Fampaherezana ny Marary efa ho Faty
Fampaherezana ny Marary efa ho Faty
“Tsy nino mihitsy aho, rehefa nahare hoe tsy ho avotra intsony i Neny. Ankona tanteraka aho, ary tsy neken’ny saiko hoe ho faty ilay reny malalako.”—Grace, Kanada.
REHEFA misy olona marary mafy, ka fantatra fa efa ho faty izy, dia malahelo mafy ny fianakaviany sy ny namany, ary mety tsy hahalala izay tokony hatao. Misy misalasala raha tokony holazaina amin’ilay marary fa mety ho faty izy. Ny hafa indray mihevitra fa tsy ho tantiny ny hahita an’ilay havan-tiany hijaly, na ho menatra noho ny vokatr’ilay aretiny. Maro koa no manahy sao tsy ho hitany izay holazaina na hatao, mandritra ireo ora faramparany ahaveloman’ilay havany.
Inona no tsara ho fantatrao momba an’ireo fihetseham-po mety ho tsapanao manoloana an’izany vaovao ratsy izany? Ahoana no azonao ampisehoana fa “tena sakaiza” mahay mampahery sy manampy ianao, amin’ny fotoana mampahory toy izany?—Ohabolana 17:17.
Ara-dalàna raha kivy ianao
Ara-dalàna raha tena kivy ny olona, rehefa misy havan-tiany marary mafy. Eritrereto fa ny dokotera aza efa zatra miresaka momba ny fahafatesana sy zatra mahita olona maty. Kanefa inona no tsapany manoloana ny fijalian’ny olona marary efa ho faty sy ny fihetseham-pon’izy ireny? Mbola mitaintaina ihany izy ireo, ary mahatsiaro ho tsy afa-manoatra.
Mety ho sarotra aminao koa ny hifehy ny fihetseham-ponao, rehefa mahita ny havan-tianao mijaly ianao. Narary mafy efa ho faty ny rahavavin’i Hosa, any Brezila. Hoy izy: “Tena mafy ny mahita olona iray tena tianao manaintaina tsy an-kijanona.” Nitaraina mafy toy izao i Mosesy, lehilahy nahatoky, rehefa nahafantatra fa lasa boka ny anabaviny: Nomery 12:12, 13.
“Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy!”—Ory isika, rehefa mahita ny fijalian’ny mpianakavintsika marary, satria isika natao araka ny endrik’i Jehovah Andriamanitra, izay tia mangoraka. (Genesisy 1:27; Isaia 63:9) Inona no tsapan’i Jehovah rehefa mahita olona mijaly izy? Diniho hoe inona no tsapan’i Jesosy, izay nanahaka tanteraka ny Rainy. (Jaona 14:9) “Nangoraka” izy, rehefa nahita olona narary. (Matio 20:29-34; Marka 1:40, 41) Tantarain’ilay lahatsoratra teo aloha, fa rehefa maty i Lazarosy naman’i Jesosy, ka hitan’i Jesosy ny alahelon’ny havana aman-tsakaizany, dia nihetsi-po be izy ka ‘nirotsaka ny ranomasony.’ (Jaona 11:32-35) Milaza mihitsy ny Baiboly fa fahavalo ny fahafatesana. Mampanantena koa anefa izy io fa ho foana ny aretina sy ny fahafatesana.—1 Korintianina 15:26; Apokalypsy 21:3, 4.
Rehefa renao fa marary efa ho faty ny havan-tianao, dia tsy mahagaga raha mety ho te hanome tsiny olona ianao, na iza io na iza. Mangidy tokoa mantsy izany! Mariho anefa ny nolazain’ilay psikology atao hoe Marta Ortiz, izay nikaroka momba ny fikarakarana marary efa ho faty. Nanoro hevitra izy hoe: “Aza omena tsiny noho ny mahazo an’ilay marary ny hafa: Na ny dokotera izany, na ny mpitsabo mpanampy, na ny tenanao. Vao mainka hanasarotra ny fifandraisana izany, ary hahatonga anao hanadino ny tena zava-dehibe, dia ny fikarakarana izay ilain’ilay marary efa ho faty.” Inona avy àry no azonao atao, mba hanampiana an’ilay havanao hizaka ny aretiny sy hiatrika ny fahafatesana?
