Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faly na dia Diso Fanantenana Aza

Faly na dia Diso Fanantenana Aza

Faly na dia Diso Fanantenana Aza

IZA no mbola tsy diso fanantenana? Na i Jehovah Andriamanitra, ilay Raintsika any an-danitra, aza efa mba diso fanantenana. Nanafaka ny Israelita tamin’ny fanandevozana tany Ejipta, ohatra, izy, ary tena nitahy azy ireo. Hoy anefa ny Baiboly: “Naka fanahy an’Andriamanitra mandrakariva izy ka nampalahelo ny Iray Masin’ny Isiraely.” (Salamo 78:41) “Falifaly” foana anefa i Jehovah.—1 Timoty 1:11.

Maro tokoa ny zavatra mety handiso fanantenana. Inona anefa no azontsika atao mba ho falifaly foana? Inona no nataon’i Jehovah Andriamanitra rehefa nisy nandiso fanantenana azy, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

Zavatra mandiso fanantenana

Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa mahazo antsika rehetra “ny fotoana sy ny sampona.” (Mpitoriteny 9:11) Mety hiteraka alahelo be sy handiso fanantenana ny zavatra tsy ampoizina toy ny heloka bevava, loza, aretina. Milaza koa ny Baiboly hoe: “Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo.” (Ohabolana 13:12) Faly isika rehefa manantena zavatra tsara. Mety ho kivy sy ho diso fanantenana anefa isika raha ela izany vao tanteraka. Diniho, ohatra, i Davis. * Tena tia ny asa misionera izy, ary tsy te hiala tamin’izany. Voatery nody anefa izy sy ny vadiny, taorian’ny taona maro naha misionera azy. Hoy izy: “Sambany aho tamin’izay no kivy tanteraka. Tsy nanana tanjona intsony aho, ary tsy nisy zavatra sarobidy tamiko.” Mety ho tena latsa-paka ny alahelo ateraky ny fahadisoam-panantenana. Izany no nitranga tamin’i Claire. Hoy izy: “Afa-jaza aho, tamin’izaho bevohoka fito volana. Efa taona maro lasa izany, nefa mbola malahelo aho rehefa mahita ankizilahy manao lahateny. Mieritreritra aho hoe: ‘Hoatran’io izao ny zanako raha mbola velona!’ ”

Mety handiso fanantenana ka hampahory anao koa ny hafa. Mety hisaraka aminao, ohatra, ny olona nikasa hanambady anao, na handao anao ny vadinao, hikomy ny zanakao, hivadika na tsy hahay hankasitraka ny namanao. Tsy ho voatanisa ny zavatra mety handiso fanantenana, satria miara-miaina amin’ny olona tsy lavorary sy miaina amin’ny fotoan-tsarotra isika.

Mety handiso fanantenana antsika koa ny tsy fahombiazantsika. Mety hahatsiaro ho tsy misy vidiny, ohatra, isika rehefa tsy afa-panadinana, na tsy voaray tamin’ny asa, na tsy nahazo ny olona tiantsika. Mety hanamelo-tena koa isika, rehefa tsy manompo an’Andriamanitra intsony ny mpianakavintsika. Hoy i Maria: “Toy ny hoe Kristianina be zotom-po ny zanako vavy. Nihevitra aho fa namela ohatra tsara ho azy. Niala tamin’i Jehovah anefa izy ary tsy nanaraka intsony ny fitsipika mifehy ny fianakavianay, ka tsapako fa tena tsy nahomby aho, na dia nahomby tamin-javatra hafa aza. Tena kivy aho.”

Inona no ataontsika raha diso fanantenana toy izany isika? Andeha hodinihintsika izay nataon’i Jehovah rehefa nisy nandiso fanantenana azy.

