Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifantoha Amin’ny Fanompoana An’i Jehovah

Mifantoha Amin’ny Fanompoana An’i Jehovah

‘Naharitra nihaino ny tenin’ny Tompo i Maria. Fa tsy nifantoka kosa ny sain’i Marta, satria nanao raharaha betsaka izy.’LIOKA 10:39, 40.

HIRA: 94, 134

1, 2. Nahoana i Jesosy no tia an’i Marta, ary inona no mampiseho fa tsy lavorary i Marta?

INONA no tonga ao an-tsainao raha vao miresaka momba an’i Marta, ilay ao amin’ny Baiboly? Tena tian’i Jesosy izy ary ny anarany irery no voatonona ao amin’ilay andininy milaza an’izany. Tsy izy irery anefa no vehivavy tian’i Jesosy sy nohajainy. Teo koa i Maria renin’i Jesosy sy Maria rahavavin’i Marta. (Jaona 11:5; 19:25-27) Nahoana i Marta no tian’i Jesosy?

2 Tsy noho izy tia mandray vahiny sy mazoto miasa fotsiny no nitiavan’i Jesosy azy, fa noho izy tena nino ny fampianaran’i Jesosy koa. Tena nino koa izy fa i Jesosy no ilay Mesia nampanantenaina. (Jaona 11:21-27) Tsy lavorary toa antsika rehetra anefa izy. Nivahiny tao aminy, ohatra, i Jesosy indray mandeha, ary sahy niteny i Marta hoe misy zavatra tokony hahitsin’i Jesosy. Hoy izy: “Tompo ô, tsy mampaninona anao ve ny hamelan’ny rahavaviko ahy hanao raharaha irery toy izao? Koa mba asaivo manampy ahy izy.” (Vakio ny Lioka 10:38-42.) Inona no azontsika ianarana avy amin’io tantara io?

TSY NIFANTOKA I MARTA

3, 4. Nahoana i Maria no lazaina fa “nifidy ny tsara kokoa”, ary inona no vokany rehefa nahitsin’i Jesosy i Marta? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

3 Faly i Jesosy fa nandray tsara azy i Marta sy Maria, ka nampianariny ny fahamarinana izy ireo. Tonga dia nipetraka “teo an-tongotry ny Tompo” i Maria ary “naharitra nihaino ny teniny.” Afaka nihaino an’io Mpampianatra Lehibe io koa i Marta. Azo antoka fa ho nidera an’i Marta i Jesosy raha nifantoka tsara tamin’izay nolazainy izy.

4 Nisahirana nanao sakafo be sy nanao raharaha hafa anefa i Marta. Tiany raha mba tena afa-po i Jesosy. Niasa saina be i Marta ka sorena tamin’i Maria. Hitan’i Jesosy fa nanao zavatra be loatra i Marta, ka tsara fanahy izy niteny taminy hoe: “Marta a! Marta a! Maro ahina sy sahiran-tsaina amin-javatra maro ianao.” Nilaza i Jesosy fa sakafo tsotsotra iray dia ampy. Nitodika tany amin’i Maria izy avy eo ary nasehony fa tsy diso i Maria. Hoy izy: “Fa i Maria kosa nifidy ny tsara kokoa, ka tsy halaina aminy izany.” Vetivety angamba dia hadinon’i Maria hoe inona no nohaniny tamin’io fotoana io. Tsy nohadinoiny mihitsy anefa ny nideran’i Jesosy azy sy ny zavatra nampianariny azy, noho izy nifantoka tsara. Hoy ny apostoly Jaona, 60 taona mahery tatỳ aoriana: “Tia an’i Marta sy ny rahavaviny ... i Jesosy.” (Jaona 11:5) Hita amin’izany fa nanaiky ny fanitsian’i Jesosy i Marta, ary niezaka nanompo an’i Jehovah izy mandra-pahafatiny.

