Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Nampitana ny Fampianarana Kristianina?

Ahoana no Nampitana ny Fampianarana Kristianina?

Ahoana no Nampitana ny Fampianarana Kristianina?

MPINO maro be hatramin’izay no nanokana ora maro hamakiana sy hianarana ary hamakafakana asa soratra anisan’ny malaza indrindra. Tsy inona izany fa ny Soratra Grika Kristianina, na Testamenta Vaovao. Tena namolavola ny fiaraha-monina izy io sy ny ampahany hafa amin’ny Baiboly. Ny zavatra voalazan’ireo no namaritana ny fitsipika momba ny fitondran-tena sy izay mety sy tsy mety. Nitondra aingam-panahy ho an’ny mpanoratra sy ny mpanakanto koa izy ireo. Izao anefa no tena mampiavaka azy ireo: Nanampy olona an-tapitrisany hahalala an’Andriamanitra sy Jesosy ireo soratra ireo. Anisan’izany angamba ianao.—Jaona 17:3.

Tsy nosoratana avy hatrany taorian’ny nahafatesan’i Jesosy ny Filazantsara sy ny ampahany hafa amin’ny Soratra Grika Kristianina. Toa 7 na 8 taona tatỳ aoriana i Matio no nanoratra ny Filazantsarany, ary 65 taona teo ho eo tatỳ aoriana no nanoratan’i Jaona ny azy. Nanoratra ny tenin’i Jesosy sy izay nataony izy ireo, ary tsy nisy diso mihitsy izany. Ahoana no nahavitan’izy ireo izany? Azo inoana fa nahazo ny fitarihan’ny fanahy masin’Andriamanitra izy ireo. (Jaona 14:16, 26) Ahoana anefa no nampitana marina tsara ny fampianaran’i Jesosy, izay lasa anisan’ny Soratra Masina tatỳ aoriana?

“Tsy nahay taratasy mihitsy” ve izy ireo?

Nisy nilaza fa tsy nandrakitra an-tsoratra ny fampianaran’i Jesosy sy izay nataony ny mpianany, fa nampita izany am-bava fotsiny. Nilaza, ohatra, ny manam-pahaizana iray hoe: “Efa am-polony taona maromaro taorian’ny nanaovan’i Jesosy ny fanompoany, ireo mpanoratra ny Filazantsara vao nandrakitra an-tsoratra ny teniny. Talohan’izay dia nampitaina am-bava ny zavatra fantatra momba an’i Jesosy.” Misy aza mpikaroka milaza fa “tsy nahay taratasy mihitsy” ny mpianatr’i Jesosy voalohany. * Nilaza koa izy ireo fa nitarina na nampifanarahina tamin’ny zava-misy ny fitantarana momba ny fanompoan’i Jesosy, nandritra ireo am-polony taona nampitana izany am-bava. Noho izany, hoy izy ireo, dia tsy azo inoana ho marina tsara ireny fitantarana ireny.

Misy koa manam-pahaizana mihevitra fa mety ho nampiasa ny fomba fampianatry ny raby ireo mpianatr’i Jesosy nifanerasera akaiky taminy: Izany hoe averimberina ny zavatra iray, mba ho mora tadidy. Marina tsara ny zavatra ampitaina am-bava, rehefa arahina io fomba io. Am-bava daholo àry ve no nampitan’ny mpianatr’i Jesosy ny zavatra fantany? Nety ho nampiasa soratra koa ve izy ireo, mba hiraketana ny fitantarana momba ny fanompoan’i Jesosy? Marina fa tsy azontsika antoka tanteraka izay nitranga. Afaka milaza anefa isika fa nampiasa soratra koa izy ireo.

Efa nahazatra ny olona ny soratra

Nahay namaky teny sy nanoratra ny sokajin’olona rehetra tamin’ny taonjato voalohany. Niresaka momba izany i Alan Millard, manam-pahaizana momba ny teny hebreo sy teny hafa fampiasan’ny Jiosy fahiny. Hoy izy: “Maro ny zavatra voasoratra tamin’ny teny grika sy aramianina ary hebreo. Saika nanana an’izany avokoa ny olona avy tamin’ny saranga rehetra. Izany no tontolo nisy an’i Jesosy.”

