Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza Marina Ilay Raintsika any An-danitra?

Iza Marina Ilay Raintsika any An-danitra?

Iza Marina Ilay Raintsika any An-danitra?

MARO ny olona mahay tsianjery an’ilay vavaka nampianarin’i Jesosy. Rainay Izay any An-danitra na Vavaka Nampianarin’ny Tompo no ahalalana azy io. (Matio 6:9-13) Miantso an’Andriamanitra hoe “Rainay” ny olona, isaky ny manao azy io. Tena mahalala tsara azy ve anefa izy ireo?

Ary ianao? Fantatrao tsara ve Andriamanitra? Mifandray tsara aminy ve ianao ka milaza aminy ny hafalianao sy ny alahelonao? Inona no dikan’ny hoe mahafantatra azy?

“Jehovah no anarany”

Dada fotsiny no ahalalan’ny zazakely ny rainy. Lasa mahafantatra ny anarany sy ny lazany anefa izy rehefa lehibe. Mirehareha koa angamba izy manana ny rainy. Ahoana ny amin’ilay Mpanome aina antsika? Fantatrao ve ny anarany sy ny dikan’izy io?

Maro no manonona an’ilay hoe “Hohamasinina anie ny anaranao!”, isaky ny manao an’ilay Rainay Izay any An-danitra. Tsy mahita havaly anefa izy ireo, rehefa anontaniana hoe: “Iza no anaran’Andriamanitra?” Tena misy Andriamanitra, rehefa jerena ny lanitra feno kintana, na ny tendrombohitra mijoalajoala, na ny haran-dranomasina maro loko sady feno zavamananaina. Tsy ahafantarana ny anarany anefa ireny. Mila mamaky ny Baiboly isika, raha te hahalala izany. Milaza mazava izy io hoe: “Jehovah no anarany.”—Eksodosy 15:3.

Tian’Andriamanitra ho fantatsika ilay anarany hoe Jehovah. Nahoana? Satria io no ahalalana ny momba azy. Ny dikan’izy io dia hoe “Manao Izay Hahatonga Izy”, izany hoe afaka ny ho tonga izay rehetra tadiaviny izy, mba hanatanterahana ny fikasany. Ahoana izany? Manao zavatra maro ny raim-pianakaviana, arakaraka izay ilain’ny ankohonany sy izay mitranga. Sady mpampidi-bola izy no mpanoro hevitra, mpitsara, mpandamina ady, mpiaro, ary mpanabe. Lazain’Andriamanitra amintsika àry ny anarany, mba hanomezana toky antsika fa mahavita manatanteraka izay iriny izy, mba hahasoa ny mpanompony, na inona na inona mitranga.

Andeha hojerentsika ireo zavatra maro ataon’ilay Andriamanitsika be fitiavana, mifanaraka amin’ny dikan’ny anarany. Ho fantatrao amin’izay hoe iza marina izy, ary inona no tsy maintsy ataonao mba hanatonana azy.

“Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana”

Nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana” ilay Mpamorona antsika. (2 Korintianina 13:11) Nahoana? Hoy i Jesosy Kristy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Tena tia antsika Andriamanitra, ka nomeny ho vidim-panavotana ho antsika ny Zanany malalany. Afaka ny hiaina mandrakizay izay maneho finoana an’io Zanany io, ary tsy hijaly noho ny ota intsony. Hoy koa i Paoly: “Fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.” (Romanina 6:23) Tsy tokony handrisika antsika ho tia sy hanatona an’Andriamanitra ve izany?

Ny olon-drehetra mihitsy no tian’Andriamanitra, indrindra fa ny mpanompony. Matetika, ohatra, ny Israelita no tsy nankatò azy. Hoy anefa i Mosesy: “I Jehovah ve no ataonareo toy izany lava izao, ry adala sy tsy manam-pahendrena? Tsy izy ve no Rainao niteraka anao, izay nanao anao sy nampilamina ny fiainanao?” (Deoteronomia 32:6) Azonao ve ny dikan’izany? Toy ny ray be fitiavana i Jehovah, ka nalahelo ny vahoakany, na dia nanao fahadisoana aza izy ireo. Nomeny azy ireo izay tena nilainy ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy.

