Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rahoviana no ho Tonga ny Fanjakan’Andriamanitra?

Rahoviana no ho Tonga ny Fanjakan’Andriamanitra?

Rahoviana no ho Tonga ny Fanjakan’Andriamanitra?

“TOMPO Ô, izao ve no ampodianao ny fanjakana ho amin’ny Israely?” (Asan’ny Apostoly 1:6) Naniry mafy hahafantatra ny apostoly hoe rahoviana i Jesosy no hanorina ny Fanjakany. Roa arivo taona teo ho eo izay no lasa, nefa mbola maniry mafy hahafantatra ny olona hoe: Rahoviana no ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra?

Azo inoana fa niresaka an’izany i Jesosy, satria io Fanjakana io no foto-kevitra notoriny. Imbetsaka izy no niresaka an’ilay fotoana miavaka nantsoiny hoe ‘fanatrehany.’ (Matio 24:37) Mifandray akaiky amin’ny fiorenan’ny Fanjakan’ny Mesia izy io. Inona àry io fanatrehan’i Kristy io? Andeha isika handinika zavatra efatra resahin’ny Baiboly momba izany.

1. Efa ela taorian’ny nahafatesan’i Jesosy vao nanomboka ny fanatrehany. Nampitaha ny tenany tamin’ny lehilahy iray “nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka” i Jesosy, tao amin’ny fanoharana iray. (Lioka 19:12) Ahoana no nahatanteraka an’izany? Maty i Jesosy ary natsangana tamin’ny maty. Toy ny nankany “an-tany lavitra” izy avy eo, rehefa nankany an-danitra. Nilaza izy tao amin’ny fanoharana hafa toa an’io, fa ‘ela be atỳ aoriana’ izy vao hiverina sy handray fahefana hanjaka.—Matio 25:19.

Hoy ny apostoly Paoly, taona vitsivitsy taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra: “[I Jesosy] kosa nanolotra sorona noho ny ota, dia sorona iray monja ho mandrakizay. Ary nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra izy. Koa nanomboka tamin’izay, dia niandry izy mandra-panao ny fahavalony ho fitoeran-tongony.” (Hebreo 10:12, 13) Nisy fotoam-piandrasana naharitraritra àry, taorian’ny nahatongavany tany an-danitra. Nifarana izany rehefa nataon’Andriamanitra Mpanjakan’ilay Fanjakana nampanantenaina hatry ny ela ny Mesia Zanany. Tamin’izay no nanomboka ny fanatrehan’i Kristy. Hita tetỳ an-tany ve io zava-nitranga lehibe io?

2. Tsy hita maso ilay fanatrehana. Tadidio fa niresaka momba ny famantarana ny fanatrehany i Jesosy. (Matio 24:3) Mbola hila famantarana ve ny olona, raha efa hitan’ny masony ilay izy? Eritrereto hoe ho any amoron-tsiraka ianao, ary ho any an-dranomasina. Misy takela-by eny amin’ny arabe, manoro ny lalana. Ahoana anefa rehefa tonga eo amoron-dranomasina ianao, ary mahita ilay rano be midadasika hatrany amin’ny faravodilanitra? Mbola hanantena ve ianao hoe hahita takela-by misy soratra mivandravandra hoe “Ranomasina”? Mazava ho azy fa tsia! Tsy mila famantarana intsony ianao, satria efa hitanao tsara eo ilay izy.

Matoa i Jesosy nanome famantarana ny fanatrehany, dia satria tsy ho hita maso ilay izy. Tiany hampiana kosa ny olona mba hamantatra fisehoan-javatra iray hitranga any an-danitra. Izany no nilazany hoe: “Tsy mibaribary ny fahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 17:20) Inona àry ilay famantarana, izay hanampy ny olona eto an-tany hahafantatra fa nanomboka ny fanatrehan’i Kristy?

3. Hisy olana lehibe eto an-tany, ho famantarana ny fanatrehan’i Jesosy. Nilaza i Jesosy fa hisy ady, mosary, horohoron-tany, areti-mandringana, ary fandikan-dalàna eto an-tany, ho famantarana ny fanatrehany amin’ny maha Mpanjaka azy any an-danitra. (Matio 24:7-12; Lioka 21:10, 11) Inona no hahatonga an’izany fahoriana rehetra izany? Hazavain’ny Baiboly fa romotra i Satana, “ilay mpitondra an’izao tontolo izao.” Fantany mantsy fa fohy ny fotoana ananany, satria efa nanomboka ny fanatrehan’i Kristy. (Jaona 12:31; Apokalypsy 12:9, 12) Mitombo be ireo zavatra voalazan’i Jesosy ireo, ka voaporofo fa romotra i Satana, ary efa nanomboka ny fanatrehan’i Kristy. Nihabetsaka tsy nisy toy izany ireo porofo ireo ary hita eran-tany mihitsy, nanomboka tamin’ny 1914, taona lazain’ny mpahay tantara fa nisian’ny fiovana lehibe.

