Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manaova “Teny Mahafinaritra” Amin’ny Fianakavianao

Manaova “Teny Mahafinaritra” Amin’ny Fianakavianao

Manaova “Teny Mahafinaritra” Amin’ny Fianakavianao

MIANDRY ny vadiny ao anaty fiara i David, sady mijery famantaranandro foana. Efa manomboka tezitra izy amin’io. Tonga ihany i Diane tamin’ny farany. Tsy tanan’i David intsony anefa ny hatezerany.

“Efa adiny firy aho izao no niandry teto!”, hoy izy nitrerona azy. “Ianao koa dia tara foana! Fa maninona ianao raha mba manaja fotoana e?”

Nanindrona ny fon’i Diane izany, ka nifokofoko nitomany izy ary lasa niverina tao an-trano. Izay vao tsapan’i David fa nasiaka loatra izy, ary nahatonga olana hafa indray izany. Inona anefa moa no azony natao fa dia nisento lalina sisa, ary niditra moramora tao an-trano koa.

Fahita ny toe-javatra toy izany. Efa nisy fotoana ve nilazanao hoe: ‘Tahaka izay aho tsy niteny an’iny’? Matetika isika no manenina raha tsy mieritreritra tsara vao miteny. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe: “Ny fon’ny marina mihevitra vao mamaly.”—Ohabolana 15:28.

Sarotra anefa izany, indrindra raha tezitra na matahotra isika, na nisy nankarary ny fontsika. Sarotra kokoa aza rehefa fianakaviantsika akaiky no iresahantsika. Tiantsika havoaka mantsy izay ao am-pontsika, nefa lasa manome tsiny na manakiana azy indray ny tenintsika. Mety handratra ny fony izany, na hampifamaly mihitsy.

Inona àry no tokony hatao? Ahoana no hifehezana ny fihetseham-po? Nanome torohevitra mahasoa momba izany i Solomona mpanoratra Baiboly.

Marina sy mahitsy nefa mahafinaritra

Mampieritreritra ny tenin’i Solomona, ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny. Nilaza izy fa zava-poana ny fiainana, ary tena nanana fihetseham-po izy rehefa niteny an’izany. “Halako ny aina”, hoy izy. “Zava-poana dia zava-poana” izany. (Mpitoriteny 2:17; 12:8) Marina fa nitanisa ny alahelony i Solomona, nefa noresahiny tamin’ny fomba hafakely izany. Izao mantsy no ao amin’ny faramparan’ilay boky: “Nitady hahita teny mahafinaritra [izy]; ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin’ny fahamarinana.”—Mpitoriteny 12:10.

Fantatr’i Solomona tsara fa mila fehezina ny fihetseham-po. Nieritreritra toy izao angamba izy talohan’ny hanoratana: ‘Tena marina tsara ve izay holazaiko? Hahafinaritra ny olona ve ny teny hampiasaiko?’ Nitady “teny mahafinaritra” izy, ka nisaina tsara fa tsy nobaikoin’ny fihetseham-po fotsiny.

Tena asa soratra kanto àry ny bokin’ny Mpitoriteny. Mirakitra fahendrena avy amin’Andriamanitra koa izy io, ary manazava ny dikan’ny fiainana. (2 Timoty 3:16, 17) Hain’i Solomona tsara ny namoaka ny hevitra tiany holazaina, nefa voafehiny koa ny fihetseham-pony. Azontsika akana lesona izany mba hifampiresahana tsara amin’ny fianakaviantsika. Ity misy ohatra.

Fehezo ny fihetseham-ponao

Aoka hatao hoe misy ankizilahy iray vao avy naka ny naotiny tamin’ny fanadinana. Kivikivy izy satria ratsy ny naotiny iray. Tezitra ny dadany nahita izany. Tsaroany koa fa imbetsaka ilay zanany no nangataka andro rehefa hanao devoara. Saika hiteny izy hoe: “Kamo mianatra mihitsy ialahy ity! Tsy ho tafita mihitsy ialahy raha izao no mitohy!”

Tokony hieritreritra kely anefa izy, ka hifehy ny hatezerany. Mila manontany tena, ohatra, izy hoe: ‘Marina ve izany eritreritro izany?’ Handinika tsara izy amin’izay, fa tsy hobaikoin’ny fihetseham-pony fotsiny. (Ohabolana 17:27) Dia naoty iray tokoa ve no tsy hahatafita an’ilay ankizy? Ary marina ve fa kamo izy, sa nangataka andro fotsiny rehefa hanao devoara satria sarotra aminy ilay taranja? Imbetsaka ny Baiboly no milaza fa ilaina ny mandinika tsara ny tena zava-misy. (Titosy 3:2; Jakoba 3:17) Tokony ho zavatra ‘mahitsy sy marina’ àry no holazain’ny ray aman-dreny, mba hampahery ny zanany.

Mitadiava teny mahafinaritra

Rehefa hitan’ilay dadany izay holazaina, dia tokony hieritreritra indray izy hoe: ‘Ahoana re no hilazako an’izany, mba tsy handratra an’ilay zanako e?’ Marina fa sarotra ny mahita teny mampahery. Tokony hotadidin’ny ray aman-dreny anefa fa tia manitatra ny zatovo, ka rehefa tsy tsara be aminy, dia ratsy be. Raha tsy nety kely, ohatra, ny zavatra nataony, dia ny fiainany manontolo mihitsy no hoheveriny hoe tsy mety. Koa raha amin’izay ny dadany na ny mamany no tezitra loatra aminy, dia vao mainka izy hihevi-tena ho tsy misy ilana azy. Hoy ny Kolosianina 3:21: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.”