Misy manizingizina fa “nosoratana teo anivon’ny fiaraha-monina tena tsy nahay taratasy” ny Filazantsara. Hoy anefa ny Profesora Millard: “Tsy azo inoana loatra izany, [satria] tsy maintsy ho nahalala ny atao hoe soratra ny olona na taiza na taiza nisy azy ... Mazàna àry no nisy olona afaka nanoratra izay zavatra reny tamin’izany, mba hampiasainy any aoriana, na mba hampitaina amin’ny olon-kafa.”

Toa nanana takelaka voahosotra savoka ny olona tamin’izany andro izany, ary nampiasaina mba hanoratana ilay izy. Mampiseho izany, ohatra, ny Lioka toko voalohany. Tantaraina ao fa nanontaniana an’i Zakaria hoe iza no tiany hatao anaran-janany. Lasa moana vetivety anefa izy, ka hoy ny andininy faha-63: “Nangataka takela-kazo i Zakaria [nanao fihetsika tamin’ny tanana angamba izy] ka nanoratra hoe: ‘Jaona no anarany.’ ” Hazavain’ny diksionera momba ny Baiboly, fa “takela-kazo” fanoratana no resahina eo, ary angamba voahosotra savoka. Mety ho nitondra takelaka toy izany ny iray tamin’ireo olona tafavory teo, mba hanoratan’i Zakaria.

Misy porofo hafa mampiseho fa nahalala ny atao hoe takelaka fanoratana ny olona tamin’izany andro izany, ary nahay nampiasa azy ireny. Milaza ny Asan’ny Apostoly fa niresaka tamin’ny vahoaka tao amin’ny tempoly i Petera indray mandeha, ary nampirisika azy ireo hoe: “Mibebaha ... hamonoana ny fahotanareo.” (Asan’ny Apostoly 3:11, 19) Ilay hoe ‘mamono’ dia avy amin’ny matoanteny grika midika hoe “mamafa.” Milaza Ny Diksionera Iraisam-pirenena Momba ny Testamenta Vaovao (anglisy) fa “misy sary ampitain’ilay matoanteny eo amin’io andininy io sy ny andininy hafa koa angamba.” Voalaza ao fa izy io dia milaza “famafana takelaka fanoratana iray mihosotra savoka, mba halama tsara ka ho azo anoratana indray.”

Porofoin’ny fitantarana ao amin’ny Filazantsara koa fa azo inoana hoe nampiasa soratra ny sasany tamin’ny mpanara-dia an’i Jesosy sy ny mpihaino azy, teo amin’ny asa fanaony andavanandro. Anisan’izany i Matio sy Zakaiosy, izay samy mpamory hetra (Matio 9:9; Lioka 19:2); ny mpitantana synagoga iray (Marka 5:22); ny manamboninahitra iray (Matio 8:5); i Johana, vadin’ny manam-pahefana ambony iray tamin’ny andron’i Heroda Antipasy (Lioka 8:3); ny mpanora-dalàna, ny Fariseo, ny Sadoseo, ary ny olona sasany tao amin’ny Fitsarana Avo. (Matio 21:23, 45; 22:23; 26:59) Azo antoka fa maro tamin’ny apostolin’i Jesosy sy ny mpianany no nahay nanoratra, raha tsy izy rehetra mihitsy aza.

Mpianatra sy mpampianatra ary mpanoratra

Nila nahafantatra izay nolazain’i Jesosy sy nataony ny mpianany, mba hahafahany hampita ny fampianarany. Nila nahatakatra izay voalazan’ny Lalàna sy ny faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo momba azy koa anefa izy ireo. (Asan’ny Apostoly 18:5) Mahaliana ny zavatra nolazain’i Lioka momba ny fivoriana iray niarahan’i Jesosy tamin’ny mpianany sasany, taoriana kelin’ny nitsanganany tamin’ny maty. Inona no nataon’i Jesosy? “Nohazavainy tsara tamin’ireo ny hevitry ny teny momba azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra.” Nilaza toy izao tamin’ny mpianany izy taoriana kelin’izay: “ ‘Izao no teny nolazaiko taminareo fony aho mbola teo aminareo, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nosoratana momba ahy ao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ao amin’ny Mpaminany ary ny Salamo.’ Dia nosokafany tanteraka ny sain’ireo mba ho azon’izy ireo tsara ny hevitry ny Soratra Masina.” (Lioka 24:27, 44, 45) ‘Tsaroan’ny’ mpianatra, tatỳ aoriana, ny fahendrena nampitain’i Jesosy tamin’izy ireo.—Jaona 12:16.

