Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aiza no Hatao ny Ady Hara-magedona?

Aiza no Hatao ny Ady Hara-magedona?

Manontany ny Mpamaky

Aiza no Hatao ny Ady Hara-magedona?

Tsy toerana iray fotsiny no hisy ny ady Hara-magedona, fa haneran-tany mihitsy. Nahoana? Tafika roa tena lehibe no hifanandrina, ka tsy ho antonona eo amin’ny toerana iray.

Antsoina hoe “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, izay Hery Fara Tampony”, ny Hara-magedona. Hampiasa an’i Kristy Jesosy Zanany i Jehovah Andriamanitra amin’izay. Hitondra tafik’anjely i Jesosy, ary hiady amin’ireo mpitondra olombelona rehetra.—Apokalypsy 16:14; 19:11-16.

Hampirisika an’ireo firenena hiady i Satana sy ny namany. Milaza ny Baiboly fa hisy “fanambarana avy amin’ny demonia” hankany amin’ireo “mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina, mba hanangonana azy ireo ho amin’ny ... toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara-magedona.”—Apokalypsy 16:14-16.

Nanitikitika ny sain’ny mpamaky Baiboly maro tokoa ny bokin’ny Apokalypsy. Be dia be anefa no nandray azy io ara-bakiteny. Mino izy ireo fa hanomboka ao amin’ny toerana iray voafaritra tsara ilay ady. Mahaliana azy ireo àry izay mitranga manodidina an’io faritra io. Efa ela no nisy olona nilaza fa toerana tena misy no hitrangan’ny Hara-magedona. Ny tranainy indrindra amin’izany dia ilay fanazavana ny Apokalypsy amin’ny teny grika nataon’i Oecumenius, tamin’ny taonjato fahenina.

Namerina ny hevitry ny ankamaroan’ny mpitondra fivavahana i John Walvoord, izay efa prezidàn’ny Sekoly Fiofanana ho Pretra tany Dallas. Ny Hara-magedona, hoy izy, dia ‘ady lehibe hitranga any Moyen-Orient. Hiady ny firenena rehetra, ary tsy hisy ho tafavoaka velona.’ Nilaza koa izy fa ao amin’ny tanànan’i Megido fahiny no hisy an’io fifandonana lehibe io. Efa rava anefa ilay tanàna, ary havoana kely mirefy 20 metatra sisa no ao.

Tsy milaza mihitsy ny Apokalypsy hoe toerana ara-bakiteny ny Hara-magedona. “Famantarana” mantsy no ao amin’io boky io, araka ny teny fanokafana. (Apokalypsy 1:1) Efa ela ny Vavolombelon’i Jehovah no nilaza toy izao ao amin’ny Fianarana ny Soratra Masina (anglisy), Boky Faha-4, navoakan’izy ireo: “Tsy tokony hieritreritra isika hoe hangonina eo amin’ny Havoanan’i Megido ny olona.”

Araka ny tantara, dia tsy afa-nandositra ireo fahavalo niady tamin’ny vahoakan’Andriamanitra tao Megido fahiny. Toy izany koa amin’ny Hara-magedona. Hofoanan’Andriamanitra ny kolikoly sy faharatsiana rehetra maneran-tany.—Apokalypsy 21:8.

Tsy tokony hatahotra ny Hara-magedona ireo tia an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany. Tsy ho faty daholo akory ny olona rehetra, fa ny ratsy fanahy tsy mety miova ihany. Milaza mantsy ny Baiboly fa ‘hain’i Jehovah ny manafaka ny olona mahafoy tena ho azy.’ (2 Petera 2:9) Mampahery ny fampanantenan’ny Salamo 37:34 hoe: “Miandrasa an’i Jehovah, ka tandremo ny làlany, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy hianao.”