Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Lainga?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Lainga?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Lainga? *

Mifanohitra amin’ny marina ny hoe lainga. Filazana zavatra tsy marina amin’ny olona iray manan-jo hahafantatra ny marina izy io, amin’ny ankapobeny. Ny tanjona amin’izany, dia ny hamitaka an’ilay olona na hanisy ratsy azy na ny olon-kafa. Tsy voatery ho amin’ny teny foana ny lainga. Mety hiseho amin’ny fomba fiaina koa izy io. Avy amin’ny matoanteny hebreo hoe ka·zavʹ ny hoe milaza zavatra tsy marina. (Ohabolana 14:5) Ny matoanteny hebreo hoe sha·qarʹ indray, dia midika hoe ‘mandainga’ na “mivadika.” Avy amin’io teny io ny hoe ‘lainga’ sy ny hoe “tsy azo itokiana.” (Levitikosy 19:11; Salamo 44:17; Salamo 33:17; Isaia 57:4) Adika hoe ‘lainga’ ny teny hebreo hoe shawʹ indraindray, ary matetika izy io no manondro zava-poana, asa very maina, na zavatra tsy misy dikany. (Salamo 12:2; Deoteronomia 5:17; Salamo 60:11; 89:47; Zakaria 10:2) ‘Mandiso fanantenana’ kosa no hevitra voalohan’ny matoanteny hebreo hoe ka·chashʹ (mamitaka). (Levitikosy 19:11; Hosea 9:2) Ny teny grika hoe pseuʹdos sy ireo teny iray tarika aminy, dia midika hoe lainga.

I Satana Devoly no rain’ny lainga, na mpandainga voalohany. (Jaona 8:44) Nampiasa menarana izy mba handaingana tamin’i Eva, ilay vehivavy voalohany. Maty i Eva sy Adama vadiny, vokatr’izany lainga izany. (Genesisy 3:1-5, 16-19) Vokatry ny fitiavan-tena sy ny fanirian-dratsy io lainga voalohany io. Ny tanjona tamin’izany, dia ny hahatonga an’ilay mpivady voalohany ho tia sy hankatò an’ilay mpandainga, izay mihambo ho anjelin’ny mazava sy mpanao soa. (Ampitahao amin’ny 2 Korintianina 11:14) Noho ny fitiavan-tena sy fanirian-dratsy avokoa ny lainga rehetra natao hanisian-dratsy ny hafa taorian’io. Mandainga ny olona mba handosirana ny sazy mendrika azy, mba hanararaotana ny hafa, mba hahazoana tombontsoa na hihazonana izany, mba hahazoana valisoa, na mba hideran’ny hafa azy.

Ny lainga ara-pivavahana no tena ratsy, satria mety hanimba tanteraka ny hoavin’ny olona iray. Hoy i Jesosy Kristy: “Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Fa mitety ranomasina sy mitety tany ianareo mba hampiova finoana olona iray, ary rehefa miova finoana izy, dia ataonareo mendrika ny Gehena avo roa heny noho ianareo.” (Matio 23:15) Mahatonga ny olona iray hanao zavatra tsy mendrika sy tena ratsy, ny fanovana ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny laingan’ny mpanompo sampy.—Romanina 1:24-32.

Inona no mitranga rehefa miala amin’ny fahamarinana ny olona? Diniho izay nitranga tamin’ireo mpitondra fivavahana jiosy, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Nanao tetika hamonoana an’i Jesosy izy ireo. Rehefa natsangana tamin’ny maty indray i Jesosy, dia nanome tsolotra an’ireo miaramila niambina ny fasana izy ireo. Nasainy nanafina ny marina sy nampiely lainga momba ny nanjavonan’ny fatin’i Jesosy ireo miaramila.—Matio 12:14; 27:1, 2, 62-65; 28:11-15; Marka 14:1; Lioka 20:19.

