“Aza Hadinoina Mihitsy ny Mitory Isan-trano”
“Aza Hadinoina Mihitsy ny Mitory Isan-trano”
Notantarain’i Jacob Neufeld
“Aza hadinoina mihitsy ny mitory isan-trano, na inona na inona mitranga.” Izany foana no tao an-tsaiko rehefa nandeha an-tongotra ho any amin’ny tanàna iray tokony ho dimy kilaometatra miala avy teo aminay aho. Tsy sahy nanatona ny trano voalohany aho, rehefa tonga tany. Nikiry ihany aho saingy mbola natahotra ka nankao anaty ala aloha, nitalaho tamin’Andriamanitra mba homeny herim-po hitoriana. Niverina teo amin’ilay trano aho tamin’ny farany, ary nahavita nitory tao.
NAHOANA aho no tany amin’io tanàna any an-tany efitr’i Paragoay io? Nahoana no izaho irery no nitory tany? Aleo hotantaraiko hatramin’ny voalohany. Teraka tamin’ny Novambra 1923 aho, tany Kronstalʹ, any Ukraine. Zanatany alemà izy io, ary tanànan’ny Menonita. Nifindra monina tany Ukraine ny Menonita avy tany Alemaina taloha kelin’ny 1800, ary nomena tombontsoa maro. Azony natao, ohatra, ny nanaraka ny fivavahany (saingy tsy nahazo nitaona olona), ny nitantana samirery ny fiaraha-monina nisy azy, ary ny tsy nanao miaramila.
Lasa nofehezin’ny Kominista ilay tany, ka foana izany tombontsoa rehetra izany. Lasan’ny fanjakana ireo toeram-pambolena sy fiompiana goavana an’ny Menonita, taloha kelin’ny 1930. Tsy nomena sakafo izay tsy nety niara-niasa tamin’ny fitondrana, ary nofaizina mafy izay nitady hanohitra. Teo anelanelan’ny 1930 sy 1940, dia maro ny lehilahy nosamborin’ny KGB (polisy miafina miaro ny Fitondrana Sovietika). Tamin’ny alina matetika no nanaovany izany. Tsy nisy lehilahy firy intsony ny tanàna maro, tamin’ny farany. Nosamborina ny raiko tamin’ny 1938, tamin’izaho 14 taona, ary tsy nahita na nandre momba azy intsony aho. Voasambotra koa ny zokiko lahy, roa taona tatỳ aoriana.
Tonga tao Ukraine ny miaramilan’i Hitler, tamin’ny 1941. Nanafaka anay tamin’ny fitondrana kominista izany. Tsy hita popòka anefa ny fianakaviana jiosy valo teo an-tanànanay. Nahalasa saina ahy avokoa izany. Fa inona no anton’izany rehetra izany?
Avotra satria nanao ny marina
Lasa ny miaramila alemà tamin’ny 1943. Nentiny hanampy azy ireo tamin’ny ady ny ankamaroan’ny fianakaviana alemà, anisan’izany ny fianakaviako. Voantso ho miaramila koa aho, ary notendrena ho anisan’ny SS alemà (Schutzstaffel, mpiambina kalazalahin’i Hitler) tany Romania. Nisy vokany lehibe teo amin’ny fiainako ny zava-nitranga iray.
Tian’ny miaramila lehibenay ho fantatra raha manao ny marina aho. Nasainy nateriko tany amin’ny fanasan-damba ny fanamiany. Nasiany vola tao am-paosin’izy io, ary hitako ilay izy. Naveriko tany aminy izany, nefa nilaza izy fa tsy namela na inona na inona tao. Nolazaiko anefa fa avy tao am-paosiny mihitsy ilay izy. Notendreny hanampy azy aho, taoriana kelin’izay, ka nikarakara ny taratasy sy nanendry ny mpiambina ary nitahiry ny volan’ny andian-tafika nisy anay.
Nobaboin’ny tafika rosianina ny miaramila rehetra tao amin’ilay andian-tafika nisy anay, indray alina. Izaho ihany no tsy tratra, raha ny fahalalako azy, satria mbola namita asa ho an’ilay lehibenay. Tsy ho nahazo io asa manokana io aho raha tsy nanao ny marina, ary nety ho voasambotra koa.
