‘Nanjary Mpitaiza Antsika ny Lalàna’
‘Nanjary Mpitaiza Antsika ny Lalàna’
FIRY ny ankizy miaiky hoe tena ilaina ny fitsipika sy fifehezana? Vitsy ihany angamba. Manorisory azy ireo izany. Fantatr’ireo manana andraikitra hitaiza ankizy anefa, fa tena mila fanaraha-maso tsara izy ireny. Rehefa mandeha ny fotoana, dia hahatsapa ny hasarobidin’ny tari-dalana nomena azy ny ankizy maro. Noharin’ny apostoly Paoly tamin’ny fiarovan’ny lehilahy iray ny ankizy, ny fandaharana iray nataon’i Jehovah Andriamanitra mba hifehezana ny vahoakany fahiny.
Tamin’ny taonjato voalohany, dia nanantitrantitra ny Kristianina sasany tany Galatia, Asan’ny Apostoly 15:12) Nampiasa ohatra àry i Paoly mba hanitsiana ilay hevi-diso. Hoy izy tamin’ny Kristianina tany Galatia: ‘Nanjary mpitaiza antsika ny Lalàna ka nitarika antsika ho amin’i Kristy.’ (Galatianina 3:24) Nilaza ny manam-pahaizana iray fa “nanana andraikitra tena lehibe [ny mpitaiza] fahiny.” Manampy antsika hahazo izay tian’i Paoly holazaina ny fahalalana ny andraikitr’izy ireny.
faritanin’i Roma, fa izay mankatò ny Lalàna nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy ihany no ankasitrahan’Andriamanitra. Fantatr’i Paoly fa diso izany, satria nandatsaka ny fanahy masina tamin’ny olona mbola tsy nitandrina ny lalàn’ny Jiosy Andriamanitra. (Ny andraikitry ny mpitaiza
Nampiasa mpitaiza ireo Grika sy Romanina nanan-katao, ary ny Jiosy koa angamba. Nanomboka tamin’ny fahazazan’ilay ankizy ka mandra-pahalehibeny, dia nasaina nanara-maso azy ny mpitaiza. Mazàna ny mpitaiza no mpanompo azo itokisana sy efa zokinjokiny. Niantoka ny fiarovana an’ilay ankizy izy, ary nijery raha tanterahina ny zavatra tian’ny rain’ilay ankizy hatao amin-janany. Niaraka tamin’ilay ankizy teny amin’izay rehetra nalehany ny mpitaiza, nanara-maso ny fahadiovany, nanatitra azy tany am-pianarana, ary matetika no nitondra ny bokiny sy ny fitaovany. Nanara-maso ny fianarany koa izy.
Tsy voatery ho mpampianatra ilay mpitaiza. Tsy mampianatra toy ny any an-tsekoly izy, fa mampita amin’ilay ankizy ny toromariky ny rainy. Manara-maso sy mifehy an’ilay ankizy anefa izy, ka azo lazaina ho mampianatra azy ihany. Mampianatra fahalalam-pomba, ohatra, izy, mibedy, ary mikapoka mihitsy aza rehefa maditra ilay ankizy. Mazava ho azy fa ny ray aman-dreniny no tena mpanabe an’ilay ankizy. Rehefa mihalehibe anefa izy, dia ilay mpitaiza no manoro azy izay tokony ho fihetsiny eny an-dalana sy mampianatra azy hipetraka tsara, hahalala fomba rehefa misakafo, hitsangana rehefa misy olon-dehibe, ho tia ny
ray aman-dreniny, hanao ny akanjony ivelany, sy ny hafa koa.Nanizingizina i Platon filozofa grika (428-348 T.K.), fa tsy maintsy fehezina ny fanirian’ny ankizy. Hoy izy: “Mila mpiandry ny ondry sy ny biby hafa mpiraoka ahitra. Toy izany koa fa mila mpitaiza ny ankizy, ary mila tompo ny mpanompo.” Tafahoatra angamba izany fiheverana izany, kanefa izay no fahitan’i Platon azy.
Niaraka tamin’ilay ankizy foana ilay mpitaiza, ka nanjary noheverina ho mpiambina sy mpanafay masiaka be, ary mpanome tsiny lava amin’ny zavatra tsy misy dikany. Niaro ny ankizy teo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena sy ara-batana ny mpitaiza, na izany aza. Nitantara momba ny mpitaiza iray nanatitra ankizy hianatra i Apianina, mpahay tantara grika tamin’ny taonjato faharoa. Tsy maintsy namihina an’ilay ankizy ilay mpitaiza mba hiarovana azy io tamin’ny mpamono olona. Niara-maty tamin’ilay ankizy izy, rehefa tsy nety namotsotra ny tanany.
