Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hitanao ve hoe Manampy Anao ny Tanan’i Jehovah?

Hitanao ve hoe Manampy Anao ny Tanan’i Jehovah?

“Ny tanan’i Jehovah dia hatao fantatry ny mpanompony.” —ISAIA 66:14.

HIRA: 65, 26

1, 2. Inona no eritreretin’ny olona sasany momba an’Andriamanitra?

MARO ny olona mihevitra fa tsy miraharaha izay ataon’izy ireo Andriamanitra. Misy aza mino hoe tsy tena miraharaha ny zava-mitranga amin’ny olombelona izy. Nisy rivo-doza mahery atao hoe Haiyan, ohatra, nandravarava ny faritra afovoan’i Philippines, tamin’ny Novambra 2013. Hoy ny ben’ny tanàna iray tany: “Variana tany an-toeran-kafa Andriamanitra.”

2 Misy indray mieritreritra hoe tsy mahita an’izay ataony Andriamanitra. (Isaia 26:10, 11; 3 Jaona 11) Nihevitra toy izany ny olona sasany tamin’ny andron’ny apostoly Paoly. Hoy i Paoly momba azy ireo: ‘Tsy sitrak’izy ireo ny hahalala marina tsara an’Andriamanitra. Feno ny tsy fahamarinana rehetra izy ireo, eny, feno ny haratsiam-panahy rehetra sy ny fitsiriritana rehetra ary ny faharatsiana rehetra.’—Rom. 1:28, 29.

3. a) Inona no fanontaniana mety hoeritreretintsika? b) Inona matetika no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe ‘tanan’Andriamanitra’?

3 Ary isika? Tsy toy ireo olona voalaza teo aloha isika fa mahafantatra hoe mandinika ny zava-drehetra ataontsika i Jehovah. Hitantsika ve anefa hoe mitady izay hahasoa antsika izy sady manampy antsika foana ny tanany? Anisan’ireo nantsoin’i Jesosy hoe “hahita an’Andriamanitra” ve isika? (Mat. 5:8) Andao isika hijery tantaran’olona ao amin’ny Baiboly, mba hahalalana ny dikan’ny hoe ‘mahita an’Andriamanitra.’ Niaiky ny sasany taminy hoe tena toy ny nahita ny tanan’Andriamanitra, fa ny hafa kosa tsy niaiky. Hojerentsika avy eo izay azontsika atao mba hahitantsika kokoa hoe manampy antsika ny tanan’i Jehovah. Tsara homarihina fa matetika no entina hilazana ny hery ampiasain’Andriamanitra ny hoe ‘tanan’Andriamanitra’, ao amin’ny Baiboly. Mampiasa an’io heriny io izy mba hanampiana ny mpanompony sy handresena ny fahavalony.—Vakio ny Deoteronomia 26:8.

TSY NIAIKY IZY IREO

4. Nahoana ny fahavalon’ny Israely no tsy nanaiky hoe Andriamanitra no niady ho an’ny Israely?

4 Nampian’Andriamanitra ny firenen’Israely fahiny ary maro no nahita sy nandre an’izany. Nanao fahagagana i Jehovah mba hanafahana ny vahoakany avy tany Ejipta. Resin’izy ireo koa izay mpanjaka niady taminy. (Jos. 9:3, 9, 10) Nahare sy nahita an’izany ny ankamaroan’ny mpanjaka teny andrefan’ny Reniranon’i Jordana, nefa mbola “nivory izy rehetra ka niray saina hiady tamin’i Josoa sy ny Israely.” (Jos. 9:1, 2) Vao nanomboka niady tamin’ny Israely izy ireo, dia efa tokony ho nahita hoe nanampy ny Israelita ny tanan’i Jehovah. Nataon’i Jehovah “tsy nihetsika ny masoandro, ary nijanona ny volana, mandra-pamitan’ilay firenena ny famaizana ny fahavalony.” (Jos. 10:13) ‘Navelan’i Jehovah hikiribiby hiady tamin’ny Israely’ anefa izy ireo. (Jos. 11:20) Resy izy ireo satria tsy nety nanaiky hoe i Jehovah no niady ho an’ny Israely.

