Saintsaino Foana ny Tenin’i Jehovah sy ny Zavatra Noforoniny
“Eritrereto tsara izany, ary aoka ianao hifantoka tanteraka amin’izany, mba hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoanao.” —1 TIM. 4:15.
1, 2. Nahoana no miavaka ny atidohan’ny olombelona?
MAHAGAGA ny atidohan’ny olombelona, ary mbola tsy takatry ny mpahay siansa tsara ny fiasan’izy io. Izy io no ahaizan’ny olona mianatra fiteny. Rehefa mahay an’izany izy, dia afaka mamaky teny, manoratra, miteny, mahazo izay lazain’ny hafa, mivavaka, ary midera an’i Jehovah an-kira. Hoy ny mpampianatra iray: “Iray amin’ireo zavatra mampiavaka ny olombelona ny fahaizan’ny ankizy mianatra fiteny iray.”
2 Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fahaizana miteny. (Sal. 139:14; Apok. 4:11) Misy lafiny lehibe iray mampiavaka ny atidoha koa anefa. Noforonina “araka ny endrik’Andriamanitra” ny olombelona fa tsy toy ny biby. Afaka mifidy izay tiany hatao izy ary afaka mampiasa ny fahaizany miteny mba hiderana an’i Jehovah.—Gen. 1:27.
3. Inona no nomen’i Jehovah antsika mba hampahahendry antsika?
3 Nomen’i Jehovah fanomezana tena sarobidy ny olona rehetra te hampiasa ny fiteny mba hiderana azy. Ny Baiboly izany. Misy amin’ny fiteny 2 800 mahery izy io na ny ampahany aminy. Mampiditra ny hevitr’Andriamanitra ao an-tsaintsika Sal. 40:5; 92:5; 139:17) Afaka misaintsaina zavatra ‘mampahahendry antsika ho amin’ny famonjena’ àry isika.—Vakio ny 2 Timoty 3:14-17.
isika rehefa misaintsaina ny Teniny. (4. Inona no dikan’ny hoe misaintsaina, ary inona no fanontaniana hodinihintsika?
4 Ny hoe misaintsaina dia midika hoe mampifantoka ny saina amin’ny zavatra tsara na ratsy, ary mandinika na mieritreritra lalina an’ilay izy. (Sal. 77:12; Ohab. 24:1, 2) Ny momba an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy no tena tokony hosaintsainina. (Jaona 17:3) Inona no azo atao mba ho mora kokoa amintsika ny misaintsaina izay vakintsika? Inona avy no azo saintsainina, ary inona no hanampy antsika ho tia sy ho zatra misaintsaina?
TE HANDRAY SOA VE IANAO REHEFA MIANATRA?
5, 6. Inona no hanampy anao hahazo kokoa an’izay vakinao sy hitadidy kokoa an’izany?
5 Tsy voamaritsika indraindray hoe mahavita zavatra miavaka ny atidohantsika. Tsy mila mampiasa saina, ohatra, isika dia efa mahavita mifoka rivotra, mamindra, na mitaingina bisikileta. Vitantsika koa ny mamaky teny sady mieritreritra zavatra hafa. Tena ilaina anefa ny mifantoka amin’izay vakina sy misaintsaina ny hevitr’ilay izy. Ilaina àry ny miato kely rehefa mahavaky fehintsoratra iray, na alohan’ny hamakiana lohatenikely. Afaka mieritreritra isika amin’izay hoe azontsika tsara ve izay novakintsika. Miriorio anefa ny saintsika indraindray na tsy mifantoka isika ka tsy mandray soa rehefa mamaky teny. Ahoana no hisorohana an’izany?
6 Hitan’ny mpikaroka fa mora ny mitadidy ny zavatra ianarana rehefa tononina mihitsy ilay izy. Fantatr’ilay namorona ny atidoha izany, ka mampirisika antsika izy mba ‘hamaky moramora’ ny lalàny. (Vakio ny Salamo 1:2.) Ho tadidinao kokoa izay vakinao ao amin’ny Baiboly raha tononinao amin’ny feo iva. Mety hanampy anao hifantoka koa izany.