Nanjaka ny fitondran-tena maloto teo amin’ny tontolo grika fahiny. Tsy maintsy narovana tamin’ny mpametaveta ny ankizy, indrindra fa ny ankizilahy. Tsy maintsy teo foana àry ny mpitaiza rehefa nianatra ilay ankizy, satria tsy azo nitokisana ny mpampianatra maro. Nilaza mihitsy aza i Libanius, mpikabary grika tamin’ny taonjato fahefatra, fa tsy maintsy “niambina an’ilay tanora vao misandratra” ny mpitaiza, “nisakana ny olona naneho fitiavana diso toerana, ary nanosika sy nanakana azy ireny tsy hifanerasera tamin’ilay ankizilahy kely.” Nohajain’ireo ankizy narovany ny mpitaiza maro. Nankasitraka ny mpitaiza azy efa nodimandry ny olon-dehibe sasany, ka nanangana tsangambato fahatsiarovana.
Toy ny mpitaiza ny lalàna
Nahoana no noharin’ny apostoly Paoly tamin’ny mpitaiza ny Lalàn’i Mosesy? Nahoana no mety tsara io ohatra io?
Ny antony voalohany, dia satria mpiaro ny Lalàna. Nanazava i Paoly fa “voambina teo ambanin’ny lalàna” ny Jiosy. Toy ny hoe teo ambany fiarovan’ny mpitaiza izy ireo. (Galatianina 3:23) Nanan-kery teo amin’ny lafiny rehetra tamin’ny fiainan’izy ireo ny Lalàna. Nifehy azy ireo tsy hanana fanirian-dratsy izy io, nifehy ny fitondran-tenany, nananatra azy rehefa nanao fahadisoana, ary nanampy azy hahatsapa fa tsy lavorary ny tenany.
Niaro ny Israelita tamin’ny fitaoman-dratsin’ireo firenena nanodidina koa ny Lalàna. Anisan’izany fitaoman-dratsy izany ny fitondran-tena maloto sy ny fanaon’ny fivavahan-diso. Tena nanampy an’ilay firenena hifandray tsara tamin’Andriamanitra, ohatra, ny fandrarana azy ireo tsy hanambady mpanompo sampy. (Deoteronomia 7:3, 4) Niaro ny fahadiovan’ny fivavahan’ny vahoakan’Andriamanitra ny didy toy ireny, ary nanampy azy ireo hamantatra ny Mesia. Porofon’ny fitiavan’Andriamanitra ny vahoakany tokoa ireny didy ireny. Nampahatsiahy ny Israelita i Mosesy hoe: “Tahaka ny fananaran’ny olona ny zanany no fananaran’i Jehovah Andriamanitrao anao.”—Deoteronomia 8:5.
Lafiny lehibe tamin’ilay fanoharan’i Paoly ny hoe mihelina ny fahefan’ny mpitaiza eo amin’ny ankizy. Tsy eo ambany fifehezan’ilay mpitaiza intsony izy rehefa lehibe. Nanoratra toy izao i Xénophon, mpahay tantara grika (431-352 T.K.): “Rehefa lehibe ny ankizilahy iray, dia afahan’ny olona amin’ny fahefan’ny [mpitaiza sy ny mpampianatra]. Tsy fehezin’izy ireo intsony izy, fa afaka manao izay tiany.”
Tsy misy hafa amin’izany ny fahefan’ny Lalàn’i Mosesy. Mihelina ihany ny asan’izy io, dia ny “mba hampiharihariana ny fandikan-dalàna, mandra-pahatongan’ilay taranaka [Jesosy Kristy].” Nanazava ny apostoly Paoly, fa “mpitaiza” nitarika ny Jiosy “ho amin’i Kristy” ny Lalàna. Mba hahazoan’izy ireo ny fankasitrahan’Andriamanitra, dia tsy maintsy nanaiky ny anjara asan’i Jesosy ao amin’ny fikasan’Andriamanitra izy ireo. Raha vao nanao izany izy ireo, dia vita ny asan’ny mpitaiza.—Galatianina 3:19, 24, 25.
