Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Mino Raha Tsy Mahita

Tsy Mino Raha Tsy Mahita

Tsy Mino Raha Tsy Mahita

“Mihevitra [ny olona sasany] fa tsy ho fantatra mihitsy ny marina momba an’Andriamanitra sy ny hoavy, izay zavatra tena mahaliana ny Kristianina sy ny mpivavaka hafa. Na ho fantatra aza izany, hoy izy ireo, dia mbola tsy amin’izao fotoana izao.”—FILOZOFA BERTRAND RUSSELL, 1953.

IREO olona misalasala momba ny fisian’Andriamanitra no manana an’io fomba fihevitra io. Niresaka momba azy ireo koa ilay manam-pahaizana atao hoe Thomas Huxley, izay teraka tamin’ny 1825. Niara-belona tamin’i Charles Darwin izy sady nanohana ny fampianarany momba ny evolisiona. Nanoratra i Huxley tamin’ny 1863 fa tsy mahita porofo mihitsy izy hoe misy izany Andriamanitra “tia sy miahy antsika izany, izay inoan’ny Kristianina rehetra.”

Maro no miombon-kevitra amin’ireo olo-malaza ireo, ary milaza fa tsy mino afa-tsy ny zavatra hitany. Mety hilaza izy ireo, fa minomino foana ny olona mino ny fisian’ny zavatra iray na olona iray kanefa tsy misy porofo.

Ary ahoana hoy ny Baiboly? Mampirisika antsika hino an’Andriamanitra ve izy io na dia tsy misy porofo aza? Tsia. Asehony kosa fa hadalana ny mino zavatra tsy misy porofo. Hoy izy io: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.”—Ohabolana 14:15.

Tena misy porofo tokoa ve hoe misy Andriamanitra? Ary raha misy izy, moa ve izy tia sy miahy antsika?

Miharihary ny toetran’Andriamanitra

Nilaza tamin’ny manam-pahaizana tao Atena i Paoly mpanoratra Baiboly hoe: ‘Nanao izao tontolo izao sy ny zava-drehetra ao aminy Andriamanitra.’ Nilaza tamin’ireo olona be fisalasalana ireo koa izy hoe miahy ny olombelona Andriamanitra ary “tsy lavitra antsika tsirairay.”—Asan’ny Apostoly 17:24-27.

Nahoana i Paoly no niaiky fa misy Andriamanitra sady miahy ny olona noforoniny? Nilaza antony iray tamin’ireo Kristianina tany Roma izy hoe: ‘Ny toetran’Andriamanitra tsy hita maso, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.’—Romanina 1:20.

Hiresaka momba ireo toetran’Andriamanitra telo hita amin’ny zavatra noforoniny ireo lahatsoratra manaraka. Eritrereto izao eo am-pamakiana azy ireo: ‘Inona no tokony ho vokatr’izany toetran’Andriamanitra izany eo amiko?’

[Teny notsongaina, pejy 3]

Mampirisika antsika hino an’Andriamanitra ny Baiboly sady manome porofo fa misy izy