Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Tokony Hampiasa ny Anaran’Andriamanitra na dia Tsy Tena Fantatra aza ny Fanononana Azy?

Nahoana Isika no Tokony Hampiasa ny Anaran’Andriamanitra na dia Tsy Tena Fantatra aza ny Fanononana Azy?

Manontany ny Mpamaky

Nahoana Isika no Tokony Hampiasa ny Anaran’Andriamanitra na dia Tsy Tena Fantatra aza ny Fanononana Azy?

Tsy misy tena mahafantatra ny nanononan’ny Hebreo fahiny ny anaran’Andriamanitra. Tsara homarihina anefa fa miseho im-7000 eo ho eo ilay anarana, ao amin’ny Baiboly. Nampahafantatra azy io i Jesosy teto an-tany, ary nampianatra ny mpianany hivavaka mba hanamasinana azy io. (Matio 6:9; Jaona 17:6) Tena zava-dehibe amin’ny Kristianina àry ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra. Nahoana anefa no tsy tena fantatra ny nanononana an’io anarana io tany am-boalohany? Noho ny antony roa lehibe.

Voalohany, ninonino foana ny Jiosy, 2 000 taona lasa teo ho eo izay, ka nanjary nihevitra fa tsy mety ny manonona ny anaran’Andriamanitra. Rehefa namaky ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly izy ireo, dia “Tompo” no notononiny. Hadino àry ny fanononana ilay anarana, rehefa tsy nampiasaina nandritra ny taonjato maro.

Faharoa, nosoratana tsy nisy zanatsoratra ny teny hebreo fahiny, toy ireo teny nohafohezina fahita amin’ny fiteny sasany ankehitriny. Ny mpamaky no mameno ny zanatsoratra banga amin’ireo teny. Nisy fomba fanoratra noforonina, tatỳ aoriana, mba tsy hanadinoana tanteraka ny fanononana ny teny hebreo. Nasiana teboka-zanatsoratra ny teny rehetra ao amin’ny Baiboly hebreo. Ny teboka-zanatsoratra miaraka amin’ny hoe “Tompo” anefa no nampiarahina tamin’ny anaran’Andriamanitra, mba hampahatsiahivana ny mpamaky hanonona hoe Tompo. Tsy nasiana teboka-zanatsoratra kosa ny anaran’Andriamanitra sasany.

Renisoratra efatra àry sisa no nanondroana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Milaza ny diksionera iray fa “matetika no nadika hoe YHWH na JHVH ireo litera hebreo efatra ireo.” Lasa hoe “Jehovah” ny JHVH rehefa tononina miaraka amin’ny teboka-zanatsoratra. Io no tena mahazatra sy be mpampiasa amin’ny teny malagasy.

Milaza anefa ny manam-pahaizana sasany fa “Iaveh” no tokony hanononana ny anaran’Andriamanitra. Izany ve no mitovy kokoa amin’ny fanononana azy tany am-boalohany? Tsy azo antoka ny amin’izany. Nilaza antony tsy tokony hampiasana an’io fanononana io aza ny manam-pahaizana sasany. Mety ho tsy tena mitovy amin’ny fanononana azy ankehitriny ny nanononan’ny Hebreo fahiny ireo anarana hafa ao amin’ny Baiboly. Tsy misy manohitra izany anefa satria efa anisan’ny tenintsika ireny anarana ireny ka fantatsika avy hatrany. Toy izany ihany ny hoe Jehovah.

Nantsoina hoe olona mitondra ny anaran’Andriamanitra ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Niresaka an’ilay anarana tamin’ny olona izy ireo, ary nampirisika azy ireo hiantso azy io. (Asan’ny Apostoly 2:21; 15:14; Romanina 10:13-15) Tena irin’Andriamanitra hampiasa ny anarany masina isika, na inona na inona fitenintsika. Tiany hahafantatra ny dikan’izy io isika, ary tsy hanao zavatra manala baraka azy io.

[Teny notsongaina, pejy 31]

Tsara homarihina fa miseho im-7000 eo ho eo ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly