Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kely Sisa dia ho Paradisa ny Tany!

Kely Sisa dia ho Paradisa ny Tany!

Kely Sisa dia ho Paradisa ny Tany!

“Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.”—Matio 6:9, 10.

MANOME fanantenana io vavaka malaza io, izay antsoin’ny maro hoe Rainay Izay any An-danitra, na Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Inona izany fanantenana izany?

Voalaza ao amin’io vavaka io fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hahatonga ny sitrapon’Andriamanitra hatao etỳ an-tany, toy ny efa anaovana izany any an-danitra. Ny hamerina ny tany ho Paradisa no sitrapony. (Apokalypsy 21:1-5) Inona marina no atao hoe Fanjakan’Andriamanitra, ary ahoana no hamerenan’izy io ny tany ho Paradisa?

Tena fitondram-panjakana

Tena fitondram-panjakana ny Fanjakan’Andriamanitra. Misy mpitondra sy lalàna ary vahoaka ao amin’ny fitondram-panjakana iray. Toy izany koa ve ny Fanjakan’Andriamanitra? Diniho ny valiny omen’ny Baiboly amin’ireto fanontaniana telo ireto:

Iza avy no mpitondra? (Isaia 33:22) Nanendry an’i Jesosy Kristy Zanany ho filohan’ilay Fanjakana i Jehovah Andriamanitra. (Matio 28:18) Teo ambany fitarihan’i Jehovah kosa no nifidianan’i Jesosy olona vitsivitsy avy tamin’ny “foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra.” Ho “mpanjaka hitondra ny tany” miaraka aminy izy ireo.—Apokalypsy 5:9, 10.

Inona avy no lalàna tokony hankatoavin’ny vahoakany? Mandidy ny hanaovana zavatra ny lalàna sasany. Nampahafantatra ny lalàna lehibe indrindra, ohatra, i Jesosy rehefa nilaza hoe: “ ‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.’ Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany. Ny faharoa, izay toy izany ihany, dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ ”—Matio 22:37-39.

Ny lalàna hafa indray kosa mandrara ny fanaovan-javatra sasany. Milaza mazava tsara, ohatra, ny Baiboly hoe: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpanitsakitsa-bady, na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana, na lehilahy miray amin’ny lehilahy, na mpangalatra, na olona manana faniriana tsy mety afa-po, na mpimamo, na mpanevateva, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.”—1 Korintianina 6:9, 10.

Iza no vahoakany? Nampitaha azy ireo tamin’ny ondry i Jesosy, ary nilaza hoe: “Hihaino ny feoko izy, ka ho tonga andiany iray ireo, sady ho iray ihany ny mpiandry.” (Jaona 10:16) Ny olona te ho vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy milaza fotsiny hoe manara-dia an’i Jesosy, ilay Mpiandry Tena Tsara, fa tsy maintsy manatanteraka ny didiny koa. Nilaza i Jesosy hoe: “Tsy izay rehetra milaza amiko hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô’, no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.”—Matio 7:21.

Noho izany, dia mampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ny vahoakany, sady manome voninahitra azy io, toy ny nataon’i Jesosy. (Jaona 17:26) Mankatò ny didin’i Jesosy izy ireo, ka mampianatra ny olona ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana.” (Matio 24:14; 28:19, 20) Tena mifankatia koa izy ireo.—Jaona 13:35.

‘Horinganina izay manimba ny tany’

Asehon’ny zava-mitranga eran-tany fa tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia hitondra fiovana lehibe eto an-tany. Ahoana no ahalalantsika izany? Roa arivo taona lasa izay, dia nanome famantarana misy lafiny maro i Jesosy, mba hahitantsika fa “akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 21:31) Nasehon’ilay lahatsoratra teo aloha fa efa miharihary eran-tany izao ireo lafiny amin’io famantarana io.

Inona no hitranga aorian’izany? Hoy i Jesosy: “Amin’izany fotoana izany, dia hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” (Matio 24:21) Tsy avy amin’ny ataon’ny olombelona io loza io, fa avy amin’Andriamanitra mihitsy. ‘Handringana izay manimba ny tany’ izy. (Apokalypsy 11:18) “Hofongorana amin’ny tany” ny ratsy fanahy, izay tia tena ka saika efa nahatonga ny tany ho potika tanteraka. Ny tsy manan-tsiny, izay manompo an’Andriamanitra araka ny sitrapony kosa no “ho sisa mitoetra ao.”—Ohabolana 2:21, 22.

