Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andro Manan-tantara!

Andro Manan-tantara!

Andro Manan-tantara!

Nivoaka “Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao” amin’ny teny malagasy

ANDRO manan-tantara ny 1 Aogositra 2008. Tamin’io mantsy no navoaka tamin’ny teny malagasy Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

Manatevin-daharana an’ireo Baiboly fampiasan’ny olona matahotra an’Andriamanitra eto Madagasikara ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Inona anefa no mbola ilana Baiboly vaovao toy izany? Iza no nanao azy io? Ahoana no ahazoanao antoka fa azo itokisana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?

Nahoana no misy dikan-tenin’ny Baiboly maro be?

Be dia be ny dikan-tenin’ny Baiboly navoaka tato ho ato. Sambany àry no nisy tamin’ny fiteny sasany ny Tenin’Andriamanitra. Efa misy amin’ny fiteny maro koa anefa ny Baiboly, ary mbola misy dikan-teny vaovao navoaka tamin’ireny fiteny ireny. Fa nahoana? Hoy ilay boky hoe Nahoana no Misy Dikan-teny Maro be? (anglisy), nataon’i Sakae Kubo sy Walter Specht: “Tsy misy dikan-tenin’ny Baiboly azo lazaina hoe farany. Mitombo ny zavatra fantatr’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly, ary miova koa ny fiteny, ka tsy maintsy ampifanarahina amin’izany ny fandikan-teny.”

Nitombo be ankehitriny ny fahatakarana ny teny hebreo sy aramianina ary grika, fiteny nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany. Maro koa ny sora-tanana hita, izay tranainy kokoa sy marina kokoa noho ireo nampiasain’ny mpandika Baiboly tany aloha. Azo adika araka ny marina kokoa noho ny hatramin’izay àry ny Baiboly ankehitriny!

Niresaka an-kolaka raharaham-barotra Ny Gazetin’i Atlantika Mivoaka Isam-bolana (anglisy), ka nilaza hoe: “Mahagaga fa fitadiavam-bola ahazoan-tombony mihoa-pampana ny fanontana Baiboly.” Indraindray dia toa tsy miraharaha firy momba ny fahamarinan’ny dikan-teniny ny sasany, fa ny hamoaka Baiboly be mpividy no mahamay azy. Tsy nampaninona an’ireo nanonta Baiboly vaovao iray ny nanala andininy heverin’izy ireo ho “tsy mahaliana.” Ny Baiboly iray kosa nanova izay teny mety hanafintohina an’ireo mpamaky amin’izao andro izao. Te hanintona an’ireo mpitaky ny zon’ny vehivavy, ohatra, izy io ka “Ray sady Reny” no iantsoany an’Andriamanitra.

Nesorina ny anaran’Andriamanitra

Ny manahiran-tsaina indrindra angamba dia ny momba ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. (Misy manam-pahaizana mandika azy io hoe “Iaveh.”) Nosoratana tamin’ny renisoratra hebreo efatra, izay azo adika hoe YHWH na JHVH, ny anaran’Andriamanitra, tao amin’ireo Baiboly taloha be. Miseho efa ho im-7 000 izy io ao amin’ilay lazaina hoe Testamenta Taloha. (Eksodosy 3:15; Salamo 83:18) Efa fikasan’ny Mpamorona antsika àry ny hoe hahalala sy hampiasa an’io anarana io ny mpivavaka aminy!

Taonjato maro lasa anefa izay, dia tsy nanonona intsony an’io anaran’Andriamanitra io ny Jiosy noho ny tahotra vokatry ny finoanoam-poana. Nifindra tamin’ny Fivavahana Kristianina koa izany finoanoam-poana izany tatỳ aoriana. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:29, 30; 1 Timoty 4:1.) Nanjary nahazatra an’ireo mpandika Baiboly ny nanolo ny anaran’Andriamanitra tamin’ny anaram-boninahitra hoe “Tompo.” Nanala tanteraka ny anaran’Andriamanitra ny ankamaroan’ny Baiboly ankehitriny. Ny Baiboly sasany amin’ny teny anglisy aza nanala an’ilay teny hoe “anarana” ao amin’ny Jaona 17:6, izay nilazan’i Jesosy hoe: “Ny anaranao efa nampahafantariko.” Izao no andikan’ny Dikan-teny Anglisy Ankehitriny an’io andininy io: “Efa nampahafantariko [azy] ianao.”

