Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eritrereto ‘Izay Hiafaranao’

Eritrereto ‘Izay Hiafaranao’

Eritrereto ‘Izay Hiafaranao’

MARO ny fanapahan-kevitra tsy maintsy raisintsika eo amin’ny fiainana. Tsara anefa raha eritreretintsika foana aloha ny ho vokany. Misy mantsy manenina mafy amin’ny fanapahan-keviny. Na ianao aza angamba efa nanenina, ka niteny hoe: ‘Tsy ho nanao an’iny mihitsy aho, raha fantatro hoe izao no ho vokany.’

Toy ny hoe manao dia lavitra isika rehefa mamakivaky ny fiainana. Raha efa zatra manao dia lavitra ny olona iray, dia fantariny hoe mankaiza avy ny lalana eo anoloany. Mety hijery sarintany izy, ary hanontany olona mahalala ilay toerana. Jereny tsara koa ny takela-by hitany. Ahoana àry no hahalalanao ny lalana tokony haleha, izany hoe ny fanapahan-kevitra tokony horaisina? Hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy momba ny Israelita: “Raha mba hendry mantsy izy ireo, dia ho nisaintsaina momba izany, ka ho nieritreritra izay hiafarany aorian’izay.”—Deoteronomia 32:29.

Ny torohevitra tsara indrindra

Tsy voatery hamantatra irery an’izay hiafaran’ny zavatra tiantsika hatao isika. Mahatazana tsara ny etỳ an-tany mantsy Andriamanitra, ka izy no tena mahay manoro antsika izay fanapahan-kevitra tokony horaisina. Efa hitany daholo ny zavatra nataon’ny olona sy ny vokany. Hoy ny Baiboly: “Eo imason’i Jehovah ny lalan’ny olona, ary dinihiny avokoa ny lalany rehetra.”—Ohabolana 5:21.

Manampy an’ireo tia azy i Jehovah. Toy ny hoe manome sarintany antsika izy, mba hahitantsika ny lalan-kaleha. Ny Baiboly izany sarintany izany. Izao no voalaza ao: “Hataoko izay hahatonga anao ho malina, ary hatoroko anao ny lalana tokony halehanao. Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny masoko.” Tsara àry ny mangataka torohevitra amin’i Jehovah, alohan’ny hanapahan-kevitra. Izany no nataon’i Davida mpanjakan’ny Israely. Nivavaka izy hoe: “Ampahafantaro ahy ny lalana tokony halehako.”—Salamo 32:8; 143:8.

Lasa matoky tena ianao, raha manaraka ny lalana atoron’ny olona azo atokisana sy efa zatra manao dia lavitra. Tsy matahotra ianao sao ho diso lalana. Nangataka ny tari-dalan’i Jehovah i Davida, ary nanaraka izany. Nilamin-tsaina àry izy, ka nanao hira mahafinaritra ho azy. Hoy izy: “I Jehovah no Mpiandry ahy. Tsy ho ory na inona na inona aho. Mampandry ahy eny amin’ny toerana rakotra ahi-maitso izy, ary mitondra ahy eny amin’ny toeram-pialan-tsasatra azon-drano tsara. Mamelombelona ahy izy, ary mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana, noho ny anarany. Na dia mamakivaky lohasaha maizim-pito aza aho, dia tsy misy loza atahorako.”—Salamo 23:1-4.

Inona no hiafaran’izy ireo?

Niaiky ny mpanao salamo iray fa “saika nivily” tsy hanaraka ny lalan’ny fahamarinana izy, na saika tsy hanompo an’Andriamanitra intsony. I Asafa na ny zanany angamba io mpanao salamo io. Fa inona no nitranga? Hitany fa nanan-karena ny olona mpamitaka sy nahery setra. Nitsiriritra ny “fiadanan’ny ratsy fanahy” izy. Nihevitra izy fa “miadana lalandava” izy ireny. Lasa nisalasala mihitsy aza izy raha mbola mety ihany na tsia ny manaraka an’ilay lalana nofidiny.—Salamo 73:2, 3, 6, 12, 13.

