Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ampitomboy ny Finoanay”

“Ampitomboy ny Finoanay”

“Ampio aho eo amin’izay mbola tsy ampy amin’ny finoako!”MAR. 9:24.

HIRA: 81, 135

1. Nahoana no tena ilaina ny finoana? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

EFA nieritreritra ve ianao hoe: ‘Izaho àry ve mba hovonjen’i Jehovah amin’ny fahoriana lehibe, dia hampidiriny ao amin’ny tontolo vaovao?’ Maromaro ny zavatra mila ataontsika raha te ho voavonjy isika, nefa misy zavatra iray tena ilaina. Hoy ny apostoly Paoly: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra.” (Heb. 11:6) Toa tsotra erỳ izany, nefa tadidio fa “tsy ary manam-pinoana daholo ny olona rehetra.” (2 Tes. 3:2) Tena ilaina àry ny manana finoana matanjaka.

2, 3. a) Inona no noresahin’i Petera momba ny finoana? b) Inona no fanontaniana hodinihintsika ato?

2 Nasongadin’ny apostoly Petera koa fa tena ilaina ny finoana. Hoy izy: ‘Hitondra fiderana sy voninahitra ary haja ny finoana vita sedra, rehefa haharihary i Jesosy Kristy.’ (Vakio ny 1 Petera 1:7.) Efa tena akaiky ny fahoriana lehibe. Tiantsika hatanjaka tsara àry ny finoantsika, mba hahatonga an’ilay Mpanjakantsika be voninahitra hidera antsika rehefa haharihary izy. Azo antoka fa te ho “anisan’ireo manam-pinoana” isika “mba ho voatsimbina ny aintsika.” (Heb. 10:39) Nisy lehilahy niangavy an’i Jesosy hoe: “Ampio aho eo amin’izay mbola tsy ampy amin’ny finoako!” (Mar. 9:24) Tahafo àry izy, ka mivavaha mba hanana finoana. Afaka manahaka ny apostolin’i Jesosy koa isika, ka hivavaka hoe: “Ampitomboy ny finoanay.”—Lioka 17:5.

3 Hodinihintsika àry hoe: Inona no hanampy antsika hanatanjaka ny finoantsika? Inona no azontsika atao mba hanaporofoana fa manana finoana isika? Nahoana isika no matoky fa homen’i Jehovah finoana bebe kokoa raha mangataka an’izany?

HATANJAHO NY FINOANAO DIA HO FALY ANDRIAMANITRA

4. Ny tantaran’iza no mandrisika antsika hanatanjaka ny finoantsika?

4 “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika.” (Rom. 15:4) Maro ny olona nanam-pinoana resahin’ny Baiboly, ka afaka maka lesona avy amin’ny tantaran’izy ireny isika. Eo, ohatra, i Abrahama, Saraha, Isaka, Jakoba, Mosesy, Rahaba, Gideona, Baraka. Mahasoa antsika ny mamaky momba azy ireny, satria hanampy antsika handinika hoe manao ahoana ny finoantsika. (Heb. 11:32-35) Eo koa ny tantaran’ireo rahalahy sy anabavy tena manam-pinoana ao amin’ny bokintsika. Handrisika anao hiezaka mafy hanatanjaka ny finoanao izany. *