Izay hamahana ilay olana eritreretina

Nanome izay rehetra nilain’ny mpivady voalohany i Jehovah Andriamanitra. Tsy nahay nankasitraka anefa izy ireo ary nikomy. (Genesisy toko faha-2 sy faha-3) Lasa ratsy toetra koa i Kaina zanak’izy ireo. Tsy niraharaha ny fampitandreman’i Jehovah izy, ka namono ny rahalahiny. (Genesisy 4:1-8) Alao sary an-tsaina ange ny fahadisoam-panantenana tsapan’i Jehovah e!

Nahoana izy no faly foana na dia teo aza izany? Satria nikasa hameno ny tany amin’ny olombelona lavorary izy, ary nanohy niasa mba hahatanteraka izany. (Jaona 5:17) Nanome ny sorom-panavotana izy, ary nanangana ilay Fanjakany. (Matio 6:9, 10; Romanina 5:18, 19) Tsy nifantoka tamin’ilay olana i Jehovah, fa nieritreritra ny fomba hamahana azy io kosa.

Mampirisika antsika ny Tenin’Andriamanitra mba hifantoka amin-javatra mampahery, izany hoe amin’izay azontsika atao, fa tsy amin’izay tsy vitantsika. Izao no lazainy: “Na inona na inona marina, na inona na inona zava-dehibe, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona na inona tsara laza, na inona na inona misy hatsarana, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana heverina.”—Filipianina 4:8.

Izay tokony hatao rehefa diso fanantenana

Mety hisy zava-mitranga hampikorontana tanteraka ny fiainantsika. Mety ho tsy an’asa tampoka, ohatra, isika, na ho maty vady, na ho very tombontsoam-panompoana. Mety harary isika, na hamoy ny tranontsika na ny namantsika. Ahoana no iatrehana izany?

Hitan’ny olona sasany fa manampy ny fametrahana izay hatao loha laharana. Hoy i Davis, voaresaka terỳ aloha: “Ketraka be izahay mivady rehefa nahafantatra fa tsy afaka ny ho misionera intsony. Nisy zavatra roa nataonay loha laharana àry: Hikarakara an’i Neny sy hanohy ny fanompoana manontolo andro, raha mbola azo atao. Rehefa misy fanapahan-kevitra horaisinay, dia jerenay aloha izay mety ho vokany eo amin’ireo zavatra nataonay loha laharana. Nanamora zavatra izany.”

Mora mifantoka amin-javatra tsy mampahery isika, rehefa misy mandiso fanantenana. Mety tsy ho araka ny nantenaintsika, ohatra, ny vokatry ny ezaka nataontsika teo amin’ny fitaizana, fitadiavana asa, na fitoriana ny vaovao tsara tany an-tany hafa. Mety hieritreritra isika hoe: ‘Tena tsy nahomby aho.’ Tsy hoe tsy nahomby Andriamanitra rehefa nandiso fanantenana azy ny zava-nitranga tany am-boalohany. Tsy voatery hoe tsy mahomby koa isika raha tsy ahitam-bokatra avy hatrany ny ezaka ataontsika.—Deoteronomia 32:4, 5.

Mora manao an-dolompo amin’ny olona nandiso fanantenana antsika isika. Tsy mba toy izany i Jehovah. Nandiso fanantenana azy i Davida Mpanjaka, rehefa nijangajanga sy namono ny vadin’ilay vehivavy nijangajangany. Hitan’i Jehovah anefa fa tena nibebaka i Davida, ka nekeny ho mpanompony foana. Nanota koa i Josafata, mpanjaka nahatoky, rehefa nanao fifanekena tamin’ireo fahavalon’Andriamanitra. Hoy ny mpaminanin’i Jehovah taminy: “Noho izany dia tezitra aminao Jehovah. Nefa mba misy fahatsaram-panahy hita ihany aminao.” (2 Tantara 19:2, 3) Fantatr’i Jehovah fa tsy hoe nivadika taminy i Josafata, na dia nanao fahadisoana aza. Tsy voatery hamoy ny namantsika koa isika, raha tsy tezitra tafahoatra aminy rehefa manao fahadisoana izy. Mety ho mbola manana toetra tena tsara ihany ny namana nandiso fanantenana antsika.—Kolosianina 3:13.