Nankao amin’ny toerana masin’i Jehovah anefa izy. Nivavaka izy, ary nieritreritra an’izay hiafaran’ireo olona notsiriritiny ireo. Hoy izy: “Te hahafantatra ny hoavin’ireny aho.” Inona no vokany? Hitany fa ‘teo amin’ny toerana malama’ izy ireny, ary ‘hifarana noho ny loza tampoka’ ny fiainany. Inona kosa no hiafaran’ilay mpanao salamo noho ny safidy nataony? Hoy izy: ‘Homen’i Jehovah voninahitra aho avy eo.’—Salamo 73:17-19, 24.

Marina fa nisy lasa mpanankarena tokoa tamin’izany, satria nanao ny tsy rariny na nanao raharaham-barotra tsy ara-dalàna. Nisaintsaina ny ho vokatry ny nataon’izy ireo anefa i Asafa, ka nahita fa ny lalana nofidiny ihany no tsara. Hoy izy: ‘Izaho, dia ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara amiko.’ Mahasoa foana àry ny mifandray akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra.—Salamo 73:28.

“Fantaro izay halehanao”

Tsy maintsy manao safidy toa an’ilay mpanao salamo koa isika indraindray. Mety hisy hanasa anao hanao raharaham-barotra ahazoam-bola be, na hanome anao asa be karama. Marina fa mety hahita olana foana ianao, na dia manao asa hafa ankoatra an’ireo aza. Tsara anefa aloha ny mandinika izay hiafaran’ny fanapahan-kevitrao, izany hoe ny ho vokany. Sao dia tsy maintsy handeha lavitra ianao, ka mety hampiferinaina anao na ny vadinao izany? Sao dia hitarika anao amin’ny ratsy ny mpiara-miasa aminao, na ny olona any amin’ny hotely hatorianao na toeran-kafa? Hahay hanapa-kevitra ianao, raha mandinika tsara ny mety ho vokatr’ilay asa. Hoy i Solomona: “Fantaro izay halehanao.”—Ohabolana 4:26, Dikan-teny Anglisy Maoderina.

Tokony hisaintsaina tsara an’io torohevitra io isika rehetra, indrindra fa ny tanora. Nisy ankizilahy iray nijery filma efa fantany fa misy sary vetaveta. Nilaza izy tatỳ aoriana fa lasa te hanao firaisana mafy, ka nankany amin’ny mpivaro-tena teo akaikiny. Nalahelo be izy avy eo, nenjehin’ny eritreriny, ary natahotra sao voan’ny aretina. Tena mitovy amin’ity lazain’ny Baiboly ity ny nataony: “Tampoka teo, dia lasa nanaraka azy ilay tovolahy, toy ny omby entina hovonoina.” Raha mba nandinika izay “hiafarany” mantsy izy!—Ohabolana 7:22, 23.

Araho izay lazain’ny takela-by

Ekentsika fa tena ilaina ny mijery takela-by. Misy amin’izy ireny mantsy manondro ny lalana tokony haleha. Toy ny takela-by ny torohevitr’Andriamanitra. Mampalahelo fa misy tsy miraharaha izany, rehefa tsy azoazony ilay izy. Diniho ny nataon’ny Israelita sasany tamin’ny andron’i Jeremia. Nisy fanapahan-kevitra tsy maintsy noraisin’izy ireo, ka hoy i Jehovah: “Anontanio hoe aiza ireo lalana fahiny ary aiza ny lalana tsara, ka izay no andehano.” Namaly anefa ry zareo hoe “tsy handeha” amin’ilay lalana. (Jeremia 6:16) Niziriziry tamin’ny heviny izy ireo avy eo. Inona no ‘niafarany’? Noravan’ny Babylonianina tanteraka i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., ary lasa babo ny mponina tao.

Ho voa mafy isika raha tsy miraharaha ny torohevitr’Andriamanitra. Hoy ny Soratra Masina: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.”—Ohabolana 3:5, 6.

Toy ny takela-by misy hoe “Tsy Azo Aleha” ny torohevitra sasany omen’Andriamanitra. Hoy, ohatra, ny Baiboly: “Aza mankany amin’ny lalan’ny ratsy fanahy, aza mamantana any amin’ny lalan’ny olon-dratsy.” (Ohabolana 4:14) Anisan’ny fanaon’ny ratsy fanahy ny mijangajanga amin’ny mpivaro-tena na olon-kafa. Misy vokany ratsy anefa izany. Hoy ny Ohabolana 5:3, 4: “Mitete tahaka ny toho-tantely ny molotry ny vehivavy vahiny, ary malama noho ny menaka ny vavany. Mangidy tahaka ny vahona anefa ny vokany, ary maranitra hoatran’ny sabatra roa lela.” Marina fa tia mijangajanga ny olona sasany. Tsy maintsy hahita faisana anefa izay tsy miraharaha ny torohevitr’Andriamanitra momba ny fitondran-tena.

