Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Ohatrinona ireo vola madinika roa nomen’ilay mpitondratena?

Tamin’ny taonjato voalohany, dia “drakma roa” no hetra ho an’ny tempoly naloan’ny Jiosy, isan-taona. Nitovitovy tamin’ny karama roa andro izany. (Matio 17:24) Nilaza koa i Jesosy fa nahazo fody roa ny “vola madinika kely vidy” iray. Karaman’ny olona niasa 45 minitra izany. Nahazo fody dimy kosa ny roa tamin’io vola madinika io, izany hoe ny karaman’ny olona niasa 90 minitra.—Matio 10:29; Lioka 12:6.

Mbola ambany lavitra noho izany anefa ny sandan’ny vola nomen’ilay mpitondratena nahantra, tazan’i Jesosy. Leptona no anaran’ny vola nomeny, ary io no vola varahina kely indrindra nampiasain’ny Israelita, tamin’izany. Karaman’ny olona niasa latsaka ny 12 minitra ireo vola ireo. Adiny 12 teo ho eo mantsy no ora notakina tamin’ny mpiasa, isan’andro.

Nisy olona nanome vola be “avy tamin’ny ambim-bavany.” Nilaza anefa i Jesosy Kristy, fa mbola nisy vidiny kokoa izay nomen’ilay vehivavy. Nahoana? Resahin’ilay fitantarana fa “vola madinika roa” no nananany. Azony notazonina àry ny iray, fa ny iray ihany no narotsany. Tsy nanao izany anefa izy, fa nandatsaka “izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.”—Marka 12:41-44; Lioka 21:2-4.

Oviana i Saoly vao nantsoina hoe Paoly?

Teratany hebreo ny apostoly Paoly, fa nizaka ny zom-pirenena romanina. (Asan’ny Apostoly 22:27, 28; Filipianina 3:5) Azo inoana àry fa vao teraka izy dia efa nanana ilay anarany hebreo hoe Saoly, sy ilay anarany romanina hoe Paoly. Nanana anarana romanina na grika koa ny havany sasany. (Romanina 16:7, 21) Maro ny Jiosy nanana anarana roa tamin’izany, indrindra ireo nipetraka tany an-tany hafa.—Asan’ny Apostoly 12:12; 13:1.

Toa ilay anarany hebreo no tena niantsoana an’i Paoly, nandritra ny folo taona teo ho eo taorian’ny niovany ho Kristianina. (Asan’ny Apostoly 13:1, 2) Toa naleony anefa nampiasa ilay anarany hoe Paoly, rehefa lasa misionera izy, tamin’ny taona 47 na 48 tany ho any. Voatendry hitory ny vaovao tsara tamin’ny olona tsy Jiosy mantsy izy, ka angamba nieritreritra hoe ho tian’izy ireo kokoa ilay anarany romanina. (Asan’ny Apostoly 9:15; 13:9; Galatianina 2:7, 8) Ankoatra izany, dia misy teny grika mitovitovy fanonona amin’ilay teny hebreo hoe Saoly, nefa manana dikany ratsy ilay izy. Mety ho izany koa no antony nifidianany an’ilay hoe Paoly. Na inona na inona antony nanovany ny anarana niantsoana azy, dia hita fa vonona izy ho ‘tonga zava-drehetra ho an’ny karazan’olona rehetra, mba hisy hovonjeny na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.’—1 Korintianina 9:22.

[Sary, pejy 12]

Leptona (tena habeny)