Mpiandry Be Fiahiana
Manatòna An’Andriamanitra
Mpiandry Be Fiahiana
‘MBA miahy izay hahasoa ahy ve Andriamanitra?’ Maro ny olona efa nieritreritra toy izany. Efa niatrika olana ny ankamaroantsika, ka mety hanontany tena indraindray raha mba mahita izay manjo antsika ilay Mpamorona an’izao rehetra izao. Mba miahy izay hahasoa antsika tsirairay tokoa ve i Jehovah Andriamanitra? Mamaly izany ny fanoharana iray mampihetsi-po nataon’i Jesosy, ilay mahafantatra an’i Jehovah indrindra.
Fanoharana momba ny mpiandry ondry no nampiasainy. Hoy izy: “Raha misy olona manana ondry zato ka very ny iray, tsy hamela ny sivy amby sivifolo eo an-tendrombohitra ve izy ka handeha hikaroka ilay very? Ary raha hitany ilay izy, dia lazaiko aminareo tokoa fa iny no hahafaly azy kokoa noho ireo sivy amby sivifolo tsy very. Toy izany koa, tsy tian’ny Raiko any an-danitra ny hahafaty ny iray amin’ireny madinika ireny.” (Matio 18:12-14) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa miahy ny mpanompony tsirairay i Jehovah?
Tena miahy ny ondriny tsirairay ny mpiandry ondry. Omeny anarana daholo ny ondriny, ary hainy tsara ny manavaka azy. (Jaona 10:3) Raha very àry ny ondry iray, dia fantany hoe iza no tsy eo. Mikaroka foana izy mandra-pahitany an’ilay ondry very. Tsy hoe avelany amin’izao tsy misy mpiahy akory ireo ondry 99. Mpiandry ondry maromaro mazàna no miara-miandry ondry, ary avelany hifangaro ny ondrin’izy ireo. * Avelany amin’ireo mpiandry ondry namany àry ny ondriny, rehefa mandeha mitady an’ilay ondry very izy. Faly be izy rehefa hitany ilay ondriny sady tsy naratra. Ataony eo an-tsorony ilay ondry, izay efa tena natahotra be. Entiny miverina any amin’ny andian’ondry izy, ary tsy manana ahiahy intsony.—Lioka 15:5, 6.
Nanazava an’ilay fanoharana i Jesosy avy eo, ary nilaza fa tsy tian’Andriamanitra hisy ho ‘faty ny iray amin’ireny madinika ireny.’ Efa nampitandrina ny mpianany i Jesosy talohan’izay, mba tsy hanafintohina ny ‘iray amin’ireny madinika mino azy ireny.’ (Matio 18:6) Inona àry no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’iny fanoharana iny? Toy ny mpiandry ondry i Jehovah ary tena miahy izay hahasoa ny ondriny tsirairay, anisan’izany “ireny madinika ireny”, izany hoe ireo olona heverin’ity tontolo ity ho tsy misy vidiny. Fantatr’Andriamanitra tsara tokoa ny mampiavaka ny mpanompony tsirairay, ary samy sarobidy aminy izy ireo.
Raha tianao ho azo antoka hoe tena sarobidy amin’Andriamanitra ianao, dia mianara bebe kokoa momba an’i Jehovah, ilay Mpiandry Lehibe. Fantaro koa ny fomba hahafahanao hifandray akaiky aminy. Raha manao izany ianao dia hatoky an’Andriamanitra toa an’i Petera, ilay nilaza hoe: “Apetraho [amin’Andriamanitra] avokoa izay rehetra mampanahy anareo, satria mikarakara anareo izy.”—1 Petera 5:7.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 6 Samy mahafantatra ny feon’ny mpiandry azy ny ondry, ka tsy sarotra ny manasaraka azy ireo.—Jaona 10:4.