7. Rahoviana no fotoana tsara indrindra hisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)
7 Tsy mila mampiasa saina be isika rehefa mamaky teny, fa mila mifantoka kosa rehefa misaintsaina. Tsy mahagaga raha aleontsika manao zavatra tsotsotra sy tsy dia mandreraka. Rehefa tsy reraka àry isika no tena tokony hisaintsaina, ary tokony ho amin’ny toerana milamina sy tsy dia misy manelingelina. Hitan’ny mpanao salamo fa afaka nisaintsaina tsara izy teo am-pandriana nandritra ny alina, rehefa tsy nahita tory. (Sal. 63:6) Nanana saina lavorary i Jesosy nefa hitany hoe tsara kokoa raha amin’ny toerana mangina no misaintsaina sy mivavaka.—Lioka 6:12.
INONA NO AZO SAINTSAININA?
8. a) Inona koa no azontsika saintsainina, ankoatra ny Tenin’Andriamanitra? b) Inona no tsapan’i Jehovah rehefa miresaka momba azy isika?
8 Misy zavatra hafa azontsika saintsainina, ankoatra ny Tenin’Andriamanitra. Miatoa kely, ohatra, rehefa mahita zavaboary mahatalanjona, ka eritrereto hoe inona no ianaranao momba an’i Jehovah rehefa mandinika an’ilay izy. Azo inoana fa handrisika anao hidera azy izany, noho izy tsara toetra. Azo inoana koa fa raha misy olona tafaraka aminao, dia horesahinao aminy izay tsapanao. (Sal. 104:24; Asa. 14:17) Faly i Jehovah rehefa misaintsaina sy miresaka momba azy isika ary mivavaka aminy. Manome toky antsika ny Teniny hoe: “Tamin’izany andro izany, dia nifampiresaka tamin’ny namany avy ireo matahotra an’i Jehovah. Ary nihaino tsara i Jehovah ka nandre izany. Dia nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany, ho an’ireo matahotra an’i Jehovah sy misaintsaina ny anarany.”—Mal. 3:16.
9. a) Inona no nasain’i Paoly nosaintsainin’i Timoty? b) Ahoana no hampiharantsika ny torohevitr’i Paoly rehefa miomana ho eny amin’ny fanompoana isika?
9 Nampirisika an’i Timoty ny apostoly Paoly mba ‘hieritreritra tsara’ ny vokatry ny teniny sy ny fitondran-tenany ary ny fampianarany. (Vakio ny 1 Timoty 4:12-16.) Afaka manaraka an’io torohevitra io koa isika. Mila misaintsaina, ohatra, isika rehefa miomana hampianatra Baiboly. Eritrereto ny mpianatra tsirairay, ary manomàna fanontaniana hahalalana ny heviny na fanoharana hanampy azy handroso. Hanatanjaka ny finoanao izany, sady vao mainka ianao hahomby sy hazoto hampianatra. Ilaina koa ny manomana ny fo rehefa hanompo. (Vakio ny Ezra 7:10.) Raha mamaky toko iray ao amin’ny Asan’ny Apostoly, ohatra, isika dia hafana fo amin’ny fanompoana. Tsara koa ny misaintsaina ny andinin-teny tiantsika hampiasaina sy ny boky na gazety tiantsika hatolotra. (2 Tim. 1:6) Eritrereto ny olona eny amin’ny faritany sy ny zavatra mety hahaliana azy. Ho haintsika tsara ny mampiasa ny Baiboly rehefa manompo, raha miomana tsara toy izany isika.—1 Kor. 2:4.