Ilay olona eritreretina, fa tsy ny aretiny
Voalohany, ny maha izy azy tadidina, fa aza mifantoka amin’ny vokatr’ilay aretina, izay mety ho nampahalemy azy, na nanimba ny bika aman’endriny. Inona no hanampy anao? Hoy i Sarah, mpitsabo mpanampy: “Maka fotoana aho hijerena sarin’ilay marary tamin’
izy mbola navitrika. Henoiko tsara koa izy rehefa mitantara ny lasa. Manampy ahy izany mba hitadidy ny zava-bitany sy ny zavatra niainany, fa tsy hifantoka amin’ny vokatr’ilay aretina.”Manazava izay ataony mba tsy hifantohana amin’ny vokatr’ilay aretina i Anne-Catherine, izay mpitsabo mpanampy koa. Hoy izy: “Jereko eo amin’ny masony ilay marary, ary eritreretiko tsara izay azoko atao mba hanamaivanana ny mahazo azy.” Hoy koa ny boky iray momba ny fikarakarana marary efa ho faty: “Sadaikatra be ny ankamaroan’ny olona, rehefa mahita hoe simba ny tarehy na ny bika aman’endrik’ilay havan-tiany, noho ny aretina na ny loza nahazo azy. Ny zavatra tsara indrindra tokony hatao amin’izay fotoana izay, dia ny mijery azy eo amin’ny masony, ary mitadidy fa tsy niova ny maha izy azy, na dia marary aza izy.”
Mitaky fifehezan-tena sy fikirizana tokoa izany. Hoy i Georges, mpiandraikitra kristianina izay mpitsidika olona marary efa ho faty: “Tokony hahery kokoa ny fitiavantsika an’ilay namantsika, noho izay mety ho fihetseham-pontsika manoloana ny aretiny.” Samy handray soa ianareo, raha izy no eritreretinao fa tsy ny aretiny. Hoy i Yvonne, izay nikarakara ankizy voan’ny kansera: “Ho tantinao ny hahita ny fahasimban’ny bika aman’endrik’ilay marary, raha takatrao fa afaka manampy azy mba tsy hahatsiaro tena ho menatra amin’izany ianao.”
Aoka ianao ho vonona hihaino
Mety tsy hazoto hamangy olona marary efa ho faty ny olona sasany, na dia tena tia azy aza. Nahoana? Matahotra izy ireo sao tsy hahita hotenenina. Ilaina koa anefa ny fahanginana, raha ny fahitan’i Anne-Catherine azy. Vao avy nikarakara namana iray narary efa ho faty izy, ary nilaza hoe: “Tsy ny teny ihany no mitondra fampaherezana, fa ny fihetsika koa. Afaka maka seza sy mipetraka ianao, ohatra, ary manatona an’ilay marary sy mandray ny tanany. Avelao hirotsaka ny ranomasonao, raha mamoaka ny ao am-ponao izany. Hita amin’izany rehetra izany ny fiahianao azy.”
Azo inoana fa mila mamboraka izay ao am-pony ilay havanao, izany hoe tsy hisalasala fa hiresaka amim-pahatsorana tanteraka. Fantatr’ireny marary ireny anefa fa mahasadaikatra ny havany izany, ka tsy sahy miresaka amin’izy ireo momba ny zava-dehibe sasany mahakasika azy izy. Ny tapaka sy namana koa mety tsy te hiresaka amin’ilay marary momba ny zavatra tiany ho fantatra, na ny tsipiriany sasany mahakasika ny fahasalamany mihitsy aza. Inona no vokatr’izany? Nilaza ny dokotera iray mpikarakara marary efa ho faty, fa ‘rehefa afenina amin’ilay marary ny tena mahazo azy, dia lasa tsy mahavita miatrika an’ilay aretina izy, sady tsy sahy miresaka an’ilay izy. Manjary tsy manana hery hikarakarana azy koa ny havany.’ Tokony havela hiresaka amim-pahatsorana momba izay mahazo azy, na ny fahafatesana mety hihatra aminy àry ilay marary, raha izay no faniriany.
