Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanteraka ny Faminanian’i Jehovah

Tanteraka ny Faminanian’i Jehovah

Tanteraka ny Faminanian’i Jehovah

“IZAHO no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy, izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory.” (Isaia 46:9, 10) Izany no nolazain’i Jehovah, ilay milaza ny marina momba ny hoavy.

Iaraha-mahalala fa tsy azo antoka izay lazain’ny olombelona momba ny hoavy. Tsy toy izany kosa ny faminanian’ny Baiboly. Raha mitady ny fahamarinana isika, dia hamotopototra raha tena avy amin’Andriamanitra izy io. Andeha isika handinika faminanian’ny Baiboly efa tanteraka.

Firenena fahiny

Naminany Andriamanitra fa hofoanana mandrakizay i Babylona, Edoma, Moaba ary Amona. (Jeremia 48:42; 49:17, 18; 51:24-26; Obadia 8, 18; Zefania 2:8, 9) Tanteraka tokoa izany, satria tsy misy intsony izao ireo firenena ireo.

Mety hisy hanohitra hoe: ‘Na iza na iza dia afaka milaza mialoha fa ho foana ny firenena matanjaka iray!’ Tsy fantatry ny olona miteny toy izany anefa, fa milaza zavatra amin’ny an-tsipiriany mihitsy ny Baiboly. Noresahiny tamin’ny an-tsipiriany, ohatra, ny fomba handringanana an’i Babylona. Nambarany mialoha fa ny Medianina no handresy azy io, i Kyrosy no hitarika ireo miaramila mpanafika, ary ho ritra ny renirano miaro an’ilay tanàna.—Isaia 13:17-19; 44:27–45:1.

Tsy milaza foana ny Baiboly hoe ho ringana mandrakizay ny firenena iray resy. Nisy faminanian’ny Baiboly, ohatra, nanambara fa horinganin’i Babylona i Jerosalema. Nilaza anefa Andriamanitra fa mbola haverina amin’ny laoniny io tanàna io, na dia malaza ho tsy mamotsotra babo aza i Babylona. (Jeremia 24:4-7; 29:10; 30:18, 19) Tanteraka tokoa izany, ary mbola misy ny firenena jiosy hatramin’izao.

Nilaza mialoha koa i Jehovah fa horinganina i Ejipta ka tsy ho firenena matanjaka indrindra intsony, nefa mbola “handry fahizay toy ny tamin’ny andro fahiny ihany.” Nolazainy fa “ho [lasa] fanjakana ambany” izy io. (Jeremia 46:25, 26; Ezekiela 29:14, 15) Tanteraka koa izany. Ankoatra izany, dia naminany i Jehovah fa tsy ho firenena matanjaka intsony i Gresy. Tsy nilaza anefa izy hoe hofoanana mandrakizay io firenena io. Hitantsika àry fa tanteraka avokoa ny tenin’i Jehovah momba ireo firenena tsy hisy intsony sy ireo mbola hisy. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Marina sy azo itokisana ny faminaniana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Tsipiriany maro

Hitantsika teo fa nilaza tsipiriany maro mialoha i Jehovah mahakasika ny fandringanana an’i Babylona. Toy izany koa no nataony momba ny fandringanana an’i Tyro. Milaza ny bokin’i Ezekiela fa ‘hatao any amin’ny rano’ ny vato sy ny hazo ary ny vovok’i Tyro. (Ezekiela 26:4, 5, 12) Tanteraka izany tamin’ny 332 T.K. Mizara roa ny tanànan’i Tyro, ka an-tanety ny iray ary nosy ny iray. Nampiasa an’ireo ambin-javatra avy tamin’ilay tanàna an-tanety resiny i Aleksandra Lehibe, mba hanamboarana lalana hiampitana teny amin’ilay nosy, ka resiny koa izy io.

