Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Tsy Nanenenany ny Safidy Nataony Tamin’izy Tanora

Tsy Nanenenany ny Safidy Nataony Tamin’izy Tanora

MPIANADAHY ny bebenay sy Dadabe Nikolai Dubovinsky. Teraka tamin’ny 1926 tany Podvirivka, any Ukraine, i Dadabe Nikolai, ary zanaka tantsaha. Nanompo an’i Jehovah foana izy, na dia voarara aza ny asa fitoriana tany Ukraine, izay anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Nifandimby teo amin’ny fiainany ny soa sy ny ratsy, nefa tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy izy sady falifaly lava. Matetika izy no niteny hoe tiany raha mba fantatry ny tanora ny tantarany. Hotantaraiko anareo ny sasany amin’izany, satria nanoratra ny tantarany izy taloha kelin’ny nahafatesany.

NY NAHALALANY NY FAHAMARINANA

Hoy i Dadabe Nikolai: “Nahazo an’ilay boky Ny Harpan’Andriamanitra sy ilay hoe Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra i Ivan zokiko lahy, tamin’ny 1941. Nahazo Tilikambo Fiambenana vitsivitsy sy bokikely maromaro koa izy. Novakiko daholo ireo. Gaga aho fa hay ny Devoly fa tsy Andriamanitra no fototry ny olana rehetra eto an-tany. Nijery Filazantsara aho rehefa namaky an’ireo boky sy gazety ireo, ka niaiky hoe nahita ny fahamarinana. Tonga aho dia nazoto niresaka tamin’ny olona ny zavatra hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra. Lasa nazava tsikelikely tamiko ny fahamarinana, ka naniry mafy hanompo an’i Jehovah aho.

“Nisy ady tamin’izay nefa izaho tsy te hamono olona. Fantatro àry fa tsy maintsy hiaritra ny mafy aho noho ny finoako. Niomana ho amin’izany aho ka niezaka nitadidy andinin-teny, toy ny Matio 10:28 sy ny Matio 26:52. Tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy aho, na dia hovonoina ho faty aza!

“Feno 18 taona aho tamin’ny 1944 ka voantso ho miaramila. Nisy rahalahy tanora hafa voantso koa, ka tamin’io aho vao nahita mpiara-manompo. Tonga dia niteny tamin’ny manam-pahefana izahay hoe tsy hiady mihitsy. Tezitra be ry zareo ka nandrahona hoe tsy homeny sakafo, hono, izahay, na hasainy manamboatra tatatra, na hotifiriny. Sahy namaly anefa izahay hoe: ‘Azonareo atao izay tianareo hatao aminay, na inona na inona, fa izahay tsy handika mihitsy an’ilay didin’Andriamanitra hoe: “Aza mamono olona.”’—Eks. 20:13.

“Nalefa hiasa tany sy hanamboatra trano simba tany Bélarus àry izaho sy ny rahalahy roa. Nahatsiravina ny vokatry ny ady. Mbola tsaroako ny zavatra hitako tany Minsk. May ny hazo teny amoron’arabe. Feno fatin’olona sy fatin-tsoavaly efa mibontsina teny anaty tatatra sy tany anaty ala. Nahita fiara sy tafondro efa tsy niasa intsony koa aho, ary nahita potika fiaramanidina mihitsy aza. Loza tokoa ny vokany rehefa tsy raharahaina ny didin’Andriamanitra.

“Tapitra ny ady tamin’ny 1945 nefa mbola voaheloka higadra folo taona izahay satria tsy nety niady. Tsy nivory izahay nandritra ny telo taona voalohany, sady tsy nanana boky sy gazety. Nifanoratra tamin’ny anabavy vitsivitsy ihany izahay, saingy voasambotra koa ry zareo ary voaheloka higadra 25 taona tany amin’ny toby fiasana an-terivozona.

“Nahazo famotsoran-keloka izahay tamin’ny 1950 ary nody. Faly be aho fa lasa Vavolombelon’i Jehovah ny mamanay sy Maria zandriko vavy, tamin’izaho nigadra! Mbola tsy Vavolombelona kosa ny zokiko lahy, fa nianatra Baiboly. Nazoto nitory aho, ka tian’ny polisy hogadraina indray. Nasain’ireo rahalahy mpiandraikitra ny asantsika nanao pirinty ny gazetintsika tany ambany lakaly àry aho. Vao 24 taona aho tamin’izay.”

NANAO PIRINTY

“Matetika ny mpiara-manompo no niteny hoe: ‘Hitohy any ambanin’ny tany ny asan’ilay Fanjakana, na dia voarara etỳ ambonin’ny tany aza.’ (Ohab. 28:28) Tany ambany lakaly no natao pirinty ny ankamaroan’ny boky sy gazety mba tsy hisy hahita. Tao amin’ny efitra kely tao ambanin’ny tranon’i Dmitry zokiko lahy aho no niasa voalohany. Tsy niala tao aho indraindray nandritra ny tapa-bolana maninjitra! Maty ny jiro solitany nampiasaiko rehefa tsy ampy ny rivotra, ka nitsotra kely aho mandra-piditry ny rivotra indray.