Afaka tao amin’ny tafika àry aho tamin’ny 1944, ary niandry fiantsoana indray. Nody aho mba hitsidika an’i Neny. Nianatra nanao trano aho, ary nahasoa ahy izany tatỳ aoriana. Tonga teo an-tanànanay, tsy lavitra an’i Magdebourg, ny miaramila amerikanina tamin’ny Aprily 1945. Nambara fa nifarana ny ady, iray volana taorian’izay. Tsy maty izahay, ary toa namiratra ny hoavinay.
Tamin’ny Jona 1945 anefa, dia niantsoantso ny mpitondra hafatra tao an-tanàna hoe: “Lasa omaly hariva ny miaramila amerikanina, ary ho tonga androany amin’ny 11.00 maraina ny miaramila rosianina.” Kivy be izahay fa ny Kominista indray no hifehy ny taninay. Niomana ny handositra avy hatrany izaho sy ny zanak’olo-mpiray tam-po tamiko. Nankany amin’ny faritra nofehezin’ny Amerikanina izahay mirahalahy ny volana Jolay. Niverina an-tsokosoko naka ny fianakavianay tao amin’ny faritry ny Rosianina indray izahay ny Novambra. Nanahirana be ilay izy sady nampidi-doza.
‘Mihainoa tsara, dia ampitahao’
Tany Alemaina Andrefana izahay no nipetraka. Lasa tiako ny Baiboly, ka namaky azy io tany an’ala aho rehefa alahady. Tsy azoko anefa izay novakiko, fa toy ny tantara tranainy be fotsiny. Nianatra sekoly alahady koa aho, satria niomana hatao batisa ho Menonita. Nahagaga ahy ireto teny hitako tao amin’ny boky fianarana sekoly alahady ireto: “Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra ny Zanaka, ary Andriamanitra ny Fanahy Masina.” Avy eo dia nisy fanontaniana hoe: “Telo ve izany ny Andriamanitra?” Hoy ny valiny teo ambany: “Tsia. Iray ihany ireo telo ireo.” Nanontaniako ilay mpitondra fivavahana hoe ahoana koa no hetezan’izany, ka hoy izy: “Aza miasa saina be amin’izany ry tovolahy a! Efa nisy lasa adala tamin’izany.” Tapa-kevitra aho fa tsy hatao batisa indray.
Nandre olona niresaka tamin’ny zanak’olo-mpiray tam-po tamiko aho, taoriana kelin’izay. Nahaliana ahy ny resak’izy ireo ka mba nandray anjara aho, ary nametraka fanontaniana vitsivitsy. Tatỳ aoriana vao fantatro fa i Erich Nikolaizig ilay niresaka taminy. Vavolombelona tafavoaka velona tany amin’ny toby fitanan’i Wewelsburg izy. Nanontaniany aho raha te hahazo ny hevitry ny Baiboly. “Eny” hoy aho, ary nomeny toky aho fa hoporofoiny avy ao amin’ny Baiboliko avokoa izay ampianariny ahy.
Vao nianatra kelikely fotsiny aho, dia nasain’i Erich hamonjy fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Io angamba no fivoriambe voalohany taorian’ny ady. Nampiaiky volana ahy ilay izy, ary noraisiko an-tsoratra daholo ny andinin-teny novakin’ny mpandahateny sy notononiny. Rehefa nianatra Baiboly kelikely aho, dia takatro fa misy zavatra tsy maintsy ataoko, ka tapa-kevitra aho fa tsy hianatra intsony. Sarotra tamiko koa ny niaiky hoe iray ihany ny fivavahana marina. Rehefa hitan’i Erich fa tapa-kevitra ny hiverina tamin’ny fivavahako teo aloha aho, dia hoy izy: ‘Mihainoa tsara rehefa tonga any, dia ampitahao.’
Indroa monja aho no tany amin’ny mpitondra fivavahako, dia takatro fa tsy fantatr’izy ireo akory izay lazainy, ary tena tsy fantany ny fahamarinana. Nanoratra tamin’ny mpitondra fivavahana maro aho, ary nametraka fanontaniana ara-baiboly. Hoy ny iray taminy: “Tsy manan-jo handalina ny Soratra Masina ianao, satria tsy nateraka indray.”
