Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio ny Zanakao Hizaka ny Alahelony

Ampio ny Zanakao Hizaka ny Alahelony

Ampio ny Zanakao Hizaka ny Alahelony

NIKIAKIAKA tamin’ny mpivarotra tao amin’ny fivarotam-boky iray ny renim-pianakaviana iray hoe: ‘Mba feno boky koa ato, nefa tsisy boky afaka manampy ny zanako!’ Maty tampoka ny havan’izy ireo akaiky, ka nitady boky hanampiana an-janany izy.

Rariny tokoa raha nanahy ilay ramatoa. Mampalahelo be mantsy ny ankizy rehefa maty ny olona iray tiany. Salama sy mavitrika erỳ izy ireo rehefa voakarakaran’ny ankohonany tsara, kanefa mety hopaohin’ny fahafatesana ny olona iray tena tiany eo anivon’ny fianakaviana. Ahoana àry no ataonao raha eo ambavahoanan’ny fahafatesana, na maty vao haingana, ny olona iray tena tian’ny zanakao?

Marina fa efa miady mafy ianao mba hizakana ny alahelonao. Aza hadinoina anefa fa mila ny fanampianao koa ny zanakao. Hoy ny boky navoakan’ny toerana iray fitaizana zaza kamboty any Minnesota, Etazonia: “Mety handre sombintsombiny amin’ny resaky ny olona ny ankizy, ary matetika no hafa mihitsy ny fandraisany an’ilay resaka.” Hoy ihany io boky io: “Tokony holazaina amin’ny ankizy ny tena marina.” Tsara àry raha hazavaina amin’ny ankizy ny zava-nitranga, ary atao araka izay takatry ny sainy ilay fanazavana. Mety ho sarotra anefa izany satria tsy mora mahazo hevitra ny ankizy sasany.—1 Korintianina 13:11.

Fomba hanazavana ny atao hoe fahafatesana

Sarotra indraindray ny manazava amin’ny ankizy momba ny fahafatesan’ny olona iray. Milaza ny mpikaroka sasany fa mila mitandrina ny ray aman-dreny raha mampiasa teny toy ny hoe “matory”, na “lasa”, na “tsy namantsika intsony izy.” Hanakorontana ny sain’ny ankizy mantsy izany raha tsy hazavaina. Marina fa noharin’i Jesosy tamin’ny olona matory ny olona maty, ary mety tsara izany. Tsy niresaka tamin’ny ankizy anefa i Jesosy tamin’izay, sady nohazavainy ilay fanoharana avy eo. Hoy izy tamin’ny mpanara-dia azy: “Matory i Lazarosy namantsika.” Olon-dehibe ny mpianany, kanefa mbola nihevitra ihany izy ireo hoe “fialan-tsasatra amin’ny torimaso” no tian’i Jesosy horesahina. Novantanin’i Jesosy toy izao àry ilay resaka: “Maty i Lazarosy.” (Jaona 11:11-14) Raha olon-dehibe aza mila fanazavana toy izany, tsy mainka ve fa ny ankizy?

Hoy ny mpanoratra atao hoe Mary sy James Emswiler: “Mety hampiasa teny tsy dia mivantana loatra ny reny rehefa manazava amin-janany momba ny fahafatesan’ny olona iray. Mety hampita hevitra hafa tanteraka ao an-tsain-janany anefa izany, ka hanimba na hampahatahotra an’ilay ankizy.” Raha maty, ohatra, ny dadaben’ilay ankizy, ka ilazana fotsiny izy hoe ‘matory i Dadabe’, dia mety hatahotra handeha hatory izy amin’ny alina, sao dia tsy hifoha intsony. Raha ilazana fotsiny koa izy hoe ‘lasa i Dadabe’, dia mety hahatsiaro tena ho nilaozana izy na tsy noraharahaina.

Hitan’ny ray aman-dreny maro fa mora takatry ny ankizy kokoa ny teny tsotra sy mivantana, noho ny teny miolakolaka. (1 Korintianina 14:9) Milaza ny mpikaroka fa tokony hampirisihin’ny ray aman-dreny hametraka fanontaniana sy hitantara izay mampanahy azy ny ankizy. Raha miresaka aminy matetitetika ianao, dia hazava tsara aminy ny zava-drehetra, ary mety ho hitanao izay lafin-javatra mbola ilany fanampiana.

Tari-dalana azo ianteherana

Rehefa misy fahoriana manjo ny fianakaviana, dia ianao no ianteheran’ny zanakao mba hanampy sy hanome azy tari-dalana ary hamaly ny fanontaniany. Aiza àry no hahitanao fanazavana marina tsara momba ny fahafatesana? Maro no miaiky fa manome fampiononana sy fanantenana azo antoka ny Baiboly. Manome fanazavana marina tsara momba ny niandohan’ny fahafatesana, sy ny toetoetry ny maty, ary ny fanantenana ho an’ny maty izy io. Ilay fahamarinana tsotra nefa mazava hoe ‘tsy mahalala na inona na inona ny maty’, dia hanampy ny zanakao hahalala fa tsy mijaly ilay havany maty. (Mpitoriteny 9:5) Mampanantena koa Andriamanitra ao amin’ny Baiboly fa mbola hahita an’ireny havan-tiantsika nodimandry ireny isika ao amin’ny paradisa eto an-tany.—Jaona 5:28, 29.