10. Inona avy no mbola azontsika saintsainina?
10 Mandray an-tsoratra ve ianao indraindray rehefa mihaino lahateny any am-pivoriana na any amin’ny fivoriambe? Jereo indray izay nosoratanao, ary saintsaino izay ampianarin’ny Baiboly anao sy Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! isam-bolana, ary ao amin’ireo boky mivoaka farany isaky ny fivoriambe. Rehefa mamaky Diary koa, dia mety ho tsara ny mijanona kely isaky ny avy mamaky tantara iray. Afaka misaintsaina ianao amin’izay ka hanohina ny fonao ilay tantara. Azonao atao koa ny manipika ny hevi-dehibe na manoratra kely eny amin’ny sisim-pejy rehefa mamaky teny. Mety hanampy anao ireny hevitra ireny rehefa manomana ianao alohan’ny hiverina hitsidika, na hitsidika ondry, na hanao lahateny. Nahoana koa no tena ilaina ny miato kely sy misaintsaina? Hilentika tsara ao am-ponao izay vakinao raha zatra manao an’izany ianao. Ho afaka hisaotra an’i Jehovah koa ianao, noho ilay zavatra tsara ianaranao.
izay ampianarin’ny fandaminana. Misy fanazavana vaovao azo vakina sy saintsainina koa ao amin’nySAINTSAINO ISAN’ANDRO NY TENIN’ANDRIAMANITRA
11. Inona no boky tena tokony hosaintsainintsika, ary nahoana? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)
11 Ny Tenin’Andriamanitra no boky tena tokony hosaintsainintsika. Tsy voatery hanana Baiboly foana mantsy ianao. * Mbola azonao atao foana amin’izay ny misaintsaina an’izay hevitra tadidinao, ohatra hoe ny andinin-teny tianao indrindra na ny tononkiran’ilay Fanjakana. (Asa. 16:25) Hanampy anao hitadidy an’ireo zavatra tsara efa nianaranao ny fanahin’i Jehovah.—Jaona 14:26.
12. Ahoana no azonao andaminana ny famakianao Baiboly isan’andro?
12 Misy toko ao amin’ny Baiboly tokony hovakina isan-kerinandro, amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Azo atokana hamakiana sy hisaintsainana azy ireny ny andro sasany isan-kerinandro. Ny andro hafa kosa azo isaintsainana an’izay nolazain’i Jesosy sy nataony. Anisan’ny boky be mpahalala ao amin’ny Baiboly ny Filazantsaran’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona. Voaresaka ao amin’izy ireo ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany. (Rom. 10:17; Heb. 12:2; 1 Pet. 2:21) Manana boky miresaka ny fiainan’i Jesosy tetỳ an-tany koa isika, ary tantaraina ao arakaraka ny fotoana nisehoany ny zava-nitranga. Hahasoa antsika io boky io, indrindra raha vakintsika tsara sy saintsainintsika ireo andinin-teny miresaka an’ilay tantara, isaky ny toko tsirairay.—Jaona 14:6.
NAHOANA NO TENA ILAINA NY MISAINTSAINA?
13, 14. Nahoana no tena ilaina ny misaintsaina foana ny Tenin’Andriamanitra, ary inona no ho vokatr’izany eo amintsika?
13 Hanampy antsika hihamatotra ny misaintsaina momba an’i Jehovah sy Jesosy. (Heb. 5:14; 6:1) Hihena ny finoan’ny Kristianina iray raha tsy dia misaintsaina momba azy ireo izy. Atahorana hiala tsikelikely na hiala tanteraka amin’ny fahamarinana ny olona toy izany. (Heb. 2:1; 3:12) Nilaza i Jesosy fa tsy ho ‘voatahirintsika’ ao am-pontsika ny Tenin’Andriamanitra, raha tsy ekentsika “amin’ny fo tsara sy mahitsy.” Ho mora “voavilin’ny fanahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’ity fiainana ity” kosa isika ka ‘tsy hahavanom-boa.’—Lioka 8:14, 15.
14 Saintsaino tsara foana àry ny Tenin’Andriamanitra, dia hanome taratry ny voninahitr’i Jehovah sy ny toetrany ary ny maha izy azy ianao. (2 Kor. 3:18). Vao mainka isika hahalala an’ilay Raintsika any an-danitra sy hanahaka azy, raha mianatra momba azy foana. Tsy misy tombontsoa lehibe noho izany, ary ho afaka hanana an’izany isika mandrakizay.—Mpito. 3:11.
