Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mitarika Ahy Amin’ny Lalan’ny Fahamarinana Izy’

‘Mitarika Ahy Amin’ny Lalan’ny Fahamarinana Izy’

‘Mitarika Ahy Amin’ny Lalan’ny Fahamarinana Izy’

Notantarain’i Olga Campbell

“Azo oharina amin’ny lakolosy ny olona manome modely tsara. Rehefa maneno izy io, dia manaraka ny hafa. Modely tsara ianao, ka nanaraka ny dianao aho.” Izany no nosoratan’i Emily zandriko, tamin’ny faha-60 taonan’ny nanaovako fanompoana manontolo andro. Aleo hotantaraiko aminareo ny fahazazako sy ny nanombohako an’io asa io.

TERAKA tamin’ny 19 Janoary 1927 izahay sy Bill kambana amiko. Iokrenianina ny ray aman-dreninay, ary mpamboly. Trano kely tany akaikin’i Wakaw, any Saskatchewan, afovoany andrefan’i Kanada, no nipetrahanay. Valo mianadahy izahay, ka izahay sy Bill no fahenina sy fahafito. Niasa mafy tany an-tsaha i Dada, ary nanampy azy izahay ankizy. Voan’ny aretin’ny tonon-taolana i Neny, nefa nikarakara anay tamim-pitiavana foana. Maty izy raha vao 37 taona monja. Efa-taona aho tamin’izay.

Nanambady i Dada, enim-bolana taorian’izay, ary mbola niteraka dimy vavy ry zareo. Imbetsaka àry no raikitra ny ady tao an-trano! Niezaka nanaja an’ilay renikelinay foana anefa aho. Sarotra tamin’i John zokiko kosa izany.

Niditra teny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa izahay sy Bill, taloha kelin’ny 1940, ka mba afaka tamin’ny ady lava tao an-trano. Nantitranterina be ny fitiavan-tanindrazana, talohan’ny Ady Lehibe II. Nasain’ny mpampianatra niarahaba saina àry izahay. Tsy nety nanao ny ankizivavy iray, ka nohorakorahin’ny mpianatra. Tena gaga aho fa tsy natahotra mihitsy izy, ka nanontaniako ny antony tsy nanaovany an’ilay izy. Nilaza izy fa Mpianatra ny Baiboly (na Vavolombelon’i Jehovah). Mianiana tsy hivadika amin’ny tanindrazana, hoy izy, izay miarahaba saina, nefa Andriamanitra irery no mendrika an’izany.—Eksodosy 20:2, 3; Asan’ny Apostoly 5:29.

Nanomboka nahaleo tena

Niasa tany Prince Albert aho tamin’ny 1943, nitaona entana hatao anaty kamiao sy nanatitra kesika nisy zava-pisotro. Nividy Baiboly aho satria mba te hahazo ny fitarihan’Andriamanitra. Tsy nisy azoko anefa izay novakiko, ka nitomany aho. Ny Rainay Izay any An-danitra no mba haiko tao.—Matio 6:9-13.

Mpivavaka be ny tompon-tranonay. Faly erỳ izy, indray alahady, nitantara hoe nisy vehivavy saika ‘hitory Baiboly’ taminy fa noroahiny. ‘Maninona koa àry izy no masiaka be hoatran’izany?’, hoy aho anakampo. Tsy tsaratsara aho indray alahady, ka tsy niangona. Tonga indray ilay “mpitory Baiboly” tamin’izay.

“Tia mivavaka ve ianao?”, hoy izy.

“Manao Rainay Izay any An-danitra aho.”

Nohazavainy ny dikan’io vavaka nampianarin’i Jesosy io, ka nihaino tsara aho. Nampanantena izy fa hiverina ny alarobia nanaraka.

Rehefa tonga ilay tompon-trano, dia faly erỳ aho nitantara hoe teo ilay “mpitory Baiboly”, izay Vavolombelon’i Jehovah. Nandrahona ahy anefa izy hoe: “Raha tonga eo iny amin’ny alarobia, dia miara-roahiko ianareo!”

Notadiaviko eran’ny tanàna ilay ramatoa. Fantatro tatỳ aoriana fa Rampel no anarany. Rehefa nihaona izahay dia nasaiko nolazainy tamiko izay rehetra fantany momba ny Baiboly. Be dia be ny zavatra noresahinay, ka hoatran’ny hoe ny Baiboly manontolo mihitsy! Notantarainy ny nandringanan’Andriamanitra ny ratsy fanahy tamin’ny andron’i Noa, sy ny namonjeny azy mianakavy. Nohazavainy fa toy ny tamin’izany ny zava-misy ankehitriny.—Matio 24:37-39; 2 Petera 2:5; 3:5-7, 12.