Hita amin’ireny fitantarana ireny fa tsy maintsy ho nikaroka sy nianatra tsara ny Soratra Masina ny apostoly sy ireo mpianatr’i Jesosy, mba hahafantarany tsara ny dikan’ny zavatra hitany sy reny mifandray amin’i Jesosy Kristy, Tompony. (Lioka 1:1-4; Asan’ny Apostoly 17:11) Nanoratra momba izany i Harry Gamble, manam-pahaizana momba ny fivavahana ao amin’ny Oniversiten’i Virginie. Hoy izy: ‘Tsy isalasalana mihitsy fa efa hatrany am-piandohan’ny fivavahana kristianina no nisy Kristianina nanokan-tena handinika akaiky ny [Soratra Hebreo] sy hanazava izany. Tao amin’izy io izy ireo no nitady [porofo] an-tsoratra momba ny zavatra inoan’ny Kristianina, izay ho azony ampiasaina amin’ny fitoriany.’

Hita amin’izany rehetra izany fa tsy nianina fotsiny tamin’izay nampitaina taminy am-bava ny mpianatr’i Jesosy voalohany. Nazoto nianatra sy namaky ary nanoratra koa izy ireo, ary nanokana fotoana betsaka tamin’izany mihitsy aza. Fa ny tena zava-dehibe, dia niantehitra tamin’ny tari-dalan’ny fanahy masina izy ireo. Nanome toky azy ireo i Jesosy fa ‘hampahatsiaro azy ireo izay rehetra nolazainy ny fanahin’ny fahamarinana.’ (Jaona 14:17, 26) Ny fanahy masin’Andriamanitra no tena nanampy azy ireo hitadidy sady hanoratra izay nolazain’i Jesosy sy nataony, na dia lava be aza ny teniny sasany, toy ny Toriteny teo An-tendrombohitra. (Matio, toko faha-5-7) Nitarika an’ireo mpanoratra ny Filazantsara koa ny fanahy, mba hanoratra izay tsapan’i Jesosy sy ny vavaka nataony.—Matio 4:2; 9:36; Jaona 17:1-26.

Tsy isalasalana àry fa samy nampiasain’ny mpanoratra Filazantsara ny zavatra nampitaina am-bava sy izay firaketana an-tsoratra nisy tamin’izany. Azo antoka kokoa anefa ny zavatra nosoratan’izy ireo, satria avy amin’i Jehovah Andriamanitra mihitsy. Noho izany, dia afaka matoky tanteraka isika fa “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra”, ary afaka mampianatra sy mitarika antsika mba hanao izay mampifaly azy.—2 Timoty 3:16.

[Fanamarihana ambany pejy]

[Teny notsongaina, pejy 14]

Azo inoana fa nampiasa soratra tamin’ny asany andavanandro ny sasany tamin’ny mpanara-dia an’i Jesosy

[Teny notsongaina, pejy 15]

Nanampy ny mpianatr’i Jesosy voalohany mba hitadidy sy hanoratra izay nolazainy sy nataony ny fanahy masina

[Efajoro/Sary, pejy 15]

 Tsy Nahay Taratasy ve ny Apostoly?

“Gaga” ny manam-pahefana sy ny anti-panahin’i Jerosalema, “rehefa nahita ny fahasahian’i Petera sy Jaona, ary fantany fa tsy dia nahita fianarana izy roa lahy sady olon-tsotra.” (Asan’ny Apostoly 4:13) Tena tsy nahita fianarana tokoa ve ireo apostoly, ka tsy nahay namaky teny sy nanoratra? Izao no voalaza momba izany, ao amin’ny Fanazavana Vaovao Momba ny Baiboly (anglisy): “Tsy azo raisina ara-bakiteny angamba ireo teny ireo, ka toy ny hoe tsy nandia fianarana mihitsy i Petera [sy Jaona], ary tsy nahay namaky teny sy nanoratra. Mampiseho fotsiny izy ireo fa avy amin’ny saranga tena tsy mitovy ireo mpitsara sy ny apostoly.”

[Sary, pejy 13]

Takelaka voahosotra savoka sy fitaovana fanoratana tamin’ny taonjato voalohany na faharoa

[Sary, pejy 13]

“Nangataka takela-kazo i Zakaria ka nanoratra hoe: ‘Jaona no anarany’ ”

[Sary nahazoan-dalana]

© British Museum/Art Resource, NY