15, 16. a) Inona no soa noraisinao rehefa nisaintsaina momba an’i Jehovah sy Jesosy ianao? b) Nahoana indraindray no sarotra ny misaintsaina, nefa nahoana isika no tokony hiezaka hisaintsaina?
15 Hazoto hiresaka ny fahamarinana foana isika, raha misaintsaina momba an’i Jehovah sy Jesosy. Hampahery an’ireo rahalahintsika sy ny olona liana hitantsika eny amin’ny faritany isika amin’izay. Saintsaino lalina koa ny sorom-panavotan’i Jesosy, izay fanomezana lehibe indrindra avy amin’i Jehovah. Hiezaka hifandray akaiky foana amin’ilay Raintsika ianao raha manao izany. (Rom. 3:24; Jak. 4:8) Efa nigadra telo taona noho ny finoany i Mark, rahalahy atsy Afrika Atsimo. Hoy izy: “Hoatran’ny olona mandeha mitady zavatra na toerana vaovao ianao rehefa misaintsaina. Vao mainka ianao hahalala zava-baovao momba an’ilay Andriamanitsika, rehefa misaintsaina momba azy. Kivikivy aho indraindray na manahy momba ny hoavy, ka raisiko ny Baiboly ary mamaky sy misaintsaina andininy iray aho. Tena mampitony ahy izany.”
16 Betsaka ny zavatra mahavariana ankehitriny ka sarotra be indraindray ny misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra. Hoy i Patrick, rahalahy avy atsy Afrika: ‘Mandray fanazavana isan-karazany ny saiko. Mila fantenana izy ireny isan’andro satria tsy mahasoa ny sasany. Rehefa mandinika ny ao an-tsaiko aho, dia matetika no mahita hoe misy zavatra mampitebiteby ahy. Resahiko amin’i Jehovah aloha izany mba hilamina ny saiko, izay aho vao misaintsaina ny Teniny. Somary mandany fotoana izany, nefa mahatonga ahy ho akaiky kokoa azy sy hahazo kokoa ny fahamarinana.’ (Sal. 94:19) Mandray soa tokoa izay ‘mandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro’ sy misaintsaina an’izany.—Asa. 17:11.
AHOANA NO HAHITANA FOTOANA?
17. Ahoana no hahitanao fotoana hisaintsainana?
17 Misy mifoha maraina mba hamaky teny sy hisaintsaina ary hivavaka. Ny hafa manao izany amin’ny antoandro. Ianao angamba manao an’izany amin’ny hariva na alohan’ny hatory. Misy koa sady mamaky Baiboly amin’ny maraina no mamaky alohan’ny hatory. Tsy mitovy ny fotoana amakiantsika Baiboly nefa samy mila mamaky azy io “andro aman’alina” isika, izany hoe tsy tapaka. (Jos. 1:8) Ny zava-dehibe dia hoe manajanona an’izay zavatra tsy dia ilaina mba hisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra isan’andro.—Efes. 5:15, 16.
18. Inona no valisoa ho azon’ireo misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra sy miezaka mampihatra izay ianarany?
18 Imbetsaka i Jehovah no mampanantena fa hotahiny izay misaintsaina ny Teniny sy miezaka mampihatra izay ianarany ao. (Vakio ny Salamo 1:1-3.) Hoy i Jesosy: ‘Sambatra izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany.’ (Lioka 11:28) Hanome voninahitra an’ilay Mpamorona ny atidoha isika raha misaintsaina ny Teniny. Izany no zava-dehibe indrindra. Hamaly soa antsika izy vokatr’izany ka ho sambatra isika dieny izao, ary hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao amin’ny hoavy.—Jak. 1:25; Apok. 1:3.
^ feh. 11 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Ady Ataonay mba Hananana Finoana Matanjaka Foana”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 2006.