Sarin’ilay efitra ambanin’ny tany niasan’i Nikolai

“Nanontany ahy ny rahalahy iray niara-niasa tamiko, indray mandeha, hoe: ‘Nikolai a! Ianao moa efa vita batisa?’ Efa 11 taona aho no nanompo an’i Jehovah nefa mbola tsy natao batisa. Niara-nidinika momba ny batisa àry izahay, ary natao batisa tao amin’ny farihy iray aho ny alin’iny, tamin’izaho 26 taona. Lasa anisan’ny Komitin’ny Tany aho, telo taona taorian’izay. Nasaina nisolo an’izay rahalahy voasambotra mantsy izay mbola tsy voasambotra, amin’izay mitohy foana ny asan’ilay Fanjakana.”

NISY OLANA

“Mafy noho ny tany am-ponja ilay niasa tany ambanin’ny tany! Tsy afaka nivory aho nandritra ny fito taona mba tsy ho tratran’ny KGB (polisy miafina), ka izaho ihany no niezaka nanatanjaka ny finoako. Tsy nihaona tamin’ny havako mihitsy aho, ary mahalana vao afaka nitsidika azy ireo. Faly anefa aho fa azon’izy ireo ny anton’izany. Nitaintaina lava sy nila mailo foana aho ka reraka. Tsy maintsy nivonona hiatrika an’izay nitranga izahay. Nisy polisy roa tonga, ohatra, tao amiko, indray hariva. Nitsambikina avy teo am-baravarankely aho ary nandositra tao anaty ala. Vao nivoaka avy tao aho, dia nahare feo hoatran’ny misioka. Nahare basy nipoaka aho vao tonga saina hoe feom-bala nandalo kay ilay izy! Nitaingina soavaly ilay polisy iray, ary nanenjika ahy sady nitifitra, mandra-pahalanin’ny balany. Voa ny sandriko nefa mbola nitsoaka aho, ka efa nahavita dimy kilaometatra vao tsy narahiny intsony. Niafina tany anaty ala aho avy eo. Henoko tatỳ aoriana, tamin’izaho notsaraina, fa nitifitra ahy in-32 ry zareo!

“Tsy nivoaka teny ivelany mihitsy aho ka lasa hatsatra be. Niezaka nitanina andro àry aho raha mbola azo atao, mba tsy ho fantatra hoe inona no nataoko. Narary koa aho satria tsy niseho masoandro mihitsy. Nisy fivoriana lehibe tsy maintsy nalehako, ohatra, indray mandeha, nefa tsy afaka aho satria nandeha ra ny oroko sy ny vavako.”

NOSAMBORINA

Tany amin’ny toby fiasana an-terivozona tany Mordovie, 1963

“Voasambotra aho ny 26 Janoary 1957. Namoaka didy ny Fitsarana Tampony tany Ukraine, enim-bolana tatỳ aoriana, fa tokony hotifirina aho. Efa voarara tany anefa ny fanamelohana ho faty, ka novana ho 25 taona an-tranomaizina ny saziko. Valo izahay no nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona, ary 130 taona ny sazinay raha atambatra. Nalefa tany Mordovie izahay, ary efa nisy Vavolombelona 500 teo ho eo tany. Niafina izahay rehefa nianatra Ny Tilikambo Fiambenana ary vitsivitsy no niaraka. Tratra anefa izahay, ka nalain’ny mpiambina ireo gazety. Hoy ny mpiambina iray rehefa avy namaky ny gazety sasany: ‘Tsy hisy hahavita hampiova ny finoanareo raha mbola mamaky an’ireto ianareo!’ Niasa tsara sy nazoto foana izahay, ary matetika no nanao mihoatra noho izay nasaina nataonay. Mbola nimenomenona anefa ny lehiben’ilay toby hoe: ‘Raha mbola tsy manohana anay ianareo, dia tsy raharahainay na dia hiasa mafy eo aza!’ ”

“Niasa tsara sy nazoto foana izahay, ary matetika no nanao mihoatra noho izay nasaina nataonay”

TSY NIVADIKA MIHITSY IZY

Efitrano Fanjakana any Velikiye Luki

Nafahana i Dadabe Nikolai tamin’ny 1967. Nanampy nanorina fiangonana tany Estonia sy teto Saint-Pétersbourg eto Rosia izy avy eo. Teo am-piandohan’ny taona 1991, dia nofoanan’ny fitsarana ilay didy tamin’ny 1957. Tsy voaporofo mantsy hoe nanao heloka bevava i Dadabe. Efa afaka madiodio koa ireo Vavolombelona maro be nampijalin’ny manam-pahefana. Nifindra tany Velikiye Luki any amin’ny Faritr’i Pskov i Dadabe, tamin’ny 1996. Tokotokony ho 500 kilaometatra avy eto Saint-Pétersbourg izy io. Nividy trano kelikely izy tany, ary nasiana Efitrano Fanjakana teo amin’ilay taniny tamin’ny 2003. Fiangonana roa mandroso be izao no mivory ao.

Manompo ato amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Rosia izahay mivady. Tamin’ny Martsa 2011 i Dadabe Nikolai no nitsidika anay farany, volana vitsivitsy talohan’ny nahafatesany. Nanohina ny fonay ny teniny tamin’izay. Falifaly erỳ izy nilaza hoe: ‘Hoatran’ny hoe efa ilay andro fahafito nandehanan’ny Israelita manodidina an’i Jeriko izao fotoana iainantsika izao.’ (Jos. 6:15) Efa 85 taona izy tamin’izay. Mafy ny fiainany, nefa izao no teniny: “Faly be aho satria nifidy ny hanompo an’i Jehovah, tamin’izaho mbola tanora. Tsy nanenenako mihitsy izany!”