Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsapany ny Fahoriantsika

Tsapany ny Fahoriantsika

Manatòna An’Andriamanitra

Tsapany ny Fahoriantsika

Jaona 11:33-35

HOY ny misionera Vavolombelon’i Jehovah iray efa zokiolona: ‘Ny fiaraha-miory dia fahatsapana ny fahorian’ny hafa ao am-ponao.’ Toetra sarobidy tokoa izy io. I Jehovah Andriamanitra no mahay miara-miory indrindra. Toy ny mihatra aminy mihitsy ny fahoriana manjo ny vahoakany. Nahoana isika no matoky izany? Niharihary tamin’ny tenin’i Jesosy sy ny zavatra nataony tetỳ an-tany izany. (Jaona 5:19) Diniho, ohatra, ny fitantarana ao amin’ny Jaona 11:33-35.

Nankany amin’ny tanànan’i Lazarosy namany i Jesosy, rehefa reny fa maty izy. Nalahelo be i Maria sy Marta, anabavin’i Lazarosy, ary ara-dalàna izany. Niraiki-po tamin’io fianakaviana io i Jesosy. (Jaona 11:5) Inona izao no hataony? Hoy ilay fitantarana: “Nisento lalina i Jesosy rehefa hitany fa nigogogogo nitomany i Maria sy ireo Jiosy niaraka taminy, ka vonton’alahelo izy. Dia hoy izy: ‘Aiza no nametrahanareo azy?’ Hoy ireo: ‘Tompo ô, andao jereo!’ Ary nirotsaka ny ranomason’i Jesosy.” (Jaona 11:33-35) Nahoana i Jesosy no nitomany? Marina fa maty i Lazarosy namana tsy foiny, nefa efa hanangana azy izy. (Jaona 11:41-44) Mbola nisy zavatra hafa nampalahelo azy ve?

Jereo indray ilay fitantarana etsy ambony. Mariho fa “nisento lalina” sy “vonton’alahelo” i Jesosy, rehefa hitany nitomany i Maria sy ireo niaraka taminy. Milaza fihetseham-po mafy ireo teny grika nadika hoe “nisento lalina” sy hoe “vonton’alahelo.” * Nampihetsi-po lalina an’i Jesosy ny zavatra hitany, ka nanganohano ny masony. Hita àry fa nanohina ny fony ny fahoriana nanjo ny hafa. Efa mba latsa-dranomaso koa ve ianao, rehefa nahita ny olona iray tianao nitomany?—Romanina 12:15.

Nahay niara-niory tamin’ny hafa i Jesosy. Manampy antsika hahalala ny toetran’i Jehovah Rainy sy ny fomba fanaovany zavatra izany. Tadidio fa nanahaka tanteraka ny toetran’ny Rainy i Jesosy, ka afaka nilaza hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” (Jaona 14:9) Hitantsika amin’ilay teny hoe “nirotsaka ny ranomason’i Jesosy” àry, fa azo antoka hoe tsapan’i Jehovah ny fahorian’ny mpivavaka aminy. Manamafy izany ny mpanoratra hafa ao amin’ny Baiboly. (Isaia 63:9; Zakaria 2:12) Andriamanitra be fitiavana tokoa i Jehovah!

Tiantsika ny olona mahay miara-miory amin’ny hafa. Manintona antsika ny olona mahatsapa ny fahoriantsika sy izay manjo antsika, rehefa kivy isika. Vao mainka àry isika voasarika hanatona an’i Jehovah, satria Andriamanitra mangoraka izy ary mahatsapa ny fahoriantsika sy ny antony itomaniantsika.—Salamo 56:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Matetika no midika hoe “mitomany mangina”, ilay teny grika nadika hoe ‘mirotsa-dranomaso.’ Mety hidika hoe “mitomany mafy, na midradradradra” kosa ilay teny nilazana ny fitomanian’i Maria sy ireo niaraka taminy.