5. Inona no tsy neken’i Ahaba, mpanjaka ratsy fanahy?

5 Imbetsaka koa i Ahaba, mpanjaka ratsy fanahy, no afaka nahita ny zavatra nataon’i Jehovah. Nilaza taminy i Elia hoe: “Tsy hisy ando na orana mandritra ny taona maro, raha tsy noho ny baiko avy amiko!” (1 Mpanj. 17:1) Hita hoe i Jehovah no naniraka an’i Elia hiteny an’ireo. Nisy hain-tany tokoa, nefa mbola tsy niaiky i Ahaba hoe i Jehovah no nampisy an’ilay izy. Nivavaka i Elia tatỳ aoriana mba hisy afo handevona ny fanatitra natolony, ka nahita afo avy tany an-danitra i Ahaba. Nilaza i Elia avy eo fa hofaranan’i Jehovah ilay hain-tany. Hoy izy tamin’i Ahaba: “Midìna sao ho voasakan’ny oram-be ianao!” (1 Mpanj. 18:22-45) Nahita an’ireo fahagagana ireo i Ahaba, nefa tsy niaiky hoe herin’Andriamanitra no nahatonga izany. Inona no ianarantsika avy amin’ireo tantara ireo? Mila miaiky isika hoe manampy ny vahoakany tokoa ny tanan’i Jehovah.

NIAIKY IZY IREO

6, 7. Inona no hitan’ny olona sasany tamin’ny andron’i Josoa?

6 Tsy ny olona rehetra anefa no hoatran’ireo mpanjaka ratsy fanahy ireo. Tsy toa an’ireo firenen-kafa tamin’ny andron’i Josoa, ohatra, ny Gibeonita, fa niaiky hoe nanampy ny Israelita ny tanan’i Jehovah. Nihavana tamin’ny Israelita izy ireo fa tsy niady taminy. Nahoana? Hoy izy ireo: ‘Tonga atỳ izahay mpanomponao noho ny amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao. Efa renay mantsy ny lazany sy izay rehetra nataony.’ (Jos. 9:3, 9, 10) Nanam-pahendrena izy ireo ka nanaiky hoe ilay tena Andriamanitra no nanohana ny Israelita.

7 Toy izany koa i Rahaba. Henony izay nataon’i Jehovah mba hamonjena ny vahoakany, ka hoy izy: “Fantatro fa homen’i Jehovah anareo ity tany ity.” Sahy nilaza an’izany i Rahaba, na dia fantany aza hoe tena nampidi-doza izany. Nino izy fa hamonjy azy sy ny fianakaviany i Jehovah.—Jos. 2:9-13; 4:23, 24.

8. Inona no manaporofo fa niaiky ny Israelita sasany hoe nanampy an’i Elia ny tanan’i Jehovah?

8 Tsy nanao toa an’i Ahaba koa ny Israelita sasany. Hitan’izy ireo ilay afo nandevona ny fanatitr’i Elia, ka niaiky izy ireo hoe avy tamin’i Jehovah ilay afo. Hoy àry izy ireo: “I Jehovah no tena Andriamanitra!” (1 Mpanj. 18:39) Tonga dia niaiky izy ireo fa nanampy an’i Elia ny tanan’i Jehovah.

9. Inona no hanampy antsika hahita ny tanan’i Jehovah?

9 Mazava amintsika ny dikan’ny hoe ‘mahita an’Andriamanitra’ na mahita ny tanany, rehefa avy nandinika an’ireo tantara teo ireo isika. Hahita ny tanan’i Jehovah isika rehefa mahafantatra ny momba azy. Ho hitantsika amin’ny ‘mason’ny fontsika’ mantsy ny toetrany sy izay efa nataony ary izay mbola ataony. (Efes. 1:18) Azo inoana avy eo fa hanahaka an’ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika fahiny sy ankehitriny isika, ka hiaiky hoe manohana ny vahoakany izy. Inona anefa no porofo fa manampy ny vahoakany tokoa i Jehovah ankehitriny?

MBOLA MANAMPY ANTSIKA NY TANAN’ANDRIAMANITRA

10. Inona no manaporofo fa manampy ny olona i Jehovah ankehitriny? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

10 Maro ny porofo manamarina fa mbola manampy ny vahoakany i Jehovah. Imbetsaka isika no mandre hoe nisy olona nivavaka mba hampiany, ary nivaly ilay vavaka. (Sal. 53:2) Nihaona tamin’ny vehivavy iray, ohatra, i Allan rehefa nitory tany amin’ny nosy kely iray any Philippines. Tonga dia nitomany ilay vehivavy. Hoy i Allan: “Vao nivavaka tamin’i Jehovah izy ny marainan’io mba hisy mpitory ho tonga ao aminy. Efa nianatra Baiboly izy tamin’ny mbola tanora. Nanambady anefa izy ary nifindra tao amin’ilay nosy, ka tsy nahita Vavolombelona intsony. Nivaly haingana be ny vavaka nataony, ka nitomany izy.” Herintaona izy dia nanokan-tena ho an’i Jehovah.

