Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Oviana no nitsidika an’i Jesosy ireo mpanandro?

Milaza ny Filazantsaran’i Matio fa “nisy mpanandro avy tany atsinanana” nitsidika an’i Jesosy, ary nitondra fanomezana. (Matio 2:1-12) Tsy hita ao amin’ny Baiboly hoe firy ireo mpanandro na “magy” ireo. Maro no mihevitra fa telo izy ireo, nefa tsy misy porofo akory izany. Tsy voalaza mihitsy koa ny anaran’izy ireo.

Hoy ny boky iray manazava ny Baiboly, momba ny Matio 2:11: “Ny mpiandry ondry no nitsidika an’i Jesosy tamin’izy vao teraka teo amin’ny fihinanam-bilona fa tsy ny Magy, araka ny inoan’ny olona. Afaka volana maromaro kosa vao nitsidika an’ilay ‘zaza’ tany ‘an-tranony’ izy ireo.” Inona no manaporofo izany? Ny zazalahy roa taona no ho midina rehetra no nasain’i Heroda novonoina, tany Betlehema sy ny manodidina. Efa “nofotorany tsara tamin’ireo mpanandro” mantsy ny fotoana tokotokony ho nahaterahan’i Jesosy, ka izay no nataony kajy.—Matio 2:16.

Nitondra volamena sy fanomezana sarobidy ireo mpanandro. Raha ny alin’ny nahaterahan’i Jesosy no nahatongavan’izy ireo, dia ho afaka nanolotra zava-tsarobidy kokoa tao amin’ny tempoly i Maria, 40 andro tatỳ aoriana. Vorona roa monja anefa no nentiny. (Lioka 2:22-24) Araka ny Lalàna mantsy, dia afaka nanolotra izany ireo tsy nanana zanak’ondry. (Levitikosy 12:6-8) Mety ho talohan’izy telo mianaka nankany Ejipta anefa no nahazo an’ireo fanomezana sarobidy, ka ireo no nivelomany tany.—Matio 2:13-15.

Nahoana no afaka efatra andro i Jesosy vao tonga tany amin’ny fasan’i Lazarosy?

Fanahy iniany angamba ilay izy. Nahoana? Andeha hodinihintsika ilay tantara ao amin’ny Jaona toko faha-11.

Nipetraka tao Betania i Lazarosy. Narary mafy izy, ka nampilaza an’i Jesosy ireo anabaviny. (Andininy 1-3) Lavitra anefa no nisy an’i Jesosy tamin’izay, lalana roa andro teo ho eo avy tao Betania. (Jaona 10:40) Azo inoana fa efa maty i Lazarosy namany rehefa voarainy ilay hafatra. Mbola “nijanona roa andro tany amin’izay nisy azy” anefa izy, vao nankany Betania. (Andininy 6, 7) Efatra andro taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy àry izy vao tonga. Mbola niandry roa andro tsinona izy, ary avy eo nandeha roa andro.—Andininy 17.

Efa nanangana olona roa i Jesosy talohan’io. Ny iray natsangany avy hatrany raha vao maty. Ilay hafa kosa, ora maromaro tatỳ aoriana vao natsangany. (Lioka 7:11-17; 8:49-55) Mety ho nisalasala anefa ny sasany hoe ho vitany ve ny hanangana olona maty efatra andro. Efa nanomboka ho lo mantsy ilay izy. (Andininy 39) Milaza ny boky iray momba ny Baiboly fa nino ny Jiosy hoe “efa tena simba ny olona maty efatra andro”, ka tsy nisy azo nantenaina intsony. “Efa lasa koa ny fanahiny, satria telo andro ihany izy io no manidintsidina eo ambonin’ny vatany.”

Nahita porofo tokoa tamin’izay ireo olona mbola tsy natoky hoe tena manana hery hananganana ny maty i Jesosy. Nijoro teo anoloan’ny fasana efa nisokatra mantsy izy, ary niantso mafy hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha! Dia nivoaka ilay lehilahy efa maty.” (Andininy 43, 44) Diso àry ny finoan’ny olona maro hoe mbola velona any ankoatra ny fanahy. Voaporofo mantsy fa ny fitsanganana ihany no tena fanantenana ho an’ny maty.—Salamo 146:3, 4; Jaona 11:25.