Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Toy inona ny haben’ilay tavin-drano tao amin’ny tempolin’i Solomona?

Milaza ny 1 Mpanjaka 7:26 fa “nahalany [rano] roa arivo bata” io tavin-drano nampiasain’ny mpisorona io. Ny 2 Tantara 4:5 kosa milaza fa “mahalany [rano] telo arivo bata” izy io. Misy milaza fa ny fahadisoan’ny mpanao dika soratra no nahatonga izany tsy fitoviana izany.

Samy marina anefa ireo fitantarana ireo. Manampy antsika hahazo izany ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Izao no voalazany ao amin’ny 1 Mpanjaka 7:26: “Rano roa arivo bata no natao tao anatin[’ilay tavin-drano].” Izao kosa no lazainy ao amin’ny 2 Tantara 4:5: “Rano telo arivo bata no zakan[’ilay tavin-drano].” Miresaka momba ny habetsahan’ny rano zakan’ilay tavin-drano àry ny 2 Tantara 4:5. Ny fatran’ny rano fandrotsaka tao amin’ilay tavin-drano kosa no resahin’ny 1 Mpanjaka 7:26. Raha tsorina, dia tsy nofenoina mitafotafo mihitsy ilay tavin-drano. Toa hatreo amin’ny androatokon’izy io ihany mazàna no nasiana rano.

Nahoana no vola madinika iray monja no nandoavan’i Jesosy sy Petera ny hetran’ny tempoly?

Tamin’ny andron’i Jesosy, dia tsy maintsy nandoa ny hetran’ny tempoly ny lehilahy jiosy 20 taona no ho miakatra, isan-taona. Drakma roa izany, izay mitovitovy vidy amin’ny karama roa andro. Rehefa nasaina nandoa izany i Jesosy, dia hoy izy tamin’i Petera: “Mankanesa any an-dranomasina ary manipaza lelam-pintana, ka raiso izay trondro azonao voalohany. Ary rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita statera iray ianao. Alao izany ka omeo azy, ho avy amiko sy avy aminao.”—Matio 17:24-27.

Maro ny manam-pahaizana milaza fa mitovy vidy amin’ny drakma efatra ny statera iray, izany hoe hetran’ny tempoly tokony haloan’ny olona roa. Be mpampiasa kokoa ny statera, ary niely kokoa raha oharina amin’ilay vola madinika mitovy vidy amin’ny drakma roa. Hoy Ny Diksionera Vaovaon’ny Baiboly (anglisy): “Fanaon’ny Jiosy angamba ny miaraka tsiroaroa, rehefa mandoa ny hetran’ny Tempoly.”

Mbola nila nandoa vola fanampiny ny Jiosy iray, raha ny hetrany irery no naloany. Saran’ny fanakalozam-bola izy io, ary tokotokony ho 8 isan-jaton’ilay hetra. Tsy nila nandoa an’izany kosa ny olona roa niara-nandoa ny hetrany. Hita àry fa mifanaraka amin’ny fanao mahazatra tamin’ny andron’i Jesosy ny fitantaran’i Matio, na dia tamin’ny lafin-javatra madinika toy izany aza.

[Sary, pejy 15]

Vola madinika mitovy vidy amin’ny drakma efatra