Hitanao ve hoe tena manampy ny vahoakany i Jehovah ankehitriny? (Fehintsoratra 11-13)

11, 12. a) Inona avy no ataon’i Jehovah mba hanampiana ny vahoakany? b) Ahoana no nanampian’i Jehovah ny anabavy iray?

11 Maro koa no nahita hoe nampian’i Jehovah rehefa niady mafy mba hiala tamin’ny zavatra manandevo, toy ny sigara na zava-mahadomelina hafa na sary vetaveta. Nilaza ny sasany taminy hoe imbetsaka no niezaka niady irery saingy tsy afaka. Nivavaka àry izy ireo mba hampian’i Jehovah, ka nomeny “hery fanampiny” ary naharesy an’ilay fahazaran-dratsy.—2 Kor. 4:7; Sal. 37:23, 24.

12 Manampy ny mpanompony hahazaka olana koa i Jehovah. Izany no tsapan’i Amy, tamin’izy voatendry hanampy hanorina Efitrano Fanjakana sy tranona misionera tany amin’ny nosy kely iray any Pasifika. Hoy izy: “Hotely kely no nipetrahanay, ary feno rano ny lalana nankany amin’ilay toeram-panorenana.” Tapaka matetika koa ny jiro sy rano. Tsy vitan’izay fa tsy nahazatra azy ny fanaon’ny olona tany. Hoy ihany i Amy: “Vao mainka koa loza fa nivazavaza tamin’ny rahavavy iray niara-niasa taminay aho. Kivy be aho. Namboraka ny tao am-poko tamin’i Jehovah aho tao amin’ilay hotely maizimaizina nipetrahako, ary niangavy azy hanampy ahy.” Rehefa niverina ny jiro, dia nahita lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana iray izy. Mitantara ny zavatra noresahina nandritra ny fizarana diplaoman’i Gileada ilay izy. Voaresaka tao daholo ny olana nanjo azy, izany hoe ilay tsy maintsy nizatra fiainana vaovao, ilay izy nanembona ny tany aminy, ary ilay tsy maintsy nifankazatra tamin’ny olona vaovao. Hoy izy: “Hoatran’ny niresaka tamiko mihitsy i Jehovah tamin’io alina io, ka nazoto hanohy an’ilay asako aho.”—Sal. 44:25, 26; Isaia 41:10, 13.

13. Inona no manaporofo fa manampy ny vahoakany ‘hiaro ny vaovao tsara sy hanamafy orina azy io araka ny lalàna’ i Jehovah?

13 Inona koa no manaporofo hoe manampy ny vahoakany ny tanan’i Jehovah? Nahavita “niaro ny vaovao tsara sy nanamafy orina azy io araka ny lalàna” ny Vavolombelony. (Fil. 1:7) Nisy manam-pahefana nandrara antsika tsy hitory intsony. Hita anefa hoe tsy misy mahasakana ny tanan’i Jehovah tsy hamonjy ny vahoakany. Efa im-268 mantsy isika, fara fahakeliny, no nandresy tany amin’ny fitsarana ambony, nanomboka tamin’ny taona 2000. Tafiditra amin’izany ireo in-24 tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona.—Isaia 54:17; vakio ny Isaia 59:1.

14. Inona koa no manaporofo fa manampy ny vahoakany ny tanan’i Jehovah?

14 Tsy vitantsika koa ny mitory ny vaovao tsara eran-tany raha tsy ampian’i Jehovah isika. (Mat. 24:14; Asa. 1:8) Manampy ny vahoakany koa i Jehovah matoa miray saina sy mifankatia izy ireo, na dia samihafa firenena aza. Tsy misy mahavita an’izany eto amin’ity tontolo ity. Tsy mahagaga raha miaiky ny olona tsy manompo an’i Jehovah hoe: “Tena eo aminareo tokoa Andriamanitra.” (1 Kor. 14:25) Maro àry ny porofo ahitana fa tena manohana ny vahoakany i Jehovah. (Vakio ny Isaia 66:14.) Ary ianao? Hitanao ve hoe manampy anao ny tanan’i Jehovah?