5. Nahoana no tena sarotra ankehitriny ny mifantoka amin’ny zava-dehibe kokoa, ary inona no fanontaniana hodinihintsika?

5 Be lavitra ny zavatra mahavariana ankehitriny. Izao no nolazaina tamin’ny mpianatra maromaro tany Etazonia, 60 taona lasa izay: “Tsy mbola nandroso be toy izao mihitsy ny fitaovam-pifandraisana sy ny fanaovana pirinty. Feno sary manintona ny gazety. Eo koa ny radio sy ny sinema ary ny tele. ... Mamoaka zava-baovao be dia be sy mahavariana izy ireny isan’andro. ... Faly erỳ ny olona tato ho ato, satria izao, hono, no atao hoe ‘Vanim-potoanan’ny Fahalalana.’ Miova tsikelikely ho ‘Vanim-potoanan’ny Fialam-boly’ anefa izany.” Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1958 (anglisy): “Vao mainka hitombo ny zavatra mahavariana, arakaraka ny maha akaiky ny faran’ity tontolo ity.” Marina tokoa izany! Inona àry no hanampy antsika hanahaka an’i Maria, ka hifantoka foana amin’ny fanompoana an’i Jehovah fa tsy ho variana amin-javatra tsy tena misy dikany?

AZA VARIANA AMIN’ITY TONTOLO ITY

6. Ahoana avy no nampiasan’ny vahoakan’i Jehovah ny teknolojia eto amin’ity tontolo ity?

6 Te hampandroso ny fivavahana marina ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminan’Andriamanitra, ka mampiasa ny teknolojia eto amin’ity tontolo ity. Teo, ohatra, ilay “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana.” Fitambarana sary mihetsika sy tsy mihetsika izy io ary miloko sady misy feo. Nampahery olona an-tapitrisany izy io, talohan’ny Ady Lehibe I sy nandritra an’ilay ady. Voaresaka ao amin’izy io mantsy fa hiadana ny olona mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy. Notorina tamin’ny radio koa ny vaovao tsara tatỳ aoriana, ka olona an-tapitrisany eran-tany no nandre izany. Ny ordinatera sy Internet indray izao no tena ampiasaintsika, mba hitoriana amin’ny olona any amin’ireo nosy lavitra be sy eran-tany.

Aza avela hanelingelina ny fanompoanao ny zavatra tsy tena ilaina (Fehintsoratra 7)

7. a) Nahoana isika no tsy tokony ho variana amin’ny zavatra eto amin’ity tontolo ity? b) Inona no tokony hotandremantsika? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

7 Mampitandrina anefa ny Baiboly fa misy vokany ratsy, raha variana amin’ireo zavatra eto amin’ity tontolo ity isika. (Vakio ny 1 Korintianina 7:29-31.) Tsy ratsy ny zavatra sasany nefa mety handany fotoana be. Mety ho tia mijery tele, ohatra, isika, na tia mamaky boky, mitsangantsangana, miantsena, mamantatra ny fitaovana maoderina nivoaka farany, na tia fialam-boly hafa. Mety ho lany fotoana koa isika raha variana mifanerasera amin’ny olona amin’ny alalan’ny Internet, mandefa SMS sy e-mail, na zatra mijery vaovao farany sy vaovao momba ny fanatanjahan-tena. Mety handevozin’izany mihitsy aza isika. * (Mpito. 3:1, 6) Fero àry ny fotoana hanaovanao an’ireo zavatra tsy tena lehibe ireo. Raha tsy izany, dia mety hanao an-tsirambina ny fanompoana an’i Jehovah ianao. Io anefa no zava-dehibe indrindra.—Vakio ny Efesianina 5:15-17.

8. Nahoana isika no tena tsy tokony ho tia ny zavatra eo amin’izao tontolo izao?

8 Ataon’i Satana manintona sy mahavariana antsika ny tontolony. Efa nanao an’izany izy tamin’ny taonjato voalohany, ary vao mainka manao an’izany ankehitriny. (2 Tim. 4:10) ‘Aza tia ny zavatra eo amin’izao tontolo izao’ àry. Miezaha hankatò foana an’io torohevitra io ary ahitsio izay tsy mety. Tsy ho varimbariana isika amin’izay, sady vao mainka ho tia an’i Jehovah. Ho mora kokoa amintsika avy eo ny manao ny sitrapony sy mifandray akaiky aminy foana.—1 Jaona 2:15-17.

MIFANTOHA FOANA AMIN’NY FANOMPOANA

9. Inona no nampianarin’i Jesosy ny mpianany, ary inona no modely nomeny?

9 Mifanaraka tsara tamin’izay nampianarin’i Jesosy sy nataony ny toroheviny ho an’i Marta. Nampianariny hanana maso “tsotra” ny mpianany, amin’izay izy ireo afaka mikatsaka an’ilay Fanjakana fa tsy variana amin-javatra hafa. (Vakio ny Matio 6:22, 33.) Tsy nanana fananana be dia be koa i Jesosy, ohatra hoe trano na tany.—Lioka 9:58; 19:33-35.

