Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety ve ny Mampiasa ny Anaran’Andriamanitra?

Mety ve ny Mampiasa ny Anaran’Andriamanitra?

Mety ve ny Mampiasa ny Anaran’Andriamanitra?

MIVERINA efa ho im-7000 ny anaran’Andriamanitra amin’ny litera hebreo hoe יהוה (vakina avy any ankavanana) ao amin’ny Soratra Hebreo, na “Testamenta Taloha.” Toy izao no fanononana an’ireo litera ireo: Yôda, He, Vao, He, ary adika matetika hoe YHWH.

Nanjary ninonino foana ny Jiosy fahiny, ka nihevitra fa tsy mety ny mampiasa ny anaran’Andriamanitra. Tsy nety nanonona azy io intsony izy ireo ary nosoloany teny hafa rehefa nila nosoratana. Maro tamin’ny mpandika Baiboly anefa no nampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe “Iaveh” na “Jehovah.” Iray amin’ireny ny Fandikan-teny Katolika. Rehefa nanontany an’Andriamanitra i Mosesy hoe inona no holazainy raha manontany azy ny Israelita hoe iza no naniraka azy, dia namaly toy izao Andriamanitra: “Lazao amin’ny zanak’Israely hoe: Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’Isaaka, Andriamanitr’i Jakoba, no maniraka ahy ho aty aminareo. Fa izany no anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.”—Eksaody 3:15.

Nolazain’i Jesosy tao amin’ny vavaka nataony fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra izy. Hoy izy: “Efa nampahafantariko ny anaranao izy, sady mbola hampahafantariko koa.” Nilaza toy izao koa izy ao amin’ilay vavaka atao hoe Rainay Izay any An-danitra: “Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.”—Joany 17:26; Matio 6:9, Kat.

Mahagaga àry ny tenin’ny Papa Benoît Faha-16 momba ny anaran’Andriamanitra. Hoy izy ao amin’ilay boky hoe Jesoa avy any Nazareta (anglisy): ‘Tena rariny raha tsy nety nanonona ny anaran’Andriamanitra ny Israelita, dia ilay soratana hoe YHWH. Tsy te hampietry ny anaran’Andriamanitra izy ireo sao hampitovy azy io amin’ny anaran’ireo andriamanitry ny mpanompo sampy. Tsy mety àry ny ataon’ireo mpandika Baiboly ankehitriny. Heverin’izy ireo ho toy ny anarana fahiny fotsiny ny anaran’Andriamanitra ka ampiasainy, kanefa ny Israelita aza nihevitra azy io ho mifono mistery sy tsy azo tononina.’

Ahoana ny hevitrao? Mety sa tsy mety ny mampiasa ny anaran’Andriamanitra? Raha i Jehovah aza milaza hoe “izany no anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby”, misy olona afaka manohitra an’izany ve?

[Sary, pejy 30]

Nampiasa ny anaran’Andriamanitra i Jesosy rehefa nivavaka