Mivadibadika ny fiainantsika, ka malahelo isika indraindray ary kivy be mihitsy aza. Mila olona hanampy sy hangoraka antsika isika. Iza no afaka manao izany? Porofoin’i Jehovah ao amin’ny Baiboly, fa Mpanoro hevitra be fitiavana izy sady Mpikarakara antsika. Hazavain’io Boky Masina io hoe nahoana isika no mijaly be toy izao, ary inona no hanampy antsika tsy ho kivy. Tia ny zanany ny raim-pianakaviana, ka manampy azy raha mianjera izy ary maratra. Tena tia antsika koa i Jehovah, ka toy ny hoe miondrika mba hanampy antsika. Tsy fohy mihitsy ny tanany. Tena vonona hanampy an’izay mino azy izy, ary vitany tsara izany.—Isaia 59:1.

Ankoatra izany, dia “Mpihaino vavaka” Andriamanitra. Porofo koa izany fa tia antsika izy. (Salamo 65:2) Nahoana? Hoy i Paoly: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Filipianina 4:6, 7) Hahazo ny “fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra” àry isika, raha mivavaka avy amin’ny fo sy mankatò ny tari-dalany ao amin’ny Teniny.

“Andriamanitry ny fahalalana”

Milaza ny Baiboly fa “tapitr’ohatra amin’ny fahalalana” i Jehovah. “Andriamanitry ny fahalalana” izy, ka izy irery no tena mahalala antsika sy izay ilaintsika. (Joba 36:4; 1 Samoela 2:3) Nolazainy tamin’ny alalan’i Mosesy mpanompony fa “tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (Deoteronomia 8:3; Matio 4:4) Tsy sakafo sy fitafiana fotsiny àry no ilaintsika, raha tena te ho sambatra isika.

Omen’ny Mpamorona torohevitra tena tsara isika ao amin’ny Teniny. Hahasoa antsika ny “teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah”, raha ianarantsika sy ankatoavintsika. Hoy, ohatra, i Zuzanna, vehivavy kristianina iray, momba ny tokantranony: ‘Lasa mifankatia kokoa izahay mivady satria miara-mamaky Baiboly, miara-manatrika fivoriana kristianina, ary miara-mitory ny zavatra inoanay. Lasa mitovy koa ny tanjonay. Ny fampianaran’Andriamanitra daholo no nahatonga izany.’

Te hahazo torohevitra avy amin’Andriamanitra àry ve ianao? Mianara Baiboly tsy tapaka, ary ampiharo izay ianaranao. Homeny fitahiana maro ianao amin’izay.—Hebreo 12:9.

“Andriamanitra mpamonjy”

Mikorontana izao tontolo izao, ka tsy fantatry ny olona izay avoakan’ny ampitso. Misy ady angamba ao amin’ny taninao, ka tena maniry filaminana ianao. Be dia be koa ny olona mitebiteby lava, noho ny heloka bevava sy herisetra ary fampihorohoroana. Ny hafa matahotra sao tsy hanam-bola intsony. Iza àry no hamonjy antsika? Izao indrindra isika no mila mpiaro sy mpamonjy.

Hoy ny Baiboly: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy, ary mihazakazaka ho ao ny marina ka voaro.” (Ohabolana 18:10) Mila mahalala ny dikan’ny anarany àry isika, sady matoky fa manao zavatra mifanaraka amin’izany izy. Hino isika amin’izay fa tena hamonjy an’ireo mino azy izy. Efa namonjy ny vahoakany rahateo izy taloha. Naringany, ohatra, ny tafik’i Farao, ary nopotehiny ny kalesin’izy ireo, mba hamonjena ny Israelita. Noporofoiny fa mendri-pitokisana izy, ary malahelo an’ireo mijaly ka te hanampy azy.—Eksodosy 15:1-4.