Toa vaovao ratsy izany rehetra izany, nefa tsy izany mihitsy. Midika kosa izany fa efa manjaka any an-danitra izao ny Fanjakan’ny Mesia. Tsy ho ela izy io dia hitondra ny tany manontolo. Ahoana anefa no hahafantaran’ny olona an’io Fanjakana io, ka hahafahany hanaiky ny fitondrany sy hahatongavany ho vahoakany?

4. Misy fitoriana atao eran-tany, ho famantarana ny fanatrehan’i Jesosy. Nilaza i Jesosy fa ho toy ny “andron’i Noa” ny fanatrehany. * (Matio 24:37-39) Tsy mpanamboatra sambofiara fotsiny i Noa, fa “mpitory ny fahamarinana” koa. (2 Petera 2:5) Nampitandrina ny olona izy fa tsy ho ela dia hampihatra ny didim-pitsarany Andriamanitra. Nilaza i Jesosy fa hampitandrina ny olona koa ny mpanara-dia azy, mandritra ny fanatrehany. Naminany izy hoe: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:14.

Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, fa handrava ny fitondrana rehetra eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny fitoriana no fomba ampahafantarana ny olona fa tsy ho ela dia hanao zavatra io fitondrana any an-danitra io. Ny rehetra mihitsy amin’izay no omena fahafahana hahazo famonjena, sy afaka misafidy ny ho vahoakan’ilay Fanjakana. Ny fanontaniana lehibe mipetraka àry dia hoe: Hanaiky izany fitoriana izany ve ianao?

Handray soa avy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ve ianao?

Tena nahavelom-panantenana ny olona ny hafatra notorin’i Jesosy. Taorian’ilay fikomiana tany Edena, an’arivony taona lasa izay, dia nanapa-kevitra i Jehovah Andriamanitra fa hanangana fitondram-panjakana, izay hamerina amin’ny laoniny ny zava-drehetra. Ho toy ny nanaovany azy tamin’ny voalohany ny fiainan’ny olona mahatoky. Hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany izy ireo. Efa manjaka any an-danitra izao io fitondrana nampanantenaina hatry ny ela io. Aiza indray no hisy vaovao mampientam-po noho izany? Tena misy io fitondrana io, fa tsy hevitra manjavozavo any an-tsaina fotsiny, na zavatra tsy mahakasika antsika!

Efa manjaka eo anivon’ny fahavalony izao ilay Mpanjaka notendren’Andriamanitra. (Salamo 110:2) Manatanteraka ny fanirian’ny Rainy ny Mesia, eto amin’ity tontolo ratsy lavitra an’Andriamanitra ity. Tsy inona izany fa ny fitadiavana an’izay rehetra maniry hahafantatra ny marina momba an’Andriamanitra sy hivavaka aminy “araka ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:24) Afaka manana an’ilay fanantenana hiaina mandrakizay eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra ny rehetra, na antitra na tanora, na inona na inona fiaviany na sarangany. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Mampirisika anao àry izahay mba handray an’izany zava-tsarobidy atolotra anao izany. Mianara dieny izao momba ny Fanjakan’Andriamanitra, mba hahafahanao hiaina mandrakizay eo ambany fahefan’io fitondrana manao ny marina io!—1 Jaona 2:17.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Mampita hevi-diso ny fomba nandikana ny hoe “fanatrehana” ao amin’ny Baiboly sasany, ary manampy hanitsy izany ny tenin’i Jesosy. Misy mandika azy io hoe “fiaviana”, na “fahatongavana”, na “fiverenana.” Milaza zava-mitranga vetivety izany. Tsy nampitovin’i Jesosy tamin’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa anefa ny fanatrehany, izany hoe tsy nampitoviny tamin’ny zava-nitranga indray mandeha teo amin’ny tantara. Nampitoviny tamin’ny “andron’i Noa” kosa ilay izy, izany hoe tamin’ny fe-potoana nisy zava-dehibe nitranga. Toy ny tamin’izany andro izany, dia ho revo amin’ny fiainana andavanandro ny olona mandritra ny fanatrehan’i Kristy, ka tsy hiraharaha fampitandremana.

[Sary, pejy 8, 9]

Porofoin’ireo vaovao ratsy rentsika isan’andro fa misy zavatra tsara ho avy tsy ho ela

[Sary nahazoan-dalana]

Tafondro: U.S. Army photo