Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mivilia Miankavanana Rehefa eo Amin’ny Reniranon’i Coco”

“Mivilia Miankavanana Rehefa eo Amin’ny Reniranon’i Coco”

Taratasy avy any Nikaragoà

“Mivilia Miankavanana Rehefa eo Amin’ny Reniranon’i Coco”

“MILA fiara tsy mifidy lalana sy lasantsy fanampiny ianao. Mitondrà koa fitaovana satria mety hihitsoka anaty fotaka ny kodiarana. Mivilia miankavanana rehefa eo amin’ny Reniranon’i Coco.”

Nahakivy ahy izany tenin’ny misionera namako izany. Nandeha ihany aho ny talata maraina, mba hanatrika fivoriambe kristianina tany Wamblán, tanàna kely any amin’ny faritra avaratr’i Nikaragoà.

Niainga vao nangiran-dratsy aho, nanaraka ny Lalambe Panamerikanina. Efa antitra ilay fiarako fa mbola matanjaka. Rehefa tonga teo Jinotega aho dia nandray lalan-tany antsoin’ny olona hoe feô, midika hoe ratsy be. Nahita fivarotana roa aho rehefa hivoaka an’ilay tanàna. Fahagagan’Andriamanitra no anaran’ny iray, ary Fitsanganana Amin’ny Maty ny iray.

Miolakolaka be ny lalana, sady miaka-midina. Nandeha mora aho teny amin’ireo lalana tery kely manavatsava lohasaha lalina. Nandalo farihy lavalava aho, teo am-pototry ny tendrombohitra iray rako-javona. Nahita orkide sy hazo feno lomotra koa aho.

Saika nifandona tamin’ny bisy aho teo amin’ny fiolahana be iray, satria nandeha ampovoany loatra ilay izy. Namoaka setroka mainty be izy io, sady nanapitipitika vatokely ny kodiarany. Betsaka ny bisy atỳ Nikaragoà no misy soratra masiaka, toy ny hoe: Mpanafika, Maingoka, Menarana, na Mpihaza.

Teo amin’ny Lemak’i Pantasma aho, tamin’ny mitataovovonana. Nahita trano hazo iray aho, nisy lahiantitra iray nipetraka teo ivelany, natory teo ambany hazo ny alika, ary nisy omby roa nitarika sarety. Tao amin’ny tanàna kely iray, dia nisy ankizy be dia be nanao tablie manga, avy nianatra. Nirohotra teny amin’ny arabe izy ireo, ka toy ny onja nitosaka teny amoron-dranomasina.

Nidanika ny masoandro rehefa nanakaiky an’i Wiwilí aho, ary tazako ny Reniranon’i Coco. Mahery io rano io sady tena misongadina ao amin’ilay tanàna. Tadidiko ilay toromarika nomena ahy, ka nivily niankavanana aho. Nanomboka teo ilay lalan-dratsy 37 kilaometatra mankany Wamblán.

Feno vato sy fotaka ilay izy. Niampita renirano valo na sivy aho. Nandeha mafy aho mba tsy hihitsoka anaty vovoka, ka toy ny nisy tadio tao aoriako. Tonga amin’ilay fitenin’ny olona atỳ hoe: “Mihinam-bovoka” mihitsy. Rehefa ela ny ela dia tazako nanangasanga ilay ala misy an’i Wamblán.

Taitra aho ny ampitso, nandre feon’akoholahy tsy nety nijanona. Amin’ny 4.30 dia efa mifoha ny olona. Nitsangana aho ka nankeny amin’ny arabe. Nanentoento erỳ ny fofona mofo atao hoe tortillas.

Hita etsy sy eroa ny sarina paradisa nataon’ny mpanao hoso-doko. Eo koa ny fivarotana, na pulperías, ahitana dokam-barotra zava-pisotro samihafa. Misy sary lehibe ahitana ny zavatra nampanantenain’ireo fitondrana telo farany, eny rehetra eny. Manjelanjelatra ireo trano fivoahana vita amin’ny fanitso, ary simenitra ny ambaniny.

Noarahabaiko izay olona hitako. Adiós no fiarahabana atỳ. Sariaka tamiko ny olona, ary tonga dia niresaka. Tsy maintsy niteny mafy anefa izahay, satria nikatrokatroka be ny kitron-tsoavaly sy ampondra.

Maro ny fianakaviana tonga ny zoma hariva, mba hanatrika ilay fivoriambe roa andro. Nandeha an-tongotra na fiara izy ireo, na nitaingin-tsoavaly. Nisy ankizikely nandeha an-tongotra adiny enina, nefa kapa kiranila no nanaovany. Nandalo renirano misy dinta sy faritra misy vanja milevina izy ireo. Avy lavitra be ny sasany, ary nitondra vary kely mifangaro tavin-kisoa mba hatao sakafo. Nahoana izy rehetra no nanao ezaka be toy izany?

Tonga izy ireo mba hihaino fanazavana ny Baiboly. Hanamafy ny fanantenany izany fa tena ho tsara ny hoavy. Te hampifaly an’Andriamanitra koa izy ireo.

Nanomboka ny fandaharana ny asabotsy. Maherin’ny 300 ny mpanatrika, nipetraka tamin’ny seza hazo na plastika, ary fanitso ny tafo. Nampinono ny zanany ny vehivavy sasany. Nitabataba koa ny kisoa sy ny akoho tao amin’ilay toeram-piompiana teo akaiky.

Nigaingaina be ny andro, ka nila tsy ho tanty. Nihaino tsara ny tari-dalana nomena azy anefa ny mpanatrika. Nanaraka tao amin’ny Baiboliny izy ireo, rehefa nisy andinin-teny novakina. Nihira tamin’ny fo koa izy ireo, ary nihaino tamim-panajana ny vavaka natao ho azy.

Nanao fanenjika niaraka tamin’ny ankizy aho, rehefa nirava. Niara-nijery ny hevitra nosoratan’izy ireo tamin’ny fivoriambe izahay avy eo. Nampisehoako sarina kintana tamin’ny ordinaterako izy ireo ka faly erỳ. Toy izany koa ny ray aman-dreniny.

Vetivety dia tapitra ilay fivoriambe, ka nody ny rehetra. Nanainga aho ny ampitso maraina. Maro ny fahatsiarovana mamy voarakitra ato an-tsaiko. Faly aho nahazo namana vaovao, sady tena tiako izy ireo. Tapa-kevitra aho fa hanahaka azy ireo, ka hianatra hianina amin’izay ananana ary hitoky amin’Andriamanitra.

[Sary, pejy 17]

Fianakaviana maro no nanao dia lavitra mba hanatrehana fivoriambe tao Wamblán