Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahazo Rariny Ireo Niharan’ny Herisetra

Nahazo Rariny Ireo Niharan’ny Herisetra

Nahazo Rariny Ireo Niharan’ny Herisetra

NAMOAKA didim-pitsarana nanome rariny an’ireo Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Repoblikan’i Géorgie ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona any Strasbourg, Frantsa, tamin’ny 3 Mey 2007. Hitan’ilay Fitsarana fa nentina tamin’ny fomba tsy nifaditrovana ireo Vavolombelona, sady nohitsakitsahina ny fahalalahana ara-pivavahan’izy ireo. Nanome tsiny ny fitondrana tany Géorgie koa ilay Fitsarana, satria tsy nampihatra ny lalàna tamin’ireo mpihetraketraka izy ireo. Nahoana ny Fitsarana no namoaka izany didim-pitsarana izany?

Nanao fotoam-pivavahana tamim-pilaminana ny Vavolombelon’i Jehovah anisan’ny Fiangonana Gldani, ao Tbilissi renivohitra, tamin’ny 17 Oktobra 1999. Nisy 120 teo ho eo ny mpanatrika tamin’izay. Niditra an-keriny tampoka tao amin’ilay toeram-pivavahana anefa ny olona 200, notarihin’i Vasili Mkalavishvili, pretra ortodoksa efa niongana. Nilanja kibay sy lakroa vy izy ireo, ka noveleziny tamin’izany ny mpanatrika. Maro no naratra mafy. Voa mafy ny mason’ny vehivavy iray ka tsy sitrana intsony. Olona 16, fara fahakeliny, no nila nentina tany amin’ny dokotera. Nisy Vavolombelona nitaraina tany amin’ny paositry ny polisy. Nilaza anefa ny sefon’ny polisy fa mbola mafimafy kokoa noho izany aza ny fampijaliana tiany hatao amin’ny Vavolombelona! Naka sary an’ilay fanafihana ny iray tamin’ireo mpihetraketraka, ary nalefa tamin’ny televizionam-pirenena izany. Hita tsara hoe iza ireo nanafika. *

Nametraka fitarainana ireo Vavolombelona niharan’ny herisetra, nefa tsy nisy fepetra noraisina. Nilaza ilay polisy nanao ny famotorana fa Ortodoksa izy, ka tsy maintsy hiaro ny Ortodoksa. Vao mainka àry nahazo vahana ireo mpivavaka mahery fihetsika, ka nanao fanafihana 100 mahery indray.

Nametraka fitoriana tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 29 Jona 2001. * Nivoaka ny didim-pitsarana farany tamin’ny 3 Mey 2007. Voaresaka tamin’ny an-tsipiriany tao ilay fanafihana nitranga, ary nomelohina ireo manam-pahefana satria tsy nandray fepetra. Hoy ilay Fitsarana: “Tokony ho nanamarina avy hatrany izay tena nitranga ireo manam-pahefana. Rehefa tsy mandray fepetra amin’ny fihetsika toy ireny mantsy izy ireo, dia manjary misalasala ny vahoaka raha tena mampihatra ny rariny sy manaja ny lalàna ny Fanjakana.”

Toy izao ny famaranan-tenin’ilay Fitsarana: “Ilay fanafihana tamin’ny 17 Oktobra 1999 no voalohany tamin’ireo hetraketraka maro be natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nandray fepetra ireo manam-pahefana, ka vao mainka niely eran’i Géorgie ny herisetra natao tamin’ireo mpivavaka. Ilay antokon’olona nanao ilay fanafihana voalohany ihany no nanao ireo fanafihana tatỳ aoriana.”

Nahazo rariny àry ireo niharan’ny herisetra. Namoaka didy ny Fitsarana fa tokony hanome vola ho an’ny Fiangonana Gldani ny fitondram-panjakan’i Géorgie, ho fanonerana ny fahavoazana rehetra sy izay lany tamin’ny fitsarana. Faly ny Vavolombelon’i Jehovah any an-toerana, fa tsy be dia be intsony izao ny herisetra sy hetraketraka atao amin’izy ireo. Faly koa izy ireo, satria nantitranterin’ilay Fitsarana ny zony hanao fotoam-pivavahana amim-pilaminana. Tena mankasitraka an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Rainy any an-danitra izy ireo, satria nitari-dalana sy niaro azy ireo foana izy tamin’ireny fotoan-tsarotra ireny.—Salamo 23:4.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Misy fanazavana amin’ny an-tsipiriany ao amin’ny Mifohaza! 8 Febroary 2002, pejy 18-24, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 5 Ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona dia sampan-draharaha iray ao amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina. Izy io no mitsara ny fandikana ny lalàna izay hita ao amin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Fiarovana ny Zon’olombelona sy ny Fahalalahana Fototra. Nanao sonia an’io fifanarahana io i Géorgie tamin’ny 20 Mey 1999, ka voafehin’ireo lalàna voasoratra ao.