Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mbola Tsy Nahatsapa Fitiavana toy Izao Aho”

“Mbola Tsy Nahatsapa Fitiavana toy Izao Aho”

Taratasy avy any Amin’ny Repoblika Dominikanina

“Mbola Tsy Nahatsapa Fitiavana toy Izao Aho”

SAMBANY i Niurka no nanao famelabelarana ara-baiboly tao amin’ny fiangonanay, tamin’ity herinandro ity. Jamba izy ary tsy mandre tsara. Nosoratany tamin’ny soratra Braille ny zavatra holazainy rehefa nanomana izy, ary notadidiny tsara izany. Izahay mirahavavy no nanao ilay famelabelarana teny amin’ny lampihazo, ary naka ny toeran’ny olona te hianatra Baiboly aho. Niteny tamin’ny mikrô aho, ary nampiasa fitaovam-pihainoana manokana izy. Nitehaka mafy be ny olona rehefa vita ny famelabelaranay, ka reny izany. Hita tamin’ny tsikiny fa tena faly sy afa-po izy, ary faly koa aho. Mahafa-po tokoa ny asa misionera!

Tsaroako ny nihaonako voalohany tamin’i Niurka, roa taona lasa izay. Avy nandeha fiara nandritra ny antsasak’adiny tamin’ny lalana feno vovoka aho tamin’izay. Nipetraka teo an-davarangan’ny trano tsotsotra iray izy. Vita tamin’ny hazo sy biriky ilay trano, ary efa harafesina ny tafony. Renao ny fofona sy feon’ny osy sy bitro ary alika. Nitanondrika be i Niurka ary hita fa nanirery sy ketraka. Vao 34 taona izy, nefa toy ny hoe efa antitra noho izany.

Nokasihiko moramora ny sorony, ary nitodika tany aminay izy. Jamba izy, efa 11 taona izao. Niteny mafy teo an-tsofiny aho, nampahafantatra ny tenako sy ilay niara-nitory tamiko. Fantatray tatỳ aoriana, fa voan’ny aretin’i Marfan izy. Aretina manaranaka izy io, ary tena nampijaly azy. Voan’ny diabeta koa i Niurka, ary tena ilana fanaraha-maso mitohy ny fatran’ny siramamy ao amin’ny rany.

Rehefa napetrako teo an-tanany ny Baiboly dia fantany, ary nilaza izy fa tena tia namaky ny Soratra Masina tamin’izy mbola tsy jamba. Te hampianatra ny fahamarinana mamelombelona avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra an’io vehivavy mahantra sy manirery ary osa io aho. Ahoana anefa no hataoko? Nahay abidy izy, ka nanomboka nametraka litera plastika teo an-tanany aho. Tsy ela dia hainy ny namantatra izany. Nataoko tamin’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina avy eo ireo litera, ary nasaiko nitsapa ny tanako izy. Nihanahay tenin’ny tanana tsikelikely izy. Vao nianatra tenin’ny tanana koa aho, ka nila nanomana nandritra ny ora maro isaky ny hampianatra azy. Samy nazoto anefa izahay sy i Niurka, ka vetivety dia nahay.

Nitombo haingana be ny fahalalany, rehefa nanome azy fitaovana elektronika fihainoana ny fikambanana iray mpanao asa soa. Tsotsotra ilay fitaovana nefa tena nanampy. Tsy nahita na nandre izy nandritra ny folo taona mahery, ka toy ny hoe tafasaraka tanteraka tamin’ny olona. Nanokatra ny sainy sy ny fony anefa ny fanahin’i Jehovah, ka nanjary nanana fahalalana sy fanantenana ary fitiavana izy. Tsy ela dia nandeha nitory ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly tamin’ny mpiray tanàna taminy izy, ary nampiasa tehina.

Mampianatra Baiboly ny zaobaviny sy ny Nenifarany ary ny zanak’io vavy i Niurka. Omaniny mialoha ny lesona tsirairay, ary tadidìny tsara. Ny mpianany no mamaky ny fehintsoratra, fa izy kosa mamaky ny fanontaniana avy ao amin’ny bokiny amin’ny soratra Braille. Ilay miara-mampianatra aminy no milaza ny valin-tenin’ilay mpianatra amin’i Niurka. Miteny mafy eo an-tsofiny izy amin’izany, na manao tenin’ny tanana ary tsapain’i Niurka.

Manampy sy mampahery an’i Niurka avokoa ny olona eo anivon’ny fiangonana. Mitondra azy any am-pivoriana sy any amin’ny fivoriambe ny anadahy sy rahavavy kristianina sasany. Ny hafa indray miara-mitory aminy. Nilaza tamiko i Niurka, vao haingana, hoe: “Mbola tsy nahatsapa fitiavana toy izao aho.” Mikasa hatao batisa amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritranay manaraka izy.

Nandalo tany amin’i Niurka izahay, ary nahita azy nitanina andro teo an-davarangana. Nitraka tsara izy sady nitsiky. Nanontany azy aho hoe nahoana izy no mitsiky, ary hoy izy: “Mieritreritra ny paradisa an-tany ho avy aho. Toy ny hoe efa ao ny tenako.”

[Sary, pejy 25]

Niurka sy ny olona sasany eo anivon’ny fiangonanay, eo anoloan’ny Efitrano Fanjakana

[Sary, pejy 25]

Miresaka izay nianarany i Niurka