Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ady Hamarana ny Ady Rehetra”

“Ady Hamarana ny Ady Rehetra”

“Ady Hamarana ny Ady Rehetra”

‘Matokia ianareo fa io no ady farany. Io no ady hamarana ny ady rehetra.’—WOODROW WILSON, FILOHA AMERIKANINA (1913-1921).

IZANY no nantenain’ny mpitondra fanjakana iray rehefa nifarana ny Ady Lehibe I, 90 taona lasa teo ho eo izay. Tena nahatsiravina io ady naneran-tany io, ka nila nahazo toky ireo miaramila hoe hody ventiny ny rano nantsakaina. Tsy namaha olana anefa ny ady nataon’ny olombelona, sady tsy nahafoana ny ady.

Nipoaka ny Ady Lehibe II, 20 taona teo ho eo taorian’ilay fampanantenan’ny Filoha Wilson. Betsaka noho ny tamin’ny Ady Lehibe I ny olona maty sy ny zavatra simba. Nandroso mantsy ny teknolojia, ka nahavita nanamboatra fitaovam-piadiana mahery vaika kokoa ny olombelona. Rehefa hifarana ny Ady Lehibe II dia tsinjon’ireo mpitondra eran-tany fa vao mainka atahorana hipoaka indray ny ady.

Nilaza toy izao ilay jeneraly amerikanina atao hoe Douglas MacArthur, tamin’ny 1945: ‘Iny no fotoana farany nahafahantsika namarana ny ady. Raha tsy mitady paikady mahomby kokoa isika, dia ho tonga ny Hara-magedona.’

Fantatr’io jeneraly io tsara ny vokatry ny fianjeran’ny baomba ataomika tany Nagasaki sy Hiroshima, taloha kelin’ny nifaranan’ny Ady Lehibe II. Rava tanteraka ireo tanàna japoney ireo, ka nanjary nihevitra izy hoe ady niokleary handripaka ny olona rehetra eran-tany no dikan’ilay teny hoe “Hara-magedona.”

Matahotra foana ny olona hoe mbola hisy ny ady niokleary. Tsy mampahery ny ankamaroan’ny olona ny fomba entin’ireo firenena matanjaka hampanjaka ny fiadanana maneran-tany. Samy nitady fomba “azo antoka andripahana ny andaniny” mantsy ny ankilany, tamin’ny 1965 tany ho any. Te hanana bala afomanga na fitaovana fandefasana azy ireny be dia be izy ireo, mba hahafahana handripaka ny ampahefatry ny mponina ao amin’ilay tany fahavalo sy hamotika ny antsasaky ny orinasany. Izany no tanjon’izy ireo na iza na iza manomboka an’ilay ady.

Maniry hoatra ny anana ny fitaovam-piadiana niokleary ankehitriny, ary tsy tambo isaina ny olona maty amin’ny ady. Mbola atahorana foana ny hipoahan’ny ady niokleary. Na dia irin’ny olona mafy aza anefa ny hifaranan’ny ady, dia vitsy ihany no mino hoe amin’ny alalan’ny ady na paikady hafa no hahavitana izany.

Miresaka momba ny ady iray mbola tsy nisy toa azy anefa ny Baiboly. Hamarana ny ady rehetra io ady io. Antsoin’ny Baiboly hoe “Hara-magedona” izy io, ary heverin’ny olona maro ho ady niokleary. Nahoana no lazaina fa tena hamarana ny ady rehetra ny Hara-magedona? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

DTRA Photo

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

Nagasaki, any Japon, 1945: USAF photo