Hoy Rtoa Rampel, taorian’ilay resaka lavabe: “Hitako fa mino an’ireo fampianaran’ny Baiboly ireo ianao. Hanao fivoriambe ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny tapa-bolana, ka tokony hatao batisa ianao.” Tsy natory aho ny alin’iny, fa nieritreritra an’izay rehetra nianarako. Fantatro fa dingana lehibe ny batisa. Tena naniry hanompo an’Andriamanitra anefa aho! Natao batisa àry aho tamin’ny 15 Oktobra 1943, na dia kely ihany aza no fantatro tao amin’ny Baiboly. Vao 16 taona aho tamin’izay.

Avy any andrefana niantsinanana

Nantsoin’i Fred zokiko ho any Toronto, any amin’ny ilany atsinanan’i Kanada aho, ny volana nanaraka. Nokaramainy hanadio ny tranony nisy rihana roa aho. Nanaiky aho satria mety mba ho afaka hanompo an’i Jehovah bebe kokoa rehefa any. Nitsidika an’i Ann rahavaviko aloha aho. Tsy lavitra izy fa tao Saskatchewan ihany. Nisy zavatra tsy nampoiziko nolazainy. Hay nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy sy Doris zokiko vavy! Nampirisihiny hianatra aho. Nolazaiko taminy koa àry ny tsiambarateloko: Efa Vavolombelona vita batisa aho!

Nandeha lamasinina hatrany Toronto izahay sy Emily. Nitsena anay i Bill, ary nitondra anay tany amin’ilay trano nipetrahan’izy sy Fred ary John. Nanontany an’i Fred aho hoe iza koa no nipetraka tao amin’ilay trano. Hoy izy: “Tadidinao ve i Alex Reed, ilay tany an-tanànantsika iny? Izy ange no ao ambony e! Iny, hono, dia mba lasa miara-mivavaka amin’ny Mpianatra ny Baiboly! Tsy mampino mihitsy.” Faly erỳ anefa aho tany anatiko tany.

Nitsaitsaika nankany amin’i Alex aho, ary niangavy mba hiaraka aminy hivory tamin’io hariva io. Te handeha avy hatrany mantsy aho, mba tsy hosakanan’ireo anadahiko. Nitory voalohany aho, tsy ela taorian’izay, na dia mbola tsy tena nampianarina Baiboly aza. Faly aho fa nitory tamin’ny Iokrenianina maro, satria efa haiko hatramin’ny mbola kely ny fiteniny.

Matetika aho no nametraka Tilikambo Fiambenana tao amin’ny efitr’i Bill, ary tiany ny namaky azy ireny. Nandefasako famandrihana an’io gazety io izy, rehefa nankany Kolombia Britanika, any amin’ny ilany andrefan’i Kanada. Tsy dia be resaka izy, nefa nanoratra taratasy folo pejy mba hisaorana ahy. Nanolo-tena ho an’i Jehovah izy tatỳ aoriana, ary lasa mpiandraikitra be zotom-po. Faly be aho satria dimy ny iray tam-po amiko lasa Vavolombelona, dia i Bill, Ann, Fred, Doris, ary Emily.

Nofoanan’ny fanjakana kanadianina ny fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 22 Mey 1945. * Izaho anefa tamin’izay vao nahalala hoe voarara ny asa! Nanapa-kevitra ny ho mpitory manontolo andro na mpisava lalana izahay sy Judy Lukus namako, ka hifindra any Québec, faritany miteny frantsay any atsinanana. Nandre an’izany i Doris sy Emily ka nanao mpisava lalana koa, ary nankany Vancouver, any Kolombia Britanika.

Fanoherana tany Québec

Hafa mihitsy ny zavatra niainako tany Québec. Niaritra fanoherana mafy ny Vavolombelona tany. * Faly anefa izahay nizara an’ilay taratasy mivalona hoe Henatra ho an’i Kanada ny Fankahalan’i Québec An’Andriamanitra sy Kristy ary ny Fahafahana (frantsay). Nisy hafatra mafonja izy io, ary nampiharihary ny fanoheran’ny mpitondra fivavahana.

Nizara an’ilay taratasy mivalona izahay nanomboka tamin’ny roa maraina, nandritra ny 16 andro. Nasisikay moramora isam-baravarana ilay izy. Henonay tao amin’ny trano iray fa ho avy ny polisy. Niafina tao amin’ny elakela-trano iray àry izahay ka tsy tratra. Nizara Tilikambo sy Mifohaza! teny an-dalana indray izahay ny ampitso. Imbetsaka loatra izahay no voasambotry ny polisy ka tsy voaisa intsony. Nitondra borosinify sy manjamaso foana aho, satria efa nampoiziko hoe higadra.

Nandalo i Nathan Knorr avy any Brooklyn, New York, tamin’ny Novambra 1946. Izy no nitarika ny asan’ny Vavolombelona eran-tany, tamin’izany. Mpisava lalana 64 izahay no nasainy hanatrika ny kilasy fahasivy amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, tany South Lansing, New York. Nandalina ny Baiboly nandritra ny dimy volana izahay tany, ary nahazo diplaoma tamin’ny Aogositra 1947. Nasaina nanorina fiangonana eran’i Québec izahay taorian’izay.

