Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahakasika ny Fomba Ifandraisana Amin’ny Hafa

Mahakasika ny Fomba Ifandraisana Amin’ny Hafa

Inona no Nampianarin’i Jesosy Antsika...

Mahakasika ny Fomba Ifandraisana Amin’ny Hafa

Nahoana isika no tokony ho tsara fanahy?

Tsara fanahy ve ianao, na dia ratsy fanahy aminao aza ny olona? Tsy maintsy tsara fanahy isika na dia amin’ireo mankahala antsika aza, raha te hanahaka an’i Jesosy. Hoy mantsy izy: ‘Fa raha izay tia anareo no tianareo, inona no fahamendrehanareo amin’izany? Na ny mpanota aza mantsy mba tia an’izay tia azy koa. Mifanohitra amin’izany kosa fa tiavo foana ny fahavalonareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo, satria izy tsara fanahy amin’izay tsy mankasitraka sy amin’ny ratsy fanahy.’—Lioka 6:32-36; 10:25-37.

Nahoana isika no tokony hamela heloka?

Irintsika hamela ny helotsika Andriamanitra rehefa manao fahadisoana isika. Nampianarin’i Jesosy fa mety ny mivavaka mba hahazoana famelan-keloka. (Matio 6:12) Nilaza koa anefa izy fa tsy hamela ny helotsika Andriamanitra, raha tsy mamela heloka isika. Hoy izy: “Raha mamela ny heloky ny olona ianareo, dia hamela ny helokareo koa ny Rainareo any an-danitra, fa raha tsy mamela ny heloky ny olona kosa ianareo, dia tsy hamela ny helokareo koa ny Rainareo.”—Matio 6:14, 15.

Ahoana no hahasambatra ny fianakaviana?

Tsy nanambady i Jesosy, nefa maro ny zavatra azo ianarana avy aminy, mahakasika ny fomba hananana fianakaviana sambatra. Namela modely hotahafintsika izy, tamin’ny teniny sy ny nataony. Diniho ireto lafin-javatra telo ireto:

1. Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy. Nanome modely ho an’ny lehilahy manambady i Jesosy. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba hifankatiavanareo.” Fitiavana manao ahoana izany? “Toy ny nitiavako anareo”, hoy izy. (Jaona 13:34) Ampiharin’ny Baiboly amin’ny lehilahy manambady io toro lalana io, ka izao no lazainy: “Ry lehilahy, tiavo mandrakariva ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy. Toy izany no tokony hitiavan’ny lehilahy ny vadiny tahaka ny tenany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy misy olona mankahala ny nofony, fa mamelona azy io kosa, ary mikarakara azy amim-pitiavana tahaka ny ataon’i Kristy amin’ny fiangonana.”—Efesianina 5:25, 28, 29.

2. Tsy tokony hivadika amin’ny vadiny ny olona manambady. Manota amin’Andriamanitra ny olona manitsakitsa-bady, sady manimba ny tokantranony. Hoy i Jesosy: ‘Mbola tsy novakinareo ve hoe: “Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa”? Koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona. Lazaiko aminareo fa izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho ny fijangajangana ihany angaha no antony isarahany.’—Matio 19:4-9.

3. Tokony hankatò ray aman-dreny ny ankizy. Nankatò ny ray aman-dreniny tsy lavorary i Jesosy tamin’izy mbola kely, na dia lavorary aza izy. Hoy ny Baiboly momba an’i Jesosy, tamin’izy 12 taona: “Niara-nidina tamin’izy ireo [ny ray aman-dreniny] nankany Nazareta izy, ka nankatò azy ireo foana.”—Lioka 2:51; Efesianina 6:1-3.

Nahoana no tokony hampiharina ireo toro lalana ireo?

Hoy i Jesosy mahakasika ny lesona nampianariny ny mpianany: “Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo raha manao izany.” (Jaona 13:17) Tsy maintsy ampiharintsika ny torohevitr’i Jesosy mahakasika ny fomba ifandraisana amin’ny hafa, raha maniry ho tena Kristianina isika. Hoy izy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.”—Jaona 13:35.

Raha te hahazo fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 14 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 16, 17]

Hita tamin’ny fanoharan’i Jesosy momba ilay zanaka mpandanilany foana, fa zava-dehibe ny ho tsara fanahy sy hamela heloka.—Lioka 15:11-32

[Sary, pejy 17]

Tsy tokony hivadika amin’ny vadiny ny olona manambady