Misy faminaniana mirakitra tsipiriany mahavariana koa ao amin’ny Daniela 8:5-8, 21, 22 sy ny Da 11:3, 4. Mahakasika “ny mpanjakan’i Grisia”, izay tena nahery, izy io. Araka ilay faminaniana, dia ho faty eo amin’ny fara-tampon’ny heriny io mpanjaka io, ary hizara efatra ny fanjakany, nefa tsy hanana anjara amin’izany ny zanany. Hita fa i Aleksandra Lehibe io mpanjaka mahery io, 200 taona mahery tatỳ aoriana. Voalazan’ny tantara fa maty tanora izy, ary ny jeneraliny efatra no nahazo ny fanjakany, fa tsy ny zanany.

Misy manakiana hoe nosoratana taorian’ny nisehoan’ny tantara io faminaniana io. Diniho indray anefa ilay zavatra resahin’ny bokin’i Daniela. Mahavariana tokoa raha faminaniana no milaza tsipiriany toa an’io. Andeha anefa atao hoe fitantarana zavatra efa nitranga izy io, fa tsy faminaniana. Tsy hitanao ve hoe tena tsy ampy ireo tsipiriany voatantara? Raha faminaniana sarintsariny nosoratan’ny mpamitaka iray taorian’ny nahafatesan’i Aleksandra izy io, dia azo inoana fa ho nosoratany hoe nitady handimby ny rainy avy hatrany ny zanak’i Aleksandra roa lahy, saingy nisy namono. Mety ho nolazainy koa hoe taona maromaro taorian’ny nahafatesan’i Aleksandra vao lasan’ireo jeneraliny efatra ny fanjakany. Mety ho nosoratany mihitsy aza ny anaran’ilay mpanjaka sy ny an’ireo jeneraliny efatra.

Efa ela no nisy niteny fa nosoratana taorian’ny nahatanterahany ny faminanian’ny Baiboly. Tsy voaporofo anefa izany. Tsy mandinika ny zava-misy ireny olona ireny, fa manizingizina fotsiny hoe tsy misy mahavita milaza mialoha ny hoavy. Tsy te hino izy ireo fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ka hazavainy araka ny fomba fijerin’olombelona avokoa ny zava-drehetra. Hendry anefa Andriamanitra ka nanome tsipiriany ampy tsara tao amin’ireo faminaniana, mba hanaporofoana fa avy aminy tokoa izy ireny. *

Hanatanjaka ny finoanao ny faminanian’ny Baiboly, raha manokana fotoana handinihana ny tsirairay aminy sy ny fahatanterahany ianao. Nahoana raha ianarana mihitsy izy ireny? Hanampy anao amin’izany ny tabilao ao amin’ny boky “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”, pejy 343 ka hatramin’ny 346. * Ataovy tanjona ny hanatanjaka ny finoanao, rehefa mandinika azy io ianao. Aza vakina maimaika fotsiny ilay izy. Saintsaino kosa hoe tsy misy tsy tanteraka izay rehetra nambaran’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Mba hahazoana fanazavana fanampiny manaporofo fa tsy nosoratana taorian’ny nahatanterahany ny faminanian’ny Baiboly, dia jereo ny boky Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, pejy 117-133, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 14 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 24]

TORO LALANA EO AMIN’NY FIAINANA

Manome toro lalana eo amin’ny fiainana koa, ilay Andriamanitra nilaza mialoha ny fisandratana sy ny fianjeran’ireo firenena matanjaka. Hita ao amin’ny Baiboly izany, ary ireto ny sasany aminy:

Hijinja izay afafinao ianao.Galatianina 6:7.

Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.Asan’ny Apostoly 20:35.

Sambatra izay mifandray tsara amin’Andriamanitra.Matio 5:3.

Matokia fa ho sambatra sy hahomby ianao, raha mampihatra an’ireo toro lalana ireo.

[Sary, pejy 22, 23]

Nilaza mialoha ny Tenin’Andriamanitra fa hofoanana tanteraka i...

EDOMA

BABYLONA

... fa tsy toy izany i

GRESY

EJIPTA

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

WHO photo by Edouard Boubat

[Sary, pejy 23]

Aleksandra Lehibe