Nahafinaritra ny fanompoana

Rahavavy efatra izahay no nalefa tao Sherbrooke. Niezaka mafy nianatra teny frantsay izahay, ka namerimberin-desona rehefa handeha hitory na hody. Tsy nanam-bola hividianana sakafo izahay indraindray, ka nody antoandro ary nianatra. Tena nahay fitsipi-pitenenana ilay namako atao hoe Kay Lindhorst. Nampianariny ahy aloha ny fitsipi-pitenenana anglisy, mba hahaizako ny frantsay.

Tena niavaka ny fanompoako tany Victoriaville, izay nisy mponina 15 000 teo ho eo tamin’izany. Vitsy kely ny olona nahay teny anglisy, ka afaka niteny frantsay foana izahay. Nahafinaritra be ny fitoriana ny herinandro voalohany, satria nandray boky sy gazety daholo ny olona. Rehefa niverina anefa izahay, dia nihidy daholo ny varavarana sy ny ridaom-baravarankely. Fa nisy inona?

Hay nampirisihin’ny pretra tao an-tanàna ny olona, mba tsy hihaino anay! Narahin’ny ankizy izahay rehefa nitory isan-trano, ary notorahany vato sy lanezy. Maro anefa no naniry hianatra ny Baiboly, ka nampandroso anay rehefa maizina ny andro. Tsy niafina intsony izy ireo rehefa nitombo ny fahalalany, na dia nesoin’ny mpiara-monina aza.

Niverina kely tany Wakaw izahay sy ireo rahavaviko, taorian’ny 1950. Nitantara ny zavatra hitanay teny am-pitoriana izahay, tamin’ny fivoriana iray. Hoy ilay anadahy nitarika, taorian’izay: “Tena ho faly i Mamanareo rehefa hatsangana amin’ny maty, satria lasa Vavolombelon’i Jehovah ny zanany!” Nohazavainy fa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona i Neny, talohan’ny nahafatesany. Nanganohano erỳ izahay rehefa nahalala hoe nianatra ny fahamarinana izy. Azonay antoka fa ho nampianariny anay izany raha tsy maty aloha be izy.

Nanambady ary nanohy ny fanompoana

Nihaona tamin’i Merton Campbell aho tamin’ny 1956. Tsy nety nanao miaramila tamin’ny Ady Lehibe II izy, ka nigadra 27 volana. Efa ho folo taona tamin’izay no niasany tao amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn. Tena tsara toetra i Merton, ka hitako fa ho vady tsara. Nifanoratra nandritra ny volana maromaro àry izahay. Nifanaja sy nifampiahy foana izahay, ka lasa nifankatia.

Nivady izahay sy Merton tamin’ny 24 Septambra 1960, izany hoe 47 taona mahery izao. Tiako be ny miaraka aminy satria tena tia an’i Jehovah izy! Efa 58 taona izao no niasany tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana. Io sampan-draharaha io no manampy sy manome toromarika ho an’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran’i Etazonia. Nampihaingo efitranom-bahiny sy Efitrano Fivoriambe lehibe tao New York kosa no asako, nandritra ny 30 taona mahery. Tamin’ny 1995 anefa dia nafindra teto amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana eto Patterson izahay. Tokotokony ho 110 kilaometatra avaratr’i New York izy io.

Rehefa niala tao an-trano aho tamin’izaho 12 taona, dia tsy noeritreretiko mihitsy hoe hanana fianakaviambe ara-panahy toy izao. Tsy nampoiziko koa hoe ho anisan’izy ireo ny iray tam-po amiko. Tsy andriko erỳ izay hahitana an’i Neny ao amin’ny Paradisa. Hitangorona eo aminy izahay, ka hitantara izay nitranga nandritra ny natoriany tao amin’ny fahafatesana. Holazainay aminy ny fomba nanampian’i Jehovah Andriamanitra anay, mba hahita ny fahamarinana. Tena faly izahay satria nitarika anay tamin’ny “làlan’ny fahamarinana” i Jehovah!—Salamo 23:3.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 21 Tsy nety nandray anjara tamin’ny ady ny Vavolombelon’i Jehovah, ka noraran’ny fanjakana tamin’ny 4 Jolay 1940.

^ feh. 23 Manazava momba ny fanenjehana ny Vavolombelona tany Québec, ny Mifohaza! (frantsay) 22 Aprily 2000 pejy 20-23.

[Sary, pejy 27]

Dada sy Neny sy ilay trano nahalehibe anay valo mianadahy

[Sary, pejy 29]

Niaraka tamin’ireo mpisava lalana namako tany Ottawa, 1952

[Sary, pejy 29]

Izahay valo mianadahy (havia miankavanana): Ann, Mary, Fred, Doris, John, izaho, Bill, ary Emily

[Sary, pejy 29]

Izahay sy Merton ankehitriny