Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

INONA no foto-kevitra notorin’i Jesosy? Izy mihitsy no nilaza fa ny Fanjakan’Andriamanitra izany. (Lioka 4:43) Azo antoka fa nandre azy namerimberina an’io hoe Fanjakana io ny olona nihaino azy. Nanahiran-tsaina azy ireo ve izany? Nanontany ve izy ireo hoe inona io Fanjakana io? Tsia. Tsy lazain’ny Filazantsara hoe nanontany an’izany izy ireo. Efa fantany àry ve ny atao hoe Fanjakan’Andriamanitra?

Efa nanome tsipiriany mazava tsara momba an’io Fanjakana io sy izay hotanterahiny ny Soratra Masina fahiny, izay nohajain’ny Jiosy. Afaka mianatra bebe kokoa momba azy io koa isika ankehitriny, ao amin’ny Baiboly. Hodinihintsika ny zavatra fito resahina ao momba ilay Fanjakana. Afaka namantatra tsara ny telo voalohany ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy sy talohan’izay. Nampahafantarin’i Kristy na ny apostoliny tamin’ny taonjato voalohany kosa ny telo manaraka, ary tatỳ amin’ny androntsika no nahafantarana ilay fahafito farany.

1. Tena fitondram-panjakana izy io, ary haharitra mandrakizay. Milaza ny faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly fa haniraka mpamonjy hanavotra ny olona mahatoky Andriamanitra. Antsoina hoe ‘taranaka’ izy io, ary hanafoana ny zavatra mahatsiravina rehetra vokatry ny fikomian’i Adama sy Eva ary Satana. (Genesisy 3:15) Nilazana zavatra mampientam-po momba an’io ‘taranaka’ na Mesia io i Davida mpanjaka nahatoky, tatỳ aoriana. Nambara taminy fa ho lasa Mpanjaka io taranaka io, ary tsy hitovy amin’ny hafa rehetra ny fanjakany sady haharitra mandrakizay.—2 Samoela 7:12-14.

2. Handringana ny fitondran’olombelona rehetra izy io. Naseho an’i Daniela mpaminany tao amin’ny fahitana ireo fitondram-panjakana matanjaka indrindra eran-tany, izay nifandimby hatramin’izao androntsika izao. Mariho fa tena mampientam-po ny fiafaran’io fahitana io: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka [farany] ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” Araka izany, dia ho ringana mandrakizay ny fanjakana na fitondrana rehetra eto an-tany, ary hifarana hatreo ny adin’izy ireo, sy ny fampahoriany, ary ny fanaovany kolikoly. Asehon’ny faminanian’i Daniela fa tsy ho ela dia hitondra ny tany manontolo ny Fanjakan’Andriamanitra. (Daniela 2:44, 45) Tena misy io fitondram-panjakana io, ary izy irery ihany no haharitra. *

3. Hofoanany ny ady, aretina, mosary, ary na dia ny fahafatesana aza. Asehon’ireo faminaniana mampientam-po ao amin’ny Baiboly izay hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra etỳ an-tany. Hotanterahin’izy io ny zavatra tsy vitan’ny fitondran’olombelona hatramin’izay sy tsy ho vitany mihitsy. Mba eritrereto ange e! Ho foana mandrakizay ny fitaovam-piadiana rehetra. “Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy.” (Salamo 46:9) Tsy hisy intsony ny dokotera sy ny hopitaly ary ny aretina rehetra. “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho.” (Isaia 33:24) Ho foana ny mosary sy ny tsy fahampian-tsakafo. “Hahavoka-bary betsaka ny tany.” (Salamo 72:16) Tsy hisy intsony koa ny fandevenana, ny fiandrasam-paty, ny fasana, ny tranom-paty, ary ny fahoriana aterak’ireo. Ela ny ela ka ho resy ny fahafatesana, ilay fahavalo tsy mamela mahazo! “Hofoanan[’Andriamanitra] tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.”—Isaia 25:8.

4. Andriamanitra no nifidy ny Mpanjakany. Tsy nanendry tena ny Mesia. Tsy olombelona tsy lavorary no nifidy azy, fa i Jehovah Andriamanitra mihitsy. Mampiseho izany ilay anaram-boninahitra hoe Mesia sy Kristy, izay samy midika hoe “Voahosotra.” Midika izany fa i Jehovah no nanosotra, na nanendry an’io Mpanjaka io hanao asa manokana. Izao no nolazainy momba azy: “Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko; napetrako tao aminy ny Fanahiko; hamoaka fitsipika ho an’ny jentilisa Izy.” (Isaia 42:1; Matio 12:17, 18) Iza, ankoatra ny Mpamorona, no tena mahafantatra hoe Mpitondra manao ahoana no ilaintsika?

5. Noporofoin’ilay Mpanjaka teo anatrehan’ny olona rehetra fa mendrika ny toerana nomena azy izy. Voaporofo fa i Jesosy avy any Nazareta no Mesia. Efa nolazain’Andriamanitra hoe ho taranak’iza izy, ary tanteraka izany. (Genesisy 22:18; 1 Tantara 17:11; Matio 1:1) Tanteraka tamin’i Jesosy ny faminaniana maro momba ny Mesia, izay efa voalaza an-jatony taona mialoha. Avy any an-danitra mihitsy no nampahafantarana fa izy no Mesia. Niteny avy tany an-danitra mantsy Andriamanitra, ary nilaza fa Zanany i Jesosy. Nisy anjely koa nanambara fa izy no Mesia. Tsy vitan’izany fa nanao fahagagana maro teo anatrehan’ny olona an-jatony, raha tsy an’arivony akory aza, i Jesosy. Niharihary fa avy tamin’Andriamanitra ny hery nahavitany izany. * Imbetsaka i Jesosy no nampiseho hoe karazana Mpitondra hanao ahoana izy. Sady nanana hery hanampiana olona izy, no tena naniry hanampy azy ireny. (Matio 8:1-3) Nahafoy tena izy, nangoraka, be herim-po, ary nanetry tena. Tantaraina ao amin’ny Baiboly ny fiainany teto an-tany, ary afaka mamaky izany ny rehetra.

6. Misy olona 144 000 miara-manjaka amin’i Kristy. Nilaza i Jesosy fa hisy olon-kafa hiara-manjaka aminy any an-danitra, anisan’izany ny apostoliny. “Ondry vitsy” no niantsoany azy ireo. (Lioka 12:32) Nilazana ny apostoly Jaona tatỳ aoriana fa 144 000 no ho isan’izy ireo. Hanana asa tena mahaliana izy ireo any an-danitra, dia ny ho mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Kristy.—Apokalypsy 5:9, 10; 14:1, 3.

7. Vonona hitondra ny tany manontolo izao ny Fanjakan’Andriamanitra, izay efa manjaka any an-danitra. Anisan’ny vaovao mampientam-po indrindra izany. Porofo maro ao amin’ny Baiboly no mampiseho fa efa lasa Mpanjaka any an-danitra i Jesosy. Efa mitondra any an-danitra izy izao, ary tsy ho ela dia hitondra ny tany manontolo. Hanatanteraka ireo faminaniana mahatalanjona noresahina tetsy aloha izy. Ahoana anefa no ahazoana antoka fa efa manjaka izao ny Fanjakan’Andriamanitra? Rahoviana izy io no hanomboka hitondra ny tany?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Asehon’ny faminaniana hafa toa an’io, fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy zavatra ao am-po, araka ny nampianarina ny olona maro. Jereo ny lahatsoratra “Manontany ny Mpamaky”, ao amin’ny pejy 13.