Nahoana no tsy tian’ny sasany ny mampiasa ny anaran’Andriamanitra? Diniho ny voalaza ao amin’ilay gazetiboky hoe Famoaboasana ho An’ny Mpandika Baiboly. (Boky faha-43, laharana faha-4, 1992) Ny Vondron’ireo Fikambanana Mampiely Baiboly, izay mandrindra ny ankamaroan’ny fandikana Baiboly eran-tany, no mamoaka azy io. Izao no voalaza ao: “Azo antoka fa anaran-tsamirery ny YHWH ka ny litera no adika raha ny tena tokony ho izy.” Mampitandrina toy izao anefa izy io: “Eo koa anefa ireo zava-misy tokony hoheverina.”

Mitombina ve izany lazaina fa “zava-misy” izany? Hoy ny manam-pahaizana sasany, ao amin’ilay gazetiboky: “Raha arosontsika [amin’ny tsy Kristianina] ny anarana sahala amin’ny hoe Iaveh, dia mety ho diso hevitra ny olona ..., ka hieritreritra fa Andriamanitra vahiny ny hoe ‘Iaveh’, na Andriamanitra vaovao tsy fantatra, ary hafa noho ilay Andriamanitra efa fantany.” Manizingizina anefa ny Baiboly fa hafa noho ireo andriamanitra tompoin’ny tsy Kristianina i Jehovah!—Isaia 43:10-12; 44:8, 9.

Milaza ny manam-pahaizana sasany fa manaraka fotsiny ny fomba nahazatra izy ireo, rehefa manolo ny anaran’Andriamanitra amin’ny hoe “TOMPO.” Nomelohin’i Jesosy anefa ny fanarahana fomba manala baraka an’Andriamanitra. (Matio 15:6) Tsy araka ny Baiboly koa ny fanoloana anarana amin’ny anaram-boninahitra. Manana anaram-boninahitra maro i Jesosy Kristy, anisan’izany ny hoe “Ny Tenin’Andriamanitra” sy “Mpanjakan’ny mpanjaka.” (Apokalypsy 19:11-16) Tokony hosoloana an’ireny koa ve izany ny anaran’i Jesosy?

Hoy ny lahatsoratra hafa ao amin’ilay gazetiboky: “Raha ny ara-dalàna, dia tokony hialana ilay hoe ‘Jehovah.’ ” Fa nahoana, hono? “Mihevitra ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa ny ‘Iaveh’ no akaiky indrindra an’ilay nanononana azy tany am-boalohany.” Mifanalavitra be amin’ny nanononan’ny Hebreo azy tany am-boalohany koa anefa ny nandikana ny anarana mahazatra ao amin’ny Baiboly, toy ny Jeremia, Isaia, ary Jesosy (Yirmeyah, Yeshayaho, ary Yehôhshoa). Azo atao tsara ny mandika ny anaran’Andriamanitra amin’ny hoe “Jehovah”, ary efa mahazatra olona maro rahateo izy io, ka tsy mitombina ny hoe tsy tokony hampiasaina izy io. Vokatry ny fihetseham-po sy fitsarana an-tendrony, fa tsy vokatry ny fandalinana, no mahatonga ny sasany hisalasala hampiasa ny anaran’Andriamanitra.

Tsy resaka be fotsiny anefa no dinihintsika. Nanoratra ny mpanolo-tsaina iray ao amin’ny Vondron’ireo Fikambanana Mampiely Baiboly, any Inde, fa misy vokany ny nanesorana ny anaran’Andriamanitra tao amin’ireo Baiboly efa nisy azy io. Niaiky izy hoe: “Tsy mahaliana ny Hindoa ny anaram-boninahitr’Andriamanitra. Tiany ho fantatra kosa ny tena anaran’Andriamanitra. Raha tsy fantany mantsy ilay anarana dia sarotra amin’izy ireo ny hifandray amin’ilay Andriamanitra mitondra izany anarana izany.” Raha ny marina, dia toy izany daholo izay mitady an’Andriamanitra. Tena ilaina ny mahalala ny anaran’Andriamanitra mba hahafantarana fa tena misy sy azo fantarina izy, fa tsy hoe hery tsy manana ny maha izy azy. (Eksodosy 34:6, 7) Hoy ny Baiboly: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.” (Romanina 10:13) Tsy maintsy mampiasa ny anarany àry ny mpivavaka aminy!

