Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hara-magedona—Ilay Ady Hataon’Andriamanitra

Hara-magedona—Ilay Ady Hataon’Andriamanitra

Hara-magedona—Ilay Ady Hataon’Andriamanitra

“Mihevitra izy ireo fa habibiana ny mamono olona. Zavatra hafahafa sy maharikoriko azy izany ady izany, ary tsy manana teny ilazana an’izany izy ireo.”—TENIN’ILAY MPIKAROKA NORVEZIANINA ATAO HOE FRIDTJOF NANSEN, MOMBA IREO MPONIN’I GROENLANDY TAMIN’NY 1888.

IZA tokoa moa no tsy te hiara-monina amin’ny olona toy izany, izay mihevitra ny ady ho “hafahafa sy maharikoriko”? Iza no tsy mitsiriritra tontolo iray tsy misy ady, ary tsy manana voambolana ilazana an’izany akory ny mponina ao aminy? Toa sarotra inoana anefa ny hisian’izany, indrindra moa raha hoe ny ezaky ny olombelona no antenaina hampisy azy.

Mampanantena toy izao anefa Andriamanitra ao amin’ny bokin’i Isaia: ‘Hanefy ny sabany ho fangady ny firenena, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; tsy hanainga sabatra hifamely [izy ireo] na hianatra ady intsony.’—Isaia 2:4.

Tena mila miova be ity tontolo ity mba hahatanteraka an’io fampanantenana io. Miaramila 20 tapitrisa mantsy izao no eo am-perinasa, ary toerana 20 eo ho eo no misy ady. Tsy mahagaga àry raha hiditra an-tsehatra amin’ny raharahan’ny olombelona i Jehovah, ilay Andriamanitra mahery indrindra. Hiharihary izany amin’ny Hara-magedona.—Apokalypsy 16:14, 16.

Heverin’ny olona ho ady niokleary ny ady “Hara-magedona.” Izao anefa no amaritan’ny diksionera iray an’io teny io: “Toerana hisian’ny ady lehibe sady farany, eo amin’ny tsara sy ny ratsy.” Mbola ho resin’ny tsara ve izany ny ratsy indray andro any? Ary sao dia mba tsy hisy akory izany ady izany?

Mampahery ny zavatra lazain’ny Baiboly. Maro ny andinin-teny milaza fa mbola ho foana ny faharatsiana. Hoy ny Salamo 104:35: “Ho lany ringana tsy ho etỳ amin’ny tany ny mpanota, ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony.” Hoy koa ny Ohabolana 2:21, 22: “Ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.”

Asehon’ny Baiboly mazava tsara koa fa tsy hanaiky hiala mora foana amin’ny fahefany ny ratsy fanahy. Tena ilaina àry ilay ady farany hataon’Andriamanitra, mba hamongorana ny zava-dratsy rehetra, anisan’izany ny ady. (Salamo 2:2) Noho izany dia tena misy heviny lehibe ilay teny hoe Hara-magedona, anarana iantsoana an’io ady io.

Ady fahiny teny akaikin’i Megido

Midika hoe “Tendrombohitr’i Megido” ny hoe “Hara-magedona.” Betsaka tokoa ny ady lehibe nitranga tao Megido, sy ny Lemak’i Jezirela tsy lavitra azy io. ‘Be dia be ny ady nitranga tao Megido sy Jezirela, ary nitondra fiovana lehibe teo amin’ny tantara izy ireny’, hoy i Eric Cline mpahay tantara, tao amin’ilay boky hoe Ady Hara-magedona (anglisy).

