Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanasitrana Tamin’ny Fomba Mahagaga i Jesosy

Nanasitrana Tamin’ny Fomba Mahagaga i Jesosy

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora

Nanasitrana Tamin’ny Fomba Mahagaga i Jesosy

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.—VAKIO NY MATIO 15:21-28.

Nanao ahoana ny fihetseham-pon’ilay reny?

․․․․․

Nanao ahoana ny toe-peon’i Jesosy ao amin’ireto andininy ireto?

24 ․․․․․ 26 ․․․․․ 28 ․․․․․

FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Impiry i Jesosy no nampiseho tamin’ny fihetsiny sy ny fiteniny, fa tsy hanasitrana ny zanak’ilay vehivavy izy?

․․․․․

Nahoana i Jesosy no tsy nety nanasitrana ny zanak’ilay vehivavy, tamin’ny voalohany?

․․․․․

Nahoana i Jesosy no nanasitrana azy ihany avy eo?

․․․․․

AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY...

Fahaizan’i Jesosy nilefitra.

․․․․․

Fomba anahafanao izany toetra izany, rehefa mifandray amin’ny hafa.

․․․․․

ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.—VAKIO NY MARKA 8:22-25.

Raha teo ianao, inona no feo mety ho renao sy zavatra mety ho hitanao tao an-tanàna sy teny ivelan’ny tanàna?

․․․․․

FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Nahoana no nentin’i Jesosy tany ivelan’ny tanàna ilay lehilahy, vao nositraniny?

․․․․․

AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY...

Fangorahan’i Jesosy an’ireo kilemaina, na dia tsy nanana kilema mihitsy aza izy.

․․․․․

INONA TAMIN’NY ZAVATRA VOARESAKA TAO AMIN’IREO TANTARA ROA IREO NO TENA NANOHINA NY FONAO, ARY NAHOANA?

․․․․․