Raha mitady haloto fitondran-tena àry ianao, dia eritrereto izao: ‘Inona no hiafaran’ilay izy?’ Izay fotsiny dia mety ho efa ampy hisakana anao tsy hanao zavatra hisy vokany ratsy be eo aminao. Inona no nanjo an’ireo tsy niraharaha ny torohevitr’Andriamanitra? Nisy voan’ny SIDA na aretina hafa azo avy amin’ny firaisana, nanana anaka tsy nirina, na nanala zaza. Ny hafa nenjehin’ny eritreriny, na lasa tsy tian’ny vadiny na ny olon-kafa. Milaza mazava tsara koa ny apostoly Paoly fa “tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” ny mpijangajanga.—1 Korintianina 6:9, 10.

“Ity no lalana”

Sarotra indraindray ny mahita hoe mankaiza ny lalan-kaleha. Soa ihany fa tia antsika i Jehovah, ka manome tari-dalana mazava antsika! Hoy izy: “Ity no lalana ka andehano.” (Isaia 30:21) Inona no vokany raha manaraka ny lalana atorony isika? Nilaza i Jesosy fa hahazo fiainana mandrakizay izay manaraka azy io, na dia tery sy sarotra aza ilay izy.—Matio 7:14.

Eritrereto izao ny fomba fiainanao. Mety ve ilay izy? Inona no ho vokany? Mangataha tari-dalana amin’i Jehovah. Jereo ny ‘sarintany’ nomeny, dia ny Baiboly. Azonao atao mihitsy aza ny manontany olona efa zatra manao dia lavitra, izany hoe efa zatra manaraka ny tari-dalany. Raha mila miova lalana ianao, dia ataovy haingana izany.

Faly ny mpanao dia lavitra rehefa mahita takela-by milaza aminy fa tsy diso lalana izy. Vao mainka izy mazoto hanohy ny diany. Raha hitanao koa àry fa mandeha amin’ny lalan’ny fahamarinana ianao, dia tohizo ny dianao. Kely sisa dia ho tonga ianao, ka hahazo an’ilay valisoa tsara indrindra.—2 Petera 3:13.

Misy farany daholo ny lalana rehetra. Mety ho tonga any amin’izay tianao haleha ianao, nefa mety ho very koa. Tara loatra raha amin’izay ianao vao hilaza hoe: ‘Tahaka izay aho nifidy lalan-kafa!’ Alohan’ny hifidianana lalana àry, izany hoe alohan’ny hanapahan-kevitra, dia mieritrereta hoe: ‘Inona no hiafarako, raha manao an’ity aho?’

[Efajoro/Sary, pejy 10]

Inona no Hiafaran’ilay Izy?

Matetika no misy zavatra ampirisihan’ny olona hataon’ny tanora, satria be mpanao. Ireto ny sasany:

Asain’ny ankizy mifoka sigara ianao, mba hahitany raha sahy na tsia.

Tian’ny mpampianatra ho tafita ianao, ka asainy mianatra any amin’ny oniversite.

Misy manasa amin’ny fety ianao, nefa hisy toaka any ary mety hisy rongony mihitsy aza.

Ampirisihin’ny olona handefa ny sarinao sy ny mombamomba anao ao amin’ny Internet ianao, mba hitadiavana namana na vady.

Manasa anao hijery filma misy herisetra sy fijangajangana ny namanao.

Inona no hataonao, raha mitranga aminao ny iray amin’ireo? Hanaiky fotsiny ve ianao? Sa handinika izay hiafaran’ilay izy, izany hoe ny mety ho vokany? Tsara raha mieritreritra ianao hoe: “Misy olona afaka manangona vainafo eo an-tratrany ve, nefa tsy ho may ny akanjony? Ary misy olona afaka mandeha eo ambony vainafo ve, nefa tsy ho may ny tongony?”—Ohabolana 6:27, 28.