Nanery ahy handray fanapahan-kevitra sarotra ny tovovavy iray niarahako. Anisan’ny fivavahana menonita nateraka indray izy. Noteren’ny fianakaviany tsy tia Vavolombelon’i Jehovah izy, ka nilaza tamiko fa tsy hiaraka amiko intsony raha mbola mankany amin’ilay fivavahana vaovao aho. Efa nazava tamiko ny fahamarinana tamin’izay, ka fantatro ny tokony hataoko: Nisaraka taminy aho.
Nitsidika ahy indray i Erich. Nilaza izy fa hisy batisa ny herinandro manaraka, ka nanontaniany aho raha te hatao batisa. Efa niaiky aho tamin’izay fa marina ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary naniry hanompo an’i Jehovah Andriamanitra aho. Natao batisa tao anaty koveta be àry aho ny Mey 1948.
Nanapa-kevitra ny hifindra tany Paragoay, any Amerika Atsimo, ny fianakaviako taoriana kelin’ny batisako, ary nitalaho ny handehanako i Neny. Nisalasala aho satria mbola nila nianatra Baiboly bebe kokoa sady nila fampiofanana. Nitsidika ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Wiesbaden aho, ary nihaona tamin’i August Peters. Nampahatsiahy ahy ny andraikitro hikarakara ny fianakaviako izy. Nanafatrafatra ahy koa anefa izy hoe: “Aza hadinoina mihitsy ny mitory isan-trano, na inona na inona mitranga. Mitovy amin’ireo mpivavaka eo anivon’ny Kristianisma Anarana ianao raha tsy Asan’ny Apostoly 20:20, 21.
manao izany.” Mbola sarobidy amiko foana hatramin’izao io torohevitra io, ary hitako fa tena ilaina ny mitory “isan-trano.”—“Mpaminany sandoka”
Nandray sambo ho any Amerika Atsimo izahay mianakavy, taoriana kelin’ny niresahanay sy August Peters. Tonga tao amin’ny faritr’i Gran Chaco, any Paragoay, izahay. Mbola tanànan’ny Menonita ihany no nipetrahanay tao. Tapa-bolana taorian’ny nahatongavanay no nitrangan’ilay zavatra notantaraiko terỳ am-piandohana. Niely be ny tsaho hoe misy “mpaminany sandoka” amin’ireo olona vao tonga.
Tamin’izay vao tena nilaiko ilay fahaizako manao trano. Nila trano mantsy ireo fianakaviana nifindra monina. Trano biriky mitafo mololo na zozoro no naorina. Niasa be aho ny enim-bolana nanaraka, ary afaka nitory tsy ara-potoana imbetsaka. Nihaino ihany ny olona satria nahalala fomba, nefa vao nitsangana ny tranony dia tsy andriny izay handehanako.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nihamaro ny Menonita mpitsoa-ponenana nentin’ny sambo avy any Alemaina. Anisan’izy ireny ny tovovavy iray atao hoe Katerina Schellenberg, izay efa nifandray kely tamin’ny Vavolombelona ary niaiky avy hatrany fa marina ny fampianaran’izy ireo. Mbola tsy vita batisa izy nefa nitonona ho Vavolombelon’i Jehovah, teny ambony sambo. Tsy navela nipetraka tany amin’ny tanànan’ny alemà àry izy, ka nonina tao Asunción, renivohitr’i Paragoay. Nahita asa an-trano izy ary nianatra teny espaniola. Nitady Vavolombelon’i Jehovah izy, ary natao batisa. Nanambady an’io tovovavy be herim-po io aho, tamin’ny Oktobra 1950. Tena nanohana sy nanampy ahy tamin’ny zava-drehetra nodiavinay nandritra ny taona maro izy.
Tsy ela izahay dia nahangom-bola hividianana voatiry sy soavaly roa hoentinay mitory. Nitadidy an’ilay torohevitry ny Rahalahy Peters foana izahay. Efa Vavolombelona koa ny anabaviko tamin’izay, ary niaraka taminay. Nifoha tamin’ny efatra maraina izahay, nandeha nandritra ny adiny efatra, nitory adiny roa na telo, ary nody.
Hitako tao amin’ny bokintsika fa misy an’izany lahateny ho an’ny besinimaro izany, ka mba nanao iray aho. Tsy mbola nanatrika fivorian’ny fiangonana mihitsy aho tany Alemaina. Novinavinaiko fotsiny àry izay tokony hatao, ka niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra aho. Valo no nanatrika ilay lahateny, ka tezitra ny mpitondra fivavahan’ny Menonita. Nanangona ny boky sy gazety rehetra voapetrakay tamin’ny olona izy ireo, ary nandrara ny olona tsy hiarahaba anay intsony.
