Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mila Vonjy Isika!

Mila Vonjy Isika!

Mila Vonjy Isika!

SAFOTRY ny rano tampoka ny toeram-pitrandrahana arintany tsy lavitra an’i Pittsburgh, any Etazonia. Mpitrandraka sivy no tafahitsoka tao amin’ny toerana kely iray, 70 metatra eo ho eo any ambanin’ny tany. Tafavoaka anefa izy ireo rehefa afaka telo andro, ary tsy nisy maty. Ahoana no nahavoavonjy azy?

Nisy mpamonjy voina nanafaka azy ireo. Nampiasa sarintany misy ilay toeram-pitrandrahana sy fitaovana fitiliana (GPS) izy ireo, ka afaka nanao lavaka mirefy 60 santimetatra teo ho eo ny savaivony. Avy teo no nampidinany barìka makarakara hatreo amin’ilay nisy azy sivy lahy. Nakarina tsirairay izy ireo ho tafavoaka an’ilay toerana efa saika lasa fasany. Faly sy nahatsiaro ho maivamaivana erỳ izy ireo, ary velom-pisaorana noho ny namonjena azy.

Tsy ho tafahitsoka any ambanin’ny tany toa an’ireo mpitrandraka ireo ny ankamaroantsika, na hiharan’ny loza mety hahafaty. Mila vonjy daholo anefa isika, satria tsy afa-miala amin’ny vokatry ny aretina sy ny fahanterana, ary maty ihany amin’ny farany. Hoy i Joba, lehilahy nahatoky: “Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana. Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.” (Joba 14:1, 2) Mbola marina foana izany, na dia efa 3 500 taona aza izay no nilazana azy. Iza amintsika tokoa moa no afa-miala amin’ny fahafatesana? Mila vonjy isika rehetra. Voagejan’ny fijaliana sy ny fahanterana ary ny fahafatesana mantsy isika, na aiza na aiza misy antsika, ary na mitandro tsara ny fahasalamantsika aza isika.

Miezaka mafy ny mpahay siansa sy ny olon-kafa, mba hahatonga ny androm-piainan’ny olona hihoatra an’izay heverina ho ara-dalàna. Misy fikambanana iray, ohatra, milaza fa ny tanjony dia ny “handresy ny fahafatesana, izay tsy fidiny antsika”, sy ny “hanampy ny mpikambana ao aminy tsy ho faty mihitsy, raha azo atao.” Eo tokoa ny fandrosoan’ny siansa sy ny fikirizana. Tsy nihalava anefa ny androm-piainan’ny olona, fa mbola tsy mihoatra ny 70 na 80 taona voalazan’i Mosesy, 3 500 taona lasa izay.—Salamo 90:10.

Na miombon-kevitra amin’i Joba àry ianao na tsia momba ny fiainana sy ny fahafatesana, dia tsy ho afa-miala. ‘Hihelina tahaka ny aloka’ koa ianao rehefa mandroso ny taona, ka hindaosin’ny fahafatesana, ary handao ny havana aman-tsakaizanao sy ny tranonao ary ny zava-bitanao. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry teo amin’ny Israely: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.”—Mpitoriteny 9:5.

Marina ny voalazan’ny Baiboly fa ‘manjaka’ amin’ny olona toy ny mpanao didy jadona Rafahafatesana, ary mampalahelo izany. Tena mila vonjena amin’io fahavalo farany io ny olombelona. (Romanina 5:14; 1 Korintianina 15:26) Tsy hahavita hanafaka anao tanteraka amin’izy io, na dia ny mpamonjy voina tsara ofana indrindra sy manana ny fitaovana tsara indrindra aza. Efa nanomana an’izany fanafahana izany kosa anefa i Jehovah Andriamanitra, ilay namorona ny olombelona.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Photo by Gene J. Puskar-Pool/Getty Images