Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Mahay Manangana ny Maty

Ilay Mahay Manangana ny Maty

Manatòna An’Andriamanitra

Ilay Mahay Manangana ny Maty

Lioka 7:11-15

EFA nisy havan-tianao nodimandry ve? Izany no anisan’ny fahoriana mangidy indrindra. Raha efa nitranga taminao izany, dia tsarovy fa mahatsapa ny alahelonao ilay Mpamorona antsika. Afaka manafoana ny vokatry ny fahafatesana izy. Efa nisy olona natsangana tamin’ny maty fahiny. Voarakitra ao amin’ny Baiboly izany, mba hahitantsika fa tsy Mpanome aina fotsiny Andriamanitra, fa afaka mamelona ny maty koa. Andeha isika handinika ny fahagagana iray nataon’i Jesosy Kristy Zanany, izay voatantara ao amin’ny Lioka 7:11-15.

Taona 31 tamin’izay. Nankany Naina, tanàna iray any Galilia, i Jesosy. (Lioka 7:11) Toa efa hariva ny andro no niditra an’ilay tanàna izy. Hoy ny Baiboly: “Rehefa nanakaiky ny vavahadin’ny tanàna izy, dia nisy faty nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan-dreniny, ary efa mpitondratena koa ravehivavy. Ary nisy vahoaka be avy tao an-tanàna niaraka tamin-dravehivavy.” (Lioka 7:12) Azonao an-tsaina ve ny alahelon’io reny mpitondratena io? Efa maty ny vadiny, izay nikarakara sy niaro azy. Tsy manana hianteherana intsony izy izao, satria maty indray ilay mba hany zanany.

Nojeren’i Jesosy tsara ilay reny vonton’alahelo, izay azo inoana fa nandeha teo anilan’ireo mpilanja faty. Hoy ilay fitantarana: “Raha vao nahita azy ny Tompo, dia nangoraka azy ka nanao taminy hoe: ‘Aza mitomany intsony.’ ” (Lioka 7:13) Tena nalahelo an’io mpitondratena io i Jesosy. Angamba izy nieritreritra an-dreniny, izay mety ho efa mpitondratena tamin’izay, kanefa mbola hamoy azy koa aoriana kely ao.

Nanatona i Jesosy, kanefa tsy hoe hiaraka amin’ireo mpandevina akory. Inona kosa no nataony? ‘Nokasihiny ilay filanjana faty’, ka nijanona ny olona rehetra. Hita tamin’ny feony fa nomena fahefana handresy ny fahafatesana izy, rehefa nilaza hoe: “ ‘Ry tovolahy, hoy aho aminao: Miarena!’ Dia niarina ny maty ary nanomboka niteny, ka natolotr’i Jesosy an-dreniny.” (Lioka 7:14, 15) Nosarahin’ny fahafatesana izy mianaka, kanefa lasa anisan’ny fianakaviana iray indray izy ireo izao, rehefa “natolotr’i Jesosy an-dreniny” ilay tovolahy. Azo antoka fa lasa ranomasom-pifaliana ny ranomason’ilay mpitondratena.

Tsy andrinao koa ve ny hihaona indray amin’ireo havan-tianao efa nodimandry? Matokia fa fantatr’Andriamanitra ny fihetseham-ponao. Tena nanahaka ny toetran-dRainy i Jesosy, ka izany no nahatonga azy hangoraka an’ilay mpitondratena. Midika izany fa manana fangoraham-po koa Andriamanitra. (Jaona 14:9) Resahin’ny Baiboly amintsika fa tsy andrin’Andriamanitra ny hanangana indray ireo olona efa nodimandry, dia ireo ao anatin’ny fitadidiany. (Joba 14:14, 15) Mampanantena ny Baiboly fa afaka hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany isika, ary hahita an’ireo havantsika efa nodimandry hitsangana amin’ny maty. (Lioka 23:43; Jaona 5:28, 29) Tianao ve ny hanana izany fanantenana kanto izany? Mampirisika anao àry izahay hianatra bebe kokoa momba an’i Jehovah, ilay Mahay Manangana ny maty.

[Sary, pejy 23]

“Niarina ny maty ary nanomboka niteny, ka natolotr’i Jesosy an-dreniny”