Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho An’ny Mpamaky

Ho An’ny Mpamaky

Ho An’ny Mpamaky

FALY izahay mampahafantatra anareo fa hisy fiovana amin’ny Tilikambo Fiambenana manomboka izao. Izay zavatra tsy niova anefa aloha no horesahintsika.

Mbola Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah foana no anaran’ilay gazety. Noho izany, dia mbola hanome voninahitra an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, izy io sady hilaza ny vaovao tsaran’ny Fanjakany, izay hampahery ny mpamaky. Hohazavaina ao amin’ny pejy faha-5 ka hatramin’ny faha-9 amin’ity gazety ity hoe inona io Fanjakana io, ary rahoviana izy io no ho tonga. Nandritra ny 100 taona mahery Ny Tilikambo Fiambenana no nampirisika ny olona hino an’i Jesosy Kristy, nanohana ny fahamarinana ara-baiboly, ary nanazava ny zava-mitranga eran-tany mifanaraka amin’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Mbola tsy hiova koa izany.

Inona àry no hiova? Hohazavaintsika kely ireo lafiny vaovao tena mahaliana ao amin’ity gazety ity, izay hivoaka isaky ny voalohan’ny volana. *

Hisy lahatsoratra maromaro mampisaintsaina hivoaka isam-bolana. Ilay hoe “Fantatrao Ve?” dia hanome tsipiriany mahaliana momba ny fitantarana sasany ao amin’ny Baiboly, mba hahazoana tsara an’ilay izy. Ilay hoe “Manatòna An’Andriamanitra” indray, dia hanasongadina izay azo ianarana momba an’i Jehovah avy amin’ny andinin-teny sasany. Hamaly ny fanontaniana ara-baiboly fametraky ny olona kosa ny lahatsoratra “Manontany ny Mpamaky.” Maro, ohatra, no manontany hoe: “Ao am-po ve ny Fanjakan’Andriamanitra?” Ho hitanao ao amin’ny pejy faha-13 ny valiny.

Hisy lahatsoratra natao hahasoa ny fianakaviana koa hivoaka tsy tapaka ao amin’ity gazety ity. Hivoaka inefatra isan-taona, ohatra, ilay hoe “Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana.” Resahina ao ny olana tena nitranga tao amin’ny tokantrano sasany, ary hazavaina ao ny fomba ampiharana ny toro lalan’ny Baiboly mba hamahana an’ilay izy. Natao hovakin’ny ray aman-dreny miaraka amin’ny zanany kosa ilay hoe “Ampianaro ny Zanakao”, ary ho hitanao ato isaky ny roa volana. Hifandimby hiseho ato amin’ity gazety ity izy io sy ilay hoe “Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora.” Fianarana Baiboly natao ho an’ny tanora ity farany ity.

Hisy lahatsoratra vitsivitsy hafa koa hivoaka inefatra isan-taona. Anisan’izany ilay hoe “Tahafo ny Finoan’izy Ireo”, izay hampirisika antsika hanaraka ny modely navelan’ireo olona resahina ao amin’ny Baiboly. Misy tantara mampihetsi-po momba an’i Elia mpaminany, ohatra, ao amin’ny pejy faha-18 ka hatramin’ny faha-21 amin’ity gazety ity. Ho hitanao ao hoe ahoana no azontsika anahafana ny finoany. Ilay hoe “Taratasy avy any...”, dia hahitanao tantaram-piainan’ny misionera na olon-kafa any amin’ny toerana samihafa eran-tany. Eo koa ilay hoe “Inona no Nampianarin’i Jesosy Antsika...” Hazavaina amin’ny fomba tsotra ao amin’izy io ny fampianarana fototra sasany ao amin’ny Baiboly.

Mino izahay fa mbola ho liana amin’ny Tilikambo Fiambenana ireo mpamaky, izay manaja ny Baiboly sy maniry hahalala izay tena ampianariny. Antenainay fa hahafa-po anao izay mangetaheta ny fahamarinana ara-baiboly, ity gazety ity.

NY MPAMPANONTA

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Hisy karazany roa Ny Tilikambo Fiambenana manomboka izao. Ho an’ny besinimaro ny iray, ary hivoaka isaky ny voalohan’ny volana. Natao hianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny fivoriany kosa ny iray, izay hivoaka isaky ny faha-15 amin’ny volana. Marihina fa natao ho an’ny besinimaro izany fivoriana izany.