Raha mampiasa ny Soratra Masina ianao, dia hanampy ny zanakao hahita fa manome tari-dalana azo antoka izy io sady manome fampiononana amin’ny zavatra mampahory rehetra. Ho hitany koa fa miantehitra amin’ny Tenin’Andriamanitra ianao mba hahazoana tari-dalana amin’ireo raharaha lehibe eo amin’ny fiainana.—Ohabolana 22:6; 2 Timoty 3:15.

Valim-panontaniana

Mety tsy ho hitanao izay hatao indraindray mba hanampiana ny zanakao hizaka ny alahelony. Inona àry no azonao atao? * Ireto ny fanontaniana sasantsasany mety ho tonga ao an-tsainao.

Tokony hafeniko amin’ny zanako ve hoe malahelo aho? Ara-dalàna raha te hiaro ny zanakao ianao. Tsy tsara ve anefa raha hitan’ny zanakao hoe malahelo ianao? Maro no miaiky fa tsy tokony hafenin’ny ray aman-dreny ny tena fihetseham-pony. Amin’izay dia ho fantatry ny ankizy hoe zavatra ara-dalàna izany malahelo izany. Resahin’ny ray aman-dreny sasany amin-janany ny momba an’ireo olona lazain’ny Baiboly fa nitomany teo imason’olona. Nitomany, ohatra, i Jesosy rehefa maty i Lazarosy namany tsy foiny. Tsy mba nanafina ny fihetseham-pony izy.—Jaona 11:35.

Tokony hoentiko handevina na hanatrika lahatenim-pandevenana ve ny zanako? Raha ho any ny zanakao, dia tsara raha hazavaina aminy mialoha hoe inona avy no hatao any, ary nahoana. Mety hanapa-kevitra ny ray aman-dreny hoe tsy hoentiny hanatrika ny fandaharana rehetra na ny sasany aminy ny zanany. Mety handray soa anefa ny ankizy manatrika ny lahateny ara-baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hampahery azy ireo koa rehefa tonga any, ny fitiavana sy “firaiketam-po lalina” asehon’ny olona.—Romanina 12:10, 15; Jaona 13:34, 35.

Tokony hiresadresaka amin-janako momba an’ilay olona maty ve aho? Milaza ny manam-pahaizana sasany fa raha tsy miresaka momba an’ilay olona mihitsy ianao, dia mety hihevitra ny zanakao hoe misy zavatra afeninao momba an’ilay olona, na tsy tianao hotsarovana intsony izy. Hoy ilay mpanoratra atao hoe Julia Rathkey: “Tena ilaina ny manampy ny ankizy hahatakatra hoe maty tokoa ilay havan-tiany, ary tsy diso izy raha mahatsiaro azy.” Mety hanampy mba hizakana ny alahelo ny firesahana an’ilay olona maty, anisan’izany ny toetra tsarany sy ny zavatra tsara nataony. Rehefa mampahery an-janany ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah, dia miresaka momba an’ilay fampanantenana hoe tsy hisy intsony ny aretina sy ny fahafatesana ao amin’ny paradisa, ary hatsangana ny maty.—Apokalypsy 21:4.

Ahoana no hanampiako ny zanako raha malahelo be izy? Mety harary ny zanakao na hiova ny fihetsiny, rehefa maty ny olona iray akaikin’ny fony. Mety ho tezitra na hikorontan-tsaina izy, satria diso fanantenana na mahatsiaro ho tsy afa-manoatra. Aza gaga àry raha manamelo-tena ny zanakao, na lasa tsy te hisaraka aminao, na matahotra be raha vao marary ianao na tara vao tonga ao an-trano. Inona àry no azonao atao? Ataovy tsapany hoe hitanao ny fahoriany. Miezaha hahatakatra ny fihetseham-pony ary araho maso izay manjo azy. Aza adika vilana na hamaivanina ny manjo an’ilay ankizy, satria mety ho nisy fiantraikany lalina teo aminy ny fahafatesan’ilay olona. Omeo toky foana izy, ary ampirisiho hametraka fanontaniana sy hamboraka ny ao am-pony. Hamafiso amin’ny alalan’ny “fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina” ny fanantenanao, ary ampio koa ny zanakao mba hanana fanantenana toy izany.—Romanina 15:4.

Rahoviana vao tokony haverina amin’ny laoniny ny fiainanay? Tsara, hoy ny manam-pahaizana, raha hazonina araka izay azo atao ny fahazarana efa nananan’ny fianakaviana. Hanampy anareo hizaka an’ilay fahoriana izany. Tsapan’ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah maro, fa nampahery azy mianakavy sady nampilamina ny fiainany ny fanaovana zavatra ara-panahy tsy tapaka, toy ny fianaram-pianakaviana sy ny famonjena fivoriana.—Deoteronomia 6:4-9; Hebreo 10:24, 25.

Mandra-pahatongan’ny fotoana hanafoanan’i Jehovah Andriamanitra ny aretina sy ny fahafatesana, dia mety hitranga ny hoe hindaosin’ny fahafatesana ny olona iray akaikin’ny fon’ny ankizy. (Isaia 25:8) Ho afaka hizaka an’izany fahoriana izany anefa izy ireo, raha ampiana sy omena toky.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Tsy fitsipika ny fanazavana omena ato. Tsy mitovy mantsy ny toe-javatra sy ny fomba fanao amin’ny firenena sy ny kolontsaina rehetra.

[Teny notsongaina, pejy 19]

Ampirisiho hametraka fanontaniana sy hitantara izay mampanahy azy ny zanakao

[Sary, pejy 20]

Hazòny ny fahazaranareo, anisan’izany ny fianaram-pianakaviana