Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Nampisy ny Olona?

Ahoana no Nampisy ny Olona?

Ahoana no Nampisy ny Olona?

NAHOANA NO ZAVA-DEHIBE IZANY? Maro ny olona nampianarina fa avy amin’ny evolisiona ny fiainana. Nisy fisehoan-javatra maromaro sendra nitranga, hono, ka nahatonga zavatra bitika iray. Io indray no niova miandalana ho biby, ary lasa olona misaina sy manana fihetseham-po ary mandinika ny fiainana.

Eritrereto àry hoe avy amin’ny evolisiona tokoa ny olona. Midika izany fa tsy misy Mpamorona hendry mahay mamaha ny olana momba ny tontolo iainana sy ny adilahy politika. Fahendren’olombelona fotsiny izany no hitari-dalana antsika eo amin’ny fiainana. Tsy hisy mpanampy àry isika.

Hilamin-tsaina ve ianao raha marina izany? Eritrereto indray àry hoe misy ny Mpamorona. Izany no mampahery kokoa, sady mitombina kokoa.

Inona no lazain’ny Baiboly?

Milaza ny Baiboly hoe noforonin’Andriamanitra ny olona. Fa raha ohatra ka niova miandalana isika dia tsy misy mpiahy, sady tsy misy dikany ny fiainantsika. Noforonin’ilay Ray be fitiavana sy lalin-tsaina anefa isika. Milaza izany mazava ny Baiboly.

Genesisy 1:27. “Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.”

Salamo 139:14. “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.”

Matio 19:4-6. “Mbola tsy novakinareo ve fa izay nahary azy, dia nahary azy ho lahy sy vavy, tany am-piandohana, ka nilaza hoe: ‘Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa’? Koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.”

Asan’ny Apostoly 17:24, 25. “Ilay Andriamanitra nanao izao tontolo izao sy ny zava-drehetra ao aminy, eny, Izy izay Tompon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy mba mitoetra ao amin’ny tempoly nataon-tanana. Ary tsy mila hokarakarain’ny tanan’olona izy, toy ny hoe mila zavatra, satria izy no manome ho an’ny olon-drehetra ny aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra.”

Apokalypsy 4:11. “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.”

Mampilamin-tsaina izay lazain’ny Baiboly

Andriamanitra no manome ‘anarana ny fianakaviana rehetra eto an-tany.’ (Efesianina 3:15) Raha mitadidy an’izany isika dia tsy hanavakavaka sady tsy hihevi-tena ho tsy misy vidiny. Manampy antsika hiatrika olana koa izany. Ireto misy ohatra:

Raha handray fanapahan-kevitra lehibe isika, dia tsy ho sahirana hieritreritra hoe iza amin’ny hevitry ny olona no marina. Hatoky tanteraka ny torohevitry ny Baiboly kosa isika. Nahoana? Satria “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”—2 Timoty 3:16, 17.

Marina fa mila miezaka sy mifehy tena isika, mba hanarahana ny torohevitry ny Baiboly. Mifanohitra amin’izay tiantsika mihitsy aza indraindray no asainy atao. (Genesisy 8:21) Raha ekentsika anefa fa noforonin’ilay Ray be fitiavana any an-danitra isika, dia hatoky isika fa fantany izay tena mahasoa antsika. (Isaia 55:9) Mampirisika antsika àry ny Teniny hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” (Ohabolana 3:5, 6) Raha mampihatra izany isika, dia tsy hiady saina be intsony rehefa misy olana na rehefa hanapa-kevitra.

Raha avakavahan’ny olona isika, dia tsy ho kivy ka hihevi-tena ho ambany, na dia tsy mitovy firazanana sy fahaizana aminy aza. Fantatsika kosa fa mba manana ny hajantsika isika. Nahoana? Satria “tsy mizaha tavan’olona [i Jehovah Andriamanitra Raintsika], fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

Hanampy antsika tsy hanavakavaka koa izany. Tsy hoe misy ambony sy ambany mantsy isika, satria “avy tamin’ny olona anankiray no [nanaovan’Andriamanitra] ny olona any amin’ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany manontolo.”—Asan’ny Apostoly 17:26.

Tena hilamin-tsaina isika raha miaiky fa nisy namorona, sady tia antsika ilay Mpamorona. Misy zavatra mila fantarintsika koa anefa, raha te hilamin-tsaina foana isika.

[Teny notsongaina, pejy 4]

Avy amin’ny biby ve ny olombelona?

[Sary, pejy 5]

Tena mampilamin-tsaina ny mahalala hoe tia antsika ny Mpamorona