Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Potika ve ny Tany?

Ho Potika ve ny Tany?

Ho Potika ve ny Tany?

EFA noeritreretinao ve hoe: ‘Hanao ahoana ny tany amin’ny hoavy?’ Maro no mihevitra fa mety tsy haharitra ity tany tsara tarehy ity, noho ny zavatra atao aminy.

Simba tokoa ny tany ankehitriny, satria ampiasaina amin’ny fomba ratsy ireo zavatra tena ilaina eo aminy. Anisan’izany ny rano sy ny ala ary ny rivotra. Mampitandrina koa ny mpahay siansa sasany fa mety hanjavona ny tany sy ny zavamiaina rehetra eo aminy, raha sendra misy tainkintana goavam-be milatsaka, na kintana mipoaka, na ritra ny hidrozenina ao amin’ny masoandro.

Mino ny mpahay siansa fa ho simba tsikelikely ny tany, ka tsy ho azon’ny olona iainana intsony, angamba rehefa afaka an’arivony tapitrisa taona. Mifanaraka amin’izany ny voalazan’ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) hoe tsy maintsy mihasimba ny zavatra rehetra.

Soa ihany fa manome toky antsika ny Baiboly hoe tsy havelan’i Jehovah Andriamanitra ho potika, na ho lasa tsy azo iainana intsony ny tany. Manana ‘hery’ tsy misy fetrany izy satria Mpamorona, ka afaka manao izay hampisy foana an’izao rehetra izao. (Isaia 40:26) Afaka matoky an’ireto teny ireto àry ianao: “Nanorina ny tany tambonin’ny fanorenany [Andriamanitra], mba tsy hihetsehany mandrakizay doria.” “Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ry kintana mazava rehetra. ... Fa Izy no nandidy, dia ary ireo. Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy.”—Salamo 104:5; 148:3-6.

Ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany

Tsy nirin’Andriamanitra ho simba na haloto toy ny hitantsika ankehitriny mihitsy ny tany. Tao amin’ny zaridaina iray tsara tarehy no nametrahany an’i Adama sy Eva, lehilahy sy vehivavy voalohany noforoniny. Mazava ho azy fa tsy ho tsara tarehy toy izany foana io Paradisa io, raha navela fotsiny tamin’izao. Nasain’Andriamanitra ‘niasa sy nitandrina azy’ io àry izy mivady. (Genesisy 2:8, 9, 15) Nahafinaritra sy nahafa-po tokoa io asa nomena ny razambentsika lavorary io!

Tsy ny hikarakarana an’io zaridaina io ihany anefa no nirin’Andriamanitra. Ny tany manontolo mihitsy no tiany ho lasa paradisa. Izany no antony nandidiany an’i Adama sy Eva hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.”—Genesisy 1:28.

Mampalahelo anefa fa nanao izay tsy hahatanteraka an’io fikasany io i Satana, anjely iray nanambony tena. Naniry mafy ny hotompoin’i Adama sy Eva izy, ka mody nampiteny bibilava mba hamitahana azy. Nahataona azy ireo hikomy tamin’ny fitondran’Andriamanitra izy. (Genesisy 3:1-6; Apokalypsy 12:9) Tia tena sy tsy nahay nankasitraka izy ireo, ary azo antoka fa nampalahelo ny Mpamorona izany! Tsy nampiova ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra momba ny tany anefa ny fikomian’izy ireo. Hoy izy: “Ny teniko izay aloaky ny vavako [dia] tsy hiverina amiko foana ... raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.”—Isaia 55:11.

Misy antony tsara matoa navelan’i Jehovah hitohy hatramin’izao ny fikomian’i Satana. Afaka nanandrana karazana fitondrana maro ny olombelona, nandritra izany fotoana izany. Hita anefa fa tena tsy mahomby ny olona, rehefa tsy manaiky ny fitondran’Andriamanitra, araka ny ampirisihan’i Satana. *Jeremia 10:23.

Na izany aza, dia nisy olona nanao ny marina nandritra ireo an’arivony taona lasa, ka notahin’Andriamanitra. Nasainy nosoratana ao amin’ny Baiboly koa ny vokatry ny fankatoavana azy, sy ny vokatry ny tsy fanekena ny fitondrany. Tsy vitan’izany fa nanao zavatra mahatalanjona izy, mba handraisantsika soa amin’ny hoavy. Tia ny olombelona izy, ka nandefa Mpamonjy, dia i Jesosy Kristy Zanany malala. Nirahiny izy io mba hampianatra antsika ny fomba fiaina tsara indrindra, sy hanome ny ainy ho antsika. (Jaona 3:16) Tsy mendrika ny ho faty i Jesosy, nefa navelan’Andriamanitra ho faty, satria izay no fomba ara-drariny hahazoan’ny olombelona indray izay nafoin’i Adama sy Eva. Tsy inona izany fa ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tany paradisa. * Mba hahatanteraka an’izany, dia nanorina fanjakana any an-danitra i Jehovah Andriamanitra. Hanjaka amin’ny olombelona rehetra izy io, ary i Jesosy Kristy Zanany izay efa natsangana tamin’ny maty, no notendreny ho Mpanjaka. Azo antoka fa ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany, noho ireo zavatra miavaka nataony ireo.—Matio 6:9, 10.

