Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hita Amin’ny Zavaboary ny Fahendren’Andriamanitra

Hita Amin’ny Zavaboary ny Fahendren’Andriamanitra

Hita Amin’ny Zavaboary ny Fahendren’Andriamanitra

“Manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an’ny biby ambonin’ny tany” izy, ary “manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an’ny voro-manidina.”—JOBA 35:11.

MANANA fahaizana mahavariana ny vorona. Mahagaga ny mpamorona fiaramanidina ny fahaizan’izy ireny manidina. Manao dia an’arivony kilaometatra ny vorona sasany, ary tsy mahita afa-tsy ranomasimbe nefa tsy very. Tody any amin’izay alehany izy ireo.

Mampiharihary ny fahendren’ny Mpamorona koa, ny fahaizan’ny vorona mifampiresaka amin’ny alalan’ny sioka sy hirahira. Diniho ange ireto ohatra ireto e!

Resaky ny vorona

Mbola ao anaty atody ny vorona sasany dia efa mifampiresaka. Manatody iray isan’andro, ohatra, ny papelika, ary valo ny atodiny, fara fahakeliny. Raha mitovy ny halavan’ny fotoana mahafoy ny atody tsirairay, dia ho sahirana ilay papelika. Hisy atody iray ho foy mantsy isan’andro, ka sady hitaiza an’ireo efa foy izy, no hikotrika ny atody iray farany amin’ny andro fahafito. Tsy izany anefa no mitranga. Foy ao anatin’ny adiny enina izy rehetra. Fa nahoana? Ny antony iray lehibe, hoy ny mpikaroka, dia satria mifampiresaka izy ireo na dia mbola ao anaty atody aza. Toy ny hoe mifanaraka izy ireo mba hifanakaiky ny fotoana hivoahany avy ao anaty akora.

Rehefa mihalehibe ny vorona, dia ny lahy mazàna no mihira. Manao izany izy rehefa hitady vady sy hampahafantatra ny faritaniny. Misy an’arivony ny karazam-borona, kanefa samy manana ny feony sy ny hirahira mampiavaka azy. Manampy ny vorona vavy hahalala ny vorona lahy iray karazana aminy izany.

Vao mangiran-dratsy na rehefa mody masoandro ny vorona no tena mihira. Nahoana? Tony ny rivotra amin’izay, ary tsy misy firy ny tabataba. Hitan’ny mpikaroka fa avo 20 heny noho ny amin’ny antoandro ny haavon’ny feom-borona re amin’ny maraina sy ny takariva.

Na dia ny lahy aza mazàna no mihira, dia manana feo isan-karazany ny vorona lahy sy vavy. Samy manana ny heviny izy ireny. Manana feo sivy, ohatra, ny vorona iray mitovitovy amin’ny fody. Hafa ny feony, rehefa mampitandrina ny namany izy hoe misy vorona mpihaza mihaodihaody eny amin’ny habakabaka. Hafa indray ny feony, raha avy etỳ ambany ilay loza.

Fanomezana tsy manan-tsahala

Mahavariana tokoa ny fahendrena nomen’Andriamanitra ny vorona. Mbola mahavariana kokoa noho ny an’ny vorona anefa ny fahaizan’ny olona mifampiresaka. Nomen’Andriamanitra ‘fahendrena mihoatra noho ny an’ny voro-manidina’ ny olona, hoy ny Joba 35:11. Miavaka ny olombelona, satria afaka mampita hevitra sarotra amin’ny alalan’ny feo na fihetsika.

Afaka mianatra teny sarotra ny zazakely, fa tsy mba toy ny zanaka vorona na zanaka biby hafa. Hoy ny gazety Mpahay Siansa Amerikanina ao amin’ny Internet: “Afaka mianatra miteny ny zaza, na dia tsy miresaka aminy aza ny ray aman-dreniny. Mahavita mamorona tenin’ny tanana azy manokana ny ankizy marenina, na dia tsy misy mahay tenin’ny tanana aza ao an-tranony.”

Fanomezana mahatalanjona avy amin’Andriamanitra tokoa ny fahaizantsika milaza ny eritreritsika sy mamoaka ny fihetseham-pontsika amin’ny alalan’ny teny na fihetsika. Mbola fanomezana sarobidy lavitra noho izany anefa ny vavaka, izay resaka atao amin’i Jehovah Andriamanitra. Manasa antsika hiresaka aminy mihitsy aza izy, raha ny marina. Hoy ny Baiboly: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.”—Filipianina 4:6.

Tian’i Jehovah haka torohevitra ao amin’ny Baiboly isika, rehefa handray fanapahan-kevitra sarotra. Mirakitra torohevitra feno fahendrena mantsy izy io. Atorony antsika koa ny fomba hampiharana an’ireo torohevitra hitantsika ao. Hoy i Jakoba mpanoratra Baiboly: “Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra, fa malala-tanana amin’ny rehetra izy sady tsy manome tsiny. Ary dia homena azy izany.”—Jakoba 1:5.

Inona no vokatr’izany eo aminao?

Inona no tsapanao rehefa mandre siokam-borona mahafinaritra, na feon-jazakely vao miana-miteny? Hitanao eo amin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra ve ny fahendreny?

Rehefa avy nisaintsaina ny fomba nanamboarana ny tenany i Davida mpanao salamo, dia nilaza tamin’Andriamanitra hoe: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” (Salamo 139:14) Miharihary eo amin’ny zavaboary ny fahendren’Andriamanitra. Rehefa misaintsaina an’izany ianao, dia hino kokoa fa tena mahay mitari-dalana anao izy.

[Teny notsongaina, Pejy 5]

Fanomezan’Andriamanitra ny fahaizana mifampiresaka

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

© Dayton Wild/Visuals Unlimited