy mpaminany hafa nanambara an’izany koa. Efa lasa ratsy be ny fiainana tao Jerosalema tamin’i Habakoka naminany. ‘Voahodidin’ny ratsy fanahy ny olo-marina ary voaolana ny rariny.’ Tsy mahagaga àry raha nanontany i Habakoka hoe: “Jehovah ô, mandra-pahoviana no iantsoako vonjy?” Tsy namaly azy mivantana i Jehovah fa nanome toky azy hoe “tsy ho tara” ilay fandravana. Nasainy ‘niandry ihany’ i Habakoka.—Vakio ny Habakoka 1:1-4; 2:3.

13. Inona no mety ho noeritreretin’i Habakoka, nefa inona no nety ho vokany raha nanao an’izany izy?

13 Aoka hatao hoe kivy i Habakoka ka nieritreritra hoe: ‘Efa firy taona aho izay no nahare hoe horavana i Jerosalema! Dia ahoana raha mbola ho ela be izany? Sao dia holazain’ny olona fa adala aho raha mbola maminany ihany hoe ho rava tampoka i Jerosalema? Aleo ny olon-kafa no hanao an’izany ka!’ Azo antoka fa tsy ho nankasitrahan’i Jehovah intsony i Habakoka raha nieritreritra an’izany. Nety ho faty mihitsy aza izy rehefa noravan’ny Babylonianina i Jerosalema!

14. Nahoana isika no matoky fa tsy ho diso fanantenana raha miandry foana ny andron’i Jehovah?

14 Hisaintsaina ny lasa isika any amin’ny tontolo vaovao ka hiaiky fa tena tanteraka daholo ny faminaniana momba ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. Vao mainka isika amin’izay hatoky an’i Jehovah sy hino an’ireo fampanantenany mbola tsy tanteraka. (Vakio ny Josoa 23:14.) ‘Manam-pahefana amin’ny fotoana sy ny vanim-potoana’ i Jehovah. Hisaotra azy àry isika amin’izay noho izy nampirisika antsika hitadidy foana fa ‘efa manakaiky ny faran’ny zava-drehetra.’—Asa. 1:7; 1 Pet. 4:7.

AZA MIANDRY FOTSINY!

Mazoto mitory ny vaovao tsara ve ianao? (Fehintsoratra 15)

15, 16. Nahoana no tena ilaina ny mitory bebe kokoa amin’izao farany efa tena akaiky izao?

15 Mandra-pahatongan’ny farany, dia azo antoka fa hampahatsiahy antsika foana ny fandaminan’i Jehovah hoe maika ny asa fitoriana. Sady mandrisika antsika ho be atao amin’ny fanompoana izany no manampy antsika hitadidy hoe efa mitranga ny famantarana ny fanatrehan’i Kristy. Inona àry no tena tokony hataontsika amin’izao farany efa tena akaiky izao? ‘Katsaho foana aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany’, ka mazotoa mitory ny vaovao tsara!—Mat. 6:33; Mar. 13:10.

16 Hoy ny anabavy iray: ‘Hisy loza lehibe hitranga eran-tany tsy ho ela. Afaka mamonjy olona tsy ho faty amin’io loza io isika raha mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.’ Efa niharan-doza izy sy ny vadiny tamin’ny 1945, nefa avotra ihany. Anisan’ny loza mahatsiravina indrindra teny an-dranomasina ilay nanjo azy ireo. Nandeha tamin’ilay sambo atao hoe Wilhelm Gustloff izy ireo ary rendrika ilay izy. Mbola misy tsy mahatsapa ny tena zava-dehibe ihany anefa, na dia efa iharan-doza aza. Tadidin’ilay anabavy mantsy fa nisy ramatoa niantsoantso hoe: “Ny valiziko! Ny valiziko! Ny firavako! Tavela ao daholo ny firavako! Very aho fananako!” Maro tamin’ireo mpandeha kosa no tsara fanahy sy tsy tia tena, ka nanao vivery ny ainy hamonjena an’izay olona latsaka tao anatin’ilay ranomasina mangatsiaka be. Miezaka mafy manampy olona koa isika. Ataontsika an-tsaina hoe maika ny fitoriana ka ampiantsika ny olona mba ho tafavoaka velona amin’ilay loza lehibe hitranga tsy ho ela, dieny mbola tsy tara loatra.

Mieritreritra tsara an’izay hataonao ve ianao mba tsy ho varimbariana ka hanadino hoe tena akaiky ny farany? (Fehintsoratra 17)

17. Nahoana isika no mino fa mety ho tonga tampoka ny farany?

17 Tanteraka tokoa ny faminanian’ny Baiboly, rehefa jerena ny zava-mitranga eran-tany. Efa tena akaiky ny faran’ity tontolo ratsy ity. Tsy tokony hieritreritra àry isika hoe mbola ho elaela ny “tandroka folo” sy ilay “bibidia” resahin’ny Apokalypsy 17:16 vao hamely an’i Babylona Lehibe, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra. Tadidio fa Andriamanitra no hanao izany ‘ao am-pon’izy ireo’, ka mety hitranga haingana sy tampoka izany. (Apok. 17:17) Efa ho rava ny tontolon’i Satana, ka araho ilay tenin’i Jesosy hoe: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka toy ny fandrika.” (Lioka 21:34, 35; Apok. 16:15) Aoka isika hiambina hatrany sy hazoto hanompo an’i Jehovah foana. Matoky mantsy isika fa ‘hanao zavatra ho an’izay miandry azy lalandava’ izy.—Isaia 64:4.

18. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Efa miandry ny faran’ity tontolo ratsy ity isika ka enga anie mba hankatò an’ity Joda 20, 21 ity: “Ry malala, miorena tsara eo amin’ny finoanareo masina indrindra, ary mivavaha eo ambany fitarihan’ny fanahy masina. Amin’ny fanaovana izany, dia mitoera ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, eo am-piandrasanareo ny famindram-pon’i Jesosy Kristy Tompontsika, sady mitsinjo ny fiainana mandrakizay.” Ahoana anefa no hampisehoantsika fa miandry an’ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra isika, ary tena miandrandra an’izany? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

^ feh. 1 Miresaka faminaniana maromaro tanteraka tamin’ny Mesia ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, pejy 200.