Baiboly manome voninahitra an’Andriamanitra

Anisan’ny andro manan-tantara ny namoahana voalohany Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny anglisy, tamin’ny 1950. Navoaka tsikelikely, tao anatin’ireo folo taona nanaraka, ireo ampahany amin’izay antsoina mahazatra hoe Testamenta Taloha, na Soratra Hebreo. Navoaka tamin’ny 1961 ny Baiboly manontolo amin’ny teny anglisy. Efa ho im-7 000 no miseho ao amin’ny “Testamenta Taloha” ny anaran’Andriamanitra, ary adikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny hoe Jehovah izy rehetra. Miavaka io fandikan-teny io satria im-237 izy no mamerina ny anaran’Andriamanitra eo amin’ny toerana nisy azy tany am-boalohany, ao amin’ny “Testamenta Vaovao”, na Soratra Grika Kristianina.

Sady manome voninahitra an’Andriamanitra ny namerenana amin’ny toerany ny anarany, no mampitombo ny fahatakarantsika ny Baiboly koa. Izao, ohatra, no andikan’ny Baiboly maro ny Matio 22:44: “Hoy ny Tompo tamin’ny Tompoko.” Iza marina no miteny amin’iza eo? Izao kosa no andikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao azy io: “Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko.” Izany dia mifanaraka tsara amin’ny Salamo 110:1, izay nakana an’io andininy io. Hain’ny mpamaky àry ny manavaka an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany, ary zava-dehibe ny fahalalana izany.

Iza no nanao an’io fandikan-teny io?

Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society, izay fikambanana ara-dalàna misolo tena ny Vavolombelon’i Jehovah, ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Efa zato taona mahery izao ny Vavolombelon’i Jehovah no nanonta sy nizara Baiboly eran-tany. Antokona Kristianina antsoina hoe Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao no nanome an’io dikan-teny io ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Sanatria an’ireo anisan’io komity io ny hitady laza ho an’ny tenany. Nangataka kosa aza izy ireo mba tsy hampahafantarina mihitsy ny anarany na dia aorian’ny hahafatesany aza.—Ampitahao amin’ny 1 Korintianina 10:31.

Nahoana io Baiboly io no nomena ny lohateny hoe Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao? Hita taratra amin’io lohateny io izao finoana mafy orina izao: “Eo an-tokonan’ilay tontolo vaovao” nampanantenaina ao amin’ny 2 Petera 3:13 ny olombelona ankehitriny. Araka ny nosoratan’ilay komity, dia tokony hampamirapiratra “ny fahamarinana madion’ny Tenin’Andriamanitra” ny fandikan-tenin’ny Baiboly, ary zava-dehibe ny hanaovana izany ao anatin’izao “fotoana tetezamita hialana amin’ny tontolo tranainy” izao.—Jereo ny sasin-teny ao amin’ilay fanontana tamin’ny 1950.

Dikan-teny marina tsara

Tsy natao ambanin-javatra ny fahamarinan’ny fandikan-teny. Ireo nandika ho amin’ny teny anglisy dia nandika nivantana avy tamin’ny teny hebreo sy aramianina ary grika. Izay loharanon-kevitra tsara indrindra no nampiasain’izy ireo. * Nitandrina tsara izy ireo mba ho voadika ara-bakiteny araka izay azo natao ireny soratra tranainy ireny, nefa amin’ny fiteny tonga dia azon’ny mpamaky ankehitriny.

Tsy mahagaga raha nidera ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny manam-pahaizana sasany, satria azo antoka sy marina izy io. Hoy ny Profesora Benjamin Kedar, manam-pahaizana momba ny teny hebreo, any Israely, tamin’ny 1989: “Amin’ny fikarohana ataoko momba ny teny, eo amin’ny sehatry ny Baiboly hebreo sy ny fandikan-teny, dia matetika aho no mampiasa ilay Baiboly anglisy antsoina hoe Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Imbetsaka no hitako hoe marina izao zavatra tsapako izao: Hita taratra ao amin’io Baiboly io fa nisy ezaka tamim-pahatsorana natao mba ho marina araka izay azo atao ny fahazoana ny hevi-teny.”

Avoaka amin’ny fiteny maro

Ara-dalàna raha avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fiteny hafa ankoatra ny teny anglisy ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Mivoaka amin’ny fiteny 65 izy io ankehitriny, na izy manontolo izany na ny ampahany aminy. Nisy fomba fandikana Baiboly àry noforonina mba hahamora izany asa izany. Misy famakafakana ireo teny ao amin’ny Baiboly izy io ary ordinatera no ampiasaina. Natsangana koa ny Sampan-draharaha Foiben’ny Fandikan-teny mba hanampy ny mpandika teny. Manara-maso akaiky ny fandikana Baiboly ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny alalan’ny Komitin’ny Fanoratana. Ahoana marina anefa no anaovana ilay asa?