Matetika no manitatra fotsiny ny teny toy ny hoe “foana” na “mihitsy.” Misy, ohatra, miteny amin’ny zanany hoe: “Tsisy ilana azy mihitsy ianao ity!” Lasa mihevi-tena ho tsy misy dikany intsony ny ankizy raha atao an’izany. Vao mainka izy hamoy fo raha miverimberina ilay izy. Tsy vitan’ny hoe mahakivy izany, fa tsy marina koa.

Aleo lavitra manasongadina ny zavatra tsara nataony. Azon’ilay raim-pianakaviana natao, ohatra, ny niteny hoe: “Malahelo izao ialahy amin’ity naoty iray ity e? Hitako anefa hoe mianatra tsara ialahy. Andao horesahintsika àry ny momba an’ilay taranja manahirana an’ialahy, dia ho hita eo izay hatao.” Ho hitany izay tena hanampiana ny zanany, raha manadihady tsara izy sao misy antony hafa mahatonga ilay olana.

Ho tsara lavitra ny vokany raha malemy fanahy sy mandinika tsara ny ray aman-dreny, fa tsy tonga dia tezitra. Manome toky ny Baiboly hoe: ‘Ny teny mahafinaritra dia sady mamin’ny fanahy no mahatsara ny taolana.’ (Ohabolana 16:24) Faly erỳ ny ankizy rehefa mifandray tsara sy mifankatia ny fianakaviany, ary tsy ny ankizy ihany fa ny mpianakavy rehetra mihitsy.

Izay mameno ny fo

Hiverenantsika kely ny tantaran’i David, voaresaka tany aloha. Tsara kokoa raha mba nitady “teny mahafinaritra” aloha izy, fa tsy tonga dia tezitra tamin’ny vadiny. Raha sendra an’izany ny lehilahy, dia tokony hieritreritra hoe: ‘Marina fa mila miezaka ho marim-potoana ny vadiko, kanefa tara foana tokoa ve izy? Sao dia tsy izao no fotoana tsara hitenenako azy? Ho vonona hiova ve izy raha tezitra be sy manakiana azy aho?’ Tsy handratra ny fon’ny olona tiantsika isika, raha misaintsaina toy izany aloha.—Ohabolana 29:11.

Ahoana anefa raha lasa miady foana ianareo, isaky ny mifampiresaka? Raha izany no izy dia tsy ny teny ihany no tokony hodinihina, fa ny fihetseham-po koa. Hita amin’izay lazaintsika mantsy ny tena ao am-pontsika, indrindra rehefa tezitra na sahiran-tsaina isika. Hoy i Jesosy: “Avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.” (Matio 12:34) Ny tenintsika àry no ahafantarana ny toe-tsaintsika sy ny faniriantsika ary ny eritreritsika lalina indrindra.

Mahay mandanjalanja sy mijery lafy tsaran-javatra ve, ohatra, isika fa tsy mora kivy? Ho hita taratra eo amin’ny feontsika sy ny teny ampiasaintsika izany. Ahoana kosa raha masiatsiaka sy be taraina ary tia manakiana isika? Ho hita amin’ny resatsika sy ny fomba filazantsika zavatra koa izany, ka hanakivy ny hafa. Mety tsy ho tsapantsika hoe manjary mifantoka amin’ny lafy ratsin’ny fiainana isika, ary lasa zavatra mahakivy foana no resahintsika. Mihevitra mihitsy aza angamba isika hoe mety izany ataontsika izany. Mila mitandrina anefa isika mba tsy hamita-tena.—Ohabolana 14:12.

Soa ihany fa eo ny Tenin’Andriamanitra. Manampy antsika izy io mba handini-tena, sao mila ahitsy ny toe-tsaintsika. (Hebreo 4:12; Jakoba 1:25) Marina fa misy toetra efa raiki-tampisaka amintsika angamba, na efa nitaizana antsika. Afaka miova foana anefa isika rehetra, raha tena vonona hanitsy ny toe-tsaintsika sy ny fomba fiainantsika.—Efesianina 4:23, 24.

Ankoatra ny fandinihana ny Baiboly, dia azontsika atao ny manontany olona hoe mety ve ny fomba firesatsika. Anontanio, ohatra, ny vadinao na ny zanakao, na miresaha amin’ny namana matotra mahalala anao tsara. Tokony hanetry tena anefa ianao, ka hanaiky izay lazainy sy hanitsy izay tsy mety.

Mieritrereta aloha vao miteny!

Raha tena tiantsika tsy handratra ny hafa ny tenintsika, dia tokony hampiharintsika ny Ohabolana 16:23, manao hoe: “Ny marani-tsaina [na hendry] mieritreritra vao miteny, ka maharesy lahatra kokoa ny zavatra lazainy.” (Dikan-teny Anglisy Ankehitriny) Sarotra indraindray ny mifehy ny fihetseham-po. Aza tonga dia manakiana na manambany ny hafa anefa, fa miezaha aloha hahazo ny heviny. Ho mora kokoa amin’izay ny hahita teny mahafinaritra, mba hilazana izay tsapanao.

Samy tsy lavorary isika. (Jakoba 3:2) Mety hanao teny tsy voahevitra isika rehetra indraindray. (Ohabolana 12:18) Manampy antsika anefa ny Tenin’Andriamanitra mba hieritreritra tsara vao hiteny, sady hihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa sy izay mahasoa azy aloha. (Filipianina 2:4) Miezaha foana àry manao “teny mahafinaritra”, indrindra rehefa miresaka amin’ny fianakavianao. Tsy handratra na hampalahelo azy ireo amin’izay ny teninao, fa hamelombelona sy hampahery kosa.—Romanina 14:19.

[Sary, pejy 12]

Inona no tokony hataonao mba tsy hilazanao zavatra hanenenanao?