Hita avy amin’io tenin’i Cline io fa tena nampiova zavatra ireo ady nitranga teny akaikin’i Megido. Resy tao amin’io lemaka io, ohatra, ny miaramila avy tany Mongolia, na dia nahazo ny ankamaroan’ny faritr’i Azia aza izy ireo teo anelanelan’ny taona 1200 sy 1370. Teo koa no resy ny Tiorka, rehefa niady tamin’ny miaramila britanika notarihin’i Jeneraly Edmund Allenby, tamin’ny Ady Lehibe I. “Anisan’ny ady nisy vokany haingana indrindra sy niavaka indrindra teo amin’ny tantara izy iny”, hoy ny manam-pahaizana iray momba ny tantaran’ny ady.

Miresaka momba ny ady nitranga teny akaikin’i Megido koa ny Baiboly, ary nitondra fiovana lehibe izy ireny. Resin’i Baraka Mpitsara teny akaikin’i Megido ny miaramila kananita notarihin’i Sisera. (Mpitsara 4:14-16; 5:19-21) Tsy lavitra teny koa i Gideona sy ireo 300 lahy niaraka taminy, no nandresy ny tafika midianita. (Mpitsara 7:19-22) Maty teo amin’ny Tendrombohitra Gilboa, tsy lavitra an’i Megido, koa i Saoly Mpanjaka sy Jonatana zanany, rehefa resin’ny Filistinina ny miaramila israelita.—1 Samoela 31:1-7.

Mety tsara hanaovana ady i Megido sy ny lemaka manodidina azy, ka maro ny ady nitranga tany nandritra ny 4 000 taona. Nisy mpahay tantara nilaza fa nisy ady 34 tany, fara fahakeliny!

Misy ifandraisana amin’izany tantaran’i Megido izany ilay anarana an’ohatra hoe “Hara-magedona.” Indray mandeha monja izy io no miseho ao amin’ny Baiboly, ary ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy no ahitana azy. Asehon’ny teny manodidina anefa fa mahakasika ny olona rehetra eto an-tany izy io.

Ny Hara-magedona resahin’ny Baiboly

Maro tamin’ireo ady natao teny akaikin’i Megido no nitondra fiovana lehibe. Tsy nisy tamin’izy ireny anefa nahavita nanafoana ny faharatsiana. Tsy ady teo amin’ny tsara sy ny ratsy mantsy izy ireny. Andriamanitra ihany no hanao ady toy izany, satria “tsy misy tsara afa-tsy” izy, hoy i Jesosy. (Lioka 18:19) Milaza koa ny Baiboly fa adin’Andriamanitra ny Hara-magedona.

Milaza ny bokin’ny Apokalypsy fa hivondrona ny “mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina” mba handray anjara “amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, izay Hery Fara Tampony.” (Apokalypsy 16:14) Mitohy toy izao ilay faminaniana: “Ary nangonin’izany fanambarana izany ho amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara-magedona ireo.” * (Apokalypsy 16:16) Hazavain’ny Apokalypsy, any aoriana kokoa, fa ‘hivondrona ireo mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny mba hiady amin’ilay mitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafiny.’ (Apokalypsy 19:19) I Jesosy Kristy io mpitaingin-tsoavaly io.—1 Timoty 6:14, 15; Apokalypsy 19:11, 12, 16.

Takatsika avy amin’ireo andinin-teny ireo, fa ady eo amin’Andriamanitra sy ireo tsy mankatò azy, ny Hara-magedona. Hanao an’io ady io i Jehovah sy Jesosy Kristy Zanany, mba “handringanana izay manimba ny tany.” (Apokalypsy 11:18) Hitondra tontolo hanjakan’ny fiadanana koa io ady io. Tsy inona izany fa ilay “tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana”, izay “andrasantsika, araka ny fampanantenan[’Andriamanitra].”—2 Petera 3:13.

Nahoana no ilaina ny Hara-magedona?