Voalohany, dia misy Kristianina vita fanoloran-tena, tendrena ho anisan’ny ekipa mpandika teny. Hita fa rehefa miara-miasa toy ny ekipa iray ireo mpandika teny fa tsy miasa mitsitokantokana, dia tsara sy voalanjalanja kokoa ny fandikan-teny. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 11:14.) Samy efa manana traikefa amin’ny fandikana ireo boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Avy eo ilay ekipa mpandika teny dia omena fiofanana feno momba ny toro lalana fototra mikasika ny fandikana Baiboly sy ny fampiasana ilay programa amin’ny ordinatera natokana ho amin’izany.

Omena toromarika ilay ekipa mpandika teny mba hamokatra Baiboly izay 1) marina tsara, 2) tsy miovaova ny fandikana ny teny ao anatiny, 3) mandika ara-bakiteny raha mbola mety amin’ilay fiteny, ary 4) mora azon’ny sarambaben’olona. Ahoana no anaovana izany? Izao no natao tamin’ilay Baiboly vaovao: Voalohany dia jeren’ilay ekipa mpandika teny hoe inona ny teny malagasy ho an’ny teny fototra rehetra ao amin’ny Baiboly, izay ampiasain’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny anglisy. Asehon’ny ordinatera izay teny ao amin’ny Baiboly mitovy hevitra sy mifandray. Hita eo koa ny teny grika na hebreo tany am-boalohany izay nadika ho amin’ny teny anglisy, ka azon’ny mpandika teny dinihina ny fomba nandikana an’ireny teny grika na hebreo ireny any amin’ny andininy hafa. Tena manampy eo amin’ny fitadiavana izay teny malagasy mety izany. Rehefa tapak’ilay ekipa izay handikana ireny teny ireny, dia manomboka mandika ny Baiboly izy ireo. Asehon’ny ordinatera ny teny malagasy mifanitsy amin’ny teny tany am-boalohany, isaky ny andininy tsirairay adikan’izy ireo.

Tsy fanoloana teny iray ho amin’ny teny iray fotsiny anefa ny atao hoe fandikan-teny. Misy asa be tsy maintsy atao mba ho azo antoka fa mampita marina ny hevitry ny Soratra Masina ireo teny nofidina, rehefa ao anatin’ny andininy tsirairay. Notandremana koa mba hahafinaritra sy tsy ho hafahafa ny fehezanteny. Miteny ho azy ny asa mafy natao mba hahavita an’io tetikasa io. Mora vakina sy mazava ary mora azo ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny malagasy. Tsy mihataka amin’ny soratra tany am-boalohany koa izy io.

Mampirisika mafy anao izahay mba handinika Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Afaka manome azy io anao ny mpamoaka an’ity gazety ity, na ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny misy anao. Vakio izy io, ka matokia fa mandika marina tsara ny Tenin’Andriamanitra amin’ny teny malagasy izy io. Tsy ho ela ianao dia hanaiky fa andro manan-tantara tokoa ho an’ny Kristianina ny namoahana io Baiboly io!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 24 Ny Testamenta Vaovao Amin’ny Fiteny Grika Tany Am-boalohany, nataon’i Westcott sy Hort, no nampiasaina ho an’ny Soratra Grika, ary ny Biblia Hebraica nataon’i R. Kittel kosa ho an’ny Soratra Hebreo.

[Efajoro/Sary, pejy 29]

(Jereo ny gazety)

Lafiny Sasany Mampiavaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Mazava sy mora vakina

Andininy maromaro vao midina andalana: Tsy midina andalana ny andininy tsirairay. Manampy ny mpamaky hanaraka ny fizotran’ny hevitra nosoratan’ireo mpanoratra Baiboly izany.

Lohateny ambony pejy: Eny ambony indrindra amin’ny pejy tsirairay no misy azy, ary manampy mba hahitana haingana ireo tantara ao amin’ny Baiboly.

Fanondroana andininy hafa: Misy fanondroana andininy hafa ny pejy tsirairay.

Fizahan-teny: Misy fizarana atao hoe “Fanondroana Teny ato Amin’ny Baiboly”, any amin’ny farany. Natao lisitra ny teny sasany, sy ny andininy misy azy. Matetika no omena kely eo ireo teny manodidina an’ilay teny.

Fanazavana fanampiny: Lahatsoratra fohy maromaro momba ireo fampianarana ao amin’ny Baiboly sy ny hevitra mifandray amin’izany.