Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Nahoana no nositranin’i Jesosy miandalana ny lehilahy jamba iray?

Milaza ny Marka 8:22-26, fa nanasitrana lehilahy jamba iray i Jesosy tao Betsaida. Resahin’ilay fitantarana fa nasiany rora aloha ny mason’ilay lehilahy, ary nanontaniany azy izay hitany. Somary nifangaro ny zavatra hitan’ilay lehilahy, satria hoy ny navaliny: “Mahita olona aho, satria toa hazo no fahitako azy, nefa mandehandeha.” Nikasika ny mason’ilay lehilahy indray i Jesosy avy eo. Inona no vokany? ‘Nahita tsara izy ary sitrana, ka nahita mazava tsara ny zava-drehetra.’ Hita àry fa nositranin’i Jesosy miandalana ilay lehilahy. Nahoana?

Tsy tena mamaly izany ny Baiboly, nefa mety ho izao no antony: Fiovana lehibe ny hoe jamba nandritra ny taona maro na hatramin’ny nahaterahana mihitsy nefa mahita indray. Indro misy ohatra: Nisy soavaly kely maro nampiasaina tany amin’ny toeram-pitrandrahana ambanin’ny tany. Efa zatra haizina ny masony ka nila iray andro, raha kely indrindra, vao nahatanty ny hazavana tetỳ ambonin’ny tany. Mbola fiovana lehibe noho izany anefa no tsapan’ny olona iray jamba lasa mahiratra. Vitan’ny dokotera mpandidy ankehitriny ny mitsabo karazana fahajambana sasany, ary afaka mahita indray ilay olona. Matetika anefa ny atidohan’ilay olona no sahirana mamantatra ireo zavatra be dia be hitany. Maro be mantsy ny loko sy bikan-javatra eo anoloany, ary samihafa koa ny elanelan’izy ireny. Mifangaro be ao an-tsainy àry izany ka tsy hainy na dia ny manavaka ny zavatra efa mahazatra aza. Elaela vao fantatry ny atidohany ny zavatra hitany.

Mety ho ny fitiavan’i Jesosy sy ny fiahiany an’ilay lehilahy jamba àry no nanasitranany azy miandalana. “Nahita mazava tsara” ilay lehilahy tamin’ny farany, izany hoe nahay nanavaka tsara izay rehetra hitany.

Nahoana no sarotra ny namaky teny tamin’ny horonana, tamin’ny andron’i Jesosy?

Matetika no nirefy 23 ka hatramin’ny 28 santimetatra ny halavan’ny pejy iray amin’ny horonana, ary 15 ka hatramin’ny 23 santimetatra ny sakany. Misy pejy lehibe kokoa noho izany aza. Atambatra amin’ny lakaoly na zairina ny pejy maromaro mba hifampitohy. Pejy 17 vita tamin’ny hodi-biby malefaka, ohatra, no nanamboarana ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia. Fito metatra eo ho eo amin’izy io no mbola voatahiry hatramin’izao. Mety ho nitovitovy tamin’izany ny halavan’ilay horonam-bokin’i Isaia, nampiasain’i Jesosy tao amin’ny synagogan’i Nazareta.—Lioka 4:16, 17.

Hoy i Alan Millard tao amin’ilay bokiny hoe Zavatra Hita Tamin’ny Andron’i Jesosy (anglisy): “Manokatra ny sisin’ilay boky [horonana] amin’ny tanany havia ilay mpamaky teny, ary mihazona ny sisiny iray amin’ny tanany havanana. Sady mamaky izy no mangorona izay tsanganana voavakiny. Tsy maintsy ho efa nanokatra ny ankamaroan’ilay horonana sy nangorona izany àry i Jesosy vao nahita ilay toko novakiny tao amin’ny synagoga, dia ny Isaia 61.”

Tsy nisy toko sy andininy toy ny ankehitriny ny bokin’i Isaia tamin’izany. Tsy maintsy nitady an’ilay andalan-teny teo amin’ny Isaia 61:1, 2 àry i Jesosy, rehefa natolotra azy ilay horonana. Tsy nanahirana azy anefa ny ‘nitady’ izany. Midika izany fa zatra nampiasa ny Tenin’Andriamanitra izy.