Mila mino àry isika fa i Jehovah no Mpamonjy antsika, satria miankina amin’izany ny hoavintsika. Maro ny zava-tsarotra nanjo an’i Davida mpanjakan’ny Israely. Nino anefa izy fa i Jehovah no Mpamonjy azy. Hoy izy: “Ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy.” (Salamo 25:5) Tsy nisalasala niteny koa ny apostoly Petera hoe: ‘Hain’i Jehovah afahana amin’ny fitsapana ny olona mahafoy tena ho azy.’—2 Petera 2:9.

Izao no ampanantenain’Andriamanitra amin’izay olona rehetra mila vonjy aminy: “Harovako izy, satria nanjary nahalala ny anarako.” (Salamo 91:14) Maro ny mpanompony mahita fa manao izany tokoa izy. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy, ohatra, i Henryk, any Polonina, nandritra ny 70 taona, na dia nijaly sy nenjehina aza. Vao 16 taona izy, rehefa nalefa tany amin’ny toby fitanana tany Auschwitz, ny rainy. Nalefa tany amin’ny toerana fitaizana zaza maditra kosa i Henryk sy ny rahalahiny. Nafindrafindra toby fitanana izy, tatỳ aoriana. Hoy anefa i Henryk: “Tsy nahafoy ahy mihitsy i Jehovah, na tao anatin’ny mafy indrindra aza. Nampiany tsy hivadika aminy aho, na dia efa saika maty imbetsaka aza.” Omen’i Jehovah finoana sy hery àry ny mpanompony, mba hahafahany hiaritra.

Kely sisa dia hovonjen’Andriamanitra izay rehetra mino azy sy manantena ny fanampiany. Hoy izy: “Izaho no Jehovah, ary tsy misy mpamonjy afa-tsy izaho.” (Isaia 43:11) Horinganiny ny ratsy fanahy mandritra ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra”, fa hovonjeny kosa ny olo-mahitsy. (Apokalypsy 16:14, 16; Ohabolana 2:21, 22) Manome toky antsika izy hoe: ‘Ny mpandefitra no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.’—Salamo 37:11.

Lasa “zanak’Andriamanitra”

Nilaza ny Israelita tamin’ny andron’i Malakia mpaminany fa i Jehovah no Rain’izy ireo. Tsy nanaja azy sady tsy nahafoy tena ho azy anefa izy ireo. Mofo voaloto ary biby jamba sy kilemaina no nataony fanatitra. Nanontany azy àry i Jehovah hoe: “Raha ray aho, aiza izay fanajana ahy?”—Malakia 1:6.

Aza manahaka an’ireo Israelita nivadika ireo. Ampirisihinay kosa ianao mba hianatra momba an’i Jehovah Andriamanitra sy hanatona azy. Hoy i Jakoba mpianatr’i Jesosy: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—Jakoba 4:8.

Misy zavatra tsy maintsy ataonao anefa raha tianao ho Rainao i Jehovah. Hajao izy ka ankatoavy foana ny fitsipiny. Tsy hohadinoiny mihitsy ny ezaka ataonao. Hampiany tsy hivadika aminy ianao, ka hiaina ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenainy. “Tsy hisy fahafatesana intsony [ao], sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” (Apokalypsy 21:4) “Hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” izay rehetra mankatò azy.—Romanina 8:21.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Tian’Andriamanitra ho fantatsika ilay anarany hoe Jehovah, izay midika hoe “Manao Izay Hahatonga Izy”

[Teny notsongaina, pejy 6]

“Tsy nahafoy ahy mihitsy i Jehovah, na tao anatin’ny mafy indrindra aza.”—HENRYK

[Teny notsongaina, pejy 7]

‘Lasa mifankatia kokoa izahay mivady satria miara-mamaky Baiboly, miara-manatrika fivoriana kristianina, ary miara-mitory ny zavatra inoanay.’—ZUZANNA