10. Nahoana i Jesosy no modely ho antsika?

10 Maro ny zavatra nety ho nahavariana an’i Jesosy nandritra ny fanompoany. Tsy variana tamin’ireny mihitsy anefa izy. Nampianatra sy nanao fahagagana tao Kapernaomy, ohatra, izy teo am-piandohan’ny fanompoany. Niangavian’ny mponina tao mba tsy handeha àry izy. Inona no navaliny? Hoy izy: “Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa aho, fa izany no nanirahana ahy.” (Lioka 4:42-44) Nitory sy nampianatra eran’i Palestina tokoa i Jesosy. Nanao izay fara heriny tamin’ny fanompoana izy. Reraka be àry izy indraindray na dia lavorary aza, ka naka aina.—Lioka 8:23; Jaona 4:6.

11. Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ny lehilahy iray, ary inona no fampitandremana nomeny?

11 Nampianatra ny mpianany mba hiatrika fanoherana i Jesosy tatỳ aoriana, nefa nisy lehilahy tonga dia niteny hoe: “Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.” Hoy i Jesosy: “Fa iza moa, ralehilahy, no nanendry ahy ho mpitsara na mpizara fananana eo aminareo?” Tsy niditra tamin’ilay ady izy fa notohiziny ny fampianarany. Nampitandrina izy hoe mety tsy hifantoka amin’ny fanompoana an’Andriamanitra intsony ny mpianany raha tia harena.—Lioka 12:13-15.

12, 13. a) Inona no nahagaga ny Grika sasany, taloha kelin’ny nahafatesan’i Jesosy? b) Inona no nataon’i Jesosy rehefa nisy zavatra nitady hanelingelina ny fanompoany?

12 Niady saina be i Jesosy ny herinandro farany niainany teto an-tany. (Mat. 26:38; Jaona 12:27) Be atao mantsy izy sady mbola halam-baraka any amin’ny fitsarana sy hovonoina ho faty. Diniho, ohatra, izay nitranga ny alahady 9 Nisana, taona 33. Niditra an’i Jerosalema nitaingina zanak’ampondra i Jesosy, araka ny efa nambara mialoha. Nidera azy ny vahoaka ka nilaza fa izy no “Mpanjaka tonga amin’ny anaran’i Jehovah.” (Lioka 19:38) Sahy nandroaka an’ireo mpivarotra tia vola tao amin’ny tempoly izy ny ampitson’iny. Tao an-tranon’Andriamanitra mantsy izy ireo no nanambaka ny Jiosy namany.—Lioka 19:45, 46.

13 Nisy Grika niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy tonga tao Jerosalema tamin’izay. Nahagaga azy ireo ny zavatra nataon’i Jesosy ka te hihaona taminy izy ireo. Nirahiny hiresaka tamin’i Jesosy àry ny apostoly Filipo. Tsy nety nihaona tamin’izy ireo anefa i Jesosy fa nifantoka tamin’ilay zava-dehibe niandry azy. Tsy nitady olona hanohana sy hiaro azy tsy hovonoin’ny fahavalony izy, fa vonona hanome ny ainy ho sorona. Nohazavainy tamin’i Andrea sy Filipo fa hovonoina tsy ho ela izy. Hoy koa izy: “Izay tia ny ainy no hamoy azy, fa izay mankahala ny ainy eo amin’izao fiainana izao kosa, no hiaro azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.” Tsy nanome fahafaham-po an’ireo Grika te hahita azy i Jesosy, fa nampirisika ny hafa mba hahafoy tena toa azy. Nampanantena izy hoe: “Izay manompo ahy dia homen’ny Ray voninahitra.” Azo inoana fa nampitain’i Filipo tamin’ireo Grika izany.—Jaona 12:20-26.

14. Inona no mampiseho fa nahay nandanjalanja i Jesosy, na dia nifantoka tamin’ny fitoriana aza?

14 Nifantoka tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara i Jesosy. Nanao zavatra hafa ihany anefa izy. Indray mandeha izy, fara fahakeliny, no nanaiky hanatrika mariazy. Nanova ny rano ho divay aza izy tamin’io, ka falifaly ny rehetra. (Jaona 2:2, 6-10) Nanaiky koa izy rehefa nasaina hisakafo hariva niaraka tamin’ny namany akaiky sy ny olon-kafa liana tamin’ny vaovao tsara. (Lioka 5:29; Jaona 12:2) Nisy zavatra lehibe noho ireo koa nataony. Matetika izy no nanokana fotoana mba hivavahana sy hisaintsainana ary hialana sasatra.—Mat. 14:23; Mar. 1:35; 6:31, 32.

