Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitaizan-janaka eo Amin’ny Tontolo Milefitra Loatra

Fitaizan-janaka eo Amin’ny Tontolo Milefitra Loatra

Fitaizan-janaka eo Amin’ny Tontolo Milefitra Loatra

ASA ianao raha efa nahita ankizy nitalaho tamin-drainy mba hividianana kilalao, nefa tsy te hividy ilay rainy. Na ankizy efa nilazan-dreniny hoe: “Mipetraha tsara!”, nefa mbola te hihazakazaka sy hilalao ihany. Azo inoana fa izay tena hahasoa an’ilay zaza no irin’ny rainy na ny reniny. Milefitra ihany anefa izy ireo matetika, rehefa mitomany be ilay zaza.

Maro no mino fa mitaiza tsara ny zanany izy, raha manaiky ny sitrapon’izy ireo, saika amin’ny zavatra rehetra. Nanaovana fanadihadiana, ohatra, ny ankizy amerikanina 750, eo anelanelan’ny 12 sy 17 taona. Nanontaniana izy ireo hoe inona no ataony rehefa mandà ny zavatra angatahiny ny ray aman-dreniny. Efa ho ny androatokony no nilaza fa mbola mangataka izy ireo. Ny antsasa-manilany no nilaza fa mahomby foana mazàna io tetika io. Mihevitra angamba ny ray aman-dreniny fa fanehoam-pitiavana ny fileferana. Izany tokoa ve no izy?

Diniho ny tenim-pahendrena voalazan’ny ohabolana iray: “Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely dia hihambo ho zanaka [na tsy hahay hankasitraka] any am-parany.” (Ohabolana 29:21) Marina fa tsy mpanompo ny zanaka. Tsy ekenao ve anefa fa mihatra amin’ny fitaizan-janaka koa izany? Raha ampihantaina mantsy ny zaza, izany hoe omena izay rehetra angatahiny, dia mety ho lasa tsy mahay mankasitraka sy be di-doha izy rehefa lehibe.

Manoro hevitra ny Baiboly hoe: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza.” (Ohabolana 22:6) Manaraka io toromarika io ny ray aman-dreny hendry. Mametraka fitsipika mazava sy tsy miovaova ary araka ny antonony izy, mba harahin’ny zanany. Tsy mihevitra ny fileferana ho fanehoam-pitiavana izy, ary tsy hoe rehefa mitomany be, na mizizo, na mikiakiaka ilay zanany, dia omeny izay tadiaviny. Eken’izy ireo kosa ny tenim-pahendrena nolazain’i Jesosy hoe: “Aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia.” (Matio 5:37) Inona anefa no tafiditra amin’ny hoe mitaiza zanaka? Andeha isika handinika fanoharana iray tena mampieritreritra.

“Tahaka ny zana-tsipìka”

Misy fanoharana momba ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ao amin’ny Baiboly. Asongadin’izy io fa mila tari-dalana ny ankizy. Hoy ny Salamo 127:4, 5: “Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan’ny mahery ny zanaky ny fahatanorana. Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ireny.” Ampitahaina amin’ny zana-tsipìka àry ny ankizy, fa amin’ny mpiady mahery kosa ny ray aman-dreny. Fantatr’ilay mpiady fa tsy kisendrasendra no hahavoazan’ny zana-tsipìkany an’ilay zavatra kendreny. Eken’ny ray aman-dreny be fitiavana koa, fa tsy azo ankinina amin’ny kisendrasendra ny fitaizan-janaka. Ny hananan’ny zanany fiainana mahafa-po no kendreny, izany hoe ny hahatonga azy ireo ho olon-dehibe sambatra sy mahay mandray andraikitra. Iriny koa ny zanany ho hendry, hanao safidy tsara, hisoroka olana, ary hanatratra tanjona tsara. Ilana ezaka anefa izany.