5. Inona no porofo fa tena nino an’i Jehovah i Elia, ary inona no tokony hosaintsainintsika?

5 Diniho ny tantaran’i Elia mpaminany. Hita hoe tena natoky an’i Jehovah izy. Niteny tamin’i Ahaba Mpanjaka izy, indray mandeha, hoe hisy hain-tany ary i Jehovah no hanao izany. Sahy nilaza izy hoe: ‘Raha mbola velona koa i Jehovah, dia tsy hisy ando na orana raha tsy noho ny baiko avy amiko!’ (1 Mpanj. 17:1) Nino koa i Elia fa hanome izay ilainy sy izay ilain’ny hafa i Jehovah, mandritra an’ilay hain-tany. (1 Mpanj. 17:4, 5, 13, 14) Natoky koa izy hoe vitan’i Jehovah ny manangana ankizy maty. (1 Mpanj. 17:21) Nino izy fa handefa afo handevona an’ilay fanatitra nataony teo amin’ny Tendrombohitra Karmela i Jehovah. (1 Mpanj. 18:24, 37) Tonga avy eo ny fotoana hamaranan’i Jehovah an’ilay hain-tany. Mbola tsy nisy famantarana akory hoe hisy orana, dia efa niteny tamin’i Ahaba i Elia hoe: “Miakara ka mihinàna sy misotroa, fa injany ny feon’ny oram-be mivatravatra.” (1 Mpanj. 18:41) Saintsaino àry hoe: ‘Matanjaka hoatr’izany koa ve ny finoako?’

INONA NO HANAMPY ANAO?

6. Inona no ilaina raha te hanana finoana matanjaka?

6 Tsy ho vitantsika samirery anefa ny hanatanjaka ny finoantsika. Mila ny fanahy masin’Andriamanitra isika satria anisan’ny vokatry ny fanahy ny finoana. (Gal. 5:22) Tsara àry ny mangataka fanahy masina, araka ny torohevitr’i Jesosy ao amin’ny Lioka 11:13. Manome toky antsika izy hoe “hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy” ilay Raintsika.

7. Inona no hanampy antsika hanana finoana matanjaka? Hazavao amin’ny ohatra.

7 Mila arovana mba tsy hihena avy eo ny finoana rehefa matanjaka. Azo oharina amin’ny afo kitay ny finoana. Mety hiredareda be ny afo kitay rehefa arehitra. Ho faty tsikelikely anefa ilay izy raha avela amin’izao fotsiny, ary ho lasa lavenona amin’ny farany. Tsy ho faty mihitsy kosa ilay afo raha ampiana kitay foana. Tsy hihena mihitsy koa ny finoantsika, raha mamaky sy mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra isika. Ho lasa tena tia an’Andriamanitra sy ny Teniny isika vokatr’izany, ka vao mainka hiezaka hanatanjaka ny finoantsika.

8. Inona koa no azonao atao mba hananana finoana matanjaka foana?

8 Inona koa no azonao atao mba hananana finoana matanjaka foana? Aza mianina amin’izay nianaranao talohan’ny batisanao. (Heb. 6:1, 2) Fantaro, ohatra, izay faminaniana efa tanteraka, satria hanampy anao hanana finoana izany. Diniho koa hoe olona hoatran’ny ahoana no lazain’ny Baiboly fa manana finoana matanjaka, mba hahitanao raha matanjaka ny finoanao na tsia.—Vakio ny Jakoba 1:25; 2:24, 26.

9, 10. Nahoana no manatanjaka finoana ny a) namana tsara? b) fivorian’ny fiangonana? d) fanompoana?

9 Nilaza tamin’ny mpiray finoana taminy i Paoly fa tiany ‘hisy fifampaherezana eo amin’izy ireo, ka mba hampahery azy ireo ny finoany ary ny azy ireo kosa hampahery azy.’ (Rom. 1:12) Raha mifanerasera amin’ny mpiara-manompo isika, dia samy hihamatanjaka ny finoantsika sy ny azy. Vao mainka hatanjaka ny finoantsika raha olona manana finoana “vita sedra” no iarahantsika. (Jak. 1:3) Ho faty ny finoantsika raha miaraka amin’ny naman-dratsy isika, fa hitombo kosa izany raha namana tsara no iarahantsika. (1 Kor. 15:33) Mampirisika antsika àry ny Baiboly mba “tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory”, fa “hifampahery” foana kosa. (Vakio ny Hebreo 10:24, 25.) Tsy vitan’izay fa manatanjaka finoana ny zavatra ianarana any am-pivoriana. Hoy i Paoly: “Ny finoana dia avy amin’izay re.” (Rom. 10:17) Zatra mivory tsy tapaka àry ve ianao?

