Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Nahoana no lafo vidy be ilay menaka manitra nampiasain’i Maria?

“Nitondra tavoahangy vatosanga nisy menaka manitra lafo vidy, dia narda tena izy”, i Maria, anabavin’i Lazarosy, ary naidiny tamin’i Jesosy. Andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesan’i Jesosy no nanaovany izany. (Marka 14:3-5; Matio 26:6, 7; Jaona 12:3-5) Nitentina denaria 300 ilay menaka, araka ny fitantaran’i Marka sy Jaona. Karaman’ny olon-tsotra nandritra ny herintaona teo ho eo izany.

Avy taiza io menaka manitra lafo vidy io? Misy mihevitra fa zavamaniry kely manitra (Nardostachys jatamansi) hita tany amin’ireo Tendrombohitra Himalaya, no nanamboarana ilay narda voaresaka ao amin’ny Baiboly. Matetika no nitapoka ny narda lafo vidy, ary nisy aza tsy tena izy. Samy nilaza anefa i Marka sy Jaona, fa “narda tena izy” ilay menaka nampiasain’i Maria. Mety ho avy tany Inde, izay lavitra an’i Israely, izy io matoa tena lafo.

Nitantara i Marka fa ‘novakin’i Maria ilay tavoahangy vatosanga.’ Inona no anton’izany? Mazàna no kely ny tendan’ny tavoahangy vatosanga, ka azo nohidiana tsara ny vavany mba tsy hivoahan’ilay fofona mamerovero. Hoy i Alan Millard ao amin’ilay bokiny hoe Zavatra Hita Tamin’ny Andron’i Jesosy (anglisy): “Faly be ilay vehivavy ka tsy ny vavan’ilay tavoahangy no nosokafany, fa [ny tendan’ilay izy] kosa no novakiny, mba hanentohento eran’ny trano avy hatrany ny fofon’ilay menaka.” Izany no nahatonga an’ilay trano ho “feno ny hanitr’ilay menaka.” (Jaona 12:3) Lafo vidy tokoa ilay fanomezana, nefa mendrika an’i Jesosy. Nahoana? Satria vao haingana no natsangan’i Jesosy tamin’ny maty i Lazarosy, anadahin’io vehivavy io, ka nankasitraka izany izy.—Jaona 11:32-45.

Tanàna iray sa roa no nantsoina hoe Jeriko?

Samy mitantara momba ny fanasitranana mahagaga nitranga teo akaikin’i Jeriko i Matio sy Marka ary Lioka. (Matio 20:29-34; Marka 10:46-52; Lioka 18:35-43) Milaza i Matio sy Marka fa rehefa “nivoaka” an’i Jeriko i Jesosy no nanao ilay fahagagana. I Lioka kosa milaza fa rehefa “nanakaiky” an’i Jeriko izy no nanao izany.

Tanàna iray sa roa no nantsoina hoe Jeriko, tamin’ny andron’i Jesosy? Mamaly toy izao ny boky hoe Baiboly Fahiny sy Ankehitriny (anglisy): “Tamin’i Jesosy tetỳ an-tany, dia nisy tanàna iray nantsoina hoe Jeriko [koa], naorina tany amin’ny 1,6 kilaometatra atsimon’ilay [Jeriko] fahiny. Nanorina lapa tao i Heroda Lehibe mba hipetrahany rehefa ririnina.” Manamarina izany ny boky hoe Ny Arkeolojia sy ny Tantara ao Amin’ny Baiboly (anglisy). Izao no voalazany: “Roa ny tanàna nantsoina hoe Jeriko, tamin’ny andron’i Jesosy. ... Niala 1,6 kilaometatra avy teo amin’ilay tanàna fahiny naorin’ny Jiosy ilay tanàna naorin’ny Romanina.”

Mety ho tamin’izy nivoaka an’ilay tanàna naorin’ny Jiosy sy nanakaiky an’ilay tanàna naorin’ny Romanina, na ny mifamadika amin’izany àry, no nanaovan’i Jesosy an’ilay fahagagana. Hazava amintsika ireo hevitra toa mifanohitra ao amin’ny Baiboly, raha fantatsika ny zava-misy tamin’ny fotoana nanoratana azy.

[Sary, pejy 31]

Tavoahangy vatosanga fasiana menaka manitra

[Sary nahazoan-dalana]

© Réunion des Musées Nationaux/Art Resource, NY