Inona no ilaina hatao raha tiana hahavoa an’izay kendreny ny zana-tsipìka? Tsy maintsy omanina sy arovana tsara ilay izy, ary avy eo atifitra mafy manandrify an’ilay zavatra kendrena. Toy izany koa ny zanaka. Mila omanina sy arovana izy ireo, ary omena tari-dalana, raha tiana ho olom-banona. Andeha hodinihintsika tsirairay ireo lafiny telo amin’ny fitaizan-janaka ireo.

Fanomanana tsara an’ilay zana-tsipìka

Voaomana tsara ny zana-tsipìkan’ny mpiady fahiny. Vita tamin’ny hazo maivana angamba ny tahony. Tsy maintsy natao tanana izy ireny, ary natao mahitsy araka izay tratra. Tsy maintsy natao maranitra koa ny lohany, ary nasiana volom-borona ny vodiny. Amin’izay dia tsy hivilivily be ilay izy rehefa avotsotra, fa hizotra amin’ny tokony halehany.

Irin’ny ray aman-dreny hitovy amin’ireo zana-tsipìka mahitsy ireo ny zanany, izany hoe hahitsy fitondran-tena sy tsy hania. Noho izany, raha hendry izy ireo, dia tsy hanakimpy ny masony eo anoloan’ny kileman-toetran’ny zanany. Hanampy azy amim-pitiavana kosa izy mba hanitsiana izany. Azo antoka fa ho be ny fanitsiana tsy maintsy atao amin’ny ankizy tsirairay, satria “miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana.” (Ohabolana 22:15) Mampirisika ny ray aman-dreny àry ny Baiboly mba hananatra ny zanany. (Efesianina 6:4) Tena ilaina tokoa ny fananarana, mba hamolavolana sy hanitsiana ny toetran’ny ankizy sy ny fomba fisainany.

Tsy mahagaga àry raha milaza ny Ohabolana 13:24 hoe: “Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.” Ny fomba rehetra hanitsiana zanaka no atao hoe tsorakazo famaizana eo. Miezaka manitsy ny zanany ny ray aman-dreny, ka mananatra azy amim-pitiavana. Raha avela ho lasa raiki-tampisaka ao aminy mantsy ireny kileman-toetra ireny, dia hijaly izy rehefa lehibe. Tena tsy tia ny zanany àry izay tsy mananatra azy, fa tia azy kosa izay manao izany.

Manampy ny zanany hahatakatra ny antony anomezany fitsipika koa ny ray na reny be fitiavana. Tsy hoe manome lalàna sy manasazy fotsiny àry ny hoe mananatra. Mbola zava-dehibe kokoa ny fanampiana ilay ankizy hahatakatra ny anton’ireny lalàna ireny. Amin’izay dia ‘hitandrina ny lalàna’ izy, hoy ny Baiboly.—Ohabolana 28:7.

Ny volom-borona napetak’ilay mpiady eo amin’ny zana-tsipìkany no mahatonga azy io hizotra mahitsy tsara rehefa avotsotra. Toy izany koa fa afaka ny ho voatahiry ao am-pon’ny ankizy ny fampianaran’ilay Mpamorona ny fianakaviana, na dia rehefa mahaleo tena aza izy. Hitondra soa ho azy mandritra ny fiainany izany. (Efesianina 3:14, 15) Inona àry no tokony hatao mba ho azo antoka fa “mipetaka” na miraikitra tsara ao am-pon’ny ankizy ireny fampianarana ireny?

Mariho ny torohevitra nomen’Andriamanitra ny ray aman-dreny tamin’ny andron’i Mosesy: “Aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany.” (Deoteronomia 6:6, 7) Misy zavatra roa tokony hataon’ny ray aman-dreny eo. Mila mianatra sy mampihatra ny Tenin’Andriamanitra aloha izy ireo, mba ho tia ny lalàny. (Salamo 119:97) Ho vonona hampihatra ny tapany faharoa amin’ilay andininy izy aorian’izay, izany hoe ‘hampianatra’ ny zanany ny lalàn’Andriamanitra. Ny dikan’izany dia hoe mampiasa fahaiza-mampianatra sy famerimberenana matetika, mba handentehana ao an-tsain’ny zanaka ny hasarobidin’ireny lalàna ireny.