10 Mila mitory ny vaovao tsara koa isika. Manatanjaka ny finoan’ny olona izany sady manatanjaka ny antsika. Toa an’ireo Kristianina voalohany, dia lasa matoky tanteraka an’i Jehovah isika rehefa mitory foana, sady lasa sahy miresaka ny zavatra inoantsika, na inona na inona mitranga.—Asa. 4:17-20; 13:46.

11. Nahoana no natanjaka ny finoan’i Kaleba sy Josoa, ary ahoana no hanahafantsika azy ireo?

11 Hitombo ny finoantsika rehefa tsapantsika hoe manampy antsika sy mamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah. Hita hoe nino an’i Jehovah i Kaleba sy Josoa rehefa nandeha nijery taratra ny Tany Nampanantenaina. Vao mainka anefa natanjaka ny finoany, rehefa hitany hoe nanampy azy foana i Jehovah. Sahy niteny tamin’ny Israelita àry i Josoa hoe: “Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny fampanantenana rehetra nolazain’i Jehovah Andriamanitrareo taminareo.” Hoy koa izy: ‘Koa matahora an’i Jehovah ka manompoa azy amin-kitsim-po sy amim-pahatsorana. Fa izaho sy ny ankohonako kosa hanompo an’i Jehovah.’ (Jos. 23:14; 24:14, 15) Hatanjaka koa ny finoanao, rehefa hitanao ny zavatra tsara nataon’i Jehovah ho anao.—Sal. 34:8.

POROFOY HOE MANAM-PINOANA IANAO

12. Ahoana no ahalalana raha manana finoana ny olona iray?

12 Ahoana no hanaporofoantsika fa matanjaka ny finoantsika? Hoy i Jakoba mpianatr’i Jesosy: ‘Izaho haneho aminao ny finoako amin’ny ataoko.’ (Jak. 2:18) Ho hita amin’izay ataontsika àry raha tena manam-pinoana isika. Ahoana izany?

Hiezaka mafy hanao izay vitantsika eo amin’ny fanompoana isika raha manana finoana matanjaka (Fehintsoratra 13)

13. Inona no porofointsika rehefa mitory isika?

13 Ny fitoriana no fomba tsara indrindra hanaporofoantsika hoe manam-pinoana isika. Rehefa mitory isika, dia mampiseho hoe mino fa efa kely sisa dia hofoanan’Andriamanitra ity tontolo ratsy ity, ary “tsy ho tara izany.” (Hab. 2:3) Eritrereto àry hoe: ‘Tena zava-dehibe amiko ve ny fitoriana? Miezaka mafy manao izay vitako ve aho? Mitady fomba hanompoana bebe kokoa ve aho?’ (2 Kor. 13:5) Hita hoe manana finoana matanjaka isika raha manao “fanambarana ampahibemaso mba hahazoana famonjena”, izany hoe mitory ny vaovao tsara.—Vakio ny Romanina 10:10.

14, 15. a) Ahoana no hanaporofoantsika eo amin’ny fiainantsika isan’andro fa manam-pinoana isika? b) Milazà tantaran’olona nanana finoana matanjaka.

14 Azontsika porofoina koa hoe manam-pinoana isika, rehefa miatrika olana isan’andro. Misy, ohatra, marary, na kivy be, na mahantra, na manana olana hafa. Matoky anefa isika fa hanampy antsika “amin’ny fotoana mety” i Jehovah sy ny Zanany. (Heb. 4:16) Afaka mivavaka amin’i Jehovah isika mba hampiany hifandray akaiky aminy foana. Azontsika atao koa anefa ny mangataka an’izay ilaintsika, anisan’izany ny sakafo isan’andro. (Lioka 11:3) Afaka manome izay ilaintsika i Jehovah, rehefa jerena ny Baiboly. Nomeny sakafo sy rano, ohatra, i Elia, nandritra an’ilay hain-tany tany Israely. “Ny goaika no nitondra mofo sy hena ho azy rehefa maraina sy hariva, ary ny rano teo amin’ilay lohasaha falehan-driaka no nosotroiny.” (1 Mpanj. 17:3-6) Mino àry isika fa hain’i Jehovah ny manome an’izay ilaintsika.