Tsy nisalasala niresaka momba ny tahotra nahazo azy tamin’i Jehovah Andriamanitra ny mpanompony fahiny, rehefa norahonan’ny fahafatesana. Namboraka ny adin-tsainy, ohatra, i Hezekia Mpanjaka tamin’izy 39 taona, rehefa nahalala fa ho faty. (Isaia 38:9-12, 18-20) Tsy maintsy avela hilaza ny alahelony koa ny olona marary efa ho faty. Mety ho kivy izy, satria tsy tody amin’ny tanjona niriny. Mety mba naniry hitety tany izy, ohatra, na hiteraka, na hahita ny zafikeliny, na hanompo an’Andriamanitra bebe kokoa. Mety hatahotra koa izy sao hihatakatahan’ny havana aman-tsakaizany, satria tsy hain’izy ireo izay tokony hatao. (Joba 19:16-18) Mety hiady saina koa izy, satria matahotra ny hijaly, na tsy hahafehy ny vatany intsony, na ho faty irery.
Hoy ihany i Anne-Catherine: “Tena tokony havelanao hiresaka ilay namanao. Aza manapaka ny teniny, na mitsaratsara azy, na milaza aminy hoe tsy misy antony tokony hatahorany. Ho fantatrao tsara amin’izay ny faniriany sy izay mampatahotra azy ary ny zavatra antenainy.”
Fantaro izay tena ilainy
Mety hijaly be ilay namanao, ary mety hanampy trotraka an’izany ny fitsaboana mahery vaika atao aminy sy ny vokany. Mety hiady saina mafy amin’izany rehetra izany ianao, ka hanadino ny zavatra iray tena ilainy, dia ny fahafahana hisafidy.
Any amin’ny tany sasany, dia mety hafenin’ny fianakaviana amin’ilay marary ny fivoaran’ilay aretina, satria te hiaro azy izy ireo. Mety tsy havelan’izy ireo hifidy ny fitsaboana hatao aminy akory aza izy. Olana hafa kosa no hita any amin’ny tany sasany. Hoy i Jerry, mpitsabo mpanampy: “Fanaon’ny mpamangy indraindray ny mijoro eo anilan’ilay marary sady miresaka azy, ka toy ny hoe efa tsy eo intsony izy.” Samy tsy manaja an’ilay marary ireo fihetsika roa ireo.
Ankoatra izany, dia mila fanantenana ny marary. Velom-panantenana izy ireny, rehefa mahita fitsaboana mety handaitra. Voan’ny kansera ny renin’i Michelle, ary intelo niverina ilay izy. Hoy i Michelle: “Manampy an’i Neny hanao fikarohana aho, rehefa te hanandrana fitsaboana hafa izy, na te hijery dokotera hafa. Marina fa tsy manantena aho hoe ho sitrana tampoka izy, nefa miezaka aho mba hanao teny mampahery azy.”
Ahoana anefa raha tsy misy fanantenana hahita fitsaboana mandaitra? Tadidio fa mila miresaka amim-pahatsorana momba ny fahafatesana ilay marary. Hoy i Georges, ilay voaresaka tetsy aloha: “Tsy tokony hafenina mihitsy hoe efa akaiky ho faty izy. Ho afaka hikarakara izay rehetra mila halaminy izy amin’izay, sady ho afaka hiomana hiatrika fahafatesana.” Ho afa-po izy satria hahavita izay tokony hataony, sady tsy hiady saina hoe sao dia ho lasa enta-mavesatra ho an’ny hafa.
Ekena fa tena sarotra ny miresaka an’izany. Ho afaka hamboraka izay any am-ponao lalina anefa ianao, mandritra ireo fotoana tsy hiverina intsony ireo. Mety haniry handamina ny disadisa nitranga koa ilay havanao efa ho faty, na hilaza ny nenina tsapany, na hangata-pamelana. Mety hahatonga anareo hiraiki-po kokoa noho ny hatramin’izay àry io fifampiresahana io.
Ampaherezo izy amin’ireo ora faramparany ahavelomany
Ahoana no hampaherezanao ny olona efa akaiky ho faty? Hoy i Ortiz, voaresaka tetsy aloha: “Avelao hilaza ny hetahetam-pony farany ilay marary. Henoy tsara izy. Ataovy izay angatahiny, raha azo atao, kanefa tsory aminy raha tsy ho vitanao ilay izy.”