Azonao atokisana tanteraka àry ireto fampanantenana tena tsara omen’ny Baiboly ireto: “Ny mpanao ratsy hofongorana; ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany. Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” “ ‘Indro, eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.’ Ary hoy Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana: ‘Indro, ataoko vaovao ny zava-drehetra.’ ”—Salamo 37:9, 29; Apokalypsy 21:3-5.

Tsy milaza zavatra mifanohitra ny Baiboly

Mety hisy hieritreritra anefa hoe: ‘Tsy mifanohitra amin’ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly ve ireo andininy etsy aloha ireo? Toa ho foana mantsy ny tany, araka ny andinin-teny sasany.’ Andeha isika handinika ohatra vitsivitsy. Ho hitantsika amin’izany fa tsy milaza zavatra mifanohitra ny Baiboly.

Efa ela be talohan’ny nahitan’ny mpahay siansa hoe tsy maintsy mihasimba ny zavatra rehetra, no nilazan’ny mpanao salamo toy izao: ‘Nanorina ny tany ianao [Andriamanitra]; ary asan’ny tànanao ny lanitra. Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy; fa Hianao no tsy miova, ary ny taonanao no tsy ho tapitra.’—Salamo 102:25-27.

Tsy milaza zavatra mifanohitra amin’ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany ny mpanao salamo eo, satria tsy miova mandrakizay ny fikasany. Tiany haseho kosa fa hisy mandrakizay Andriamanitra, fa ny zavatra rehetra noforoniny no mety levona. Raha tsy teo ny herin’Andriamanitra tsy mety lany sy afaka manavao, dia ho simba izao rehetra izao, ary ho potika mihitsy aza. Anisan’izany ny masoandro sy ny planeta manodidina azy, izay ahazoana hazavana sy angovo ary manampy ny tany mba hijanona eo amin’ny toerana tokony hisy azy. Ho “rovitra” toy ny fitafiana àry ny tany, izany hoe ho potika tanteraka, raha avela fotsiny amin’izao.

Misy andinin-teny hafa koa toa mifanohitra amin’ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa “lasa” ny lanitra sy ny tany. (Apokalypsy 21:1) Azo antoka fa tsy mifanohitra amin’ity fampanantenan’i Jesosy ity izany: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5) Koa inona àry no dikan’ilay hoe “lasa” ny lanitra sy ny tany?

Matetika no tsy ara-bakiteny ilay hoe “tany” ao amin’ny Baiboly, fa midika hoe olombelona. Diniho, ohatra, ity andininy ity: “Ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.” (Genesisy 11:1) Mazava ho azy fa ny olona niaina teto an-tany no atao hoe “tany” eo. Milaza koa ny Salamo 96:1 hoe: “Mihirà ho an’i Jehovah, ry tany rehetra.” Mazava fa tsy ara-bakiteny ilay hoe “tany” eo amin’io andininy io sy ny maro hafa, fa midika hoe olona.—Salamo 96:13.

Indraindray dia oharina amin’ny lanitra na ny zavatra eny amin’ny lanitra ny mpitondra eto an-tany, ao amin’ny Baiboly. Nolazaina ho toy ny kintana, ohatra, ireo mpitondra nasiaka tao Babylona, satria nanandra-tena. (Isaia 14:12-14) Araka ny voalaza mialoha, dia nifarana tamin’ny 539 T.K. ny “lanitra” na mpitondra babylonianina, sy ny “tany” na ny mpanohana azy ireo. (Isaia 51:6) Afaka niverina tany Jerosalema àry ny Jiosy nibebaka. Nisy “lanitra vaovao”, na fitondrana vaovao tany, ary nanjaka tamin’ny “tany vaovao”, na olona marina izy io.—Isaia 65:17.

Hita amin’izany fa rehefa milaza ny Baiboly hoe ho “lasa” ny lanitra sy ny tany, dia midika izany fa hifarana ny fitondran’olombelona tsy manao ny marina, sy ireo mpanohana azy izay tsy matahotra an’Andriamanitra. (2 Petera 3:7) Amin’izay dia ho afaka hanao soa ho an’ilay fiaraha-monina vaovao manao ny marina, ny fitondram-panjakan’Andriamanitra vaovao any an-danitra. “Misy [mantsy] lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny [fampanantenan’Andriamanitra].”—2 Petera 3:13.

Azonao atokisana àry ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe haharitra mandrakizay ity tany ity. Lazain’ny Baiboly izay tsy maintsy ataonao, mba hiainanao eo amin’ny tany lasa paradisa. Hoy i Jesosy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Nahoana raha atao tanjona ny handinika izay lazain’ny Baiboly momba ny hoavin’ny tany sy ny olombelona? Ho faly hanampy anao amin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny faritra misy anao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Raha mila fanazavana momba ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy ianao, dia jereo ny pejy 106-114 amin’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 11 Raha mila fanazavana bebe kokoa momba ny sorona nataon’i Jesosy ianao, dia jereo ny pejy 47-56 amin’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

[Teny notsongaina, pejy 12]

Mampanantena ny Baiboly fa haharitra mandrakizay ny tany

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Gilaoby: NASA/The Visible Earth (http://visibleearth.nasa.gov/); orsa: © Bryan and Cherry Alexander Photography