Hita amin’izany fa mbola tsy lany andro ny fampianarana ny ankizy ny toro lalan’ny Baiboly na ny fananarana azy amim-pitiavana, mba hanitsiana ny kileman-toetrany. Tena ilaina ireo mba hanomanana ny zanatsika ho lasa olom-banona, toy ny “zana-tsipìka” izay mizotra mahitsy tsara.

Fiarovana an’ilay zana-tsipìka

Andeha hiverenantsika ilay fanoharana ao amin’ny Salamo 127:4, 5. Tadidio fa “mameno ny tranon-jana-tsipìkany” ilay mpiady. Tsy maintsy narovana ireo zana-tsipìka raha vao voaomana. Nasian’ilay mpiady tranony àry izy ireo, mba tsy ho mora simba na tapaka. Tsara homarihina fa misy faminaniana miantso ny Mesia hoe zana-tsipìka voalambolambo tsara, izay ‘afenin’ny [Rainy] ao amin’ny tranon-jana-tsipìkany.’ (Isaia 49:2) Izany tokoa no nataon’i Jehovah Andriamanitra, ilay Ray be fitiavana indrindra. Narovany tamin’ny loza maro i Jesosy Zanany malalany, mandra-pahatongan’ilay fotoana efa voalaza fa hamonoana ny Mesia. Na izany aza dia narovany mba tsy ho faty mandrakizay ny Zanany, ka nataony izay hahatafaverina azy soa aman-tsara tany an-danitra mba hiaina mandrakizay.

Te hiaro ny zanany amin’ny loza eto amin’ity tontolo tena ratsy ity koa ny ray aman-dreny mahay mitaiza. Mety hisy zavatra sasany andraran’izy ireo ny zanany àry, satria mahatonga azy ireny hiatrika fitaoman-dratsy mampidi-doza izany. Zava-dehibe amin’ny ray aman-dreny hendry, ohatra, ity toro lalana ity: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Tsy avelany hiaraka amin’ny olona tsy mankatò ny fitsipiky ny Baiboly ny zanany. Azo inoana fa hiaro azy ireo izany, satria misakana azy tsy hanao fahadisoana maro mety hahitany fahavoazana na hahafaty azy mihitsy.

Mety tsy ho tian’ny ankizy io fiarovana io. Mety hahasosotra azy mihitsy aza izany indraindray, satria matetika ny ray aman-dreniny no tsy manaiky izay tadiaviny rehefa te hiaro azy. Mpanoratra boky momba ny fitaizan-janaka ny vehivavy iray, ary tena hajain’ny olona. Nilaza izy fa “tena irin’ny ankizy ny hanomezan’ny ray aman-dreniny fitsipika natao hiarovana azy, na dia tsy voatery hampiseho an’izany aza ilay ankizy, na mety tsy hisaotra akory aza amin’izay fotoana izay. Mila mampihatra ny fahefantsika àry isika ray aman-dreny, ka hamaritra izay tokony hataon’ny zanatsika sy tsy tokony hataony.”

Arovy àry ny zanakao mba hilamin-tsaina sy tsy hanan-tsiny ary hanana laza tsara eo anatrehan’Andriamanitra foana. Fomba iray lehibe tokoa izany hampisehoanao fa tia azy ianao! Azo inoana fa ho takany ihany any aoriana any ny antony nanomezanao fitsipika, ka hankasitraka ny fiarovanao azy tamim-pitiavana izy.