Rariny raha mandray fepetra hentitra toy izany i Jehovah Andriamanitra. Nahoana? Eritrereto hoe manana trano ianao, ary misy mpanofa maromaro ao amin’ilay izy. Ny sasany maneho fiheverana ny olona, tsara fanahy, mandoa hofan-trano, ary mikarakara tsara ny tranony. Ny hafa kosa mpanakorontana, tia tena, tsy mandoa hofan-trano, ary manimba trano. Tsy miova izy ireo, na dia efa nampitandremanao imbetsaka aza. Ahoana no hataonao? Ianao no tompon-trano, ka azo antoka fa horoahinao ireo mpanofa trano ratsy toetra ireo.

Toy izany koa i Jehovah Andriamanitra. Izy no Mpamorona ny tany sy izay rehetra eo aminy, ka manana zo izy hanapa-kevitra hoe iza no havelany hipetraka eto. (Apokalypsy 4:11) Efa nilaza i Jehovah fa hesoriny eto an-tany ny ratsy fanahy, izay tsy manao ny sitrapony sy manao tsinontsinona ny zon’ny hafa.—Salamo 37:9-11.

Haverina ho paradisa ny tany

Tsy ho ela dia hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Jesosy Kristy. Nantsoin’i Jesosy hoe “fanavaozana” izany fiandohana vaovao izany. (Matio 19:28) Hanao ahoana ny fiainana amin’izay fotoana izay? Diniho ireto fampanantenana ao amin’ny Baiboly ireto:

Salamo 46:9. “Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy.”

Isaia 35:1. “Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia.”

Isaia 65:21-23. “Ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany. Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka.”

Jaona 5:28, 29. “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny [feon’i Jesosy], dia hivoaka izy ireo.”

Apokalypsy 21:4. “[Hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”

Nahoana isika no afaka mino an’izany?

Mino ireo fampanantenana ao amin’ny Baiboly ve ianao? Nilaza mialoha ny Baiboly fa maro no tsy hino. Izao no voalaza ao: ‘Amin’ny andro farany, dia hisy mpaneso handeha araka ny faniriany, ka hilaza hoe: “Aiza akory izay fanatrehany nampanantenaina eo? Efa hatramin’ny andro nahafatesan’ny razantsika no tsy niovan’ny zava-drehetra fa mbola mitovy tanteraka amin’izay nisy hatrany am-piandohan’ny famoronana.” ’ (2 Petera 3:3, 4) Diso tanteraka anefa ireny mpanaraby ireny. Diniho ireto hevitra efatra ireto, fa ho hitanao hoe azo inoana ny zavatra lazain’ny Baiboly:

1) Efa nandringana ny ratsy fanahy teto an-tany Andriamanitra taloha. Ohatra miavaka amin’izany ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa.—2 Petera 3:5-7.

2) Efa voalaza mialoha tao amin’ny Tenin’Andriamanitra ireo zava-mitranga eran-tany.

3) Tsy “mitovy tanteraka amin’izay nisy hatrany am-piandohan’ny famoronana” ny zava-drehetra. Mihamikororosy tsy misy hoatr’izany ny fiaraha-monina sy ny fitondran-tenan’ny olona ary ny tontolo iainana.

4) Torina eran-tany izao ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana”, ary midika izany fa tsy ho ela dia “ho tonga ny farany.”—Matio 24:14.

Manasa anao hianatra Baiboly miaraka aminy ny Vavolombelon’i Jehovah. Amin’izay ianao dia hianatra bebe kokoa momba ilay fanantenana fiainana mandrakizay eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Jaona 17:3) Hoavy mahatalanjona tokoa no miandry ny olombelona, ary kely sisa dia ho tanteraka izany! Ho eo ve ianao amin’izay?

[Teny notsongaina, pejy 7]

Diso hevitra tanteraka izay milaza fa tsy hiova mihitsy ny fiainana, fa ho toy ny hatramin’izay ihany

[Sary, pejy 8]

Ho eo ve ianao?