Tsy mahay mandainga i Jehovah Andriamanitra. (Nomery 23:19; Hebreo 6:13-18) Halany “ny lela fandainga.” (Ohabolana 6:16-19) Notakin’ny lalàna nomeny ny Israelita, ny hanonerana izay fahavoazana vokatry ny famitahana na lainga natao hanisian-dratsy ny hafa. (Levitikosy 5:21-26; 19:11, 12) Ny vavolombelona mandainga indray, dia sazina araka izay zavatra niampangany ny namany. (Deoteronomia 19:15-21) Tsy miova ny fiheveran’Andriamanitra ny lainga, fa mbola toy izay voalaza tao amin’ny Lalàna ihany. Tsy tokony ho zatra mandainga ireo te hahazo ny fankasitrahany. (Salamo 5:6; Ohabolana 20:19; Kolosianina 3:9, 10; 1 Timoty 3:11; Apokalypsy 21:8, 27; 22:15) Tsy mety raha mihambo ho tia an’Andriamanitra izy ireo nefa mankahala ny rahalahiny. (1 Jaona 4:20, 21) Namoy ny ainy i Ananiasy sy ny vadiny, rehefa namitaka ny fanahy masina.—Asan’ny Apostoly 5:1-11.

Tsy voatery hoe nanao fahotana tsy ahazoana famelan-keloka anefa ny olona iray raha sendra nandainga. Raha tena mibebaka izy, dia hamela ny helony Andriamanitra. Izany no nitranga tamin’i Petera, izay nanda an’i Jesosy intelo.—Matio 26:69-75.

Marina fa tena melohin’ny Baiboly ny lainga. Tsy midika anefa izany hoe tsy maintsy milaza ny marina rehetra amin’ny olona tsy manan-jo hahalala izany isika. Nanoro hevitra i Jesosy Kristy hoe: “Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy eo anoloan’ny kisoa ny vatosoanareo sao hohitsakitsahiny amin’ny tongony, ary dia hifotitra aminareo izy ka hamiravira anareo.” (Matio 7:6) Izany no nahatonga an’i Jesosy tsy hanome fanazavana feno na hamaly mivantana indraindray, rehefa nisy nanontany azy. Nety ho niteraka olana tsy amin’ny antony mantsy izany. (Matio 15:1-6; 21:23-27; Jaona 7:3-10) Mitovy amin’izany koa ny antony tsy nilazan’i Abrahama, Isaka, Rahaba, ary Elisa, ny marina, na nampahafantarany ny marina rehetra tamin’ny olona tsy mpanompon’i Jehovah.—Genesisy 12:10-19; toko faha-20; 26:1-10; Josoa 2:1-6; Jakoba 2:25; 2 Mpanjaka 6:11-23.

Avelan’i Jehovah Andriamanitra hitoetra amin’ny “fahadisoana” ny olona tia lainga, “mba hinoany lainga” fa tsy ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy. (2 Tesalonianina 2:9-12) Manaporofo izany ny zava-nitranga tamin’i Ahaba mpanjakan’ny Israely. Nanome toky an’i Ahaba ireo mpaminany mandainga, fa handresy an’i Ramota-gileada izy. I Mikaia mpaminanin’i Jehovah anefa nilaza fa ho resy izy. Araka ny hitan’i Mikaia tamin’ny fahitana, dia navelan’i Jehovah ho tonga “fanahy mandainga” tao am-bavan’ireo mpaminanin’i Ahaba ny anjely iray. Midika izany fa ilay anjely no nitaona azy ireo tsy hanambara ny marina, fa hilaza izay tian’ izy ireo holazaina sy izay tian’i Ahaba ho re. Efa nampitandremana i Ahaba, nefa naleony nino ny laingan’izy ireo, ka ny ainy no nanefa.—1 Mpanjaka 22:1-38; 2 Tantara 18:1-34.

[Loharanon-kevitra]

 ^ feh. 1 Avy amin’ny it-2 244-245 (anglisy)