HITANAO VE HOE MANAMPY ANAO NY TANAN’I JEHOVAH?

15. Nahoana isika indraindray no tsy mahita hoe manampy antsika ny tanan’i Jehovah?

15 Inona no mety hahatonga antsika tsy hahita hoe manampy antsika ny tanan’i Jehovah? Be loatra angamba ny olana manjo antsika, ka hadinontsika hoe efa imbetsaka i Jehovah no nanampy antsika. Nandrahona ny hamono an’i Elia, ohatra, i Jezebela Mpanjakavavy, ka lasa nanadino i Elia hoe efa nanampy azy i Jehovah. Milaza ny Baiboly fa “nangataka ny ho faty izy.” (1 Mpanj. 19:1-4) Inona no nampahery an’i Elia indray? Nila nangataka ny fanampian’i Jehovah izy.—1 Mpanj. 19:14-18.

16. Inona no hanampy antsika hahita an’Andriamanitra, toa an’i Joba?

16 Variana loatra tamin’ny fahoriany i Joba ka lasa tsy nahita hoe ahoana no fahitan’i Jehovah an’ilay izy. (Joba 42:3-6) Nila niezaka kokoa hahita an’i Jehovah izy. Toy izany koa isika. Ahoana anefa no hahitantsika an’i Jehovah? Ilaintsika ny mandinika an’izay lazain’ny Baiboly momba an’ilay olana mahazo antsika. Rehefa fantatsika avy eo ny fomba anampian’i Jehovah antsika, dia vao mainka isika hahatsapa hoe tena misy izy. Hiteny toa an’i Joba àry isika hoe: “Honohono fotsiny no nandrenesako ny momba anao, fa izao kosa dia ny masoko mihitsy no mahita anao.”

Ampiasain’i Jehovah mba hanampy ny olona hahita azy ianao (Fehintsoratra 17, 18)

17, 18. a) Inona avy no porofo fa tena manampy anao ny tanan’i Jehovah? b) Inona no tantara mampiseho fa manampy antsika tsirairay Andriamanitra?

17 Inona avy no porofo fa tena manampy anao ny tanan’i Jehovah? Tsapanao angamba, ohatra, fa i Jehovah mihitsy no nanao izay hahitanao ny fahamarinana. Angamba koa ianao tany am-pivoriana nahare hevitra nahasoa anao, ka niteny hoe: “Natao ho ahy mihitsy izany!” Na nisy vavaka nataonao, ary nivaly ilay izy. Angamba koa ianao nanapa-kevitra hanompo bebe kokoa, ka nataon’i Jehovah izay hahatanteraka an’ilay izy. Na koa ianao niala tamin’ny asa iray tsy nahafahanao nanompo azy, ka nahita hoe ‘tsy nahafoy anao velively’ izy. (Heb. 13:5) Ho tsapantsika hoe imbetsaka i Jehovah no efa nanampy antsika, raha mandinika tsara an’izay nataony ho antsika isika.

18 Hoy i Sarah, anabavy iray any Kenya: “Nisy mpianatra Baiboly noheveriko hoe tsy tena tia nianatra, ka nivavaka tamin’i Jehovah aho hoe sao dia tsy tokony hampianarina intsony izy. Vao avy nanao ‘Amena’ aho, dia naneno ny telefaoniko. Ilay mpianatra no niantso, ary niteny izy hoe hiaraka amiko handeha hivory. Gaga be aho!” Raha mandinika tsara koa ianao, dia hahita fa manampy anao i Jehovah. Hoy i Rhonna, anabavy iray any Azia: “Mila fotoana ianao vao tena hahatsapa hoe mitari-dalana anao i Jehovah. Fa rehefa tsapanao ilay izy, dia hiaiky amin’izay ianao hoe tena tia anao izy.”

19. Inona koa no mila ataontsika raha te hahita an’Andriamanitra isika?

19 Hoy i Jesosy: “Sambatra ny madio am-po, fa izy no hahita an’Andriamanitra.” (Mat. 5:8) Inona no hanampy antsika ‘hadio am-po’? Tsy maintsy miezaka tsy hieritreri-dratsy sy ho tsara fitondran-tena isika. (Vakio ny 2 Korintianina 4:2.) Hahita an’Andriamanitra àry isika raha miezaka kokoa hifandray aminy sady miezaka ho tsara fitondran-tena. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa vao mainka isika hahatsapa hoe ampian’i Jehovah raha manam-pinoana.