Porofointsika hoe manam-pinoana isika, rehefa miatrika olana isan’andro (Fehintsoratra 14)

15 Matoky isika fa hahazo sakafo isan’andro rehefa manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Tena marina izany araka ny hitan’i Rebecca, anabavy any Azia. Nampihatra ny Matio 6:33 sy ny Ohabolana 10:4 izy mianakavy, ka niezaka nikatsaka an’ilay Fanjakana talohan’ny zavatra hafa sady nazoto niasa. Notantarain’i Rebecca hoe niala tamin’ny asany ny vadiny, satria nahita fa mety hanimba ny fifandraisan’izy mianakavy amin’i Jehovah ilay izy. Namelona zaza efatra anefa izy mivady. Hoy i Rebecca: “Nanamboatra sakafo mamy izahay, dia namidinay. Izany no nivelomanay nandritra ny taona maro. Tsy nanary anay mihitsy i Jehovah. Nanana sakafo foana izahay.” Noporofoinao tamin’ny zavatra nataonao koa ve fa mino ianao hoe ao amin’ny Baiboly no misy ny tari-dalana tsara indrindra?

16. Inona no ho vokany raha matoky an’i Jehovah isika?

16 Matokia foana fa tena mahasoa ny manaraka ny tari-dalan’Andriamanitra. Namerina ny tenin’i Habakoka i Paoly ka nilaza hoe: “Ny olo-marina ho velona noho ny finoany.” (Gal. 3:11; Hab. 2:4) Mila mino an’i Jehovah àry isika satria izy no tena afaka manampy antsika. Nampahatsiahy antsika i Paoly fa Andriamanitra no “afaka manao mihoatra noho izay rehetra angatahintsika na eritreretintsika, eny, mihoatra lavitra noho izany mihitsy aza, araka ny heriny izay miasa ao anatintsika.” (Efes. 3:20) Marina aloha fa efa tena miezaka mafy manao ny sitrapon’Andriamanitra isika. Voafetra ihany anefa ny zavatra vitantsika, ka i Jehovah no antenaintsika hitahy ny ezaka ataontsika. Sambatra tokoa isika manana azy!

HAMALY NY VAVAKAO I JEHOVAH

17. a) Ahoana no namalian’i Jesosy ny fangatahan’ny apostoly? b) Nahoana isika no matoky fa hamaly antsika i Jehovah raha mivavaka mba hanana finoana bebe kokoa isika?

17 Azo inoana fa te hampitombo ny finoanao ianao rehefa avy nandinika an’ity lahatsoratra ity. Hoy ny apostolin’i Jesosy taminy: “Ampitomboy ny finoanay.” (Lioka 17:5) Nivaly ny fangatahan’izy ireo, indrindra tamin’ny Pentekosta taona 33. Nahazo fanahy masina izy ireo tamin’io, ary vao mainka nahatakatra ny fikasan’Andriamanitra. Nanatanjaka ny finoan’izy ireo izany, ka nazoto nitory hatraiza hatraiza izy ireo. Mbola tsy nisy fitoriana toy izany talohan’izay. (Kol. 1:23) Hamaly ny vavaka ataontsika ve i Jehovah raha mangataka finoana bebe kokoa isika? Manome toky ny Baiboly fa hanao izany izy raha “mifanaraka amin’ny sitrapony” izany.—1 Jaona 5:14.

18. Inona no fitahiana omen’i Jehovah an’ireo miezaka mba hanana finoana?

18 Tena faly i Jehovah rehefa matoky azy tanteraka isika. Hamaly ny vavaka ataontsika izy rehefa mangataka isika hoe: “Ampitomboy ny finoanay.” Tena hitombo ny finoantsika, ka “ho mendrika ny fanjakan’Andriamanitra” isika.—2 Tes. 1:3, 5.

^ feh. 4 Jereo, ohatra, ny tantaram-piainan’i Brunella Inconditi (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1994) sy Josephine Elias (Mifohaza! Septambra 2009) ary Andrej Hanák (Mifohaza! 8 Mey 2002).