Hafahafa aminao ve ny hoe i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fitiavana”, dia haniraka ny Zanany, izay “Andrian’ny fiadanana”, mba hiady? (2 Korintianina 13:11; Isaia 9:5) Hazava kokoa aminao ilay izy, raha fantatrao ny antony anaovan’izy ireo izany. Resahin’ny bokin’ny Salamo fa mpiady mitaingin-tsoavaly i Jesosy. Fa nahoana izy no miady? Miady izy, hoy ny mpanao salamo, satria tiany hanjaka ny ‘fahamarinana.’ Miady izy satria tiany ny fahamarinana ary halany ny heloka.—Salamo 45:4, 7.

Ary manao ahoana ny fihetseham-pon’i Jehovah rehefa mahita ny tsy rariny eto an-tany? Hoy ny Baiboly: “Hitan’i Jehovah ny tsi-fisian’ny rariny, ka nataony fa ratsy izany; Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin’ny lohany; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.”—Isaia 59:15, 17.

Tsy hahita fiadanana sy filaminana ny olo-marina, raha mbola ny ratsy fanahy no mitondra. (Ohabolana 29:2; Mpitoriteny 8:9) Tsy hety hiala amin’ny faharatsiana sy ny fanaovana tsolotra mantsy ny ratsy fanahy. Tsy maintsy hofongorana àry izy ireo, raha tiana hanjaka ny fiadanana sy ny rariny. Izany no nahatonga an’i Solomona hilaza fa tsy maintsy vonoina ny ratsy fanahy mba hanavotana ny marina.—Ohabolana 21:18.

Matoky isika fa ho ara-drariny ny didim-pitsarana hampiharina amin’ny ratsy fanahy, satria Andriamanitra no Mpitsara. Nanontany i Abrahama hoe: “Tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?” Niaiky izy avy eo fa manao ny marina foana i Jehovah! (Genesisy 18:25) Manome toky antsika koa ny Baiboly fa tsy sitrak’i Jehovah ny handringana ny ratsy fanahy. Efa afa-nenina izy matoa manao izany.—Ezekiela 18:32; 2 Petera 3:9.

Tena hisy ny ady Hara-magedona

Iza no hiandanianao amin’io ady lehibe io? Mety hilaza avy hatrany ny ankamaroantsika hoe: ‘Miandany amin’Andriamanitra aho.’ Inona anefa no tokony hataonao mba ho azo antoka fa miandany aminy tokoa ianao? Hoy i Zefania mpaminany: “Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana.” (Zefania 2:3) Sitrapon’Andriamanitra “ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana”, hoy ny apostoly Paoly.—1 Timoty 2:4.

Ireto misy zavatra roa tokony hataonao raha te ho voavonjy ianao: Mianatra ny marina momba an’i Jehovah sy ny fikasany hanafoana ny faharatsiana eto an-tany. Ary miezaka manao ny marina hatrany, satria izany no hahazoanao ny fiarovan’Andriamanitra sy ny fankasitrahany.

Tsy hatahotra ny Hara-magedona ianao raha manao izany. Tsy ho andrinao kosa aza ny hahatongavan’io ady hamarana ny ady rehetra io. Rehefa vita tanteraka io ady io, dia hanjary ho zavatra hafahafa sy haharikoriko amin’ny olona eran-tany ny ady. ‘Tsy hianatra ady intsony’ ny olona amin’izay.—Isaia 2:4.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Toerana ara-bakiteny ve ny hoe Hara-magedona? Mamaly an’izany ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Mpamaky”, pejy 31.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Hiditra an-tsehatra amin’ny raharahan’ny olombelona i Jehovah amin’ny Hara-magedona

[Sary, pejy 6]

Megido

[Sary, pejy 6]

Nahazo fandresena niavaka teo akaikin’i Megido i Gideona sy ireo lehilahy niaraka taminy

[Sary, pejy 6, 7]

Rehefa vita tanteraka ny Hara-magedona, dia hanjary ho zavatra hafahafa sy haharikoriko amin’ny olona eran-tany ny ady

[Sary, pejy 8]

Mila mianatra ny marina momba an’i Jehovah sy ny fikasany isika raha te ho voavonjy