‘ESORY IZAY REHETRA MANAVESATRA’

15. Inona no torohevitra nomen’ny apostoly Paoly, ary inona no modely nomeny?

15 Nampitovin’ny apostoly Paoly tamin’ny hazakazaka lavitra ezaka ny fiainan’ny Kristianina nanokan-tena, ary hoy izy: “Aoka koa isika hanaisotra izay rehetra manavesatra antsika.” (Vakio ny Hebreo 12:1.) Nampihatra an’io teniny io i Paoly. Nanana asa tsara tao amin’ny Fivavahana Jiosy izy, ary afaka ny ho mpanankarena sy olo-malaza. Nafoiny anefa izany fa nifantoka tamin’izay “zava-dehibe kokoa” izy. Niezaka mafy nitory izy ka nivezivezy tany Syria, Azia Minora, Makedonia, ary Jodia. Tsy andriny ny hiaina mandrakizay any an-danitra ka hoy izy: “Manadino ny zavatra any aoriana aho ary mikely aina hanatratra ny eo aloha. Miezaka ho tonga amin’ny tanjona aho.” (Fil. 1:10; 3:8, 13, 14) Tsy nanambady izy ka nohararaotiny tsara izany mba ‘hanompoana ny Tompo mandrakariva tsy misy fieritreretana zavatra hafa.’—1 Kor. 7:32-35.

16, 17. Ahoana no azontsika anahafana an’i Paoly, na mpitovo isika na manambady? Milazà fitantarana iray.

16 Misy Kristianina mifidy ny tsy hanambady koa, toa an’i Paoly. Tsy be andraikitra ara-pianakaviana izy ireo amin’izay, ka afaka mifantoka amin’ny asan’ilay Fanjakana. (Mat. 19:11, 12) Matetika no be andraikitra kokoa ny Kristianina manambady. Samy afaka ‘manaisotra an’izay rehetra manavesatra antsika’ anefa isika, na mpitovo na manambady. Angamba isika mila mampihena ny fotoana lanintsika amin’ny zavatra hafa fanaontsika, ary avy eo miezaka mampitombo ny fotoana anompoantsika.

17 Diniho ny tantaran’i Mark sy Claire, mpivady avy any Pays de Galles. Samy nirotsaka ho mpisava lalana izy ireo raha vao nahavita ny fianarany, ary mbola nanohy an’izany taorian’ny mariaziny. Hoy i Mark: “Mbola notsorinay ny fiainanay avy eo satria te ho lasa mpanao fanorenana iraisam-pirenena izahay. Nanana trano nisy efitra fatoriana telo izahay, nefa namidinay ilay izy ary nialanay ilay asa tapa-potoana nataonay.” Nitety an’i Afrika izy ireo tato anatin’ny 20 taona, ka nanampy tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Efa tena kely ny volan’izy ireo indray mandeha, nefa nikarakara azy i Jehovah. Hoy i Claire: “Tena afa-po izahay satria anompoanay an’i Jehovah ny andro tsirairay. Lasa mana-namana be dia be izahay ary tsy misy mahory anay. Sambatra erỳ izahay manompo an’i Jehovah manontolo andro, ka tsy misy dikany ny zavatra kely nafoinay raha ampitahaina amin’izany.” Maro ny mpanompo manontolo andro mahatsapa toy izany. *

18. Inona no fanontaniana azontsika saintsainina?

18 Ary ianao? Inona no azonao atao raha hitanao hoe tsy mazoto mikatsaka an’ilay Fanjakana intsony ianao satria variana amin’ny zavatra tsy tena ilaina? Angamba ianao mila manatsara ny famakianao Baiboly sy ny fianaranao samirery. Ahoana no hanaovanao izany? Hohazavaina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

^ feh. 17 Jereo koa ilay tantaram-piainan’i Hadyn sy Melody Sanderson ao amin’ilay hoe “Mahafantatra Izay Tokony Hatao ary Manao Izany.” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 2006) Nandeha tsara ny asan’izy ireo tany Aostralia nefa nialany, ary nanompo manontolo andro izy ireo. Jereo izay nitranga rehefa lany ny volan’izy ireo, tamin’izy misionera tany Inde.