Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Nahoana i Jodasy no nomena farantsa volafotsy 30 mba hamadihana an’i Jesosy?

Nilaza ny lehiben’ny mpisorona fa hanome “farantsa volafotsy telopolo” an’i Jodasy Iskariota, raha mamadika an’i Jesosy izy. (Matio 26:14, 15) Tena nankahala sy nanao tsinontsinona an’i Jesosy izy ireo, rehefa jerena ny habetsahan’ilay vola.

Mety ho sekely volafotsy io vola io. Izany mantsy no vola fampiasan’ny Jiosy tamin’izany. Inona no azon’ny sekely 30? Vidin’andevo iray izany, araka ny Lalàn’i Mosesy. Ahazoana sombin-tany koa ny sekely 30.—Eksodosy 21:32; Matio 27:6, 7.

Nomen’ireo Israelita nivadika “farantsa volafotsy telopolo” i Zakaria mpaminany, rehefa nangataka ny karamany tamin’ny naha mpiandry ny vahoakan’Andriamanitra azy. Ninian’izy ireo natao izany, mba hampisehoana fa tsy nisy vidiny taminy ilay mpaminanin’Andriamanitra, fa toy ny andevo. Nandidy an’i Zakaria àry i Jehovah hoe: “Atsipazo ao amin’ny fitehirizan-karena izany vola be anombanany ahy izany.” (Zakaria 11:12, 13) Nankatò an’io baiko io i Zakaria. Mampahatsiaro antsika ny nataon’i Jodasy tamin’ilay vola namadihany an’ilay voatendrin’i Jehovah ho mpiandry ny Israely, ny zavatra nataony.—Matio 27:5.

Inona ilay “taratasy fisaraham-panambadiana” resahin’ny Baiboly?

Izao no voalazan’ny Lalàn’i Mosesy: “Raha misy lehilahy maka vady ... nefa manjary tsy mahazo sitraka aminy [ilay vadiny] satria nahitany zavatra manafintohina, dia aoka izy hanao taratasy fisaraham-panambadiana ary hanolotra izany an-dravehivavy, ka handroaka azy hiala ao an-tranony.” (Deoteronomia 24:1) Inona no nilana an’io taratasy io? Tsy lazain’ny Soratra Masina izay noraketin’ilay taratasy. Azo antoka anefa fa tsy maintsy ho niaro ny zo sy ny tombontsoan’ilay vehivavy izy io.

Teo anelanelan’ny 1951 sy 1952, dia nahitana rakitry ny ela tao amin’ireo lava-bato teo avaratry ny Reniranon’i Murabbaat, izay efa maina, any an-tany efitr’i Jodia. Nisy taratasy maromaro tao, anisan’izany ny taratasy fisaraham-panambadiana iray tamin’ny teny aramianina, nosoratana tamin’ny taona 71 na 72. Voatantara ao ny zava-nitranga iray tamin’ny voalohan’ny volana Marhesvana, tamin’ny taona fahenina nikomian’ny Jiosy tamin’i Roma. Nisaraka tamin’i Miriama, zanakavavin’i Jonatana avy any Hanablata, i Josefa, zanakalahin’i Naksana monina any Masada. Nahazo nanambady izay lehilahy jiosy tiany àry i Miriama. Naverin’i Josefa tamin’i Miriama ny fananana nentiny tao an-tokantrano, ary nonerany avo efatra heny izay simba. Nanao sonia an’ilay taratasy i Josefa sy ny vavolombelona telo, dia i Eliezera, zanakalahin’i Malka, sy Josefa, zanakalahin’i Malka, ary Eleazara, zanakalahin’i Hanana.

[Sary, pejy 25]

Lava-bato eo akaikin’ny reniranon’i murabbaat

[Sary, pejy 25]

Taratasy fisaraham-panambadiana, tamin’ny taona 71 NA 72

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Lava-bato: Todd Bolen/Bible Places.com; taratasy: Clara Amit, Courtesy of the Israel Antiquities Authority