Nampanantsoina tao amin’ny foibem-pitondran’ny Menonita aho, ary nanadinadina ahy nandritra ny ora maro ny tompon’andraikitra iray sy ny mpitondra fivavahana roa avy any Kanada. Farany, dia hoy ny iray tamin’izy ireo: “Mahazo mino izay tianao hinoana ianao ry tovolahy, saingy tsy maintsy mampanantena anay fa tsy hiresaka ny finoanao amin’ny olona intsony.” Tsy afaka nampanantena azy ireo ny amin’izany aho. Nasain’izy ireo niala teo an-tanàna àry aho, satria tsy tiany hisy “mpaminany sandoka”, hono, teo anivon’ireo “rahalahy tsy mivadika.” Tsy nanaiky aho, ka nilaza izy ireo fa hiantoka ny vola hitaterana anay mianakavy. Tsy nety nandeha mihitsy aho.
Namonjy fivoriambe tany Asunción aho, teo antenatenan’ny 1953. Niresaka tamin’i Nathan Knorr, avy tao amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Brooklyn, New York, aho tany. Notoroany hevitra aho mba hifindra
tany an-drenivohitra sy hiara-miasa amin’ireo misionera vitsivitsy voatendry tao. Tsy dia namokatra mantsy ny fitorianay tao amin’ny tanànan’ny Menonita.Nataonay loha laharana ilay Fanjakana
Vavolombelona 35 monja no tany Paragoay tamin’izany. Noresahiko tamin’ny vadiko ilay hoe hifindra any an-tanàn-dehibe. Tsy dia nazoto izy, nefa nanaiky ihany. Nanao trano biriky izahay sy Katerina tamin’ny 1954. Izahay roa irery no nanamboatra an’ilay izy, isaky ny nanam-potoana. Nivory tsy tapaka izahay, sady niresaka momba ny Baiboly tamin’ny olona, isaky ny faran’ny herinandro.
Nasaina niaraka tamin’ny mpiandraikitra ny faritra (mpitety fiangonana), aho mba handika teny, rehefa nitsidika ny fiangonana sasany tao amin’ny tanànan’ny Alemà tany Paragoay izy. Zara raha nahay teny espaniola aho, nefa nasaina nandika lahateny tamin’ny teny espaniola ho amin’ny teny alemà. Ny nanao izany voalohany angamba no fanendrena sarotra indrindra azoko.
Nifindra tany Kanada izahay tamin’ny 1957, satria tsy salama ny vadiko, ary avy eo teto Etazonia tamin’ny 1963. Niezahanay natao loha laharana foana ny asan’ilay Fanjakana, na taiza na taiza nisy anay. (Matio 6:33) Tena misaotra an’i Jehovah Andriamanitra aho, satria nampianariny ny fahamarinana ao amin’ny Teniny, tamin’izaho mbola tanora. Nanampy ahy tamin’ny lafiny maro teo amin’ny fiainako izany!
Voninahitra lehibe ny manampy ny hafa hahalala ny fahamarinana faran’izay tsara ao amin’ny Baiboly. Tena mampionona ahy io fahamarinana io. Tena faly aho mahita ny zanako sy ny zafikeliko mandray soa avy amin’ny fampiofanan’ny Baiboly, hatramin’ny fahazazany. Arahin’izy rehetra ilay torohevitra nomen’ny Rahalahy Peters ahy efa ela, hoe: “Aza hadinoina mihitsy ny mitory isan-trano, na inona na inona mitranga.”
[Teny notsongaina, pejy 22]
Tena faly aho mahita ny zanako sy ny zafikeliko mandray soa avy amin’ny fampiofanan’ny Baiboly, hatramin’ny fahazazany
[Sary, pejy 20, 21]
Izahay sy Katerina, taloha kelin’ny nivadianay tamin’ny 1950
[Sary, pejy 21]
Izahay roa sy ny zanakay voalohany teo an-tokotaninay tany Paragoay, 1952
[Sary, pejy 23]
Izahay mianakavy, ankehitriny
[Sary nahazoan-dalana]
Photo by Keith Trammel © 2000
[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]
Photo by Keith Trammel © 2000