Fandefasana an’ilay zana-tsipìka

Mariho fa ampitovin’ny Salamo 127:4, 5, amin’ny lehilahy “mahery” ny ray aman-dreny. Mihatra amin’ny ray sy ny reny ary ny olona mitaiza irery ny zanany, raha ny marina, ny toro lalana ao amin’io fanoharana io. (Ohabolana 1:8) Hita amin’ny hoe “mahery”, fa mitaky hery be ny mandefa zana-tsipìka. Nifono varahina koa indraindray ny tsipìka fahiny, ary voalaza fa ‘nohenjanin’ny’ miaramila ilay izy, mba hahafahany hametaka ny tadiny. Tsy maintsy nihazona an’ilay tsipìka tamin’ny tongony ilany angamba izy tamin’izany. (Jeremia 50:14, 29) Mazava ho azy fa nitaky hery sy ezaka be ny nisintona iny tady efa mihenjana iny, mba hitifirana ny zana-tsipìka tany amin’ilay zavatra nokendrena!

Mitaky ezaka be toy izany koa ny fitaizan-janaka. Tsy lehibe ho azy amin’izao fotsiny mantsy ny ankizy, toy ny zana-tsipìka izay tsy misidina ho azy mankany amin’izay kendrena aminy. Mampalahelo anefa fa ray aman-dreny maro no toa tsy vonona hanao ny ezaka ilaina. Izay tsy manahirana azy no ataony, ka ny televiziona sy ny olona any am-pianarana ary ny naman’ny zanany no avelany hampianatra azy ireo momba izay tsara sy ratsy, sy ny fitsipi-pitondran-tena, ary ny firaisana. Avelany hanao izay tiany izy ireo. Rehefa toa sarotra loatra koa ny mandà, dia ekeny fotsiny izay angatahin’ny zanany. Mba tsy hampalahelo an’ilay zaza, hono, no anton’izany. Ny fileferan’izy ireo anefa no tena hitondra fahavoazana maharitra ho an-janany.

Asa mafy ny fitaizan-janaka. Mitaky ezaka be ny manao azy io amin’ny fo manontolo, sady manaraka ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy hay tombanana anefa ny valisoa. Hoy ny gazetiboky Ray Aman-dreny (anglisy): ‘Asehon’ny fanadihadiana fa mandray soa kokoa noho ny ankizy tezain’ny ray aman-dreny milefitra loatra na masiaka be, ny ankizy tezain’ny ray aman-dreny be fitiavana sady mifehy tsara ny zanany. Mahay be ny ankizy toy izany, any am-pianarana. Mahay mifandray amin’olona izy, matoky tena, ary falifaly kokoa.’

Misy valisoa iray mbola tsara kokoa anefa. Nodinihintsika terỳ aloha ny tapany voalohany amin’ny Ohabolana 22:6. Izao ilay izy: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza.” Mampahery ny tohin’io andininy io, manao hoe: “Na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” Manome antoka ve izany fa tsy maintsy hahomby ny ray aman-dreny? Tsy voatery ho izany. Manana zo hisafidy ny zanakao, ary hanao ny safidiny izy rehefa lehibe. Misy fanomezan-toky feno fitiavana anefa ao amin’io andininy io. Inona izany?

Raha manaraka ny torohevitry ny Baiboly ianao rehefa mitaiza ny zanakao, dia misy kokoa ny fanantenana hahazo vokatra tena tsara: Ho sambatra sy ho afa-po ary hahay handray andraikitra ny zanakao rehefa lehibe. (Ohabolana 23:24) Omano tsara àry ireo “zana-tsipìka” sarobidy ireo. Arovy izy ireo, ary miezaha mafy hanome tari-dalana azy. Tsy hanenenanao mihitsy izany.

[Sary, pejy 13]

Maneho fitiavana ve ny ray aman-dreny raha manaiky foana izay sitrapon’ny zanany?

[Sary, pejy 15]

Manazava ny antony anomezany fitsipika ny ray na reny be fitiavana

[Sary, pejy 15]

Miaro ny zanany amin’ny loza eto amin’ity tontolo tena ratsy ity ny ray aman-dreny mahay mitaiza

[Sary, pejy 16]

Asa mafy ny fitaizan-janaka, nefa tsy hay tombanana ny valisoa