Amin’io fotoana io angamba izy no tena te hifandray amin’ireo olona maminy indrindra. Hoy i Georges: “Ampio izy mba hifandray amin’izy ireo, na dia ho vetivety ihany aza ny resaka, noho izy efa reraka.” Afaka mifampahery sy miara-mivavaka izy ireo, na dia an-telefaonina aza. Nisy olona telo maty nifanesy tao amin’ny fianakavian’i Christina, any Kanada. Hoy izy: “Vao mainka nila ny vavaka nataon’ny mpiara-manompo ireo havako ireo, rehefa nihananatona ny fotoana hahafatesany.”
Tokony hisalasala hitomany eo anoloan’ilay havanao ve ianao? Tsia. Ho afaka hampahery anao aza izy, rehefa mahita anao mirotsa-dranomaso. Hoy ny boky iray manazava ny zavatra ilain’ireo marary efa ho faty: “Mampihetsi-po lalina ny hoe ampaherezin’ny olona eo ambavahoanan’ny fahafatesana. Tena ilain’izy ireo koa izany.” Izy aloha no tena karakaraina, nefa rehefa afaka mampahery ny hafa izy, dia ho tsapany fa mbola namana, na ray, na reny afaka mikarakara ny hafa foana izy.
Marina fa mety tsy ho afa-manoatra ianao, ka tsy ho eo anilan’ilay havanao mandritra ireo ora faramparany ahavelomany. Raha afaka Joba 14:14, 15; Asan’ny Apostoly 24:15.
ny ho eo anilany ihany anefa ianao any amin’ny hopitaly na ao an-trano, dia raiso ny tanany ary hazòny hatramin’ny farany. Mety ho afaka hamboraka fihetseham-po izay mbola tsy navoakanao mihitsy ianao amin’izay. Mety tsy hihontsina izy, nefa aza avela hisakana anao tsy hanao veloma azy izany. Lazao aminy fa tena tianao izy, ary manantena hihaona aminy indray ianao, rehefa hatsangana amin’ny maty izy.—Tsy hanenina ianao any aoriana any, raha hararaotinao tsara ny fotoana farany iarahanareo. Mety hampahery anao mihitsy aza ny fahatsiarovana an’ireo fotoana nampihetsi-po lalina ireo, amin’ny hoavy. Ho tena namana ‘namonjy tamin’ny fahoriana’ ianao amin’izay.—Ohabolana 17:17.
[Teny notsongaina, pejy 27]
Samy handray soa ianareo, raha izy no eritreretinao fa tsy ny aretiny
[Efajoro/Sary, pejy 29]
Fomba Hanajana ny Marary
Misy ezaka atao any amin’ny tany maro, mba hampahafantarana ny rehetra fa manana zo hohajaina sy ho faty amim-piadanana ny marary efa ho faty. Ho voahaja ireo zo ireo, raha efa voasoratra amin’ny taratasy ny toromarik’ilay marary. Azony atao koa amin’izay ny mifidy ny ho faty ao an-tranony, na any amin’izay toerana ikarakarana azy.
Raha efa voasoratra ny toromarik’ilay marary, dia:
• afaka mifampiresaka tsara ny dokotera sy ny fianakaviany
• ilay marary no manapa-kevitra, fa tsy ny fianakaviany
• tsy hisy fitsaboana hatao aminy, ka tsy tiany, na tsy mandaitra, na mahery vaika loatra, na lafo be
Ireto, fara fahakeliny, no tokony hosoratana ao:
• Ny anaran’ilay olona notendrenao hisolo tena anao sy handray fanapahan-kevitra momba ny fahasalamanao
• Ny fitsaboana hekenao na tsy hekenao, raha toa ka tsy misy fomba azo anatsarana ny fahasalamanao intsony
• Ny anaran’ny dokotera mahalala an’ireo safidinao, raha mety izany
[Sary, pejy 26]
Tsarovy ny zava-bitany sy ny zavatra niainany, fa aza mifantoka amin’ny vokatr’ilay aretina