Azo heverina ho zavatra tsy maintsy andalovana alohan’ny hahitana fahombiazana ny fahadisoam-panantenana. Mety hanamelo-tena isika rehefa manota. Afaka manarina izany anefa isika raha manao ny dingana ilaina sy tapa-kevitra hanitsy ilay tsy mety, ary mandroso hatrany. Nanoratra toy izao i Davida Mpanjaka, rehefa kivy tamin’ny zavatra nataony: “Nihalany ny taolako rehetra noho ny fitarainako mandrakariva. ... Ny fahotako nambarako taminao [Jehovah] ... ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.” (Salamo 32:3-5) Raha tsapantsika fa tsy nanao izay notakin’Andriamanitra isika, dia tokony hangataka ny famelany sy hiova ary ho tapa-kevitra hankatò azy bebe kokoa.—1 Jaona 2:1, 2.

Miomàna hiatrika fahadisoam-panantenana

Azo antoka fa mbola hisy zavatra handiso fanantenana antsika foana. Ahoana no hiomanantsika amin’izany? Mety hanampy antsika ny tenin’i Bruno, Kristianina efa zokiolona, izay tratran’ny fahadisoam-panantenana nanova ny fiainany. Hoy izy: “Niezaka foana aho nanao ireo zavatra fanaoko, izay nanatsara ny fifandraisako tamin’Andriamanitra. Izany no tena nanampy ahy rehefa diso fanantenana aho. Nianarako hoe nahoana no mbola avelan’Andriamanitra hisy ity tontolo ratsy ity. Niezaka nanatsara ny fifandraisako tamin’i Jehovah aho nandritra ny taona maro. Tena faly aho nanao izany. Nampionona ahy ny nahafantatra hoe nanohana ahy foana izy, ary nanampy ahy hiatrika ny hakiviako izany.”

Rehefa mibanjina ny hoavy isika, dia misy zavatra iray azontsika antoka: Tsy handiso fanantenana antsika mihitsy Andriamanitra, na dia mety hanamelo-tena aza isika na handiso fanantenana antsika ny hafa. Nilaza mihitsy izy fa ny anarany hoe Jehovah, dia midika hoe: “Hoporofoiko fa izaho ilay mahavita izay iriko.” (Eksodosy 3:14, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao) Manome toky antsika izany, fa afaka ny ho tonga izay rehetra ilaina izy mba hahatanteraka ny fampanantenany. Nampanantena izy fa hataony “etỳ an-tany” ny sitrapony “tahaka ny an-danitra.” Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hanoratra hoe: “Matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na fitondram-panjakana ... na zavaboary hafa, dia tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra, izay aseho amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.”—Matio 6:10; Romanina 8:38, 39.

Matoky àry isika fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra nampilazainy an’i Isaia mpaminany hoe: “Indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.” (Isaia 65:17) Tena mahafaly ny mieritreritra fa kely sisa, dia ho hadino tanteraka ny fahadisoam-panantenana rehetra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Novana ny anarana sasany.

[Teny notsongaina, pejy 13]

Tsy voatery hoe tsy mahomby isika raha tsy ahitam-bokatra avy hatrany ny ezaka ataontsika

[Teny notsongaina, pejy 14]

Mampirisika antsika ny Tenin’Andriamanitra mba hifantoka amin-javatra mampahery, izany hoe amin’izay azontsika atao, fa tsy amin’izay tsy vitantsika

[Sary, pejy 15]

Faly Andriamanitra na dia nandiso fanantenana azy aza ny olombelona, satria azony antoka fa ho tanteraka ny fikasany

[Sary, pejy 16]

Ataovy loha laharana ny fanatsarana ny fifandraisana amin’Andriamanitra