Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hita Amin’ny Fitiavan’ny Reny ny Fitiavan’Andriamanitra

Hita Amin’ny Fitiavan’ny Reny ny Fitiavan’Andriamanitra

Hita Amin’ny Fitiavan’ny Reny ny Fitiavan’Andriamanitra

“Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.”—ISAIA 49:15.

MAHAZO aina erỳ ny zazakely rehefa minono eo am-pofoan-dreniny. Ahitana taratra ny atao hoe fitiavana izany. Hoy i Pam: “Nientam-po be aho raha vao nitrotro voalohany ny zanako kely. Tsapako koa anefa fa nisy andraikitra lehibe niandry ahy.”

Misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fitomboan’ny zaza ny fitiavan’ny reny, ary manamarina izany ny fikarohana nataon’ny manam-pahaizana. Namoaka an’izao fanazavana izao ny Fandaharan’asan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana Ara-tsaina: “Hita tamin’ny fanadihadiana natao fa malahelo lava, kivikivy, ary mikorontan-tsaina mihitsy aza ny zaza tsy raharahain-dreniny sady tsy miara-mipetraka aminy.” Voalaza tao koa fa marani-tsaina kokoa ny ankizy nanehoana fitiavana sy fiahiana hatramin’ny fahakeliny, raha mitaha amin’ireo ankizy tsy nisy mpiahy.

Nilaza i Alan Schore, profesora ao amin’ny oniversite iray any Etazonia, fa tena ilaina ny fitiavan’ny reny. Hoy izy: “Miankina amin’ny fifandraisana nisy teo amin’ny olona iray sy ny reniny tamin’izy mbola kely, ny fomba ifandraisany amin’ny olon-kafa.”

Mampalahelo fa lasa tsy miraharaha ny zanany ny reny sasany, na mety ‘hanadino ny zanany minono’ mihitsy aza, noho ny hakiviana na ny aretina, na ny olana hafa. (Isaia 49:15) Maningana anefa izany. Toa efa natao hitia ny zanany ny reny. Hitan’ny mpikaroka fa mitombo be ny hormonina atao hoe ôsitôsinina mandritra ny fotoana hiterahan’ny vehivavy. Mampikainkona ny tranonjaza izy io eo am-piterahana, ary mahabetsaka ny nonon-dreny. Mahatonga ny reny ho tia sy hiahy ny zanany koa izy io, ary samy manana azy io na ny lehilahy na ny vehivavy.

Iza no loharanon’ny fitiavana?

Milaza ireo mampianatra momba ny evolisiona fa tongatonga ho azy ny fitiavana tsy mitady valiny, toy ny asehon’ny reny amin’ny zanany. Lazain’izy ireo fa nandova an’io karazana fitiavana io avy tamin’ny biby razambeny ny olombelona, ary niezaka nitana an’io toetra io satria nahasoa azy izany. Hoy ny fandaharana iray momba ny reny tao amin’ny Internet: “Nolovantsika avy tamin’ny biby mandady ny tapany voalohany amin’ny atidohantsika. Fa ilay faharoa kosa nivoatra miandalana. Avy ao amin’io tapany faharoa io ny fihetseham-pontsika. Io no mampifandray akaiky ny reny sy ny zanany.”

Nasehon’ny fikarohana tokoa fa misy ampahany amin’ny atidohantsika mahatonga antsika hanana fihetseham-po. Kanefa mitombina ve aminao ny hoe tongatonga ho azy avy tamin’ny atidohan’ny biby mandady ny fitiavan’ny reny ny zanany?

Andeha indray isika handinika fanazavana hafa. Milaza ny Baiboly fa noforonin’Andriamanitra tahaka ny endriny ny olombelona. Midika izany fa afaka maneho ny toetrany isika. (Genesisy 1:27) Ny fitiavana no toetran’Andriamanitra lehibe indrindra. Hoy ny apostoly Jaona: ‘Izay tsy tia dia mbola tsy mahalala an’Andriamanitra.’ Fa nahoana? “Satria Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Mariho fa tsy milaza io andinin-teny io hoe manana fitiavana Andriamanitra, fa hoe Andriamanitra dia fitiavana. Izy no Loharanon’ny fitiavana.

Hoy ny Baiboly momba ny fitiavana: “Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo, tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana fa mifaly noho ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zava-drehetra, mino ny zava-drehetra, manantena ny zava-drehetra, miaritra ny zava-drehetra. Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.” (1 Korintianina 13:4-8) Tongatonga ho azy ve izany toetra faran’izay tsara izany?

Inona no vokatr’izany eo aminao?

Irinao ve ny hanehoana an’ilay karazana fitiavana voalaza etsy ambony? Ara-dalàna raha maniry izany ianao. Nahoana? Satria “naterak’Andriamanitra isika.” (Asan’ny Apostoly 17:29) Noforonina mba hitia sy hotiavina isika. Afaka matoky koa isika fa tena tia antsika Andriamanitra. (Jaona 3:16; 1 Petera 5:6, 7) Lazain’ilay andinin-teny terỳ am-piandohana fa mahery sy maharitra kokoa ny fitiavan’Andriamanitra antsika raha ampitahaina amin’ny fitiavan’ny reny ny zanany.

Mety hanontany tena toy izao anefa ianao: ‘Raha hendry sy mahery ary be fitiavana Andriamanitra, nahoana izy no tsy manafoana ny fijaliana? Nahoana no avelany ho faty ny ankizy, ary avelany hanjaka ny fampahoriana? Nahoana ny tany no avelany hosimban’ny olona tsy mahay mitantana sy tia tena?’ Mila valiny tokoa ireo fanontaniana ireo.

Azo fantarina tsara ny valin’ireo fanontaniana ireo, na inona na inona lazain’ireo misalasala momba ny fisian’Andriamanitra. Nahita izany ireo olona an-tapitrisany any amin’ny tany 200 mahery, rehefa nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Asainay koa ianao mba hanao toa azy ireo. Hitombo ny fahalalanao raha mianatra ny Tenin’Andriamanitra sy mandinika ireo zavatra noforoniny ianao. Hiaiky ianao fa azo fantarina tsara Andriamanitra, sady “tsy lavitra antsika tsirairay.”—Asan’ny Apostoly 17:27.

[Teny notsongaina, pejy 8]

Maharitra kokoa ny fitiavan’Andriamanitra antsika, raha ampitahaina amin’ny fitiavan’ny reny ny zanany