Tonga lafatra ny Lalàna nomen’Andriamanitra Romanina 7:7-14) Mpitaiza tena tsara ny Lalàna. Mety ho toy ny enta-mavesatra tamin’ireo teo ambany fifehezany anefa ny zavatra notakin’izy io. Izany no nahatonga an’i Paoly hanoratra, fa “nividy sy nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna i Kristy” rehefa tonga ny fotoana voatondron’Andriamanitra. ‘Ozona’ ny lalàna satria tsy nahavita nankatò tanteraka azy io ny Jiosy tsy lavorary. Tsy maintsy notandremana tamin’ny an-tsipiriany, ohatra, ireo fombafomba. Tsy nila nofehezin’ilay mpitaiza intsony ny Jiosy raha vao nino ny sorom-panavotan’i Jesosy, satria tsara kokoa ny soa entin’izy io.—Galatianina 3:13; 4:9, 10.
ny Israelita. Ny hiaro ny vahoakany sy ny hahalalan’izy ireo ny fitsipiny ambony momba ny tsara sy ratsy no antony nanomezany ny Lalàna, ary tratra izany tanjona izany. (Noharin’i Paoly tamin’ny mpitaiza àry ny Lalàn’i Mosesy, mba hanasongadinana fa natao hitarika ny Jiosy izy io ary nihelina ihany ny asany. Tsy izay mankatò ny Lalàna no mahazo sitraka amin’i Jehovah, fa izay manaiky sy mino an’i Jesosy.—Galatianina 2:16; 3:11.
[Efajoro/Sary, pejy 21]
“MPITAIZA” SY “MPANOMPO MIANDRAIKITRA NY AO AN-TRANO”
Nampiasa ohatra momba ny karazana “mpitaiza” hafa iray sy ny “mpanompo miandraikitra ny ao an-trano” koa i Paoly, ao amin’ny Galatianina 4:1, 2. Hoy izy: “Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy misy maha samy hafa azy mihitsy amin’ny mpanompo, na dia tompon’ny zavatra rehetra aza izy. Fa fehezin’ny mpitaiza sy ny mpanompo miandraikitra ny ao an-trano izy, mandra-pahatongan’ny andro voatondron-drainy mialoha.” Samy hafa amin’ny asan’ilay mpitaiza resahina ao amin’ny Galatianina 3:24, ny asan’ny “mpitaiza” sy “mpanompo miandraikitra ny ao an-trano” voaresaka eto. Mitovy ihany anefa ny hevitra tian’i Paoly hambara.
Araka ny lalàna romanina, dia misy “mpitaiza” notendrena hiaro ny kamboty tsy ampy taona sy hitantana ny volany, mandra-pahalehibeny. Nilaza i Paoly fa toy ny mpanompo ny ankizy toy izany raha mbola zaza, ka tsy nanan-jo tamin’ny lovany, na dia ‘tompony’ aza.
Niandraikitra ny fitantanana ny vola sy ny fananan’ny fianakaviana kosa ny “mpanompo miandraikitra ny ao an-trano.” Niresaka momba an’i Hyrcan, ohatra, i Flavius Josèphe, mpahay tantara jiosy. Nolazainy fa nangataka alalana tamin-drainy izy io, mba hanomezan’ny “mpanompo miandraikitra ny ao an-trano” azy vola hividianany izay ilainy.
Mitovy ihany àry ny mitranga amin’ny ankizy fehezin’ilay “mpitaiza” resahin’ny Galatianina 3:24 sy ny ankizy fehezin’ireo ‘mpitaiza sy mpanompo miandraikitra ny ao an-trano’ voalazan’ny Galatianina 4:1, 2. Fehezin’olon-kafa ny fiainany mandra-pahatongan’ny fotoana voatondron-drainy.
[Sary, pejy 19]
Sary hoso-doko tany Gresy fahiny, mampiseho mpitaiza iray mihazona ny tehiny
[Sary nahazoan-dalana]
National Archaeological Museum, Athens
[Sary, pejy 19]
Sary amin’ny kaopy vita tamin’ny taonjato fahadimy T.K., mampiseho mpitaiza iray (ilay mihazona tehina) mijery ny ankizy tezainy mianatra tononkalo sy mozika
[Sary nahazoan-dalana]
Bildarchiv Preussischer Kulturbesitz/Art Resource, NY